FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb10 p. 66-125
  • Ogandà

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ogandà
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2010
  • Lohatenikely
  • “VATOSOAN’I AFRIKA”
  • NY MPONIN’I OGANDÀ
  • MPISAVA LALANA ARA-BAKITENY
  • NITOHY INDRAY NY ASA
  • IREO MPANITATRA FARITANY
  • NAHAFOY TENA KA NAHAZO FITAHIANA
  • SAROBIDY NY ASAN’IREO MISIONERA
  • VOALAMINA KOKOA NY ASA
  • FANAMPIANA HO AN’NY MPITORY VAOVAO
  • MAMPANDROSO NY ASA IREO MPIANDRAIKITRA MPITETY FARITANY
  • JEHOVAH NO MAMPITOMBO
  • “FITONDRAN’ANDRIAMANITRA” SA FITONDRAN’OLOMBELONA?
  • FOTOAN-TSAROTRA
  • ‘NIFAHATRA TSARA SY TSY VOAHOZONGOZONA’
  • FIVORIANA NAHAFALY
  • ‘MALINA TAHAKA NY BIBILAVA, NEFA TSY MANAN-TSINY TAHAKA NY VOROMAILALA’
  • MPISAVA LALANA BE FIKIRIZANA
  • ‘RAHALAHY MANAMPY AMIN’NY FOTOAM-PAHORIANA’
  • “HANDEHA FOANA AHO NA HISY HAMONO AZA”
  • FOTOANA NAMPIDI-DOZA
  • OLANA SY FAHAFAHANA
  • NIVERINA INDRAY IREO MISIONERA
  • TE HANOMPO BEBE KOKOA NY BE TAONA
  • “AHOANA NO FITENY HOE...?”
  • MANDROSO BE NY FIJINJANA
  • FIJINJANA TAMIN’NY SAHA LEHIBE KOKOA
  • FIATREHANA VATO MISAKANA
  • MANAFAINGANA NY ASA FIJINJANA NY FANDIKAN-TENY
  • TOERAM-PIVAVAHANA MARO KOKOA
  • FIATREHANA NY FITOMBOANA
  • “EFA AO AMIN’NY PARADISA IZAHAY IZAO”
  • MITOMBO BE NY TENA FAHALALANA
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2010
yb10 p. 66-125

Ogandà

MAMAKIVAKY ny tapany avaratra atsinanan’i Afrika ny Reniranon’i Nil, ary mivarina any amin’ny Ranomasina Mediterane. Efa ela ny mpikaroka no nitady ny loharanon’izy io. Nandinika akaiky ny Farihy Victoria sy ireo tendrombohitra manodidina azy io ny mpikaroka sasany, satria toa avy amin’ireo ny ranon’i Nil. Nahita loharano sarobidy kokoa anefa ny mponina tamin’iny faritra iny. Ahazoana ‘rano velona manome fiainana mandrakizay’ izy io. (Jaona 4:10-14) Ho hitanao ato ny tantaran’ireo olona “mangetaheta ny fahamarinana” eto Ogandà.—Mat. 5:6.

“VATOSOAN’I AFRIKA”

Eo afovoan’i Afrika no misy an’i Ogandà, ary eo amin’ny andaniny roa amin’ny ekoatera. Tany mahafinaritra izy io ary antonony tsara ny toetany. Ny ranomandry avy eny an-tampon’ny Tandavan-tendrombohitra Ruwenzori, na Tendrombohitra Volana, no mitsonika ka lasa renirano sy farihy maro be. Mety tsara amin’ny fambolena kafe sy dite ary landihazo eto, satria lonaka ny tany ary ampy tsara ny rotsakorana. Vokatra eto koa ny akondrolahy, izay tanehina mba hanamboarana matooke, sakafo ankafizin’ny Ogandey. Eo koa ny mangahazo, koba katsaka, ary ampemby.

Hita eto ny liona, elefanta, hipopotama, voay, leopara, zirafy, antilopa, gidro isan-karazany, ary ny rajakon-tendrombohitra, izay atahorana ho lany tamingana. Misidintsidina eny ana habakabaka eny ny vorona mahafinaritra, miaraka amin’ny siotsiokany mahasondriana. Tany kanto tokoa i Ogandà, ka nantsoin’ny olona hoe “vatosoan’i Afrika.”

NY MPONIN’I OGANDÀ

Tokotokony ho 30 tapitrisa ny Ogandey, izay mizara ho foko 30 eo ho eo. Maro no tia fivavahana, ka miangona ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Afangarony amin’ny fomban-drazana anefa ny fivavahana, toy ny any an-tany hafa ihany. Sariaka ny Ogandey amin’ny ankapobeny sady tia mandray vahiny. Fahita ny olona mandohalika rehefa miarahaba olon-dehibe, na mandroso sakafo ho azy.

Tena nisy fiantraikany tamin’ilay “vatosoa” sy ny mponina teo aminy anefa ireo korontana ara-politika, teo anelanelan’ny 1970 sy 1990. An’arivony no maty ary niteraka alahelo be izany. Teo koa ny SIDA, izay nandripaka olona maro. Nitondra fampiononana sy fanantenana ho an’ny mponina teto ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny.

MPISAVA LALANA ARA-BAKITENY

Tamin’ny 1931 no tonga teto ny vaovao tsara. Ny sampan’i Afrika Atsimo, tamin’izany, no niandraikitra ny asa fitoriana tamin’ireo firenena afrikanina atsimon’ny ekoatera. Notendreny hisantatra ny asa fitoriana tamin’io faritany midadasika io ny mpisava lalana roa, dia i Robert Nisbet sy David Norman. Nitory tany Kenya sy Ogandà ary Tanzania ankehitriny izy ireo.

Tapa-kevitra ny hitory tatỳ amin’ny faritra afovoan’i Afrika izy mirahalahy, ary nitondra boky sy gazety 200 baoritra. Nanomboka tao Dar es-Salaam izy ireo, tamin’ny 31 Aogositra 1931. Nankany amin’ny nosy Zanzibar izy ireo taorian’izay, ary avy eo namonjy ny seranan-tsambon’i Mombasa mba ho ao Kenya. Nandeha fiarandalamby izy ireo, nitory tamin’izay tanàna nandalovany, mandra-pahatongany tany atsinanan’ny Farihy Victoria. Nandeha sambo namakivaky an’ilay farihy indray ireo mpisava lalana be herim-po ireo, ka tonga tao Kampala, renivohitr’i Ogandà. Nahapetraka boky sy gazety maro be izy ireo tao, sady nahazo famandrihana tamin’ny gazety Fotoam-pahasambarana. Niroso nankany afovoan-tany ihany ny dia, saingy fiara indray no nandehanana.

Mpisava lalana efatra avy any Afrika Atsimo indray no nitory tatỳ Afrika Atsinanana, tamin’ny 1935, izany hoe efa-taona taorian’izay. Tsy iza izany fa i Gray Smith sy Olga vadiny, ary Robert Nisbet sy George zandriny lahy. Tranofiara roa ampy fitaovana tsara no nentin’izy ireo. Nanavatsava lalan-dratsy izy ireo sady nisetra an’ireo farinomby nahatratra telo metatra. Hoy ny boky iray: “Natory teny an-tampon-tanety izy ireo matetika, ka tena nahita ny fiainana atỳ Afrika miaraka amin’ireo bibidia isan-karazany. Eo ny liona mierona amin’ny alina, zebra miraoka ahitra amim-pilaminana, zirafy, ary tokantandroka sy elefanta goavam-be.” Tsy natahotra anefa izy ireo, fa nitety an’ireo tanàna mbola tsy nitoriana ny vaovao tsara.

Nijanona tao Tanganyika (Tanzania ankehitriny) i Gray sy Olga Smith, fa i Robert sy George Nisbet kosa nankany Nairobi, Kenya. Noroahin’ny mpanjana-tany tao Tanganyika anefa izy mivady, ka nifindra tao Kampala, Ogandà. Nataon’ny polisy andry maso indray izy ireo rehefa tonga tao. Na izany aza, dia nahapetraka bokikely sy boky 2 122 izy ireo, tao anatin’ny roa volana, ary afaka nandamina fivoriana enina. Noroahin’ny mpitondra teto Ogandà izy ireo tatỳ aoriana, ka nankany Nairobi. Nihaona tamin-dry Nisbet mirahalahy izy ireo, ary niverina tany Afrika Atsimo avy eo.

Nahitam-bokatra ireny ezaka manokana ireny, noho ny fitahian’i Jehovah. Afaka nizara boky 3 000 mahery sy bokikely 7 000 mahery izy ireo, ary nahazo famandrihana maro, na teo aza ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana sy ny sakana nataon’ny mpanjana-tany. Taona maro tatỳ aoriana indray vao nisy mpitory tonga teto.

NITOHY INDRAY NY ASA

Tonga nanorim-ponenana tao Kampala ry Kilminster, mpivady tanora avy any Angletera, tamin’ny Aprily 1950. Nazoto nitory izy ireo, ary faly be rehefa nandray ny vaovao tsara ny fianakaviana roa, izay grika sy italianina.

Nitsidika an’i Nairobi, Kenya, ny Rahalahy Knorr sy Henschel, avy any amin’ny foibe any New York, tamin’ny Desambra 1952. Te hihaona tamin’izy ireo ny Rahalahy Kilminster, ka nanao izay hahatongavana tany Nairobi. Nampahery an’ireo mpitory vitsivitsy tany Nairobi izy mirahalahy, ary nanao izay hisian’ny fiangonana tatỳ Kampala. Nanomboka nahita vokatra ilay fiangonana vaovao, tsy ela taorian’izay, ary nahatratra folo ny isan’ny mpitory tamin’ny taom-panompoana 1954.

Nitsidika an’i Afrika Atsinanana i Eric Cooke, avy tao amin’ny sampan’i Rodezia Atsimo (Zimbabwe ankehitriny), tamin’io taona io. Nanokana fotoana niarahana tamin’ilay fiangonana vaovao tao Kampala izy. Tia niara-nianatra Ny Tilikambo Fiambenana ireo rahalahy tamin’izany, saingy tsy nazoto nanompo. Nasain’ny Rahalahy Cooke nandamina ny fivoriana rehetra àry ny Rahalahy Kilminster, anisan’izany ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Nantitranterin’ny Rahalahy Cooke fa zava-dehibe ny fitoriana isan-trano, ary nampiofaniny ny mpitory sasany.

Ireo Eoropeanina teto Ogandà no tena nitoriana ny vaovao tsara, tamin’izany. Hitan’ny Rahalahy Cooke fa niteny luganda ny ankamaroan’ireo Ogandey tao Kampala. Nampirisihiny handika bokikely iray ho amin’io fiteny io àry ireo rahalahy, mba hanohinana ny fon’ny olona. Nanomboka nampiasa an’ilay bokikely vaovao hoe “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity” ny mpitory, tamin’ny 1958. Nisy vokany tsara tokoa ilay izy! Nandroso ny asa, ka nahatratra 19 ny tampon’isan’ny mpitory tamin’ny 1961.

Nihaona tamin’i George Kadu ny Rahalahy Kilminster, rehefa niasa. Olona nafana fo i George. Efapolo taona mahery izy tamin’izany, ary nahay niteny anglisy sy luganda. Liana tamin’ny fahamarinana izy rehefa fantany fa Jehovah no anaran’Andriamanitra, ary nanomboka nianatra Baiboly izy. Taoriana kelin’izay, dia i George no nandika ny tenin’ny Rahalahy Kilminster, rehefa nitory isan-trano izy. Anisan’ireo naroboka i George, rehefa nisy batisa voalohany teto Ogandà tamin’ny 1956. Tao amin’ny Farihy Victoria, akaikin’i Entebbe, no nanaovana izany.

Tsy ela anefa dia nisedra olana indray ny asa fitoriana. Lasa nody ny rahalahy vahiny sasany, satria vita ny asa fivelomana nataony. Nisy rahalahy vitsivitsy koa voaroaka tsy ho Vavolombelon’i Jehovah intsony. Ny hafa indray tafintohina tamin’ny fitondran-tena ratsin’ny mpiara-manompo sasany. Tia an’i Jehovah anefa ny Rahalahy Kadu. Fantany fa nahita ny fahamarinana izy, ary tsy niala tamin’izy io ‘na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra.’ Anti-panahy tsy nivadika izy, mandra-pahafatiny tamin’ny 1998.—2 Tim. 4:2.

IREO MPANITATRA FARITANY

Nalalaka ny faritany tatỳ Afrika Atsinanana ka nilana mpitory maro. Tsy navelan’ny mpanjana-tany hampidirana misionera anefa tatỳ. Inona no hevitra?

Nisy antso nalefa naneran-tany tamin’ny 1957, mba hanentanana ny mpitory hanitatra faritany. Nampirisihina hanao izany ireo rahalahy matotra. Nitovitovy tamin’ilay fahitana hitan’ny apostoly Paoly ilay fanasana, tamin’izy nahita lehilahy niangavy hoe: “Miampità mankatỳ Makedonia ka ampio izahay.” (Asa. 16:9, 10) Nampandroso ny asa teto Ogandà ve iny fanasana iny?

Anisan’ireo nifindra tatỳ Afrika Atsinanana i Frank sy Mary Smith, izay nanana ny toe-tsain’i Isaia.a (Isaia 6:8) Niala tany New York izy ireo tamin’ny Jolay 1959, ary nandeha sambo nankao Mombasa, rehefa avy nandalo tany Le Cap. Nandeha fiarandalamby nankao Kampala izy ireo avy eo. Noraisin’ny fanjakana hiasa tao amin’ny Foibem-pikarohana Momba ny Tany i Frank, noho izy nahay simia. Tao Entebbe, 35 kilaometatra atsimon’i Kampala, izy mivady no nipetraka. Tanàna tsara tarehy manamorona ny Farihy Victoria izy io, ary tamin’izay vao tonga tao ny vaovao tsara. Nivory tsy tapaka niaraka tamin’ilay fiangonana kely tao Kampala izy mivady.

Nitory tamin’i Peter sy Esther Gyabi ry Smith mivady, tsy ela taorian’izay. Efa nahazo an’ilay boky hoe Inona no Nataon’ny Fivavahana ho An’ny Olombelona? b i Peter. Mpiasam-panjakana nanana toerana ambony izy sady nifindra monina matetika, ka tsy nanam-potoana hamakiana azy io. Nisy foko roa niady tany anefa tatỳ aoriana. Nanahirana be ilay izy, ary i Peter no voatendry ho mpanelanelana tamin’ilay ady. Nivavaka izy hoe: “Raha ampianao aho Andriamanitra ô, dia hiezaka hitady anao.” Tsaroany ilay vavaka nataony rehefa voalamina ilay raharaha, ka nanomboka namaky an’ilay boky izy. Niaiky izy fa nahita ny fahamarinana ka nanomboka nitady Vavolombelona. Faly be izy rehefa nihaona tamin’i Frank Smith, izay nanaiky hampianatra Baiboly azy mivady! Natao batisa izy ireo, ary tsy nivadika nandritra ny 40 taona mahery. Mbola mpitory mazoto izy ireo izao.

Nisy rahalahy vahiny hafa koa nifindra tatỳ Afrika. Tany amin’ny toerana lavitra an’ilay fiangonana kely tao Kampala ny rahalahy sasany no nahita asa hivelomana. Nipetraka tao Mbarara ny mpivady iray. Tanàna kely ao atsimoandrefan’i Ogandà izy io, izany hoe 300 kilaometatra avy ao Kampala. Nasiany Fianarana Tilikambo sy fianarana boky tao an-tranony. Nankao Kampala na Entebbe anefa izy ireo indraindray, mba hiaraka tamin’ny mpiara-manompo hafa, na lavitra aza ny lalana. Nifandray foana tamin’ny sampan’i Luanshya, any Rodezia Avaratra (Zambia ankehitriny) koa izy ireo. Io sampana io no niandraikitra ny asa tatỳ Afrika Atsinanana tamin’izany. Mpiandraikitra tao i Harry Arnott. Mpitety sampana koa izy, ka nitsidika an’i Kampala mba hampahery an’ireo mpitory vitsivitsy teto Ogandà. Tena nankasitraka ny fiahiany ireo rahalahy.

Nifindra teto koa i Tom sy Ann Cooke avy any Angletera. Nandefa fangatahana asa tany amin’ny firenena maromaro i Tom, ka voaray tao amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana teto Ogandà. Nipetraka tany Iganga, 130 kilaometatra any atsinanan’i Kampala, izy mianakavy noho io asany io. Efa-taona i Sarah zanak’izy ireo vavy tamin’izay. Rehefa teraka anefa i Rachel, zanak’izy ireo faharoa, dia nifindra tany Jinja ry zareo. Malaza ho toerana misy ny loharanon’i Nil io tanàna io. Nifindra tao Kampala izy ireo tatỳ aoriana.

NAHAFOY TENA KA NAHAZO FITAHIANA

Nampandroso ny asa teto tokoa ny ezaka nataon’ireny fianakaviana ireny! Marina aloha fa nafoin’izy ireo ny fiainana mampiadana nahazatra azy. Novalian-tsoa anefa izy ireo, satria faly nahita an’ireo olona nanetry tena nanova ny fomba fiainany, ka nandray ny vaovao tsara. Lasa nifandray am-po koa izy mianakavy sy ireo fianakaviana teo an-toerana, rehefa niara-nivory sy nifanerasera akaiky.

Hoy i Tom Cooke: “Variana izahay rehefa nahita hoe tena nanaja anay ny olona teny amin’ny faritany, sady nanetry tena. Voninahitra ny nandray anjara kely tamin’ny fampitomboana an’ilay fiangonana.”

Hoy i Tom momba an’ilay fifindrana: “Tena nety tsara taminay ny nanompo tany Ogandà, niaraka tamin’ireo zanakay mbola kely. Ohatra tsara ho anay koa ireo rahalahy sy anabavy avy any amin’ny firenena maro. Tianay ny niaraka tamin’ireo rahalahy teo an-toerana, izay be fitiavana sy tsy nivadika. Maro ny tombontsoam-panompoana azo nohararaotina. Tsy nanana tele izahay, ka voaro tamin’ny voka-dratsin’izy io. Nahafinaritra koa ny niaina tany ambanivohitr’i Afrika. Santionany fotsiny ireo.”

Hita koa hoe zava-dehibe tamin’ireo rahalahy sy anabavy nanitatra faritany ny niaraka tamin’ny Kristianina hafa. Vonona handeha tamin’ny lalana 750 kilaometatra mantsy izy ireo, mba hamonjena fivoriamben’ny faritra tany Kenya! Bisy na lamasinina no nandehanana tamin’izany.

Mbola mafy kokoa ny famonjena fivoriamben’ny vondrom-paritra. Nanatrika fivoriambe tany Kitwe, Rodezia Avaratra (Zambia), ohatra, ny solontena avy teto Ogandà sy Kenya tamin’ny 1961. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Naharitra efatra andro ny dia. Lalana 1 600 kilaometatra no naleha. Nandeha tamin’ireo lalana ratsy indrindra tany Tanganyika (Tanzania) izahay. Tsy maintsy nandeha efatra andro indray izahay rehefa niverina, ary namakivaky tany lava volo sy niaritra hafanana. Zavatra niavaka teo amin’ny fiainanay iny! Nahasoa koa ny niaraka tamin’ireo rahalahy sy anabavy maro be tany amin’ny fivoriambe.” Namelombelona ny dia toy ireny, na dia mafy sy nitaky ezaka be aza!

SAROBIDY NY ASAN’IREO MISIONERA

Nahazo fahaleovan-tena avy tamin’i Grande-Bretagne i Ogandà, tamin’ny 1962. Nitsidika an’i Nairobi, Kenya, ny Rahalahy Henschel, herintaona taorian’izay. Nilaza izy fa azo andefasana misionera tatỳ Ogandà. Iza anefa?

Tsy ela talohan’izay no tonga tao Nairobi i Tom sy Bethel McLain, avy tamin’ny kilasy faha-37 tamin’ny Sekolin’i Gileada. Taitra be izy ireo rehefa nandre hoe hafindra any Kampala! Nanaiky an’ilay fanendrena vaovao anefa izy mivady, ary izy ireo no misioneran’i Gileada voalohany teto Ogandà. Hoy i Tom: “Nalahelo an’i Kenya izahay tamin’ny voalohany, kanefa tsy ela dia lasa tianay be koa i Ogandà. Sariaka mantsy ny mponina tao, ary nandray tsara rehefa nitoriana.”

Vao nianatra ny teny swahili i Tom sy Bethel tany Kenya, nefa dia tsy maintsy nianatra ny teny luganda indray. Tsy nisy nampianatra anefa, fa ny fikirizana no natao nisinisy, niantehitra tamin’i Jehovah, ary nampiana-tena tamin’ny alalan’ny boky iray. Nanokana 250 ora hianarana ny teny luganda izy ireo ny volana voalohany nahatongavany teto, ary 150 ora kosa ny volana faharoa. Nandany 100 ora teny amin’ny fanompoana izy mivady ankoatra an’ireo. Hain’izy ireo tsikelikely ilay fiteny vaovao, ary nisy vokany tsara tamin’ny fanompoany izany.

Tonga nanampy azy mivady i Gilbert sy Joan Walters, avy tamin’ny kilasy faha-38 tamin’ny Sekolin’i Gileada, ny Janoary 1964. Voatendry ho any Burundi ny mpivady hafa iray kilasy tamin’izy ireo, dia i Stephen sy Barbara Hardy ary Ron sy Jenny Bicknell. Nalefa teto Ogandà koa anefa izy ireo, noho ny olana teo amin’ny resaka vizà. Nilaina maika àry ny tranon’ny misionera lehibe kokoa tao Kampala.

Tsy hay hadinoina ilay fiangonana tao Kampala. Anisan’izy io ry George Kadu mianakavy, John sy Eunice Bwali, mpisava lalana manokana avy any Rodezia Avaratra, sy ireo zanany vavy, ary Margaret Nyende sy ny zanany. Trano tsy nisy rindrina no nivorian’izy ireo. Hoy i Gilbert Walters: “Afaka nahita sy nandre anay ny mpandalo. Izahay koa moa vitsy rahateo. Ry Bwali mianakavy no nitarika ny hira. Nihira tamin’ny fony izy ireo, na dia tsy nisy zavamaneno aza. Tsy nahamenatra azy ny hojeren’ny olona. Nampahery anay izany.”

Nasaina nanokatra ny tranon’ny misionera tany Jinja i Gilbert sy Joan Walters, taoriana kelin’izay. Mbola tsy nisy asa fitoriana voalamina tany, tamin’izany. Avy eo dia nasiana tranon’ny misionera koa tao Mbale, akaikin’ny sisin-tanin’i Kenya, sy tao Mbarara. Niara-niasa tamin’ny mpisava lalana manokana avy tany amin’ny firenen-kafa ny misionera tamin’ireny toerana ireny. “Masaka hojinjaina” tokoa ny vokatra. (Jaona 4:35) Ahoana anefa no hanafainganana ny asa fijinjana?

VOALAMINA KOKOA NY ASA

Nidadasika ny faritany, ary niezaka namita tsara an’izany ireo mpanompo manontolo andro teto. Nitory tamin’ny cité izy ireo nandritra ny herinandro. Nisy anarana sy nomerao mazava tsara ny trano sy ny lalana tamin’izy ireny. Ahoana kosa no namitana tsara an’ireo faritany tsy nisy famantarana toy izany?

Hoy i Tom McLain: “Notsinjarainay arakaraka ny havoana ny faritany. Nitory nanodidina an’ilay havoana izahay, ka ny roa nandeha niantsinanana, fa ny roa kosa niankandrefana. Samy namita tsara ny tandrifinay avy izahay mandra-pifanenanay.”

Nihamaro ireo Vavolombelona ogandey, izay nahalala tsara ny faritany sy nahay ny kolontsaina teo an-toerana. Tena nanampy an’ireo vahiny izany. Ny mpitory teo an-toerana koa afaka niana-javatra avy tamin’izy ireo. Efa nanompo niaraka tamin’ny misionera, ohatra, ireo Vavolombelona ogandey tao Jinja, na teo aza ny fanavakavahana. Nanomboka tamin’ny valo maraina ny asa fitoriana rehefa alahady, ary nifarana tamin’ny folo. Nanao fiverenana mitsidika nandritra ny adiny iray izy ireo taorian’izay, ary avy eo nampianatra Baiboly hatramin’ny mitataovovonana. Afaka nifampahery sy nifampizara traikefa ny rehetra.

I Jinja no tanàna faharoa lehibe indrindra teto Ogandà tamin’izay, sady nisy toerana famokarana herinaratra avy amin’ny rano. Be orinasa tao noho izany. Nahita vokatra ireo misionera, rehefa nitory teny amin’ny fijanonan’ny taxi sy ny bisy, izay be olona foana. Nandray boky sy gazety ireo mpanao dia lavitra, mba hovakiny eny an-dalana. Niely tany ambanivohitra sy ireo faritra lavitra àry ny vaovao tsara.

Nampiasa radio koa ireo rahalahy, mba hampielezana ny vaovao tsara tamin’ny olona faran’izay betsaka. Afaka nandefa fandaharana isan-kerinandro tao amin’ny radiom-pirenena izy ireo. “Zavatra Eritreretin’ny Olona” no lohatenin’ilay fandaharana. Anisan’ny loha hevitra novelabelarina tao ny hoe “Ahoana no Hiatrehana ny Olana Ara-pianakaviana?” sy ny hoe “Ahoana no Hiarovan-tena Amin’ny Heloka Bevava sy ny Herisetra?” Natao miendrika fifanakalozan-kevitra izy io, ary “Atoa Robbins” sy “Atoa Lee” no nanao izany. Hoy ny rahalahy iray: “Tsy dia nahazatra ny nandre Amerikanina sy Ekosey nifampiresaka tao amin’ny radio afrikanina. Nandre olona niresaka an’ilay fandaharana izahay, matetika, rehefa nanompo. Nisy vokany tsara tokoa ilay izy!”

FANAMPIANA HO AN’NY MPITORY VAOVAO

Nivory tao amin’ny tranom-pokonolon’i Walukuba ny antoko-mpitorin’i Jinja. Hoy i Tom Cooke: “Vaovao ny ankamaroan’ireo rahalahy, ka tsy nanana boky na gazety hanomanany ny anjarany tamin’ny fivoriana.” Inona no hevitra?

Hoy ihany i Tom: “Nasian’ireo misionera fitehirizam-boky tao amin’ny tranon’ny rahalahy iray nipetraka tao amin’io tanàna io. Nanao fikarohana tao ireo rahalahy isaky ny alatsinainy hariva, ary nampiana hanomana ny anjarany.” Misy fiangonana maro izao ao Jinja. Mbola ahitam-bokatra ny asa fitoriana ao amin’io faritra misy ny loharanon’i Nil io, hatramin’izao.

MAMPANDROSO NY ASA IREO MPIANDRAIKITRA MPITETY FARITANY

Ilay sampana vaovao tany Kenya indray no niandraikitra ny asa teto, nanomboka tamin’ny Septambra 1963. Anisan’ny faritany nasaina notsidihin’i William sy Muriel Nisbet i Ogandà. Nahavariana fa nanaraka ny ohatr’i Robert sy George, zokiny lahy, i William. Nitory teto tokoa ireo zokiny ireo 30 taona talohan’io. Handray soa avy amin’ny asa mafy hataon’i Nisbet zandriny indray izao ny mpitory.

Nihamaro ny olona liana, ka nitombo isa ny antoko-mpitory. Niely tany amin’ny faritra maro koa ny mpitory. Tena nilaina àry ny fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany, mba hampiofana sy hampahery an’ireo mpitory, ary hanome toky an’ireo any amin’ny faritra mitokana fa ‘mitsinjo ny olo-marina ny mason’i Jehovah.’—1 Pet. 3:12.

Nitsidika faritra midadasika be i Stephen sy Barbara Hardy, tamin’ny 1965. Nanomboka teto Ogandà izany ka hatrany amin’ny nosy Seychelles, any amin’ny 2 600 kilaometatra any amin’ny Oseana Indianina. Nitety an’i Ogandà izy ireo, indray mandeha, mba hahitana izay toerana tena tsara andefasana mpisava lalana. Nampindramin’ny sampan’i Kenya tranofiara minibus izy ireo mba hampiasainy. Voatetiny tao anatin’ny iray volana sy tapany monja ny ankamaroan’ny tanàna teto Ogandà. Ireto avy ny tanàna notsidihiny: Masaka, Mbarara, Kabale, Masindi, Hoima, Fort Portal, Arua, Gulu, Lira, ary Soroti.

Hoy ny Rahalahy Hardy: “Nahafinaritra ny dia. Nahafaly koa ny asa fitoriana. Tsara fanahy sy vonon-kanampy ny rehetra, anisan’izany ny manam-pahefana teo an-toerana. Rehefa nitory tao amin’ny trano iray izahay, dia tonga nihaino teo koa ny mpandalo sy ny mpiray tanàna, ka lasa toy ny lahateny ho an’ny besinimaro ilay izy. Nanatona anay ny olona na dia nijanona tany amin’ny toerana noheverinay ho nitokantokana aza izahay, satria noraisiny ho toy ny vahininy. Vetivety dia nihena ny boky sy gazety nentinay. Nahapetraka boky 500 teo ho eo izahay, ary nahazo famandrihana Tilikambo sy Mifohaza!”

Sariaka sy te hahafanta-javatra ny Ogandey sady tia fivavahana. Maro àry no nantenaina hanaiky ny fahamarinana. Tena faly ry Hardy mivady nahita ny fomba nitahian’i Jehovah ny asa fitoriana, teto amin’ity faritany mahavokatra ity.

JEHOVAH NO MAMPITOMBO

Daty manan-tantara ho an’ny vahoakan’i Jehovah eto Ogandà ny 12 Aogositra 1965. Tamin’io no voasoratra ara-panjakana ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, ka nekena ho ara-dalàna ny asa fampianarana ataontsika. Anisan’ireo Vavolombelona ogandey vitsivitsy tsy nivadika tamin’izany ry George Mayende, Peter sy Esther Gyabi, ary Ida Ssali. Nisy mpitory 75 teto Ogandà tamin’ny 1969. Valo tapitrisa teo ho eo ny mponina tamin’izay, izany hoe mpitory 1 isaky ny olona 100 000 mahery. Lasa 97 ny isan’ny mpitory tamin’ny 1970, 128 tamin’ny 1971, ary 162 tamin’ny 1972.

Tena nahafaly ny fitomboana! Fantatr’ireo rahalahy anefa fa tsy avy amin’izy ireo manokana ny hery ananany, fa avy amin’ilay “Andriamanitra izay mampitombo.” (1 Kor. 3:7) Tsy noeritreretin’izy ireo mihitsy hoe hiova be tampoka ny fiainany taorian’ny 1970, sady hiharan’ny fitsapana mahery vaika ny finoany. Nanongam-panjakana ny Jeneraly Idi Amin, tamin’ny 1971, ary nanangana fitondrana jadona. Fiainan’olona an-tapitrisany no lasa nisafotofoto, ary olona an’arivony no maty. Nifandona foana ny mpitondra vaovao sy ireo mpanohitra. Nakatona, indraindray, ny sisin-tany mampifandray amin’ireo firenena manodidina. Voarara ny nivezivezy amin’ny alina. Nanomboka nisy olona tsy hita popòka. Ny hafa indray nataon’ny manam-pahefana andry maso. Inona no nataon’ireo rahalahy sy anabavy tia fihavanana, teo anatrehan’izany hotakotaka sy fandrahonana ary herisetra izany?

“FITONDRAN’ANDRIAMANITRA” SA FITONDRAN’OLOMBELONA?

Efa voalamina fa hatao ao Kampala ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Ny Fitondran’Andriamanitra”, ny taona 1972. Io no ho fivoriambe voalohany teto Ogandà. Hanatrika azy io ny solontena avy any Kenya, Tanzania, ary Etiopia. Nihanitombo anefa ny korontana. Nihanafana ny adilahy politika sy ny adim-poko. Nampahatahotra koa ny niampita sisin-tany. Inona no hatao? Hofoanana ve ilay fivoriambe? Nataon’ireo rahalahy antom-bavaka izy io. Nitalaho tamin’i Jehovah izy ireo mba hanampy azy handamina an’ilay fandaharana sy hitantana ny dian’ireo rahalahy hamonjy azy io.

Nahita vahoaka maro be nandositra an’i Ogandà ireo solontena avy any an-tany hafa, rehefa tonga teo amin’ny sisin-tany. Toa vao mainka nampanahy ny toe-javatra! Maro no nandositra satria noroahin’ny fanjakana avokoa izay olona avy any Azia tsy nizaka ny zom-pirenena ogandey. Ny Karàna sy ny Pakistaney no tena lasibatra tamin’izany. Maro koa no nandositra, toa an’ireo mpampianatra teratany vahiny, satria natahotra sao horoahin’ny fanjakana ihany any aoriana. Tonga tsikelikely ihany anefa ireo mpamonjy fivoriambe. Inona no ho hitan’izy ireo ao amin’io tanàna anjakan’ny adilahy politika io?

Nahagaga fa nilamina be tao Kampala tamin’izy ireo tonga tao. Faly nandray azy ireo tao amin’ilay toerana hanaovana fivoriambe, ireo Vavolombelona sy olona liana. Gaga koa ireto vahiny rehefa nahita fa navelan’ny mpitondra nahantona teo amin’ilay lalana be mpandeha indrindra tao Kampala, ny banderôla iray nisy ny daty sy ny toerana hanaovana ny fivoriambe. Nibaribary teo ny lohatenin’ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Ny Fitondran’Andriamanitra no Hany Fanantenana ho An’ny Olombelona Rehetra”!

Nizotra tsara ny fandaharana, ary nahatratra 937 ny tampon’isan’ny mpanatrika. Lafin-javatra niavaka tamin’ny tantaran’ny fivavahana marina teto Ogandà izy iny. Marina fa nisedra olana ireo vahiny rehefa tonga teny amin’ny sisin-tany, kanefa tsy nampihena ny zotom-pon’izy ireo izany. Tody soa aman-tsara tany amin’ny taniny ny rehetra. Na tsy niova aza ny toe-draharaha politika, dia tsy natahotra ireo rahalahy fa sahy nampahafantatra tamin’ny hafa hoe niandany tamin’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao izy ireo. Nanome “fahasahiana” sy ‘tanjaka’ ho an’ny vahoakany tokoa Andriamanitra, tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny.—Sal. 138:3.

Anisan’ireo Ogandey nanatrika an’iny fivoriambe iny i George sy Gertrude Ochola. Hoy i Gertrude: “Iny no fivoriambe voalohany natrehiko. Tamin’iny koa aho no natao batisa!” Mbola tsy Vavolombelona i George tamin’izany. Mpankafy baolina kitra izy, ka ny nijery fanatanjahan-tena no tena nankanesany tao amin’io kianja io. Noho ny fitondran-tena tsaran’ny vadiny sy ny fianarany Baiboly anefa, dia nanokan-tena ho an’i Jehovah koa izy, tatỳ aoriana, ary natao batisa tany Kenya tamin’ny 1975.

Nilaza i Gertrude fa anisan’ireo voalohany nahalala ny fahamarinana tamin’ireo mponina any amin’ny faritra avaratr’i Ogandà izy. Hoy izy: “Nihevitra aho fa nitokana be ny tanàna nisy ahy tamin’izaho natao batisa, tamin’ny 1972. Misy Efitrano Fanjakana sy tranon’ny misionera ary biraon’ny fandikan-teny anefa eto izao. Tena mahafaly ahy izany, mihoatra noho ny tamin’izaho natao batisa aza!”

FOTOAN-TSAROTRA

Nambara tao amin’ny radio sy tele, tamin’ny 8 Jona 1973, fa voarara ny asan’ny fivavahana 12, anisan’izany ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampangain’ny fitondrana ho mpitsikilo ny vahiny, ka nanjary natahotra sy niahiahy azy ireo ny vahoaka. Lasa sarotra tamin’ny misionera ny nanompo teny amin’ny saha. Nandalo fotoan-tsarotra ny Vavolombelon’i Jehovah teto. (2 Tim. 4:2) Inona no hanjo azy ireo?

Efa lasa ny mpivady misionera roa, satria tsy navela hanavao ny vizàny. Noroahin’ny fanjakana ireo misionera 12 sisa tavela, ny tapatapaky ny Jolay. Afaka nijanonjanona kely ireo rahalahy vahiny nanitatra faritany, noho ny asa nataony teto. Voatery nandeha koa anefa izy rehetra, ny taona nanaraka.

‘NIFAHATRA TSARA SY TSY VOAHOZONGOZONA’

Nalahelo ny mpitory rehefa lasa ireo rahalahy sy anabavy vahiny. ‘Nifahatra tsara sy tsy voahozongozona’ anefa izy ireo, noho ny hery nomen’i Jehovah. (1 Kor. 15:58) Ahitana taratra ny toe-tsaina tsara nananan’izy ireo ny tenin’i Ernest Wamala, rahalahy zokiolona iray, rehefa nolazaina taminy fa voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Ahoana no ahafahan’izy ireo mandrara ny zavatra ato am-poko?”

Ahoana no nahafahan’ny anti-panahy toa an-dry George Kadu sy Peter Gyabi nandamina ny asa, rehefa lasa ireo anti-panahy vahiny? Tena nanampy azy ireo ny fahamatorany sy ny fahaizany tsara ny kolontsaina teo an-toerana. Hoy ny Rahalahy Gyabi: “Nila nifehy tena be ny Ogandey iray, raha tiany ny ho tonga ao amin’ny fahamarinana sy hanompo an’i Jehovah. Tsy maintsy niala tamin’ireo fombafomba tsy mifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah mantsy izy. Ireo rahalahy nanana andraikitra indrindra no nila nifehy tena, satria izay toromarika voasoratra avy tamin’ny fandaminan’i Jehovah ihany no tsy maintsy narahiny.” Nazoto nianatra samirery anefa ny anti-panahy teto, ka tsy voafitaky ny hevi-diso. Tsy nampihemotra ny vahoakan’i Jehovah àry ilay fotoam-pitsapana, fa nanampy azy ireo ho matotra kosa.

Tsy nilamin-tsaina anefa ny sarambabem-bahoaka. Maro no nampihorohoroina. Ny sasany aza lasa natahotra be an’ireo miaramila. Nanjaka ny kolikoly, ka lasa nitotongana ny toe-karena. Simba ilay tany nahafinaritra. Mbola nahita fifaliana ihany ve ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika, tamin’io fotoam-pitsapana io?

FIVORIANA NAHAFALY

Nataon’ny fanjakana izay hanafoanana ny fivoriana ara-politika rehetra, satria nety hanohintohina ny fitondrana izany. Tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah. Tiany hankatoavina koa anefa ilay toromariky ny Baiboly hoe tsy tokony hahafoy ny fiaraha-mivory ny Kristianina, fa hifampahery. (Heb. 10:24, 25) Nila nanana herim-po sy nahay namoron-kevitra izy ireo mba hahafahany hivory, na dia nanara-maso aza ireo mpitondra fatra-piahiahy. Inona no nataon’ireo Vavolombelona mba tsy hampiahiahy ny fivoriana nalaminy?

Voalohany, natao tany an-tranon’olona ny ankamaroan’ny fivoriana, ary vitsivitsy no niara-nivory. Mody nanao fitsangantsanganana kosa izy ireo, rehefa niaraka be dia be. Niara-nivory indray mandeha isam-bolana, ohatra, ny fiangonana manontolo, mba hihaino lahateny sy hianatra Tilikambo. Niara-nitsangantsangana teo amin’ny zaridainam-panjakana izy ireo, na teo amin’ny zaridainan’olon-tsotra. Nety tsara izany, satria tia miara-mikorana ny Ogandey. Tsy hafahafa amin’izy ireo mihitsy izany hoe mpinamana na mpianakavy miara-mifalifaly izany. Hain’ireo rahalahy tsara ny nanafina ny Baiboly sy ireo boky fianarana. Efa hainy koa ny nitondra ny fitaovana fandrahoan-tsakafo sy ny zavatra hafa ilaina rehetra. Tsapan’izy ireo avy tamin’ireny fivoriana ireny, fa tsy maintsy ho tian’ny Israelita erỳ ny nankalaza an’ireo fety ara-pivavahana.—Deot. 16:15.

Nohafohezina ny fivoriamben’ny faritra nandritra ny fandrarana, ary mody nitsangantsangana koa izy ireo rehefa nanao izany. Nivory sy nitory foana ireo rahalahy, na dia niezaka nampitsahatra izany aza ny mpitondra. Afaka nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Nairobi mihitsy aza ny rahalahy sasany, ary nanao fitantarana nampahery rehefa nody.

‘MALINA TAHAKA NY BIBILAVA, NEFA TSY MANAN-TSINY TAHAKA NY VOROMAILALA’

Nino ireo rahalahy nanana andraikitra fa mety tsy ho hentitra be ny fandraran’ny mpitondra, raha ‘malina tahaka ny bibilava izy ireo, nefa tsy manan-tsiny tahaka ny voromailala.’ (Mat. 10:16) Ho afaka hanohy ny fanompoany koa izy ireo amin’izay. Nanompo foana àry ireo mpisava lalana manokana, saingy nitandrina tsara. Afaka nitory isan-trano koa ny mpitory.

Nisy tsy faly anefa rehefa tonga teo am-baravarany ny Vavolombelon’i Jehovah. Indray andro, tamin’ny 1975 tany ho any, dia nandeha nitory i Peter Gyabi sy Fred Nyende tamin’izy mbola tanora. Mbola zaza i Fred fony nianatra ny fahamarinana ny reniny, tamin’ny 1962. Nihalehibe izy ary ho voasedra izao ny fahamatorany.

Tezitra ny rangahy iray satria fantany fa Vavolombelon’i Jehovah izy mirahalahy. Polisy nanao akanjo sivily izy io. Nosamboriny izy ireo ary notereny hiditra tao amin’ny fiarany. Natahotra izy ireo satria efa olona an’arivony no nosamborina toy izany, ary tsy hita popòka. Matetika koa no nampijalina izy ireny, na nisy antony na tsia. Teny an-dalana ho any amin’ny paositry ny polisy, dia afaka nivavaka tamin’i Jehovah i Peter sy Fred mba hanampy azy ho tony foana sy tsy hivadika. Nentin’ilay lehilahy tany amin’ny lehibeny ry zareo, ary nampangainy sy nototofany fanontaniana. Tsapan’izy ireo anefa fa marina ny tenin’ny Ohabolana 25:15 hoe: “Faharetana no ahafahana mandresy lahatra ny mpitari-tafika, ary ny teny malefaka mahavita manapaka taolana.” Soa ihany fa tsy tena nisy taolana tapaka tamin’io tolakandro io. Rava kosa ny fitsarana an-tendrony nananan’ilay lehiben’ny polisy, satria naneho fanajana ireo rahalahy. Tony koa i Peter rehefa nanazava fa mankatò lalàna isika ary mampihatra ny fampianaran’ny Baiboly. Inona no vokany?

Tsy vitan’ny hoe nafahan’ilay lehiben’ny polisy i Peter sy Fred, fa mbola nasainy nanatitra azy ireo tany amin’ny faritany koa ilay polisy nisambotra azy! Nanaiky tsy sazoka izy sady menatra. Nisaotra an’i Jehovah ireo rahalahy satria nafahany.

Tsy dia nisy olana kosa tamin’ny fotoana hafa nahatratraran’ny polisy an’ireo rahalahy. Nanao fivoriana niafina tao an-tranony tao Entebbe, ohatra, i Emmanuel Kyamiza mianakavy sy ny olona liana vitsivitsy. Novaovan’i Emmanuel ny toerana nitarihany fampianarana Baiboly, mba tsy ho voamarika be. Nihevitra izy fa nahomby tsara ny tetika nataony. Nampianatra Baiboly tao amin’ny Zaridainan-javamanirin’i Entebbe izy, indray andro. Nanatona azy ny polisy iray raha vao vita ilay izy, ka nafeniny haingana ilay boky fianarana. “Nahoana no afeninao ny bokinao?”, hoy ilay polisy. “Tsy miafina aminay ange ny ataonareo e! Fantatray fa Vavolombelon’i Jehovah ianareo. Fantatray koa aza ny toerana ivorianareo. Efa ela ianareo no nosamborinay raha tianay izany. Azonareo tohizina ihany anefa izay ataonareo.” Notohizin’i Emmanuel tokoa izany!

Niverina tany amin’ny tanàna niaviany i Emmanuel rehefa nisotro ronono. Niaritra fanoherana sy fanesoana maro izy tany. ‘Tsy mba nohajaina tao amin’ny faritra niaviany’ izy, toa an’i Jesosy ihany. (Mar. 6:4) ‘Mandrobona’ foana i Emmanuel “na dia efa fotsy volo aza.” (Sal. 92:14) Nandeha bisikileta 60 kilaometatra mandroso sy miverina izy isaky ny nivory, hatramin’izy 70 taona mahery. Efa ho 90 taona izy izao, ary mpanampy amin’ny fanompoana tsy mivadika. Tsy mitaingina bisikileta firy intsony kosa izy, na dia mbola te hanao izany aza.

MPISAVA LALANA BE FIKIRIZANA

Tsy fantatra mihitsy tamin’izany izay havoakan’ny ampitso, nefa mbola nisy afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana ihany. Anisan’ny mpisava lalana nafana fo tamin’izany, i James Luwerekera. Mpiasam-panjakana izy, ary natao batisa tamin’ny 1974. Namboly sy niompy izy taoriana kelin’ny batisany, mba hahafahany hitory ny vaovao tsara tamin’ireo mponina teo akaikin’ny tanàna niaviany. Nianatra kely koa ny vadiny, saingy nanohitra be tatỳ aoriana.

Indray maraina, ohatra, raha mbola maizina ny andro, dia niainga hamonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Nairobi i James sy ny rahalahy sasany. Nijanona teo amin’ny toeram-pisavana iray ny fiaran’izy ireo, teny an-dalana. Tsikaritr’ireo rahalahy fa hafahafa ny fitafian’i James, satria tena tsy nifanaraka. Nivazivazy izy tamin’ny voalohany hoe nikoropaka loatra izy niakanjo tao anaty maizina. Noteren’ny namany hanazava anefa izy, ka nilaza fa nafenin’ny vadiny ny akanjony mba hanakanana azy tsy hamonjy fivoriambe. Voatery nanao izay akanjo hitany àry izy. Tsara fanahy ireo naman’i James ka nanome azy akanjo vitsivitsy. Niakanjo tsara ihany àry i James tany amin’ny fivoriambe.

Nanorisory fotsiny indraindray ny fanoheran’ny vadin’i James sy ny mpiray tanàna. Mafy kokoa izany tamin’ny fotoana hafa. Nitohy nandritra ny taona maro anefa izy ireny. Tony foana i James niaritra an’izany, ary tsy nivadika mihitsy izy mandra-pahafatiny tamin’ny 2005. Mbola tsaroan’ireo rahalahy ny finoany, ary azo antoka fa tsaroan’i Jehovah Andriamaniny koa.

‘RAHALAHY MANAMPY AMIN’NY FOTOAM-PAHORIANA’

“Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.” (Ohab. 17:17) Tena namana tokoa ireo rahalahy tatsy Kenya, nandritra ny fotoam-pahoriana sy ny loza natrehin’ireo Vavolombelona ogandey, teo anelanelan’ny 1970 sy 1980. Nila herim-po ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy solontenan’ny sampana, rehefa niampita ny sisin-tanin’i Ogandà mba hanohanana sy hampaherezana an’ireo rahalahiny sy anabaviny.

Nisy olana ara-politika tamin’ny 1978, rehefa nanafika an’i Tanzania ny miaramila ogandey sasany. Namaly faty ny miaramila tanzanianina ka nanongana ny mpitondra teto, tamin’ny Aprily 1979. Voatery nitsoaka àry i Idi Amin, mpitondra jadona natahoran’ny Ogandey. Maro ny zavatra niova rehefa lasa izy. Hoy ny rahalahy iray: “Foana ny fandrarana rehefa lasa i Amin.” Hoy ny Gazetin’i Ogandà: “Afaka Miverina Amin’izay Ireo Misionera.” Nanompo tamin-kalalahana indray ny vahoakan’i Jehovah!

“HANDEHA FOANA AHO NA HISY HAMONO AZA”

Niova ny fitondram-panjakana, nefa mbola nisy ihany ny olana. Maro ny fandrobana sy ny herisetra noho ny fisian’ny fanjakan’i Baroa. Nasain’ny sampan’i Kenya nitsidika an’i Ogandà sy nandamina fivoriamben’ny faritra anefa i Günter Reschke sy Stanley Makumba.

Hoy i Günter: “Nampianatra tamin’ny sekolin’ny mpisava lalana tany Meru, akaikin’ny Tendrombohitra Kenya izahay, tapa-bolana talohan’ny nitsidihanay an’i Ogandà. Nisy fotoana namakiako gazety ary noresahina tao ireo vonoan’olona tao Kampala, indrindra fa amin’ny alina. Novakiko mafy ny ampahany tamin’ilay izy, ary hoy aho: ‘Any mihitsy anefa no tokony halehanay amin’ny herinandro!’ Hoy aho avy eo: ‘Hanao toa an’i Jona ve aho ka handositra fanendrena?’ Nisinda avy hatrany ny tahotro, ary hoy aho anakampo: ‘Handeha foana aho na hisy hamono aza. Tsy handositra toa an’i Jona aho.’ ”

Nandeha tokoa izy mirahalahy. Nitsidika an’ireo fiangonana tany amin’ny faritra afovoan’i Ogandà i Stanley, fa i Günter kosa nitsidika an’ireo tanàna lehibe kokoa. Hoy izy ireo: “Maro ny zavatra nila nalamina taorian’ny ady. Rahalahy sy anabavy 113 teo ho eo monja no mbola nitory, tamin’izany. Faly ny rehetra fa afaka nivory tamin-kalalahana indray sy nanao fivoriambe teny an-kalamanjana. Nahafaly fa 241 ny mpanatrika.” Toy ny hoe voahitsakitsaka ny voan’ny fahamarinana, nefa mbola namoa ihany.

FOTOANA NAMPIDI-DOZA

Natory tao Mbale, akaikin’ny sisin-tany atsinanan’i Ogandà, i Günter sy Stanley. Najanon’izy ireo teo anoloan’ny tranon’ilay olona nandray azy ny fiarany. Naheno olona naka zavatra tamin’ilay fiara izy ireo ny alin’io. Efa saika hivazavaza tamin’ireo mpangalatra i Günter. Tsaroany anefa fa novonoin’ny jiolahy ny olona iray nanao toy izany, talohan’izay. Tsapany fa sarobidy lavitra noho ilay fiara ny aina, ka naleony nangina. Pne roa sy ny fitaratra anoloana no hita fa very, rehefa nifoha izy ireo ny maraina. Nankany amin’ny polisy ry zareo, ary hoy ny polisy iray: “Esory teo ny fiaranareo dieny mbola tsy miverina ireo mpangalatra, ka haka zavatra hafa indray!”

Niainga ho any Kampala ireo rahalahy, raha vao afaka nanao izany. Tsy nahafinaritra anefa ilay dia 250 kilaometatra, satria tsy nisy fitaratra anoloana ilay fiara nefa ny andro sady nanorana no nandrivotra. Bodofotsy no notafian’i Günter ary satroka no niaro an’i Stanley. Ahoana ny amin’ireo pne roa very? Ilay pne asolo no nanoloana ny iray. Pne nindramina kosa no nasolo an’ilay iray hafa, saingy nanary rivotra izy io. Loza koa fa tsy maintsy naverina tao anatin’ny roa andro io pne io! Nitaintaina ireo rahalahy ary nanantena fa tsy hiletaka ireo pne.

Ambonin’izany, dia tsy maintsy namakivaky ala nalaza ho feno mpangalatra izy mirahalahy. Hoy ilay olona nampiantrano azy ireo: “Mandehana mafy ary aza avela hisy hisongona anareo.” Faly ireo rahalahy be herim-po fa tonga soa aman-tsara tao Kampala, sady haingana tsy nisy hoatr’izany. Mbola nanam-potoana nitadiavana olona hamerina an’ilay pne tany Mbale izy ireo.

OLANA SY FAHAFAHANA

Nitsidika ny foibe any Brooklyn, New York, ny Rahalahy Reschke tamin’ny 1980. Nasaina notantarainy tamin’ny fianakavian’ny Betela ny fandrosoan’ny asa teto Ogandà. Nilaza ny Filan-kevi-pitantanana, taorian’izay, fa azo andefasana misionera amin’izay eto. Niaiky ny rehetra fa fotoana tsara hampitomboana ny asa misionera tamin’izay. Afaka nanao fivoriambe indray ireo rahalahy, ary tafakatra 175 ny isan’ny mpitory, tamin’ny 1981. Nahafaly fa nahatratra 206 ny tampon’isan’ny mpitory, ny volana Jolay tamin’io taona io ihany.

Nampalahelo anefa fa maro ny fitaovam-piadiana niparitaka nandritra ireo folo taona nisian’ny ady, ka nahazo izany ireo olon-dratsy. Fahita ny halatra sy ny fitifirana tsy amin’antony. Malina ny mpitory ka ny antoandro ihany no nanompo teny amin’ny saha sy nanao fandaharana hafa, satria tena nampidi-doza ny alina. Na izany aza, dia azo nantenaina ny hisian’ny fitomboana. Niezaka mafy izy ireo nizara boky sy gazety ara-baiboly mampahery, nanerana an’ilay faritra. Tamin’ny antsalany, dia gazety 12,5 isaky ny mpitory no voapetraka, tamin’ny Jolay 1981.

NIVERINA INDRAY IREO MISIONERA

Nanatrika ny Sekolin’i Gileada i Jeffrey Welch sy Ari Palviainen, ary nanompo tatsy Kenya. Tonga tao Kampala izy ireo tamin’ny Septambra 1982. Efa hatramin’ny voalohany no nahita vokatra tsara i Jeff sy Ari, araka ny anarana nahafantaran’ny olona azy. Hoy i Jeff: “Noana ara-panahy ny olona tamin’izany. Faly nandray gazety izy ireo satria nahaliana ny loha hevitra noraketiny.”

Tonga nanampy an’i Jeff sy Ari i Heinz sy Marianne Wertholz, tamin’ny Desambra 1982. Nanatrika ny Sekoly Fanitarana An’i Gileada tany Wiesbaden, any Alemaina, izy ireo. Efa hatramin’ny voalohany no nampiaiky azy ireo ny fandrosoan’ireo rahalahy ogandey, na dia nikorontana sy nampidi-doza aza ny fiaraha-monina.

Hoy i Heinz: “Tapaka ny rano sy ny fifandraisana ary ny zavatra maro hafa. Mbola sarotra koa ny toe-draharaha politika. Imbetsaka no nisy tsaho fa hisy fanonganam-panjakana, ka feno barazina miaramila ny lalana. Fahita ny fitifirana sy ny fandrobana, indrindra amin’ny alina. Tsy nisy nandehandeha teny an-dalana rehefa maizina ny andro. Nijanona tany an-trano ny rehetra, ary nanantena fa tsy hisy hanafika amin’ny alina. Matetika izy ireo no nivavaka momba izany.”

Nipetraka tao amin-dry Sam Waiswa i Heinz sy Marianne, mandra-pahita trano ho an’ny misionera. Mpampianatra i Sam, nefa tsy dia nanam-bola noho ny olana ara-toe-karena teto Ogandà. Tena niavaka àry ny fitiavan’izy ireo nandray vahiny.

Hoy i Heinz: “Sarotra ny nahita trano tany amin’ny toerana tsy nampidi-doza. Nijanona tao amin-dry Sam dimy volana àry izahay, ka lasa nifankahalala be. Indray mandeha isan’andro fotsiny izy mianakavy, indraindray, no nisakafo. Faly foana anefa izy ireo, ary nanaja sy nankatò ireo zanak’i Sam. Tsy nandeha tsara ny rano, ka samy nantsaka tamin’ny daba mahazaka rano 20 litatra ireo ankizy. Nololohavin’izy ireo izany. Efa nisy rano ho anay foana tao an-trano, rehefa avy nanompo izahay. Mazava ho azy fa nianatra nitsitsy izahay. Rano kely fotsiny, ohatra, no nandroanay, ary nataonay tao anaty koveta ilay rano avy nampiasaina mba hanondrahana kabine.”

Nahita trano tao amin’ny faritra nilamindamina ireo misionera vaovao efatra, tamin’ny Aprily 1983, folo taona teo ho eo taorian’ny nandroahana an’ireo misionera voalohany. Maro ny olana satria tsy tena nilamina ny tanàna ary tsy ampy ny sakafo. Nanonitra an’izany anefa ny fitiavan’ireo rahalahy.

Hoy i Marianne: “Nahafaly anay foana ny nitory tamin’ny olona. Tia fivavahana sy nanana Baiboly ny ankamaroany ary vonona hiresaka. Mora nohatonina sy nahalala fomba koa izy ireo. Nitsikitsiky foana ry zareo, na teo aza ny olana ara-bola sy ny olana hafa.”

TE HANOMPO BEBE KOKOA NY BE TAONA

Hajaina fatratra ny zokiolona eto Ogandà. Maro taminy no nanaiky ny vaovao tsara, ary nanompo an’i Jehovah na dia efa antitra aza. Mpampianatra, ohatra, i Paulo Mukasa taloha, ary 89 taona izy rehefa nianatra ny fahamarinana. Hitany ny ady lehibe roa, ny fitondran’ny mpanjana-tany, ny fitondrana jadona nahery setra, ary ny olana ara-politika hafa. Nandrisika azy hianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra izany. Faly izy rehefa nahafantatra fa ‘hamonjy ny mahantra sy ny ory amin’ny fampahoriana sy ny herisetra’ i Jesosy Kristy, ilay Mesia Mpanjaka.—Sal. 72:12, 14.

Nahafeno fepetra mba hatao batisa i Paulo, roa taona tatỳ aoriana. Nieritreritra ireo rahalahy hoe: ‘Azo aroboka tanteraka ve io olona efa antitra be io?’ Tsy tokony ho natahotra anefa izy ireo. Nitsikitsiky erỳ mantsy i Paulo, izay 91 taona, rehefa nivoaka avy tao anaty rano. Tsy toy ny tovolahy iray, izay nisalasala ny hiditra tao anaty rano. Voafetra ny fanompoana vitan’i Paulo, nefa nazoto nitory tamin’ireo nitsidika azy izy mandra-pahafatiny, taona vitsivitsy tatỳ aoriana.

Ohatra iray koa i Lovinca Nakayima. Tsy hoe be taona fotsiny izy fa tsy salama koa. Nivonto be ny tongony noho ilay aretiny, ka tsy afaka nandeha irery izy. Nampirisihina hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy mandritra ny iray volana ny fiangonana, rehefa vanim-potoan’ny Fahatsiarovana. Te hanandrana koa i Lovinca. Nanampy azy àry ny fiangonana, ka nentina tany an-tranony ireo olona liana mba hianatra Baiboly. Nampianarin’ireo misionera hitory an-taratasy koa izy, ary nanao izany isaky ny afaka. Rehefa asabotsy indray, dia nitondra azy tany amin’ny faritra be olona ao Kampala ny anti-panahy iray. Nipetraka teo ambony tamboho ivaiva i Lovinca ary nitory tamin’ny mpandalo, nandritra ny andro. Faly sy afa-po izy rehefa nifarana ny volana, ka hoy izy: “Hay vitako ihany ilay izy sady nahafinaritra!” Tsy tamin’io volana io ihany izy no mpisava lalana mpanampy, fa nandritra ny 11 volana nisesy koa, noho ny fanampian’ny fiangonana.

“AHOANA NO FITENY HOE...?”

Tsy nitsahatra tonga ny misionera nandritra ireo taona 1980, ary faly nandray azy ireo ny mpitory mazoto teto Ogandà. Vao avy nanatrika ny Sekolin’i Gileada ny sasany. Ny hafa indray misionera tatsy Zaïre (Repoblika Demokratikan’i Congo ankehitriny), saingy voatery niala tany. Nihamaro ny misionera tao Kampala sy Jinja, ka voasa tsara kokoa ireo faritany be olona ireo. Faly koa ireo misionera rehefa nahita fa masaka hojinjaina ny faritany teto Ogandà. Tsy ny fitadiavana olona liana àry no sarotra fa ny fambolena ny fahamarinana tao am-pony.

Vao avy nanatrika ny Sekolin’i Gileada i Mats Holmkvist, ka may erỳ hianatra ny fiteny teo an-toerana mba hanolokoloana ny fahalianan’ny olona. Mpisava lalana manokana tao Entebbe i Fred Nyende tamin’izay. Nahay nandika teny izy, ka izy no nampianatra teny luganda an’ireo misionera vaovao. Maro anefa ny teny sarotra tononina amin’io fiteny io, ka somary nanahirana an’i Mats ny nianatra azy.

Hoy i Mats tamin’ny fotoana iray nianaran’izy ireo: “Ahoana no fiteny hoe ‘Fanjakan’Andriamanitra’ amin’ny teny luganda?”

“Obwakabaka bwa Katonda”, hoy i Fred.

‘Ahoana koa no hahaizako an’izany?’, hoy i Mats anakampo, sady nanenina kely nametraka an’ilay fanontaniana. Nandroso haingana anefa izy ary lasa nahay niteny luganda tsara.

MANDROSO BE NY FIJINJANA

Nandray ny fahamarinana ny olona, na teo aza ny olana teto Ogandà, teo anelanelan’ny 1980 sy 1990. Nitombo haingana ny isan’ny mpitory, satria 328 izany tamin’ny 1986 ary tafakatra 766 tamin’ny 1990. Fitomboana 130 isan-jato mahery izany. Maro ny antoko-mpitory niforona nanerana ilay tany. Nitombo avo roa heny ny isan’ny fiangonana tao Kampala. Nitombo avo telo heny mahery ny isan’ny mpitory teo anivon’ilay fiangonana tao Jinja, ary vetivety dia lasa fiangonana ilay antoko-mpitory tao Iganga.

Hoy ny anti-panahy iray tao Jinja: “Haingana be ilay fitomboana, ka nieritreritra izahay hoe avy taiza daholo àry ireo mpitory vaovao ireo. Nandritra ny fotoana kelikely, dia saika isak’alahady izahay no niara-nidinika tamin’ireo naniry ho lasa mpitory tsy vita batisa.”

FIJINJANA TAMIN’NY SAHA LEHIBE KOKOA

Nanana toe-tsain’ny mpisava lalana ireo mpitory, ka izany no anisan’ny nahatonga ilay fitomboana niavaka. Nanahaka an’i Paoly sy Silasy ary Timoty, mpitory tamin’ny taonjato voalohany, ireo mpanompo manontolo andro teto Ogandà. ‘Nanolotra ny tenany ho modely hotahafina’ izy ireo. (2 Tes. 3:9) Mpitory be zotom-po maro no nanitatra ny fanompoany, noho ireo ohatra tsara ireo. Betsaka koa ny faritany nilana mpitory maro kokoa. Nirotsaka ho mpisava lalana daholo na antitra na tanora, na mpitovo na manambady, na lahy na vavy, eny fa na dia ireo nila nikarakara fianakaviana aza. Maherin’ny 25 isan-jaton’ny mpitory no nanao ny asan’ny mpisava lalana, taloha kelin’ny 1990. Mbola manompo manontolo andro ny sasany amin’izy ireo.

Nazoto nanohana ny ezaka manokana natao isan-taona ireo mpisava lalana. Nantsoina hoe ezaka ho any Makedonia izy ireny. (Asa. 16:9, 10) Nitohy an-taonany maro izany. Nitory tany amin’ny faritany tsisy tompony na tsy voasa matetika ireo fiangonana, nandritra ny telo volana na latsaka. Notendrena ho mpisava lalana manokana tsy maharitra tany amin’ireny faritany ireny ny mpisava lalana sasany. Tena nampahery ny vokatra. Olona tso-po maro no nankasitraka an’ireny ezaka manokana ireny, satria nanampy azy hahalala ny fahamarinana izany. Maro koa ny antoko-mpitory sy fiangonana niforona.

Tamin’ny ezaka manokana iray, dia nitory tao amin’ny tanànan’i Kabale i Peter Abramow sy Michael Reiss, izay samy misionera. Nihaona tamin’i Margaret Tofayo izy ireo tao, ary efa nianatra Baiboly izy io taloha. Resy lahatra izy fa nahita ny fahamarinana, ary efa nitory tamin’ny hafa. Iray ihany ny boky Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina tany amin’izy mirahalahy. Nomeny an’i Margaret ilay izy mba hanampiana azy. Nitsidika azy farany ireo rahalahy, talohan’ny nialany tao Kabale. Tsy nampoiziny fa nikarakara sakafo manokana ho azy ireo izy. Faly ry zareo fa tsara fanahy sy nalala-tanana i Margaret. Menatra anefa izy ireo satria ilay akoho tokana nananan’i Margaret no nandrahoiny. Fantany fa ny atody azo avy tamin’ilay akoho no mba nanampy ny sakafo tsizarizarin’ilay fianakaviana. Hoy i Margaret: “Aza matahotra, fa kely lavitra noho izay nataonareo tamiko ity sakafo omeko anareo ity.” Natao batisa izy, tatỳ aoriana, ary nazoto nitory foana mandra-pahafatiny.

Anisan’ny nahatonga an’ilay fitomboana haingana koa ny fomba nampiasan’ireo rahalahy ny boky sy gazety. Hoy i Mats, voaresaka terỳ aloha: “Marina fa miezaka manatsara ny fahaizanay mampianatra izahay, kanefa ny Baiboly sy ireo boky aman-gazety no tena manohina ny fon’ny olona sy mandrisika azy hiova. Tena mandaitra ireo bokikelintsika ka manao fiovana koa, na dia ireo tsy mahay mamaky teny tsara aza.”

FIATREHANA VATO MISAKANA

Tena nampahery ny fitomboana, taloha kelin’ny 1990, nefa nisy koa ny olana. Nisy fanonganam-panjakana tamin’ny Jolay 1985, ka ny miaramila indray no nitondra. Lasa tsy nilamina toy ny teo aloha ny tany, ary nihamafy ny ady anaty akata. Nandositra ireo miaramila nanohana ny mpitondra teo aloha. Nahery setra sy tsy voafehy izy ireo, ka nandroba sy namono olona tsy amin’antony. Nisy ady teo akaikin’ny faritra nisy an’ireo misionera tao Jinja, nandritra ny fotoana kelikely. Nanafika tampoka tao amin’izy ireo ny miaramila, indray andro. Tsy nanimba entana anefa izy ireo fa naka zavatra kely fotsiny, rehefa fantany fa misionera no tao. Nisy fitondrana vaovao teto Ogandà, tamin’ny Janoary 1986, ary niezaka nampilamina ny tany izy io.

Niatrika fahavalo nandravarava ilay fitondrana vaovao, tsy ela taorian’izay. Tsy inona izany fa ny SIDA. I Ogandà no anisan’ny voa indrindra rehefa niely io aretina io, teo anelanelan’ny 1980 sy 1990. Notombanana ho iray tapitrisa ny olona maty. Toa maro kokoa izany noho ny olona maty tamin’ny korontana ara-politika sy ady an-trano nandritra ny 15 taona. Inona no vokatr’izy io teo amin’ireo rahalahintsika?

Hoy i Washington Ssentongo, mpisava lalana maharitra: “Nazoto sy navitribitrika erỳ ireo rahalahy sy anabavy vaovao sasany, kanefa narary sy matin’ny SIDA avy eo. Voan’ny VIH talohan’ny nianarany ny fahamarinana izy ireo.” Nahazo an’ilay aretina avy tamin’ny vady tsy Vavolombelona kosa ny hafa.

Hoy i Washington: “Nila ho isam-bolana izahay no nandre fa nisy olom-pantatray sy mamin’ny fonay maty, ary samy namoy havana ny rehetra. Betsaka koa ny finoanoam-poana momba ny SIDA. Maro no nilaza fa famosaviana ilay izy na sazy. Nampahatahotra sy nahatonga ny olona hitsara an-tendrony izany, ary lasa tsy nisaina tsara intsony izy ireo.” Nifampahery tamin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty sy ny fanehoana fitiavana kristianina anefa ireo rahalahy sy anabavy.

Tena nisy tsirim-panantenana teto Ogandà, taloha kelin’ny 1990. Niverina tamin’ny laoniny ny fandriampahalemana, ary niarina ny toe-karena. Nohatsaraina ny tanàna, ary nohavaozina na nalamina ny asa sosialy.

Nihamaro ny olona liana tamin’ny politika, ary tsy azon’izy ireo indraindray ny antony tsy anaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’izany. Nasain’ny manam-pahefana najanona, ohatra, ny fanorenana Efitrano Fanjakana iray. Tsy nekena ny hanaovana fivoriambe sasany, ary nisy misionera voatery nandeha rehefa lany ny vizàny. Rahalahy misionera roa sisa no nijanona teto, tamin’ny faran’ny taona 1991. Ahoana no azo anatsarana an’izany toe-javatra izany?

Tatỳ aoriana, dia nisy rahalahy vitsivitsy nanazava tamin’ny manam-pahefana ny antony tsy anaovantsika politika. Navela hiverina teto indray ireo misionera, raha vao takatry ny manam-pahefana ny toerana tanantsika. Tsy voasakantsakana intsony ny asa, ka nahafaly fa nahatratra 1 000 ny isan’ny mpitory, tamin’ny 1993. Tafakatra 2 000 izany, dimy taona monja tatỳ aoriana. Misionera 40 eo ho eo izao no mitory manerana an’i Ogandà.

MANAFAINGANA NY ASA FIJINJANA NY FANDIKAN-TENY

Ampiasaina manerana an’i Ogandà ny teny anglisy. Ny teny luganda anefa no tena fampiasan’ny olona, na dia misy fiteny 30 mahery aza ampiasain’ireo foko isan-karazany. Tena nampitombo be ny isan’ny mpitory àry ny fandrosoan’ny asa fandikan-teny.

Hoy i Fred Nyende: “Vavolombelona tsy nivadika i Neny. Nisy heviny kokoa taminy anefa ny fivoriana, rehefa nadikako tamin’ny teny luganda ireo lahatsoratra fianarana tamin’ny teny anglisy. Tsy noeritreretiko akory hoe nanomana ahy ho amin’ny asa fandikan-teny lehibe kokoa izany.” Inona no tiany holazaina?

Nirotsaka ho mpisava lalana i Fred tamin’ny 1984. Nasaina nampianatra teny luganda an’ireo misionera izy, tsy ela taorian’izay. Lasa anisan’ny ekipa mpandika teny ho amin’ny teny luganda izy, herintaona tatỳ aoriana. Tany an-trano izy sy ny mpandika teny hafa no niasa, ary nanao izany isaky ny nalalaka. Afaka nandika teny manontolo andro izy ireo, tatỳ aoriana, tao amin’ny efitra kely iray nifampitohy tamin’ny tranon’ny misionera. Nahaliana fa nandritra ny fandrarana tamin’ny 1975 tany ho any, dia efa voadika tamin’ny teny luganda sy natao kopia maromaro ny Tilikambo sasany. Tsy nitohy intsony anefa izany rehefa afaka kelikely. Tamin’ny 1987 indray vao nivoaka tamin’ny teny luganda ny Tilikambo. Nitarina ny ekipan’ny fandikan-teny nanomboka teo. Niasa mafy izy ireo mba handika boky bebe kokoa ho an’ireo fiangonana miteny luganda, izay mihamaro. Efa ho ny antsasak’ireo fiangonana rehetra eto izao no miteny luganda.

Nadika tamin’ny fiteny hafa koa ireo boky sy gazety, tatỳ aoriana. Efa misy izao ny mpandika teny manontolo andro ho amin’ny teny acholi sy lhukonzo ary runyankore. Efa voadika amin’ny teny ateso, lugbara, madi, ary rutoro koa ny boky sasany.

Ao amin’ny biraon’ny fandikan-teny any Gulu sy Mbarara no miasa ireo mpandika teny amin’ny teny acholi sy runyankore. Any mantsy no tena ampiasaina ireo fiteny ireo. Afaka mampiasa tsara ny fiteniny ireo mpandika teny amin’izay, ary afaka manao fandikan-teny mora azo. Faly koa ireo fiangonana eo an-toerana, noho ny fanampian’izy ireo.

Mazava ho azy fa mitaky ezaka sy ilana vola be ny asa fandikan-teny. Nampiofanina momba ny fandikan-teny ireo mpandika teny ogandey, ary nampiana hahazo kokoa ny hevitry ny teny anglisy, toy ireo ekipa mpandika teny eran-tany. Nisy vokany tsara izany. Maro noho ny hatramin’izay ny Ogandey afaka mamaky ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny fiteniny. Avy amin’ny “foko sy vahoaka ary fiteny” samihafa izy ireo. (Apok. 7:9, 10) Ny vokany? Maherin’ny 3 000 ny isan’ny mpitory teto Ogandà, tamin’ny 2003, ary 4 005 tamin’ny 2006, izany hoe telo taona monja tatỳ aoriana.

TOERAM-PIVAVAHANA MARO KOKOA

Nivory tany an-tranon’olona sy tranom-pokonolona ary efitrano fianarana ireo rahalahy, tamin’ny voalohany. Trano biriky mitafo bozaka no trano voalohany naorina mba hivoriana, tany amin’ny faritra ambanivohitr’i Namaingo sy Rusese. Notahina ny ezaka sy ny finiavan’ireo rahalahy tany amin’ireo faritra ireo, ka lasa nisy fiangonana tany.

Lafo anefa na dia ny nanorina trano tsotra aza, tany an-tanàn-dehibe. Toa sarotra ninoana ny hahavitana Efitrano Fanjakana teto Ogandà, raha ny toe-karena no jerena. Tamin’ny Martsa 1988 vao nisy efitrano notokanana tao Jinja. Ezaka be izany vao vita: Teo ny fikapana hazo tany an’ala, ny fitondrana izany tamin’ny kamiao tamin’ny lalana feno fotaka, ary ny fanorenana! Nahavita efitrano koa ireo rahalahy tao Mbale sy Kampala ary Tororo, tatỳ aoriana, noho ny finiavany sy ny fahaizany manokana.

Nandroso haingana ny fanorenana efitrano tamin’ny 1999, rehefa nisy ekipa mpanao fanorenana teto Ogandà. Ny Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika ao amin’ny sampan’i Afrika Atsimo no nandamina sy niandraikitra azy ireo. Nanendry olona sivy io sampana io, anisan’izany ny mpanompo iraisam-pirenena roa niaraka tamin’ny vadiny avy. Vetivety dia nahay ny asany izy ireo, ary afaka nampiofana an’ireo rahalahy teo an-toerana. Nandroso be ny asa fanorenana, ka efitrano 67 no vita. Efitrano iray isaky ny iray volana sy tapany no voaorina, tamin’ny antsalany. Vitsy anefa ny fitaovana, tsy nisy firy ny rano, ary tsindraindray vao nahazo fitaovam-panorenana ireo rahalahy.

Manana ny efitranony manokana izao ny ankamaroan’ireo fiangonana eto Ogandà, ary mandray soa avy amin’izany. Tian’ireo olona liana kokoa ny mandeha mivory any amin’ny toeram-pivavahana, toy izay any amin’ny efitrano fianarana. Mitombo àry ny isan’ny mpanatrika, ary mitombo haingana koa ireo fiangonana.

FIATREHANA NY FITOMBOANA

Lasa tsy ampy anefa ny toerana hanaovana fivoriambe, rehefa nitombo haingana be ireo fiangonana. Ahoana no hahitana toerana mety amin’izany, mba tsy hanaovan’ireo rahalahy dia lavitra, indrindra ireo any ambanivohitra? Faly ireo rahalahy, rehefa navela hanorina Efitrano Fanjakana azo ampiasaina ho amin’ny fivoriambe. Efitrano tsotra izy ireny, fa misy trano tsisy rindrina mifampitohy aminy avy ao aoriana. Azo vahana ny rindrina aorian’ilay efitrano rehefa fivoriambe, ka afaka mipetraka ao amin’ilay ampahany tsisy rindrina ny ankamaroan’ny mpanatrika. Efa misy efitrano toy izany izao ao Kajansi, Rusese, Lira, ary misy iray aorina ao Seta.

Notahin’i Jehovah ny asa teto Ogandà, ka nisy fanitsiana tsy maintsy natao. Mpiandraikitra ny faritra iray monja no nanompo teto, talohan’ny 1994. Nozaraina ho faritra maromaro i Ogandà, tatỳ aoriana, mba hikarakarana an’ireo fiangonana sy antoko-mpitory tsy mitsaha-mitombo. Eo koa ireo fiteny samihafa. Misy fiangonana 111 sy antoko-mpitory 50 eo ho eo izao eto. Miisa valo ny faritra, ary miteny luganda ny telo aminy.

Vita batisa tamin’ny 1972 i Apollo Mukasa, anisan’ny mpiandraikitra ny faritra eto Ogandà. Nanomboka nanompo manontolo andro izy tamin’ny 1980, fa tsy nanao fianarana ambony. Nanenina ve izy?

Hoy i Apollo: “Tsia. Valisoa maro no azoko tamin’izaho mpisava lalana manokana. Mandray soa koa aho rehefa mitety faritany, ka mitsidika fiangonana sy antoko-mpitory. Tena tiako ny fampiofanana azoko tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana.”

Ankoatra an’i Apollo, dia rahalahy ogandey 50 mahery no nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, nanomboka tamin’ny 1994. Tany amin’ny sampan’i Kenya izy io no natao voalohany. Maro amin’ireo rahalahy mahafoy tena ireo no mpisava lalana manokana any amin’ireo fiangonana kely sy antoko-mpitory. Ny hafa indray mpiandraikitra mpitety faritany.

Nasiana Komitin’ny Tany teto, tamin’ny 1995, ary ny sampan’i Kenya no niandraikitra azy. Ny iray tamin’ireo tranon’ny misionera tao Kampala no natao trano fonenan’ny fianakavian’ny Betela vaovao, izay nisy mpiasa an-tsitrapo valo. Anisan’ireo ny mpandika teny amin’ny teny luganda. Lasa nisy biraon’ny sampana teto, tamin’ny Septambra 2003.

“EFA AO AMIN’NY PARADISA IZAHAY IZAO”

Tsy maintsy nanao zavatra ny Komitin’ny Tany, satria nitombo be ny isan’ireo ekipa mpandika teny ary nitombo koa ny andraikitr’ilay birao. Novidina àry ny tany roa nisy trano, teo akaikin’ilay birao tao Kampala. Nilaina anefa ny trano lehibe kokoa, tatỳ aoriana. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hividianana tany iray mirefy efatra hektara ho an’ilay tranon’ny sampana vaovao, tamin’ny 2001. Somary lavidavitra an’i Kampala no misy azy io, ary eo akaikin’ny Farihy Victoria.

Tsy nety nanao an’ilay asa fanorenana ny orinasa iray, tamin’ny voalohany, kanefa ampy fitaovana tsara ho amin’izany izy io. Sahirana loatra mantsy ry zareo. Niova hevitra tampoka anefa izy ireo, ary nahavariana fa mora be ny karama nangatahiny. Votsotra angamba ny asa lehibe iray tokony ho nataony, ka izany no nahatonga azy hanaiky hanorina an’ilay sampana haingana araka izay azo natao.

Faly ny fianakavian’ny Betela, tamin’ny Janoary 2006, rehefa nifindra tao amin’ilay trano fonenana vaovao tsara tarehy, misy rihana iray sy efitrano 32. Hita ao amin’ilay toerana ny trano misy ireo birao, efitra fisakafoana, lakozia, ary efitra fanasan-damba. Misy fantsona fandehanan’ny rano maloto, izay tsy manimba tontolo iainana ao, ary misy trano fanatobiana entana ho an’ny sampan-draharahan’ny boky. Hita ao koa ny trano ho an’ny fikojakojana sy ny fanangonan-drano ary ny milina mpamokatra herinaratra. Hoy ny rahalahy iray: “Efa ao amin’ny paradisa izahay izao. Ny fiainana mandrakizay sisa no tsy ampy!” Natao ny asabotsy 20 Janoary 2007 ny lahateny fitokanana. I Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao izany.

MITOMBO BE NY TENA FAHALALANA

Nianatra ‘nitory ny teny tamin’ny mora sy tamin’ny sarotra’ ny vahoakan’i Jehovah teto Ogandà, nandritra ireo am-polony taona nifandimbiasan’ny korontana sy ny filaminana. (2 Tim. 4:2) Faly nitarika fampianarana Baiboly 11 564 ny mpitory 4 766, tamin’ny 2008. Nisy 16 644 koa ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Mpitory 1 isaky ny mponina 6 276 izany amin’ny antsalany. Hita mihitsy hoe mbola “masaka hojinjaina” ny saha eto.—Jaona 4:35.

Nianaran’ireo rahalahy sy anabavy avy tamin’ny korontana teto Ogandà fa mety hiova tampoka ny toe-javatra, ary tsy hitahita akory dia voasedra ny finoantsika. Nampianatra azy ireo hitoky amin’i Jehovah sy ny Teniny ary hatoky ny fanampian’ireo rahalahy eran-tany anefa ny zavatra niainany.

Nilaza tamin’i Daniela mpaminany, izay efa be taona, ny anjely iray fa “hitombo be ny tena fahalalana” amin’ny “fotoanan’ny farany.” (Dan. 12:4) Mitombo tokoa ny tena fahalalana eto Ogandà, noho ny fitahian’i Jehovah. Avy eto amin’ity faritra ity ny loharanon’i Nil. Hiboiboika eto foana koa ny ranon’ny fahamarinana, mba hanome fahafaham-po an’ireo mangetaheta an’izany. Mitahy ny asa fitoriana eran-tany i Jehovah, ary efa tsy andrintsika ny fotoana hampiray saina ny olona rehetra. Hiara-midera an’i Jehovah mandrakizay izy ireo amin’izay!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Miresaka momba an’i Frank Smith ilay tantaram-piainana ao amin’ny Tilikambo 1 Aogositra 1995, pejy 20-24. Anisan’ireo nitory voalohany tatỳ Afrika Atsinanana i Frank Smith, dadan’i Frank, ary Gray sy Olga Smith, dadatoany sy nenitoany. Matin’ny tazo io rainy io tamin’izy nody tany Le Cap, roa volana talohan’ny nahaterahan’i Frank.

b Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

[Teny notsongaina, pejy 84]

“Tsy dia nahazatra ny nandre Amerikanina sy Ekosey nifampiresaka tao amin’ny radio afrikanina”

[Teny notsongaina, pejy 92]

“Ahoana no ahafahan’izy ireo mandrara ny zavatra ato am-poko?”

[Teny notsongaina, pejy 111]

“Ahoana no fiteny hoe ‘Fanjakan’ Andriamanitra’ amin’ny teny luganda?” “Obwakabaka bwa Katonda”

[Efajoro/Sary, pejy 72]

Indray Mitopy Maso An’i Ogandà

Ilay Tany

Ahitana toerana isan-karazany mahavariana eto Ogandà. Misy ala matevina eto, tany lava volo midadasika, ary renirano sy farihy maro be. Eo koa ny Tandavan-tendrombohitra Ruwenzori, izay mijoalajoala ary rakotra lanezy ny tampony. Mahatratra 241 551 kilaometatra toradroa ny velaran’i Ogandà. Efa ho ny antsasaky ny Farihy Victoria no ao anatin’ny faritaniny. Io no farihy lehibe indrindra atỳ Afrika.

Mponina

Mipetraka any ambanivohitra ny ankamaroany, ary mizarazara ho foko 30 mahery.

Fiteny

Misy fiteny 32 mahery eto, fa ny teny luganda no tena fampiasa. Ny teny anglisy sy swahili no fiteny ofisialy.

Fivelomana

Mivelona amin’ny fambolena kafe, dite, landihazo, ary voly hafa ny Ogandey. Tantsaha ny ankamaroany, ary ny zavatra vokariny no ataony sakafo. Ny fanjonoana na ny fandraisana mpizaha tany koa anefa no fiveloman’ny olona sasany.

Sakafo

Tena tian’ny mponina any amin’ny faritra atsimon’i Ogandà ny matooke (eo amin’ny sary), izay sakafo vita amin’ny akondrolahy nandrahoina. Eo koa ny vomanga sy ny koba katsaka ary ny mofo vita amin’ny ampemby na koba mangahazo, izay hanina miaraka amin’ny legioma isan-karazany.

Toetany

Antonony tsara ny hafanana. Eo amin’ny lembalemba iray somary mitanila no misy an’i Ogandà. Tokotokony ho 1 500 metatra ny haavon’ny farany atsimo, ary 900 metatra eo ho eo ny farany avaratra. Miavaka tsara ny fotoanan’ny orana sy ny main-tany saika manerana an’i Ogandà.

[Efajoro/Sary, pejy 77]

Manohina ny Fo ny Fitiavana Kristianina

PETER GYABI

TERAKA 1932

BATISA 1965

TANTARANY Anti-panahy nanampy tamin’ny fandikana boky sy gazety nandritra ny fandrarana. Niteraka efatra mianadahy izy sy Esther vadiny.

◼ NISY fanavakavaham-bolon-koditra be teto Ogandà, tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo misionera voalohany. Nihatakataka tamin’ny mainty hoditra ny ankamaroan’ny fotsy hoditra. Nanohina ny fonay ny fitiavana kristianina nasehon’ireo misionera, ka lasa tianay be izy ireo.

Faly ny fianakavianay fa afaka nifandray sy niara-nitory tamin’ireo misionera, teo anelanelan’ny 1970 sy 1980. Nipetraka tany Mbarara, tany amin’ny 65 kilaometatra avy teo amin’ny nisy anay, izy ireo. Saika ho any izahay, indray andro, nefa nosakanan’ny miaramila ny fiaranay. Hoy ny miaramila iray: “Aza mankany fa maty any ianareo.” Toa fahendrena ny niverina nody tamin’izay. Nanahy be momba an’ireo misionera anefa izahay rehefa afaka andro vitsivitsy. Te ho any an-tranony izahay mba hahalalana hoe nanao ahoana ry zareo. Tsy navela hiditra tao amin’ilay faritra ny ankamaroan’ny olona. Tompon’andraikitra tao amin’ny hopitaly anefa aho, ary nisy marika famantarana ny hopitaly ny fiara nentiko, ka izany no nahafahako niditra tao. Faly izahay fa tsy nisy naninona ireo misionera! Nanome vatsy azy ireo izahay ary nijanona andro vitsivitsy niaraka taminy. Nitsidika azy ireo isan-kerinandro izahay taorian’izay, mandra-pahatongan’ny fotoana nahafahany nifindra tao Kampala. Arakaraka ny nahasarotra ny toe-javatra no vao mainka nampifankatia anay.

[Efajoro/Sary, pejy 82]

‘Hoatran’ny Tsy Hahateny Aho’

MARGARET NYENDE

TERAKA 1926

BATISA 1962

TANTARANY Vehivavy ogandey voalohany nanaiky ny fahamarinana. Mpisava lalana maharitra nandritra ny 20 taona mahery, ary mbola mazoto mitory.

◼ TIAN’NY vadiko ny nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Anadahy Kilminster. Nihevitra ny vadiko fa tokony hianatra koa aho satria tena tia Baiboly. Nampianatra ahy àry i Eunice, vadin’i John Bwali.

Tiako izay nianarako, nefa natahotra ny hitory aho. Saro-kenatra mantsy aho ka hoatran’ny tsy hahateny. Nanampy ahy tamim-paharetana anefa i Eunice, ka andinin-teny iray aloha no nasainy novakiko. Nampianariny hanomana fanazavana kely momba ilay andininy aho avy eo, alohan’ny hahatongavana amin’ny trano manaraka. Resiko ihany ny tahotro, noho ny fanampian’i Jehovah.

Toy ny nilatsaham-baratra aho taloha kelin’ny batisako, rehefa niala tamin’ny fahamarinana ny vadiko ary nandao ahy sy ireo zanakay fito. Nanome izay nilainay valo mianaka teo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy anefa ireo anadahy sy rahavavy. Nankany Kampala ny mpivady vahiny iray rehefa hivory. Nandalo teo aminay ry zareo ary nitondra anay tamin’ny fiara. Faly erỳ aho fa nifidy ny hanompo an’i Jehovah ny zanako efatra sy ny ankohonany.

Nirotsaka ho mpisava lalana maharitra aho tatỳ aoriana. Tsy afaka nandeha firy anefa aho rehefa voan’ny aretin’ny tonon-taolana. Nasiako latabatra nisy boky sy gazety àry teo ivelan’ny tranonay, ary nitory tamin’ny mpandalo aho. Afaka nanohy ny fanompoana manontolo andro aho noho izany.

[Efajoro/Sary, pejy 98, 99]

Notahin’Andriamanitra ny Fanompoanay

SAMUEL MUKWAYA

TERAKA 1932

BATISA 1974

TANTARANY Nisolo tena ny fandaminana tamin’ny raharaha ara-pitsarana, nandritra ny taona maro. Efa anti-panahy sy mpisava lalana taloha.

◼ TSY hohadinoiko mihitsy ny zava-nitranga tamin’ny fitsidihana ny biraon’ny sampan’i Kenya, tany Nairobi.

Nijery ny sarintanin’i Ogandà aho, ary nanontany hoe: “Inona no dikan’itony bokotra miloko itony?”

“Toerana be olona liana ireny”, hoy i Robert Hart, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Kenya.

“Rahoviana ianareo no handefa mpisava lalana ato?”, hoy aho sady notondroiko ilay bokotra teo amin’i Iganga, tanàna niaviako.

Namaly izy hoe: “Tsy handefa olona any izahay ka.” Sady nijery ahy izy avy eo no nipi-maso, ary nilaza hoe: “Ianao no ho any.”

Nahagaga ahy ny valin-tenin’ny Rahalahy Hart, satria tsy mpisava lalana aho tamin’izany sady tsy nipetraka tany amin’ny tanàna niaviako. Tsaroako foana anefa iny zava-nitranga iny. Nanapa-kevitra ny hody tany amin’ny tanàna niaviako àry aho rehefa nisotro ronono, ary nanao ny asan’ny mpisava lalana. Vetivety dia lasa fiangonana matanjaka manana ny efitranony manokana ireo mpitory vitsivitsy tao. Tena nahafaly ahy izany!

Niara-nipetraka tamiko i Patrick Baligeya, rehefa voatendry ho mpisava lalana manokana teto Iganga. Niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana izahay. Namboly katsaka koa izaho sy Patrick. Niara-nandinika ny andinin-teny ho an’ny andro izahay isa-maraina, ary avy eo niasa teny an-tanimboly nandritra ny ora vitsivitsy. Nandeha nanompo izahay rehefa tonga ny tamin’ny sivy teo ho eo, ary tsy nijanona raha tsy hariva ny andro.

Nanomboka nitsimoka ireo katsaka. Nilaza ny mpiara-monina taminay sasany fa nataonay ambanin-javatra ny volinay, satria nilaozanay nandeha nitory. Fantatray tsara fa nila nambenana ny katsaka rehefa mibaby, satria hanin’ny gidro. Tsy tianay hotapahina amin’ny fanenjehana gidro anefa ny fanompoanay.

Nisy alika be anankiroa nihaodihaody teny an-tanimbolinay, tsy ela taorian’izay. Tsy fantatray izay niavian’izy ireo, na izay tompony. Tsy nandroaka azy ireo anefa izahay. Nomenay sakafo sy rano kosa izy ireo isan’andro. Mazava ho azy fa tsy sahy nanakaikikaiky ny tanimbolinay mihitsy ny gidro, rehefa nahita an’ireo alika. Tsy hitanay intsony ireo alika ireo, iray volana taorian’izay. Tampoka toy ny nahatongavany ihany ny nandehanany, saingy efa tsy nisy natahorana intsony ny amin’ireo katsaka tamin’izay. Velom-pisaorana an’i Jehovah izahay, satria vokatra be ny katsakay. Izahay koa no nankafy azy ireo fa tsy ny gidro. Ny tena nahafaly anay anefa, dia ny nitahian’Andriamanitra ny fanompoanay!

[Efajoro/Sary, pejy 101, 102]

Nampian’i Jehovah, na dia Nogadraina Aza

PATRICK BALIGEYA

TERAKA 1955

BATISA 1983

TANTARANY Nanompo manontolo andro taoriana kelin’ny batisany. Manao ny asa fitetezam-paritany miaraka amin’i Symphronia vadiny.

◼ NANDRAY fahefana ny fitondram-panjakana vaovao, tamin’ny 1979. Nanapa-kevitra izy io fa hatao gadra politika izay rehetra nanohana ny mpitondra teo aloha. Noheverina ho nanohintohina ny fitondrana izay rehetra tsy nanaiky an’izany. Mpitendry zavamaneno tao amin’ny tafika aho, ka anisan’ireo nogadraina.

Faly aho tao am-ponja satria afaka namaky Baiboly isan’andro, ka nanan-javatra hosaintsainina foana. Efa nitady ny fahamarinana koa aho, ary tiako ny niresaka foto-kevitra ara-baiboly tamin’ireo niara-nigadra tamiko. Voafonja tao amin’ilay trano nisy ahy i John Mundua, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nogadraina izy satria mpiasam-panjakana, ary anisan’ilay foko noheverina fa mpanohana ny mpitondra teo aloha.

Nazoto nizara ny vaovao tsara tamiko i John, ary nandray tsara aho. Tsy nanana afa-tsy gazety Tilikambo niisa 16 izahay, ary ilay boky hoe Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra.c Niaiky avy hatrany anefa aho hoe nahita ny fahamarinana. Hitan’i John fa nahafeno fepetra ho mpitory aho, rehefa avy nianatra telo volana. Nesorina ny fiampangana rehetra natao taminy, tsy ela taorian’izay, ary nafahana izy. Lasa ilay hany nampifandray ahy tamin’ny fandaminan’i Jehovah. Nanao izay azoko natao foana anefa aho, mba hampianarana an’ireo olona liana tao am-ponja.

Nafahana aho tamin’ny Oktobra 1981, ary niverina tao amin’ny tanàna niaviako. Tsy nisy Vavolombelona tao tamin’izany. Noteren’ny havako hanaraka ny fivavahany aho. Hitan’i Jehovah anefa fa te hanompo azy aho, ka nampiany. Fantatro fa tokony hanaraka ny ohatr’i Jesosy aho ka nanomboka nitory, ary tsy ela dia nahazo fampianarana Baiboly maro. Hoy ny lehilahy iray indray andro: “Mitovy amin’izay voalaza ato amin’ity boky ity ny zavatra lazainao”, sady nasehony ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.d Tsy dia nahaliana azy io boky io. Tena naniry hamaky azy io sy ireo Tilikambo maro be tao aminy anefa aho. Nomeny ahy daholo àry izy ireo!

Te hihaona tamin’ny mpiara-manompo anefa aho. Efa nilaza tamiko ny Rahalahy Mundua fa nisy Vavolombelona tao Jinja, ka nanapa-kevitra ny ho any aho. Nivavaka nandritra ny alina manontolo aho talohan’ny nandehanako. Niainga vao maraina be aho sady tsy nisakafo akory. Nitondra harona plastika ilay lehilahy voalohany hitako teny an-dalana. Gaga be aho fa nisy Mifohaza! tao anatin’ilay izy. Nahita rahalahy iray aho!

Faly aho fa nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana voalohany teto Ogandà, tamin’ny 1984. Iza, hoy ianareo, no niara-nanao sekoly tamiko? I John Mundua. Efa 74 taona izy izao, nefa mbola mpisava lalana maharitra foana.

[Fanamarihana ambany pejy]

c Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

d Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

[Efajoro/Sary, pejy 113]

Nahita ny Fivavahana Marina Izy Tamin’ny Farany

Niangavian’ny anabavy iray i Mats Holmkvist, misionera, mba hihaona tamin’i Mutesaasira Yafesi. Pasitera tao amin’ny Fiangonana Advantista izy tamin’izany. Nanjary liana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ary nanomana fanontaniana 20, izay nosoratany tamin’ny taratasy. Nasehony an’i Mats izany rehefa nihaona izy ireo.

Nanao dinidinika ara-baiboly nandritra ny adiny roa ry zareo. Hoy i Mutesaasira avy eo: “Hitako ihany lahy ny fivavahana marina! Mba tongava re any aminay e. Misy olon-kafa te hahafantatra momba ny Vavolombelon’i Jehovah koa mantsy any.”

Dimy andro tatỳ aoriana, dia nandeha môtô i Mats sy ny misionera iray hafa, mba hitsidika an’i Mutesaasira tany Kalangalo. Nandeha tamin’ny lalana 110 kilaometatra izy ireo, ary namakivaky saha fambolena dite. Tena ratsy sy feno fotaka ny lalana. Gaga ireo rahalahy nony tonga tany, rehefa nentin’i Mutesaasira tao amin’ny trano bongo iray nitafo mololo, nisy soratra hoe “Efitrano Fanjakana.” Efa nanomana toerana hianarana Baiboly sy hivoriana izy!

Nisy olona liana folo tao, satria efa nitory tamin’izy ireo i Mutesaasira. Natomboka ny fampianarana Baiboly, ary nampianatra azy ireo indroa isam-bolana i Mats, na teo aza ny halaviran-toerana. Nandroso tsara ireo mpianatra, ka olona 20 mahery no lasa mpitory tao Kalangalo. Misy fiangonana miroborobo izao ao Mityana, tanàna eo akaiky eo. Nandroso haingana koa i Mutesaasira ary natao batisa. Efa 70 taona mahery izy izao ary anti-panahy.

[Tabilao, pejy 108, 109]

TAONA MANAN-TANTARA​—Ogandà

1930

1931 Nitory tatsy Afrika Atsinanana i Robert Nisbet sy David Norman.

1940

1950

1950 Nifindra teto ry Kilminster.

1952 Niforona ny fiangonana voalohany.

1956 Batisa voalohany.

1959 Nanampy ireo rahalahy vahiny.

1960

1963 Tonga ny misioneran’i Gileada.

1972 Fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany.

1973 Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary noroahina ireo misionera.

1979 Foana ny fandrarana.

1980

1982 Navela hiditra teto indray ny misionera.

1987 Nadika tsy tapaka tamin’ny teny luganda ny Tilikambo.

1988 Notokanana ny Efitrano Fanjakana voalohany.

1990

2000

2003 Nasiana biraon’ny sampana teto.

2007 Notokanana ireo trano vaovaon’ny sampana.

2010

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

Mpitory

Mpisava lalana

5,000

3,000

1,000

1930 1940 1950 1960 1980 1990 2000 2010

[Sarintany, pejy 73]

(Jereo ny boky)

REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO

SOUDAN

KENYA

OGANDÀ

KAMPALA

Arua

Gulu

Lira

Soroti

Farihy Kyoga

Masindi

Hoima

Mbale

Tororo

Namaingo

Iganga

Jinja

Seta

Kajansi

Entebbe

Mityana

Kalangalo

Fort Portal

Rusese

Farihy Albert

T. Ruwenzori

Ekoatera

Farihy Edouard

Masaka

Mbarara

Kabale

KENYA

FARIHY VICTORIA

TANZANIA

BURUNDI

RWANDA

OGANDÀ

KAMPALA

KENYA

NAIROBI

Meru

T. Kenya

Mombasa

TANZANIA

DAR ES-SALAAM

Zanzibar

[Sarintany/Sary, pejy 87]

(Jereo ny boky)

OGANDÀ

KAMPALA

Arua

Gulu

Lira

Soroti

Masindi

Hoima

Fort Portal

Masaka

Mbarara

Kabale

FARIHY VICTORIA

[Sary]

Nitety ny ankamaroan’ny tanàna teto Ogandà, tao anatin’ny iray volana sy tapany, ry Hardy mivady

[Sary, pejy 66]

[Sary, pejy 69]

Nitondra ny vaovao tsara tatỳ Afrika Atsinanana i David Norman sy Robert Nisbet

[Sary, pejy 71]

George sy Robert Nisbet ary Gray sy Olga Smith hiampita renirano, miaraka amin’ireo tranofiara eo ambony zahatra

[Sary, pejy 75]

Mary sy Frank Smith, taloha kelin’ny mariaziny, 1956

[Sary, pejy 78]

Ann Cooke sy ny zanany, miaraka amin’ny Rahalahy sy Anabavy Makumba

[Sary, pejy 80]

Tom sy Bethel McLain, misioneran’i Gileada voalohany teto Ogandà

[Sary, pejy 81]

Tranon’ny misionera voalohany tao Jinja

[Sary, pejy 83]

Barbara sy Stephen Hardy, misioneran’i Gileada

[Sary, pejy 85]

Mary Nisbet (afovoany), miaraka amin’ireo zanany lahy: Robert (ankavia), George (ankavanana), ary William sy Muriel vadiny (aoriana)

[Sary, pejy 89]

Tom Cooke nanao lahateny tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Ny Fitondran’Andriamanitra”, tao Kampala

[Sary, pejy 90]

George sy Gertrude Ochola

[Sary, pejy 94]

Niara-nivory foana ireo rahalahy na teo aza ny fandrarana

[Sary, pejy 95]

Fred Nyende

[Sary, pejy 96]

Emmanuel Kyamiza

[Sary, pejy 104]

Stanley Makumba sy Esinala vadiny, 1998

[Sary, pejy 107]

Nanatrika ny Sekoly Fanitarana An’i Gileada voalohany tany Alemaina i Heinz sy Marianne Wertholz

[Sary, pejy 118]

Ekipa Mpandika Teny

Luganda

Acholi

Lhukonzo

Runyankore

[Sary, pejy 123]

Hafa noho ny tamin’ny voalohany (ankavia) ny firafitry ny Efitrano Fanjakana ankehitriny

[Sary, pejy 124]

Sampan’i Ogandà

Komitin’ny Sampana: Mats Holmkvist, Martin Lowum, Michael Reiss, ary Fred Nyende; birao (ambany) ary trano fonenana (ankavanana)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara