FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • sn hira 97
  • Mahereza, ry Mpitory Ilay Fanjakana!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahereza, ry Mpitory Ilay Fanjakana!
  • Mihirà ho An’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Andao Hiara-hientana Hitory Ilay Fanjakana!
    Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
  • Mandrosoa, ry Mpitory Ilay Fanjakana!
    Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
  • Mandrosoa, ry Vavolombelona!
    Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
  • Mandrosoa, ry Vavolombelona!
    Mihirà ho An’i Jehovah
Hijery Hafa
Mihirà ho An’i Jehovah
sn hira 97

Hira 97

Mahereza, ry Mpitory Ilay Fanjakana!

Endrika Sary

(2 Timoty 4:5)

1. Tombontsoa ny fanompoantsika,

Mitondra fifaliana.

Fitiavana no anaovantsika

Ny asa fitoriana.

Torio àry ’lay Fanjakana,

Miezaha mba hazoto hatrany.

Ny anaran’i Jehovah Tompo

Ho fantatra maneran-tany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mahereza mba ho sahy

hitory ’lay Fanjakana.

Mahereza, eny, aza miala

amin’i Jehovah.

2. Ny mpanara-dia an’i Kristy,

Manompo amin’ny fo,

Ka sady mikely aina izy

No miandrandra valisoa.

Tsarovy fa ny olon-drehetra

No tokony mba hitoriana.

Tsy misy atahorana ’nefa,

Jehovah hanome fanampiana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mahereza mba ho sahy

hitory ’lay Fanjakana.

Mahereza, eny, aza miala

amin’i Jehovah.

3. Koa miara-manompo isika,

Na kely na lehibe.

Mazoto ireo ondry vitsy,

Eo koa ny vahoaka be.

Tandremo ny fitondran-tena,

Ho mendrika foana hatrany.

Fa masina ny fanompoana,

Tsy hoe fahazarana ihany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mahereza mba ho sahy

hitory ’lay Fanjakana.

Mahereza, eny, aza miala

amin’i Jehovah.

(Jereo koa ny Sal. 23:4; Asa. 4:29, 31; 1 Pet. 2:21.)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara