-
Mpitory ny Vaovao TsaraVoalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
-
-
nataon’izy ireo sy nampianariny.” (Mar. 6:30) Marina aloha fa tsy ho hita ao amin’ny tatitra daholo ny zavatra rehetra ataontsika ho an’i Jehovah. Tena ilain’ny fandaminana anefa ireny tatitra ireny. Mety ho hita amin’izy ireny indraindray hoe inona no karazana fanompoana ilana ezaka bebe kokoa. Mety ho hita amin’ireo tarehimarika mantsy hoe nihatsara ny karazana fanompoana sasany, fa tsy toy izany kosa ny hafa. Mety hoe tsy nisy fitomboana firy ny isan’ny mpitory. Angamba izy ireo mila fampaherezana, na misy olana mila alamina. Hijery ny tatitra rehetra ny mpiandraikitra mba hahitana hoe inona ny olana mety ho nahatonga ny mpitory tsirairay na ny fiangonana tsy handroso, ary hiezaka handamina an’izany izy ireo.
35 Ilain’ny fandaminana koa ny tatitra mba hamantarany ny faritra mila mpitory maro kokoa. Ho fantany hoe aiza ny toerana ahitana vokatra kokoa ary aiza no tsy dia mandroso. Ho hitany koa hoe inona ny boky ilaina mba hanampiana ny olona hianatra ny fahamarinana. Ny tatitra no ahafantaran’ny fandaminana hoe inona avy ny boky na gazety tena ilaina any amin’ny faritra samihafa eran-tany, ary ataony izay hahazoan’izy ireo an’izany.
36 Mampahery ny ankamaroantsika ny tatitra. Tena faly isika rehefa mandre ny asa fitoriana ataon’ny rahalahintsika eran-tany. Ny tatitra koa no ahitantsika ny fandrosoan’ny fandaminan’i Jehovah amin’ny ankapobeny. Mampahery antsika ny fitantarana, ary vao mainka mahatonga antsika hazoto hitory. (Asa. 15:3) Tena mila mamerina ny tatitra momba ny fanompoana nataontsika àry isika. Ho hita amin’izany mantsy hoe miahy an’ireo rahalahintsika eran-tany isika. Toy ny hoe zavatra kely ny hoe mamerina tatitra, kanefa hita hoe manaiky ny fandaharana ataon’i Jehovah eo anivon’ny fandaminany isika raha manao izany.—Lioka 16:10; Heb. 13:17.
MIEZAHA HANANA TANJONA
37 Aza ampitahaina amin’ny an’ny hafa ny zavatra vitanao eo amin’ny fanompoana. (Gal. 5:26; 6:4) Tsy mitovy mantsy ny zavatra iainan’ny tsirairay. Handray soa anefa ianao raha miezaka manana tanjona azo tratrarina, ary izay tanjona tratranao no hamaritanao ny fandrosoana vitanao eo amin’ny fanompoana. Ho afa-po koa ianao rehefa mahatratra ny tanjonao.
38 Olona maro no tian’i Jehovah harovana amin’ny “fahoriana lehibe”, ary hita hoe angoniny haingana izy ireny izao. Tanteraka ankehitriny ilay faminanian’i Isaia hoe: “Ny vitsy ho lasa arivo, ary ny kely ho lasa firenena mahery. Izaho Jehovah no hanafaingana an’izany amin’ny fotoanany.” (Apok. 7:9, 14; Isaia 60:22) Tombontsoa tokoa ny hoe mitory ny vaovao tsara amin’izao andro farany tena miavaka izao!—Mat. 24:14.
-
-
Fomba Itoriana ny Vaovao TsaraVoalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
-
-
TOKO 9
Fomba Itoriana ny Vaovao Tsara
TENA nazoto nitory ny vaovao tsara i Jesosy, ka modely ho an’ny mpanara-dia azy. Izy mihitsy no nanatona ny olona ka niresaka tamin’izy ireo sy nampianatra azy, na tany an-trano izany na teny an-kalamanjana. (Mat. 9:35; 13:36; Lioka 8:1) Niresaka tamin’ny olona mitokana izy indraindray, nampianatra ny mpianany, na niresaka tamin’ny olona an’arivony. (Mar. 4:10-13; 6:35-44; Jaona 3:2-21) Nampahery sy nanome fanantenana ny olona izy, isaky ny afaka nanao izany. (Lioka 4:16-19) Mbola nitory foana izy, na dia rehefa nila niala sasatra sy nisakafo kely aza. (Mar. 6:30-34; Jaona 4:4-34) Rehefa mamaky ny fitantarana momba ny fanompoan’i Jesosy isika, dia lasa te hanahaka azy, toy ny nataon’ireo apostoly.—Mat. 4:19, 20; Lioka 5:27, 28; Jaona 1:43-45.
2 Maro ny fomba azontsika andraisana anjara amin’ilay asa natombok’i Jesosy Kristy, efa ho 2 000 taona lasa izay. Andeha hodinihintsika izany.
FITORIANA ISAN-TRANO
3 Fantatsika Vavolombelon’i Jehovah fa zava-dehibe ny mitory ny vaovao tsara isan-trano. Mitory isan-trano foana isika, ka lasa izany no ahafantaran’ny olona antsika. Nahitana vokatra tsara io fomba fitory io ka voaporofo hoe io no fomba tsara indrindra ahafahana mitory amin’ny olona an-tapitrisany, ao anatin’ny fotoana fohy. (Mat. 11:19; 24:14) Rehefa mitory isan-trano isika dia mampiseho hoe tia an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika.—Mat. 22:34-40.
4 Tsy ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny no namorona ny fitoriana isan-trano. Nilaza, ohatra, ny apostoly Paoly fa nampianatra ny olona tany an-tranony izy. Hoy izy tamin’ireo mpiandraikitra tany Efesosy: “Nanomboka tamin’ilay andro voalohany nanitsahako ny faritanin’i Azia ..., [dia] tsy nisalasala aho nilaza taminareo an’izay rehetra nahasoa, sy nampianatra anareo ... isan-trano.” Nilaza koa i Paoly fa ‘nanome fanazavana feno tamin’ny Jiosy sy tamin’ny Grika izy hoe ilaina ny mibebaka sy miverina amin’Andriamanitra ary mino an’i Jesosy Tompontsika.’ Nanao izany ampahibemaso koa izy, ankoatra ny fitoriana isan-trano. (Asa. 20:18, 20, 21) Nampirisika ny olona hanompo sampy ny mpanjaka romanina tamin’izany, ary maro no lasa ‘natahotra an’ireo andriamanitra.’ Tena nila nitady an’Andriamanitra haingana àry ny olona, dia “Ilay Andriamanitra nanao an’izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy”, sy Ilay ‘nilaza amin’ny olombelona rehetra, na aiza na aiza, fa tokony hibebaka izy ireo.’—Asa. 17:22-31.
5 Vao mainka isika izao tena mila mitory ny vaovao tsara, satria manatona haingana ny faran’ity tontolo ratsy ity. Izany no mahatonga antsika hiezaka bebe kokoa hitory isan-trano. Voaporofo mantsy fa tsy misy fomba tsara kokoa noho io, mba hitadiavana ny olona mangetaheta ny fahamarinana. Nahomby izy io tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoly, ary mbola mahomby ankehitriny.—Mar. 13:10.
6 Mazoto mitory isan-trano ve ianao? Ho faly i Jehovah raha manao izany ianao. (Ezek. 9:11; Asa. 20:35) Mety tsy ho mora aminao koa anefa ny mitory isan-trano. Mety hanana kilema ara-batana ianao, na be olona tsy mandray ny faritany itorianao. Mety ho voararan’ny fanjakana mihitsy aza ny mitory. Mety ho saro-kenatra koa ianao na tsy sahy manombo-dresaka amin’ny olona tsy fantatrao, ka matahotra isaky ny handeha hitory isan-trano. Aza kivy anefa. (Eks. 4:10-12) Tsy ianao irery no toy izany.
7 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Hiaraka aminareo foana aho isan’andro, mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.” (Mat. 28:20) Vao mainka mahatonga antsika hazoto hanao mpianatra izany fampanantenana izany. Hitantsika hoe marina ilay tenin’i Paoly ao amin’ny Filipianina 4:13 hoe: “Manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.” Hararaoty tsara àry ny fandaharana rehetra ataon’ny fiangonana mba hanampiana anao hitory isan-trano. Mahazo fampaherezana sy fanampiana ianao, rehefa miara-manompo amin’ny mpitory hafa. Mivavaha amin’i Jehovah mba handresenao an’ireo zava-tsarotra mety ho hitanao rehefa mitory isan-trano. Mila miezaka mafy koa anefa ianao manao ny andraikitrao.—1 Jaona 5:14.
8 Ho afaka hanazava ny ‘anton’ny fanantenanao’ ianao, rehefa mitory ny vaovao tsara. (1 Pet. 3:15) Vao mainka ho hitanao hoe tsy mitovy ireo manana fanantenana momba ilay Fanjakana sy ireo tsy manana an’izany. (Isaia 65:13, 14) Ho faly koa ianao satria fantatrao hoe nanaraka ny tenin’i Jesosy ianao, ka ‘navelanao hamirapiratra ny hazavanao.’ Mety ho afaka hanampy olon-kafa hahafantatra an’i Jehovah sy ilay fahamarinana hahazoana fiainana mandrakizay koa aza ianao.—Mat. 5:16; Jaona 17:3; 1 Tim. 4:16.
9 Misy fandaharana atao mba hitoriana isan-trano amin’ny faran’ny herinandro sy rehefa andavanandro. Misy fiangonana manao fitoriana rehefa takariva. Betsaka mantsy ny olona tsy tratra an-trano mandritra ny andro, ary mety ho vonona handray vahiny kokoa ny olona amin’ny takariva noho ny amin’ny maraina.
FITADIAVANA AN’IREO MENDRIKA
10 Nasain’i Jesosy ‘nitady izay mendrika’ ny mpianany. (Mat. 10:11) Tsy isan-trano ihany no nitadiavany an’ireo olona tso-po. Nitory foana izy isaky ny afaka nanao izany. (Lioka 8:1; Jaona 4:7-15) Nitory tany amin’ny toerana samihafa koa ny apostoly.—Asa. 17:17; 28:16, 23, 30, 31.
Ataontsika tanjona ny hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona tsirairay
11 Ataontsika tanjona koa ankehitriny ny hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona tsirairay. Tokony hanao toa an’i Jesosy sy ny apostoly àry isika rehefa mampianatra ny olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy, sady tokony haharaka ny fiovana eo amin’ny faritany sy ny fiainan’ny olona. (1 Kor. 7:31) Misy mpitory, ohatra, mahita vokatra rehefa mitory eny amin’ny faritany be toeram-piasana. Mahita fahombiazana koa ny mpitory any amin’ny tany maro rehefa mitory eny an-dalana, eny amin’ny zaridainam-panjakana, parking, na eny amin’izay toerana ahitana olona. Manisy latabatra na tabilao fampirantiana azo afindrafindra ao amin’ny faritaniny ny fiangonana sasany, mba hitoriana amin’ny olona. Mety hanao fandaharana manokana koa ny biraon’ny sampana, mba hitoriana eny amin’ny toerana be olona any an-tanàn-dehibe. Hasainy handray anjara amin’izany ny olona avy amin’ny fiangonana samihafa. Mety handre ny vaovao tsara ihany àry ny olona sasany, na dia tsy tratra ao an-trano aza.
12 Rehefa mitory eny amin’ny toerana be olona isika ka mahita olona liana amin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly, dia afaka manolotra boky na gazety mifanaraka amin’izay ilainy. Azonao atao avy eo ny manome azy ny mombamomba anao sy mifanao fotoana aminy mba hitsidihana azy, na manoro ny tranonkala jw.org. Azo omena azy koa ny adiresin’ny toerana akaiky indrindra misy ny fivorian’ny fiangonana. Mety ho lasa tianao ny mitory eny amin’ny toerana be olona, sady fomba iray azonao anitarana ny fanompoanao izany.
13 Tsy ny fitoriana ny vaovao tsara ihany anefa no asa asaina ataon’ny Kristianina ankehitriny. Tsy maintsy miverimberina any amin’ny olona liana ianao, raha tianao handray ny fahamarinana sy ho lasa Kristianina matotra izy.
FIVERENANA MITSIDIKA
14 Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: ‘Ho vavolombeloko any amin’ny faritra lavitra indrindra eto an-tany ianareo.’ (Asa. 1:8) Nilaza koa izy hoe: ‘Mandehana àry, ampianaro ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia ahy, sady ampianaro hankatò an’izay rehetra nandidiako anareo.’ (Mat. 28:19, 20) Anisan’ny fanompoana mahafaly ny manao fiverenana mitsidika. Raha liana mantsy ilay olona tamin’izy nitorianao, dia azo inoana hoe ho faly izy rehefa mahita anao indray. Raha miresaka fanazavana hafa avy ao amin’ny Baiboly ianao amin’izay, dia mety hitombo ny finoany an’Andriamanitra sady ho takany hoe mila mifandray aminy izy. (Mat. 5:3) Mety ho afaka hanomboka fampianarana Baiboly ianao, raha manomana tsara sy miverina mitsidika azy amin’ny fotoana mety aminy. Izany foana no tokony ho tanjonao rehefa miverina mitsidika. Tsy mamboly ny voan’ny fahamarinana fotsiny mantsy isika, fa manondraka koa.—1 Kor. 3:6.
-