FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • od toko 12 p. 123-129
  • Fanohanana ny Asan’ilay Fanjakana eo An-toerana sy Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanohanana ny Asan’ilay Fanjakana eo An-toerana sy Eran-tany
  • Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • FIKARAKARANA NY ASAN’ILAY FANJAKANA ERAN-TANY
  • FIKARAKARANA IZAY ILAIN’NY FIANGONANA
  • FIKARAKARANA NY FANOMEZANA
  • FANDANIAN’NY FARITRA
  • FANAMPIANA NY MAHANTRA
  • FIZARANA BOKY SY GAZETY
  • Avy Aiza ny Vola Ampiasaintsika?
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Ahoana no Anohanana Ara-bola ny Asa Rehetra?
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Fanohanana Ara-bola Amin’ny Alalan’ny Fanomezana An-tsitrapo
    Ny Vavolombelon’i Jehovah—Tafaray mba Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra Maneran-tany
  • Mpiandraikitra Voatendry Hiandry ny Andian’ondry
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Hijery Hafa
Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
od toko 12 p. 123-129

TOKO 12

Fanohanana ny Asan’ilay Fanjakana eo An-toerana sy Eran-tany

MITORY ny vaovao tsara hatrany “amin’ny faritra lavitra indrindra eto an-tany” ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanatanterahana ny faminanian’i Jesosy momba ny andro farany. (Asa. 1:8; Mat. 24:14) Mahafoy sy hery izy ireo mba hanaovana an’io asa io, ary ataony an-tsitrapo izany. Ataony loha laharana foana ny Fanjakan’Andriamanitra, satria matoky izy hoe homen’i Jehovah izay ilainy ireo miara-miasa aminy. (Mat. 6:25-34; 1 Kor. 3:5-9) Mahita vokatra izy ireo, ka hita hoe mankasitraka sy mitahy azy ireo i Jehovah.

FIKARAKARANA NY ASAN’ILAY FANJAKANA ERAN-TANY

2 Mizara Baiboly sy boky ara-baiboly maimaim-poana isika. Gaga ny olona sasany rehefa mahita an’izany, ka manontany hoe avy aiza ny vola anaovantsika azy ireny. Mila vola tokoa ny manao pirinty na mamokatra Baiboly sy boky ara-baiboly. Ilana vola koa ny fanorenana sy ny fikojakojana an’ireo trano ao amin’ny Betela. Ao amin’izy ireny no mipetraka ireo olona mampiasa ny fitaovana fanontam-pirinty, sy manara-maso ny asa fitoriana, na manao fanompoana hafa mba hampandrosoana ny vaovao tsara. Omena vola fanampiana koa ny mpiandraikitra ny faritra, misionera, mpisava lalana manokana, ary ny mpanompo manontolo andro manokana hafa mba hahafahany hamita foana ny fanompoany. Hita amin’izany fa ilana vola be mihitsy ny asa fitoriana, na ny eto amintsika izany na maneran-tany. Aiza àry no ahitantsika vola amin’izany rehetra izany?

3 Maro no mankasitraka ny fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka manome vola hanohanana ny asa maneran-tany. Ny Vavolombelona anefa no tena manohana an’ilay asa. Misy amin’izy ireo mandefa fanomezana an-tsitrapo any amin’ny biraon’ny sampana. Manahaka ny mpanompon’Andriamanitra fahiny izy ireo. Nalala-tanana mantsy izy ireny, ka nanao fanomezana mba hanorenana ny toerana hivavahana amin’i Jehovah. (Eks. 35:20-29; 1 Tan. 29:9) Didim-pananana no ahazoana ny fanomezana sasany. Mazàna anefa no kely kokoa ny fanomezana hafa, izay avy amin’olona manokana sy ny fiangonana ary ny faritra. Ampy hampandrosoana ny asa fitoriana ireny fanomezana ireny, rehefa atambatra.

Tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tena tombontsoa ny manome vola sy fananana mba hampandrosoana ny asa fitoriana

4 Tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tena tombontsoa ny manome vola sy fananana mba hampandrosoana ny asa fitoriana. Nanana boatim-bola i Jesosy sy ny mpianany mba hisahanana ny fandanian’izy ireo. (Jaona 13:29) Milaza koa ny Baiboly fa nisy vehivavy vitsivitsy nikarakara izay nilain’i Jesosy sy ny mpianany. (Mar. 15:40, 41; Lioka 8:3) Nankasitraka ny fanampiana ara-bola nomen’ny olona azy koa ny apostoly Paoly. Te hampandroso ny asa fitoriana mantsy ireny olona ireny sady te hanohana ny fanompoany. (Fil. 4:14-16; 1 Tes. 2:9) Mazoto manompo sy tia manome toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia afaka ‘misotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina’ ny olona tso-po, na aiza na aiza misy azy.​—Apok. 22:17.

FIKARAKARANA IZAY ILAIN’NY FIANGONANA

5 Fanomezana an-tsitrapo koa no isahanana ny fandanian’ny fiangonana eo an-toerana. Tsy misy fanantazan-drakitra na adidy na fangataham-bola atao any amin’ny toeram-pivoriana. Misy boaty ho an’ny fanomezana kosa any, mba hahafahan’ny tsirairay hanome “araka izay fanapahan-keviny tao am-pony.”​—2 Kor. 9:7.

6 Natao handoavana izay lany amin’ny fampiasana sy fikojakojana ny Efitrano Fanjakana ny vola fanomezana. Mety hanapa-kevitra handefa ny vola sasany any amin’ny biraon’ny sampana eo an-toerana ny anti-panahy, mba hampandrosoana ny asa fitoriana eran-tany. Tokony hisy fanapahan-kevitra holanin’ny fiangonana anefa vao manao izany izy ireo. Afaka manao fanomezana tsy tapaka ho an’ny asa maneran-tany ny fiangonana maro noho izany. Tsy voatery hasiana fampandrenesana momba ny fanomezana foana eo anivon’ny fiangonana, isaky ny misy zavatra ilaina, rehefa fantatry ny rehetra hoe misy fandaniana atao foana eo an-toerana.

FIKARAKARANA NY FANOMEZANA

7 Misy rahalahy roa haka ny vola ao amin’ireo boaty ho an’ny fanomezana, isaky ny tapitra ny fivoriana. Raketin’izy ireo an-tsoratra izany avy eo. (2 Mpanj. 12:9, 10; 2 Kor. 8:20) Hataon’ny anti-panahy izay hitehirizana tsara an’ireny vola ireny, alohan’ny handefasana azy any amin’ny biraon’ny sampana, na alohan’ny hampiasana azy hisahanana ny fandanian’ny fiangonana. Manomana tatitra isam-bolana ilay rahalahy mikarakara ny kaonty mba hovakina amin’ny fiangonana. Hataon’ny anti-panahy mpandrindra koa izay hanamarinana ny kaonty, isaky ny telo volana.

FANDANIAN’NY FARITRA

8 Ny vola isahanana ny fandaniana amin’ny fivoriamben’ny faritra sy ny fandaniana hafa ataon’ny faritra, dia avy amin’ny fanomezana ataon’ireo Vavolombelona ao amin’io faritra io ihany. Misy boaty ho an’ny fanomezana any amin’ny fivoriambe, amin’izay afaka manao fanomezana ho an’ilay faritra ny olona. Afaka manao fanomezana koa ny fiangonana, amin’ny fotoana hafa, mba hisahanana an’izay fandaniana mahazatra ataon’ny faritra.

9 Tokony hahavita hisahana ny fandaniany ny faritra, ary atao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany ny ambim-bola. Ahoana anefa raha tsy ampy hisahanana ny fandaniana amin’ilay fivoriambe farany ny vola ao amin’ny kaontin’ny faritra, na tsy ampy hanomanana ny fivoriambe manaraka (ohatra hoe hamandrihana trano)? Mety hampahatsiahivin’ny mpiandraikitra ny faritra amin’ny fiangonana fa tombontsoa ny manao fanomezana mba hisahanana an’izany. Hodinihin’ny anti-panahy rehetra eo anivon’ny fiangonana tsirairay ilay izy, ary hotapahiny izay fanomezana azon’ny fiangonany atao mba hanampiana ny faritra. Harosony holanin’ny fiangonana ny fanapahan-kevitr’izy ireo avy eo.

10 Raha misy ny olana ara-bola ary tokony ho fantatry ny anti-panahy ao amin’ilay faritra ilay izy, dia hasiana fivorian’ny anti-panahy amin’ilay andro anaovana ny fivoriamben’ny faritra. Tokony haroso holanin’ny anti-panahy ny fandaniana hafa ankoatra an’ireo fandaniana efa voafaritra mialoha. Ilaina ny manao fanapahan-kevitra toy izany isaky ny hampiasa volan’ny faritra. Tokony horaketina an-tsoratra mazava tsara ny mari-bola amin’ireny fanapahan-kevitra ireny.

11 Misy fandaharana atao mba hanamarinana tsy tapaka ny kaontin’ny faritra.

FANAMPIANA NY MAHANTRA

12 Natao hanampiana ny mahantra koa ilay tahirim-bolan’i Jesosy sy ny mpianany. (Mar. 14:3-5; Jaona 13:29) Mbola mila manampy ny mahantra ny Kristianina hatramin’izao, satria hoy i Jesosy: ‘Hisy mahantra foana eo aminareo.’ (Mar. 14:7) Ahoana no anatontosan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’izany andraikiny izany?

13 Mety hila fanampiana indraindray ny olona tsy mivadika sasany eo anivon’ny fiangonana, satria efa antitra na marary na manana olana hafa tsy azony anoarana. Mety hanampy azy ny ankohonany na ny havany na ny olon-kafa, satria te hanaraka an’ity lazain’ny apostoly Jaona ity: “Raha misy mba manan-katao ihany amin’izao fiainana izao ka mahita hoe sahirana ny rahalahiny, nefa tsy mba mangoraka azy, dia ahoana no ilazany hoe tia an’Andriamanitra izy? Tsy tokony ho tia amin’ny teny na amin’ny lela fotsiny isika, ry zanako malalako, fa tokony ho tia amin’ny fo kosa, ary tokony hasehontsika amin’ny atao izany.” (1 Jaona 3:17, 18; 2 Tes. 3:6-12) Anisan’ny fivavahana marina àry ny fikarakarana an’ireo Kristianina tsy mivadika mila fanampiana.​—Jak. 1:27; 2:14-17.

14 Nohazavain’ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’i Timoty hoe ahoana no anomezana fanampiana ho an’ireo mendrika an’izany. Hita ao amin’ny 1 Timoty 5:3-21 ny toroheviny. Ny Kristianina tsirairay aloha no tokony hanome izay ilain’ny ankohonany. Tokony hampian’ny zanany na ny zafikeliny na ny havany akaiky hafa ny zokiolona na ireo efa osa. Manome fanampiana ho azy ireny indraindray ny fanjakana na ny fikambanana ara-tsosialy, fa ilaina ny manao fangatahana mba hahazoana an’ilay izy. Mety ho afaka hanampy azy hikarakara an’izany ny havany na ny olon-kafa. Ny fiangonana manontolo mihitsy indraindray no mila mandinika ny fomba azony anampiana ny rahalahy sy anabavy sahirana, izay efa nanompo an’i Jehovah hatry ny ela. Azon’ny anti-panahy rehetra atao ny manome soso-kevitra ny fiangonana hoe ahoana no azony anampiana an’ilay olona, raha tsy manana ankohonana na havana afaka manampy azy izy, sady tsy mahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana. Heverin’ny Kristianina ho tombontsoa ny mizara izay ananany mba hanohanana an’ireny olona mila fanampiana ireny.

15 Mety hila fanampiana koa ny rahalahy sy anabavy maro rehefa tratran’ny fanenjehana, ady, horohoron-tany, tondra-drano, mosary, na loza hafa fahita amin’izao fotoan-tsarotra izao. (Mat. 24:7-9) Mety tsy hanan-javatra hifampizarana anefa ny fiangonana, ka ny Filan-kevi-pitantanana no mandrindra ny fanampiana omen’ny rahalahy sy anabavy avy any an-toeran-kafa. Izany no nataon’ny Kristianina tany Azia Minora mba hanomezana sakafo ho an’ny rahalahy tany Jodia, nandritra ny mosary. (1 Kor. 16:1-4; 2 Kor. 9:1-5) Hita hoe tena mpianatr’i Jesosy Kristy isika sady tia an’ireo mpiara-manompo amintsika, raha malala-tanana toy izany.​—Jaona 13:35.

FIZARANA BOKY SY GAZETY

16 Tena ilaina ny Baiboly sy ny boky ara-baiboly, mba hitoriana ny vaovao tsara any amin’ny faritra maro. Mpikarakara fiangonana iray matetika no tendren’ny anti-panahy hikarakara ny boky sy gazety. Tena raisin’ireo rahalahy ireo ho zava-dehibe ny andraikitra ampanaovina azy. Raketiny an-tsoratra tsara izay boky sy gazety mivoaka sy miditra, amin’izay ampy tsara ny boky sy gazety ilain’ny fiangonana.

17 Kristianina efa nanokan-tena isika, ka fantatsika fa nanome fanomezana maro ho antsika Andriamanitra mba hanompoantsika azy. Anisan’izany ny fotoana, fahaizana, hery, fananana, talenta, eny fa na dia ny aintsika aza. (Lioka 17:10; 1 Kor. 4:7) Hita hoe tena tia an’i Jehovah isika raha mampiasa tsara ny zavatra rehetra ananantsika mba hanompoana azy. Tiantsika ny hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny zava-tsarobidy ananantsika, satria fantatsika fa mahafaly azy izay rehetra omentsika azy raha avy amin’ny fontsika manontolo. (Ohab. 3:9; Mar. 14:3-9; Lioka 21:1-4; Kol. 3:23, 24) Hoy i Jesosy: “Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Mat. 10:8) Ho sambatra isika raha mahafoy tena sy mahafoy fananana mba hanompoana an’i Jehovah.​—Asa. 20:35.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara