Mbola nikiribiby nampipoitra an’ilay adihevitra momba ny famorana ny olona sasany nilaza ho Kristianina, na dia efa nandamina an’io adihevitra io aza ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany. Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “rahalahy sandoka” ireo “te hamadika an’ilay vaovao tsara momba an’i Kristy.”—Gal. 1:7; 2:4; Tit. 1:10.
Toa ny hampitony ny Jiosy mba tsy hanohitra mafy ny Fivavahana Kristianina no tanjon’ireo nifikitra tamin’ny Fivavahana Jiosy. (Gal. 6:12, 13) Nanizingizina izy ireo fa azo ambara ho marina ny olona iray rehefa mankatò ny Lalàn’i Mosesy, toy ny lalàna momba ny sakafo sy ny famorana ary ny fety jiosy.—Kol. 2:16.
Tsy nahagaga raha sadaikatra ny olona nanana fisainana toy izany rehefa tafaraka tamin’ny hafa firenena lasa mpino. Nampalahelo fa nanana an’izany toe-tsaina izany koa na dia ny Kristianina jiosy sasany nohajaina aza. Nihatakataka tamin’ireo rahalahy hafa firenena, ohatra, izy ireo rehefa tonga tany Antiokia ny solontenan’ny fiangonan’i Jerosalema. Na i Petera, izay efa nifanerasera be tamin’ny hafa firenena aza, dia nihatakataka koa ka tsy niara-nihinana tamin’izy ireo. Nifanohitra tamin’ny hevitra nijoroany teo aloha ny nataony. Nananatra mafy azy i Paoly noho izany.—Gal. 2:11-14.