LESONA 43
Mampiasa Izay Asaina Velabelarina
AMPITAHAIN’NY Baiboly amin’ny vatan’olombelona ny fiangonana kristianina. Samy ilaina ny tapany tsirairay ao aminy, nefa ‘tsy mitovy asa avokoa izy rehetra.’ Mifanaraka amin’izany, dia tokony hiezaka hanatanteraka izay tombontsoa rehetra ankinina amintsika isika. Tokony ho azontsika tsara sy hotanterahintsika tsara àry izay anjara na lahateny rehetra asaina ataontsika, ka tsy hohamaivanintsika ny foto-kevitra sasany, satria hoe tsy dia mahaliana toy ny hafa. (Rom. 12:4-8) Manana andraikitra hanome sakafo ara-panahy “amin’ny fotoana” ilana azy ny mpanompo mahatoky sy malina. (Matio 24:45) Mampiseho fankasitrahana an’io fandaharana io isika rehefa mampiasa ny fahaizantsika, mba hamelabelarana anjara na lahateny araka ny toromarika azontsika. Hampirindra tsara ny fiasan’ny fiangonana amin’ny fitambarany izany.
Hevitra inona avy no horaisina? Rehefa asaina mamelabelatra foto-kevitra iray ao amin’ny sekoly ianao, dia io ihany ampiasaina fa tsy zavatra hafa. Saika omena foana ny anaran’ilay boky tokony hakana hevitra. Raha tsy omena anao kosa ilay izy, dia mitadiava fanazavana any amin’ny boky hafa. Rehefa manomana ilay anjara anefa ianao, dia ataovy miorina amin’ilay foto-kevitra asaina velabelarinao ilay anjara manontolo. Ilaina hoheverina koa ny mpihaino, rehefa mifidy ny hevitra horaisina.
Fakafakao tsara ilay lahatsoratra asaina hakanao hevitra, ary koa ireo andinin-teny voalaza ao. Diniho avy eo, ny fomba hampiasana azy io mba hanampiana ny mpihaino amin’ny fomba tsara indrindra. Mifidiana hevitra roa na telo avy ao amin’ilay lahatsoratra, mba ho hevi-dehiben’ny anjaranao. Fidio avy ao amin’ilay lahatsoratra koa ireo andinin-teny kasainao hovakina sy hohazavaina.
Hevitra firy ao amin’ilay lahatsoratra no tokony hampiasainao? Izay azonao hazavaina tsara ihany. Aza mitady hilaza zavatra be dia be, ka hanjary hatao tsirambina ny fampianarana azy. Raha tsy mifandray amin’ny zava-kendren’ny anjaranao ny tapany sasany ao amin’ilay lahatsoratra, dia aza raisina. Izay hevitra mampiana-javatra indrindra sy manampy indrindra ny mpihaino no raiso. Ny zava-kendrenao amin’ity fianarana ity dia tsy ny hahita hoe firy ny hevitra azo velabelarina, fa ny hampiasa izay asaina velabelarinao ho fototry ny anjaranao.
Tsy asaina mamintina fotsiny ilay lahatsoratra akory ianao. Tokony hanazava hevitra sasantsasany ianao, hanome tsipiriany fanampiny, hampiasa ohatra na fanoharana, ary angamba hanao fampiharana azy. Ireo hevitra fanampiny dia tokony hanazava ny hevi-dehibe asaina velabelarinao, fa tsy tokony haka ny toerany.
Mety hasaina hampianatra amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ireo rahalahy mahay mampianatra. Takatr’izy ireo fa mila mampiasa tsara izay asaina velabelariny izy, fa tsy hanolo azy io amin-javatra hafa. Asaina manaraka drafitra toy izany koa ireo rahalahy manao lahateny ho an’ny besinimaro. Azo ovaovana araka ny toe-javatra ny drafitra, nefa efa voalaza mazava tsara ao ireo hevi-dehibe hovelabelarina, sy ireo hevitra fanampiny tokony hampiasaina, ary ireo andinin-teny iorenan’ilay lahateny. Ny fianaranao mampiasa izay asaina velabelarinao dia mampiofana anao hahazo tombontsoa hanao anjara na lahateny hafa.
Hanampy anao hitarika fampianarana Baiboly mandroso koa io fampiofanana io. Hianatra hifantoka amin’ilay foto-kevitra ianarana ianao, fa tsy hiala aminy ka hiresaka zavatra hafa, izay mahaliana angamba, nefa tsy ilaina mba hanazavana ilay foto-kevitra. Raha azonao tsara anefa ny votoatin’ity lesona ity, dia tsy ho hentitra loatra ianao ka hanjary tsy ho sahy hanome fanazavana fanampiny mety hilain’ilay mpianatra.