Hira 214
Araho ny Fomba Fiaina Takin’Andriamanitra
1. Avy aminao, Jehovah, ny fiainanay.
Nomenao anay ilay Zanakao;
Izany dia sarobidy aminay,
Ka ekenay ny fitarihanao.
2. Ny fahatahoranay anao, Jehovah,
No manome fahendrena anay.
Ny didinao mitondra fifaliana,
Ianaranay sy ankatoavinay.
3. Misy zava-kendrena ny fiainanay.
Nampianatra anay Kristy Zanakao:
‘Sambatra ny manome noho ny mandray’;
Ary aza tia izao tontolo izao.
4. Ampio ’zahay hankatò ny teninao,
Satria akaiky ny Fanjakanao.
Torinay amin’ireo ’zay tia anao
Ny famonjen’i Kristy Zanakao.