FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be fian. 44 p. 236-p. 239 feh. 4
  • Fahaiza-mampiasa Fanontaniana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fahaiza-mampiasa Fanontaniana
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampitomboana ny Fahaiza-mampianatra
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Mahaiza Mametraka Fanontaniana
    Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Mahaiza Mametraka Fanontaniana
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Tahafo Ilay Mpampianatra Lehibe
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be fian. 44 p. 236-p. 239 feh. 4

LESONA 44

Fahaiza-mampiasa Fanontaniana

Inona no ilainao hatao?

Mampiasa fanontaniana mba hahatratrarana tanjona iray. Angamba ny hahazo valin-teny am-bava, na ny hahatonga ny mpihaino hamaly any an-tsainy, no tadiavinao. Miankina amin’ny zavatra anontanianao sy ny fomba anontanianao azy no hahazoanao izany vokatra izany na tsia.

Nahoana izany no tena ilaina?

Mandaitra ny fanontaniana raha mahatonga ny mpihaino ho voakasik’izay lazaina. Ahafantaran’ny mpampianatra zavatra tena ilaina ny valin’ireo fanontaniana tsara petraka.

MAHATONGA ny mpihaino ho voakasik’izay lazainao ny fanontaniana, satria mitaky valiny am-bava, na ao an-tsaina. Afaka manampy anao hanombo-dresaka sy hifanakalo hevitra mahafinaritra koa ny fanontaniana. Mety hampiasa fanontaniana ianao rehefa mandaha-teny sy mampianatra, mba hahatonga ny olona ho liana, na hanjohy hevitra momba ny foto-kevitra iray, na mba hanamafisana izay lazainao. Mampirisika ny olona hieritreritra, fa tsy hihaino fotsiny izay lazain’ny hafa ianao, rehefa mahay mampiasa fanontaniana. Manàna zava-kendrena, ary mametraha fanontaniana mba hahatratrarana azy io.

Mba hampirisihana ny olona hiresaka. Rehefa eny am-pitoriana, dia mahaiza manararaotra ireo fahafahana hanasa ny olona hilaza ny heviny, raha mety izy.

Vavolombelona maro no afaka nanombo-dresaka mahaliana, tamin’ny fanontaniana fotsiny hoe: “Efa mba nanontany tena ve ianao hoe . . . ?” Saiky mahafinaritra foana ny fanompoan’izy ireo rehefa fanontaniana tena mampanahy ny olona maro no fidiny apetraka. Mety hanitikitika ny sain’ny olona ny fanontaniana iray, na dia tsy mahazatra azy aza ilay hevitra. Foto-kevitra maro samihafa no azo ampidirina amin’ny alalan’ny teny toy ny hoe “Ahoana ny hevitrao . . . ?”, sy hoe “Inona no tsapanao raha . . . ?” ary hoe “Mino ve ianao fa . . . ?”

Izao fotsiny no nanontanian’i Filipo evanjelisitra tamin’ilay tandapa etiopianina namaky ny faminanian’i Isaia: “Moa fantatrao [na: azonao] va izay vakinao?” (Asa. 8:30) Nahafahan’i Filipo nanazava ny fahamarinana momba an’i Jesosy Kristy io fanontaniana io. Nisy Vavolombelona nampiasa fanontaniana toy izany koa ankehitriny, ka nahita olona tena naniry hahazo fanazavana momba ny Baiboly.

Olona maro no vonon-kihaino kokoa rehefa omena fahafahana hilaza ny heviny. Mihainoa tsara, rehefa avy nametraka fanontaniana. Aza manakiana ilay olona noho ny valin-teniny, fa isaory amin-katsaram-panahy kosa izy. Derao amim-pahatsorana izy, rehefa mety izany. Indray mandeha, rehefa “namaly tamim-pahendrena” ny mpanora-dalàna iray, dia noderain’i Jesosy hoe: “Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra hianao.” (Marka 12:34) Isaory noho ny teny nataony ilay olona, na dia tsy mitovy hevitra aminy aza ianao. Avy amin’ny teniny no mety hahafantaranao ny fomba fisainany, izay ilainao hasiana fiheverana rehefa manazava aminy ny fahamarinana.

Mba hampidirana hevi-dehibe. Mampiasà fanontaniana mba hampidirana hevi-dehibe, rehefa miteny amin’olona maromaro, na amin’olon-tokana. Fanontaniana tena mahaliana ny mpihaino no ampiasao. Mety ho tianao koa ny hampiasa fanontaniana manitikitika ny saina, satria tsy fantatra avy hatrany ny valiny. Raha miato kely ianao, rehefa avy nametraka fanontaniana iray, dia vao mainka ho liana ny mpihaino handre ny valiny.

Nametraka fanontaniana maromaro i Mika mpaminany, indray mandeha. Nanontany momba izay antenain’i Jehovah amin’ny mpanompony izy aloha, ary mbola nametraka fanontaniana efatra efa samy nisy ny valiny avy. Ireo fanontaniana rehetra ireo dia manomana ny mpamaky ho amin’ilay valin-teny namaranan’ilay mpaminany ny teniny. (Mika 6:6-8) Afaka manao toy izany ve ianao, rehefa mampianatra? Andramo ange e.

Mba hanjohiana hevitra. Azo ampiasaina mba hanampiana ny hafa haharaka fanjohian-kevitra koa ny fanontaniana. Nanao izany i Jehovah, fony nanonona fanambarana lehibe iray tamin’ny Isiraely, araka ny Malakia 1:2-10. Hoy izy aloha: “Efa tia anareo aho.” Tsy nankasitraka izany fitiavana izany anefa izy ireo, ka hoy i Jehovah: “Tsy rahalahin’i Jakoba va Esao?” Nolazain’i Jehovah avy eo, fa porofon’ny tsy nitiavan’Andriamanitra an’io firenena ratsy fanahy io, ny naha lao an’i Edoma. Nasiany fanoharana noelanelanina fanontaniana nanaraka izany, mba hanamafisana fa tsy nahay namaly fitia azy ny Isiraely. Ny sasany tamin’ireo fanontaniana ireo dia toy ny hoe napetrak’ireo mpisorona nivadika. Ny hafa dia fanontaniana napetrak’i Jehovah tamin’ireo mpisorona. Mampihetsi-po ilay fifampiresahana, no sady mihazona ny saina; tsy azo lavina ilay fanjohian-kevitra mirindra; tsy hay hadinoina ilay hafatra.

Mahay mampiasa fanontaniana toy izany koa ny mpandahateny sasany. Mety tsy hiandry valin-teny am-bava izy ireo, fa manjary manome valin-teny ao an-tsainy kosa ny mpihaino, toy ny hoe mifampiresaka aminy.

Mampandray anjara ny mpianatra isika rehefa mitarika fampianarana Baiboly. Mazava ho azy fa tsara kokoa raha tsy mamerina fotsiny ilay valin-teny ao anaty boky ilay mpianatra. Mampiasà fanontaniana fanampiny amin-katsaram-panahy, mba hiarahana manjohy hevitra aminy. Ampirisiho izy hampiasa ny Baiboly rehefa manome valin-teny momba ireo hevi-dehibe. Manontania koa hoe: “Inona no ifandraisan’izao resatsika izao amin’ilay hevitra vao nianarantsika teo? Nahoana izany no zava-dehibe? Inona no tokony ho vokany eo amin’ny fiainantsika?” Mandaitra kokoa izany fomba izany, tsy toy ny rehefa ianao no milaza ny zavatra inoanao, na manome fanazavana lava be. Manampy ilay mpianatra ‘hampiasa ny sainy’ eo amin’ny fanompoany an’Andriamanitra, ianao amin’izany.—Heb. 5:14.

Manàna faharetana raha misy hevitra tsy takatry ny mpianatra. Angamba izy manandrana mampitaha izay lazainao amin’izay efa ninoany hatramin’ny taona maro. Mety ho tsara raha ovanao ny fomba itondranao ilay fanazavana. Indraindray anefa dia fanjohian-kevitra tsotra dia tsotra no ilaina. Mampiasà andinin-teny be dia be. Mampiasà fanoharana. Mampiasà koa fanontaniana tsotra izay hampirisika ilay olona hanjohy hevitra momba ilay porofo omena azy.

Mba hahafantarana ny fihetseham-pon’ny olona. Tsy milaza foana ny fihetseham-pony ny olona rehefa mamaly fanontaniana. Mety hamaly araka izay heveriny fa tianao fotsiny izy. Mila mahay manavaka àry ianao. (Ohab. 20:5) Azonao atao ny manontany, toa an’i Jesosy, hoe: “Mino izany va hianao?”—Jaona 11:26.

Rehefa tafintohina noho izay nolazain’i Jesosy ny maro tamin’ny mpianany, ka nandao azy, dia nanasa ny apostoliny hilaza ny fihetseham-pony i Jesosy. Hoy izy: “Hianareo koa va mba te-hiala?” Nolazain’i Petera tamin’izao teny izao ny fihetseham-pon’izy ireo: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra.” (Jaona 6:67-69) Nanontany ny mpianany toy izao koa i Jesosy, indray mandeha: “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?” Narahiny fanontaniana nanasa azy ireo hilaza ny tao am-pony izany, avy eo. “Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?” Namaly i Petera hoe: “Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.”—Matio 16:13-16.

Ampiasao koa izany fomba izany, rehefa manazava foto-kevitra sarotra any amin’ny fampianarana Baiboly. Manontania toy izao: “Ahoana no fiheveran’ny mpiara-mianatra (na mpiara-miasa) aminao an’io raharaha io?” Izao anontaniana avy eo: “Ahoana kosa no fiheveranao azy io?” Rehefa fantatrao izay tena tsapan’ny mpianatra iray, dia afaka manampy azy kokoa ianao.

Mba hanamafisan-kevitra. Azo ampiasaina mba hanamafisan-kevitra koa ny fanontaniana. Nanao izany ny apostoly Paoly, araka ny Romana 8:31, 32: “Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?” Mariho fa ny fanontaniana tsirairay dia manazava kokoa ny tapany voalohany amin’ilay fehezanteny misy azy avy.

Rehefa avy nosoratan’i Isaia mpaminany ny didim-pitsaran’i Jehovah mahakasika ny mpanjakan’i Babylona, dia nasehony fa natoky tanteraka izy, tamin’ny filazana hoe: “Jehovah, Tompon’ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany?” (Isaia 14:27) Ny zavatra lazain’ireo fanontaniana ireo fotsiny dia efa milaza hevitra tsy azo lavina, koa tsy misy valiny andrasana.

Mba hanalana sarona ny fomba fisaina diso. Fitaovana mahery koa ny fanontaniana voahevitra tsara, mba hanalana sarona ny fomba fisaina diso. Talohan’ny hanasitranan’i Jesosy lehilahy iray, dia nanontaniany toy izao ny Fariseo sy ny mpahay Lalàna sasany: “Mety va ny mahasitrana amin’ny Sabata sa tsia?” Nametraka fanontaniana iray hafa izy rehefa vita ilay fanasitranana: “Iza moa aminareo, raha manana boriky na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hampakatra azy miaraka amin’izay na dia amin’ny andro Sabata aza?” (Lioka 14:1-6) Tsy nisy valiny nandrasana teo, no sady tsy nisy namaly rahateo. Nanala sarona ny fomba fisainany diso ireo fanontaniana ireo.

Mety hanana fomba fisaina diso koa ny Kristianina marina indraindray. Tany Korinto, tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy nampakatra ny rahalahiny tany amin’ny fitsarana, mba handaminana zava-nanahirana izay tokony ho hain’izy ireo nalamina teo amin’izy samy izy. Ahoana no nandaminan’ny apostoly Paoly ilay raharaha? Nametraka fanontaniana nivantana tsara sy nifampitohitohy izy, mba hanitsiana ny fomba fisainan’izy ireo.—1 Kor. 6:1-8.

Arakaraka ny hametrahanao fanontaniana no hahaizanao mampiasa azy. Mahaiza manaja foana anefa, indrindra raha miresaka amin’ny be taona sy ny olona tsy fantatrao ary ny manam-pahefana. Mampiasà fanontaniana, mba hahafinaritra ny fomba ilazanao ny fahamarinana ara-baiboly.

NY FOMBA HANAOVANA AZY

  • Mba hampirisihana ny olona hiresaka, dia mametraha fanontaniana momba ny zavatra tena mahaliana azy.

  • Alohan’ny hilazana hevi-dehibe iray, dia mampiasà fanontaniana izay mahatonga ny olona haniry handre ilay izy.

  • Mampiasà fanontaniana mba hahitan’ny olona ny anton’ireo teny lazainao, sy ny maha marim-pototra ny fahamarinana hazavainao, ary ny vokatra tsara hoentin’izany eo amin’ny fiainany.

  • Mampiasà fanontaniana mba hanasana ny mpianatra, tsy hamaky fotsiny ny valin-teniny, fa hilaza ny heviny momba izay ianarany koa.

FANAZARAN-TENA: 1) Eritrereto ny faritra itorianao, ary manomàna fanontaniana maromaro azonao ampiasaina mba hanombohan-dresaka mahaliana amin’ny olona. 2) Vakio ny Romana toko faha-3, ka mariho ny fampiasan’i Paoly fanontaniana, mba hanjohiana hevitra momba ny fiheveran’Andriamanitra ny Jiosy sy ny Jentilisa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara