Hanaiky Zavatra avy Amin’ny Taharo Fototry ny Ra na Fitsaboana Ampiasana ny Rako ve Aho?
Mandidy ny Kristianina ny Baiboly mba ‘hifady ny ra.’ (Asa. 15:20) Tsy manaiky hampidiran-dra àry ny Vavolombelon’i Jehovah, na ra manontolo izany na ireo taharo fototra efatra ao amin’izy io, dia ny liomena, liofotsy, kapila bitika, ary ranon-dra. Tsy omeny olon-kafa koa ny rany, na tahiriziny mba hampidirina aminy indray.—Lev. 17:13, 14; Asa. 15:28, 29.
Nahoana no anjaran’ny Kristianina tsirairay ny manapa-kevitra raha hanaiky zavatra avy amin’ny taharo fototra izy na tsia?
Azo tsinjaraina ny taharo fototry ny ra, mba hahazoana zavatra hitsaboana marary. Ahazoana an’ireto, ohatra, ny ranon-dra rehefa tsinjaraina: Rano (91 isan-jato eo ho eo), proteinina (7 isan-jato eo ho eo, ka anisan’izany ny albiminina sy globuline ary fibrinogène), ary zavatra hafa (1,5 isan-jato eo ho eo, anisan’izany ny zavatra mahavelona, hormonina, gazy, vitaminina, loto, ary zavatra simika).
Tokony hifady an’ireo zavatra avy amin’ny taharo fototra ireo koa ve ny Kristianina? Tsy afaka manome valiny hentitra momba izany izahay. Tsy manome toromarika mazava momba ny taharo fototra ny Baiboly.a Ra nomen’olon-kafa anefa no nangalana ny zavatra maro avy amin’ny taharo fototra. Anjaran’ny Kristianina tsirairay àry ny manapa-kevitra raha hanaiky fitsaboana ampiasana an’izany izy na tsia, arakaraka ny feon’ny fieritreretany.
Rehefa hanapa-kevitra ianao, dia eritrereto ireto fanontaniana ireto: Fantatro ve fa raha mandà ny zava-drehetra avy amin’ny taharo fototry ny ra aho, dia midika izany fa laviko koa ny fanafody sasany misy azy ireo, toy ny fanafody miady amin’ny virosy sy manasitrana aretina, na fanafody mampandry ra, ka mampijanona ny fahaverezan-dra? Haiko ve ny manazava amin’ny dokotera ny antony andavako na anekeko zavatra sasany avy amin’ny taharo fototry ny ra?
Nahoana no anjarako ny manapa-kevitra raha hanaiky fitsaboana sasany ampiasana ny rako aho na tsia?
Marina fa tsy omen’ny Kristianina ny olon-kafa ny rany, na tahiriziny mba hampidirina aminy indray. Tsy misy toro lalana ara-baiboly mazava anefa mandrara ny fitsaboana na fitsirihana sasany ampiasana ny ran’ny olona iray. Anjaran’ny tsirairay àry ny manapa-kevitra raha hanaiky na handa fitsaboana ampiasana ny rany izy, arakaraka ny feon’ny fieritreretany.
Rehefa hanapa-kevitra ianao, dia manontania tena hoe: Raha avily ivelan’ny vatako ny rako, ary mety hajanona vetivety mihitsy aza ny fikorianany, mbola eken’ny eritreritro ho anisan’ny tenako ihany ve iny, ka tsy voatery ‘haidina amin’ny tany’? (Deot. 12:23, 24) Tsy hanenjika ahy ve ny feon’ny fieritreretako voataizan’ny Baiboly raha hakana kely ny rako, mba hokarakaraina, ary hampidirina ao amiko indray avy eo? Fantatro ve fa raha tsy manaiky ny fitsaboana rehetra ampiasana ny rako aho, dia midika izany fa misy karazana fitsaboana laviko? Anisan’izany ilay atao hoe dializy (ampidirina ao anaty fitaovana manokana ny ran’ny olona marary voa, ka diovina sy asiana fanafody, ary averina ao aminy indray). Eo koa ny familiana ny ra ho ao anaty milina manokana manao ny asan’ny fo sy ny havokavoka, mba hahazoany oksizenina, ary averina ao amin’ny vatana avy eo (CEC: circulation extra-corporelle.) Efa nangataka tari-dalana tamin’Andriamanitra ve aho talohan’ny nanapahako hevitra?b
Inona no fanapahan-kevitra horaisiko?
Jereo ny tabilao roa eo amin’ny pejy manaraka. Ny Tabilao 1 dia ahitana ny zavatra sasany azo avy amin’ny taharo fototra, sy ny fomba ampiasana azy ireo matetika. Ekenao sa tsia ny hampiasa ny tsirairay amin’izy ireo? Soraty izay safidinao. Hita eo amin’ny Tabilao 2 kosa ny fitsaboana sasany ampiasana ny ranao. Ekenao sa tsia izy ireo? Soraty izay safidinao. Tsy taratasy ara-panjakana akory ireo eo amin’ny pejy manaraka ireo, nefa hanampy anao hameno ny karatra FMF (Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana) ny valin-teny soratanao eo.
Anjaranao irery ny manapa-kevitra, fa tsy tokony hisy olon-kafa hanapa-kevitra ho anao. Tsy tokony hanakiana ny fanapahan-kevitra raisin’ny Kristianina hafa koa isika. “Samy hitondra ny entany avy” ny tsirairay.—Gal. 6:4, 5.