-
Ahoana no Anoratana sy Andikana ny Boky sy Gazety?Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
-
-
LESONA 23
Ahoana no Anoratana sy Andikana ny Boky sy Gazety?
Sampan-draharahan’ny Fanoratana, Etazonia
Korea Atsimo
Armenia
Burundi
Sri Lanka
Miezaka mitory “amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra” izahay, ka mamoaka boky sy gazety amin’ny fiteny 750 eo ho eo. (Apokalypsy 14:6) Ahoana no ahafahanay mamoaka an’izany boky be dia be izany? Misy mpanoratra sy mpandika teny maromaro mahafoy tena eran-tany manampy anay amin’izany. Vavolombelon’i Jehovah daholo izy ireo.
Soratana amin’ny teny anglisy aloha ilay lahatsoratra. Ny Filan-kevi-pitantanana no manara-maso ny asan’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Io sampan-draharaha io indray no mandamina ny asan’ny mpanoratra ao amin’ny foibe na any amin’ny biraon’ny sampana sasany. Avy any amin’ny tany samihafa ny mpanoratra ka lasa isan-karazany ny zavatra resahina ao amin’ny boky sy gazety. Mahaliana ny olona eran-tany amin’izay ilay izy.
Alefa any amin’ny mpandika teny ilay lahatsoratra. Mila ahitsy sy eken’ny Filan-kevi-pitantanana anefa aloha ilay izy vao alefa any amin’ny alalan’ny Internet. Miara-miasa tsitelotelo ny mpandika teny. Rehefa mandika lahatsoratra izy ireo, dia hamarininy ilay izy hoe voadika daholo ve ny hevitra rehetra ary tsy misy diso. Miezaka mifidy teny mety tsara izy ireo, mba handikana ny tena hevitr’ilay lahatsoratra amin’ny fiteniny.—Mpitoriteny 12:10.
Vita haingana kokoa ny asa noho ny ordinatera. Marina fa tsy mahasolo olona ny ordinatera. Manafaingana ny asan’ny mpanoratra sy ny mpandika teny anefa izy io. Misy diksionera sy fanaovana fikarohana mantsy ao amin’ny ordinateran’izy ireo. Namorona programa atao hoe Fandaharana Elektronika Famoahana Boky sy Gazety Amin’ny Fiteny Maro (MEPS) koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo atsofoka ao ny lahatsoratra amin’ny fiteny rehetra. Ao no atambatra ny lahatsoratra sy ny sary, alohan’ny handefasana azy hatao pirinty.
Na dia vitsy mpampiasa aza ny fiteny iray, dia mbola mandika boky sy gazety amin’izany fiteny izany ihany izahay. Sitrapon’Andriamanitra mantsy “ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.”—1 Timoty 2:3, 4.
Ahoana no anoratana ny boky sy gazety?
Nahoana izahay no mandika boky amin’ny fiteny be dia be?
-
-
Ahoana no Ahazoanay Vola Hamitana ny Asanay Maneran-tany?Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
-
-
LESONA 24
Ahoana no Ahazoanay Vola Hamitana ny Asanay Maneran-tany?
Népal
Togo
Grande-Bretagne
Mamoaka boky sy gazety ary Baiboly an-jatony tapitrisa isan-taona izahay, ary zarainay maimaim-poana izany. Manorina sy mikojakoja Efitrano Fanjakana sy Betela koa izahay. Tsy vitan’izay fa manampy tra-boina sy manome fanampiana an’ireo Betelita sy misionera be dia be izahay. Mety ho lasa saina àry ianao hoe aiza no ahitanay vola anaovana izany.
Tsy mitaky rakitra na adidy na ampahafolon-karena izahay. Tsy mitaky vola amin’ny olona izahay, na dia ilana vola be aza ny asa fitoriana ataonay. Milaza Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1879 fa i Jehovah no mpanohana anay, ka “tsy hangataka na hiangavy olona hanohana” anay mihitsy izahay. Dia tena tsy mangataka tokoa izahay.—Matio 10:8.
Manome vola an-tsitrapo izahay. Maro no mankasitraka ny asa fitoriana sy fampianarana ataonay ka manome vola. Izahay Vavolombelon’i Jehovah mihitsy koa anefa no mampiasa ny volanay, ny fotoananay, ny herinay, ary ny fanananay mba hanaovana izany eran-tany. (1 Tantara 29:9) Misy boaty ao amin’ny Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe, ka afaka mandrotsaka vola ao izay te hanome. Azo atao koa ny miditra ao amin’ny jw.org raha te hanao fanomezana. Avy amin’ny olona tsotsotra ny ankamaroan’ny vola azo, hoatran’ilay voalazan’ny Lioka 21:1-4. Resahina ao fa nisy vehivavy maty vady sy nahantra kely nandrotsaka vola madinika roa tao amin’ny vata fandatsaham-bolan’ny tempoly. Afaka mizatra ‘manokana vola’ hatao fanomezana an-tsitrapo àry ny tsirairay.—1 Korintianina 16:2; 2 Korintianina 9:7.
Betsaka ny olona te ‘hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy ananany’, ka mino izahay fa hampirisika azy ireny hanohana foana ny asan’ilay Fanjakana izy. (Ohabolana 3:9) Ho tanteraka amin’izay ny sitrapony.
Inona no tsy itovizanay amin’ny fivavahana hafa?
Ampiasaina amin’inona avy ny vola omentsika?
-
-
Nahoana Izahay no Manao Efitrano Fanjakana?Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
-
-
LESONA 25
Nahoana Izahay no Manao Efitrano Fanjakana?
Bolivia
Nizeria, taloha sy ankehitriny
Tahiti
Efitrano Fanjakana no iantsoana ny trano ianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah Baiboly. Ny Fanjakan’Andriamanitra mantsy matetika no resahina any, sady izany no tena notorin’i Jesosy.—Lioka 8:1.
Ao amin’izy ireny no ivavahana amin’i Jehovah. Ao izahay no mahazo toromarika mba hamitanay tsara ny asa fitoriana ataonay. (Matio 24:14) Tsy mitovy ny haben’ny Efitrano Fanjakana sy ny paoziny. Samy tsotsotra daholo anefa izy rehetra ary fiangonana iray, fara fahakeliny, no mivory ao. Efitrano an’aliny (dimy eo ho eo isan’andro) no naorina tato anatin’ny taona vitsivitsy, satria nitombo be ny isan’ny fiangonana. Ahoana no nahavitana izany?—Matio 19:26.
Vola avy amin’ny fanomezana an-tsitrapo no anamboarana azy ireny. Alefa any amin’ny sampana ny vola azo avy amin’ny fanomezana, mba homena an’izay fiangonana mila manorina na manavao efitrano.
Samy hafa fiaviana ny mpanorina azy ireny ary tsy karamaina. Efa manana Ekipa Mpanorina Efitrano Fanjakana izahay any amin’ny tany maro. Misy Vavolombelon’i Jehovah hafa koa anefa miasa an-tsitrapo manampy azy ireo. Mifindrafindra any amin’izay toerana anaovana fanorenana ry zareo, ary tonga hatrany ambanivohitra be mihitsy aza. Manampy ny fiangonana hanorina Efitrano Fanjakana izy ireo. Misy rahalahy efa za-draharaha koa voatendry hanara-maso ny fanorenana sy fanavaozana efitrano any amin’ny tany vitsivitsy. Misy rahalahy efa mahay an’ilay asa koa manampy an-tsitrapo. Ny fiangonana anefa no tena manao ny asa. Ataony amin’ny fo manontolo ilay izy sady manampy ny fanahy masina, ka vita izany rehetra izany.—Salamo 127:1; Kolosianina 3:23.
Nahoana ny trano ivavahana amin’i Jehovah no atao hoe Efitrano Fanjakana?
Ahoana no ahavitana manorina Efitrano Fanjakana eran-tany?
-