Fiakarana Amin’ny Elatra Tahaka ny Voromahery
INONA no tsapan’ny lehilahy iray taorian’ny niaretana dimy taona tany amin’ny toby fitanana nazia? Ketraka ve izy? Feno lolompo ve izy? Nitady hamaly faty ve izy?
Na dia mety ho toa hafahafa aza izany, dia nanoratra toy izao ny lehilahy toy izany: “Ampoky ny soa kokoa noho izay azoko nantenaina ny fiainako.” Nahoana izy no nahatsapa toy izany? Nanazava toy izao izy: “Nahita fialofana teo ambanin’ny elatry ny Avo Indrindra aho, ary nahita ny fahatanterahan’ireo tenin’i Isaia mpaminany fony izy niteny hoe: ‘Izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; (...) handeha izy, nefa tsy ho reraka.’ ” — Isaia 40:31.
Io lehilahy kristiana io izay nampiharana fitondrana faran’izay nahatsiravina azo nosaintsainina ny vatany, dia nanana toe-tsaina nisidina ambony amin’ny heviny ara-panoharana, dia toe-tsaina izay tsy azon’ny fisetrasetrana nazia noresena. Sahala amin’i Davida, dia nahita fialofana teo amin’ny aloky ny ‘elatr’Andriamanitra’, izy. (Salamo 57:1). Io Kristiana io dia naka fanoharana iray izay nampiasain’i Isaia mpaminany, ka nampitaha ny tanjaka ara-panahy nananany tamin’ny an’ny voromahery iray izay misidina ambony kokoa hatrany eny amin’ny lanitra.
Mahatsiaro tena ho itambesaran’ny zava-manahirana foana ve ianao? Tsy isalasalana fa irinao koa ny hahita fialofana eo ambanin’ny elatry ny Avo Indrindra, mba ‘hiakatra amin’ny elatra tahaka ny voromahery’. Mba hahatakarana ny fomba hetezan’izany, dia mahasoa ny mahafanta-javatra momba ny voromahery izay ampiasaina matetika ara-panoharana ao amin’ny Soratra Masina.
Eo ambany fanevan’ny voromahery
Amin’ireo vorona rehetra nodinihin’ny olona fahiny, dia ny voromahery angamba no noderaina indrindra noho ny heriny sy ny fanidinany manerinerina. Tafika fahiny maro, anisan’izany ny an’i Babylona sy i Persia ary i Roma no nanao matso teo ambany fanevan’ny voromahery. Iray tamin’ireny ny tafik’i Kyrosy Lehibe. Ny Baiboly dia naminany fa io mpanjaka persiana io dia ho tahaka ny vorona mpihaza iray izay ho tonga avy any atsinanana mba handrapaka ny Empira Babyloniana. (Isaia 45:1; 46:11). Roanjato taona taorian’ny nanoratana io faminaniana io, ny andian-tafik’i Kyrosy, izay nanana voromahery teo amin’ny fanevany amin’ny ady, dia nipaoka ny tanànan’i Babylona toy ny voromahery iray mipaoka ny rembiny.
Vao haingana kokoa, ireo mpiady sahala amin-dry Charlemagne sy Napoléon mbamin’ireo tany toa an’i Etazonia sy i Alemaina dia nifidy koa ny voromahery ho famantarany. Nodidiana ny Isiraelita mba tsy hankamasina sarim-boromahery, na izay mety ho biby hafa rehetra. (Eksodosy 20:4, 5). Na dia izany aza, dia nanisy firesahana tsy mivantana ny amin’ireo toetra mampiavaka ny voromahery ireo mpanoratra ny Baiboly mba hanazavana amin’ny ohatra ny hafatra nentin’izy ireo. Araka izany, ny voromahery, ilay vorona voatonona matetika indrindra ao amin’ny Soratra Masina, dia ampiasaina mba hampisehoana zavatra toy ny fahendrena, ny fiarovan’Andriamanitra, ary ny hafainganam-pandeha.
Ny mason’ny voromahery iray
Natao firesaka foana ny fahitana maranitra ananan’ny voromahery. Na dia mahalana aza vao milanja maherin’ny dimy kilao ny voromahery volombolamena, ny masony, raha ny tena izy, dia lehibe kokoa noho ny an’ny olombelona, ary maranitra kokoa ny fahitany. Hoy ny tenan’i Jehovah mihitsy, raha nilazalaza tamin’i Joba ny fahaizan’ny voromahery mitady ny haniny: “Mahatsinjo lavitra ny masony”. (Joba 39:27, 29). Ao amin’ny bokiny hoe All the Birds of the Bible, i Alice Parmelee dia manao tatitra fa “indray mandeha, dia nisy voromahery iray, nahatsinjo fatin-trondro nitsinkafona teo amin’ny farihy iray tany amin’ny dimy kilaometatra niala teo, ary dia niantoraka nisompirana teo amin’ilay toerana marina tsara izy. Tsy vitan’ny hoe afaka nahita zavatra madinika tany amin’ny halaviran-toerana lehibe lavitra noho izay vitan’ny olona ny voromahery, fa nifantoka tsy niala tamin’ilay trondro [ny masony] nandritra ilay fiantorahana dimy kilaometatra”.
Noho ny fahitana matsilo ananany, ny voromahery dia sary mety tsara ho an’ny fahendrena izay iray amin’ireo toetran’i Jehovah lehibe indrindra. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 1:10; Apokalypsy 4:7.) Nahoana no izany no izy? Ny fahendrena dia mahatafiditra fahitana mialoha ny vokatr’izay mety ho fanaovan-javatra ataontsika. (Ohabolana 22:3). Ny voromahery, miaraka amin’ny fahafahany mahita lavitra, dia afaka mahatazana loza lavitra be mialoha ary manao fitandremana mialoha, toy ilay lehilahy malina ao amin’ny fanoharan’i Jesosy, izay nahita mialoha ny mety hitrangan’ny rivo-doza ka nanorina ny tranony teny ambonin’ny vatolampy. (Matio 7:24, 25, NW ). Mahaliana fa, amin’ny fiteny espaniola, ny filazalazana olona iray ho toy ny voromahery dia midika fa manana fahatakarana hevi-dalina sy fahaiza-manavaka, izy.
Raha mba manana fahafahana hahita akaiky voromahery iray ianao, dia mariho ny fomba ampiasany ny masony. Tsy manatsipalotra ny masony aminao izy; fa toa mandinika akaiky ny tsipiriany rehetra amin’ny fisehonao kosa. Amin’ny fomba mitovy amin’izany, ny olona hendry iray dia mamakafaka amim-pitandremana raharaha iray, alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra, fa tsy mitoky amin’ny fahatsapany voajanahary, na amin’ny fihetseham-pony. (Ohabolana 28:26). Raha ny fahitany matsilo no mahatonga ny voromahery ho sary mety tsara ho an’ny fahendrena izay toetran’Andriamanitra, ny fanidinany manerinerina koa dia ampiasain’ireo mpanoratra ny Baiboly amin’ny fomba ara-panoharana.
“Ny nalehan’ny voromahery teny amin’ny habakabaka”
“Ny nalehan’ny voromahery teny amin’ny habakabaka” dia manaitra ny saina noho ny hafainganany sy noho ilay fomba fanidinany toa tsy misy fiezahana aoka izany, manaraka lalana tsy voafaritra ary tsy mamela soritra. (Ohabolana 30:19). Ny hafainganam-pandehan’ny voromahery dia asiana firesahana tsy mivantana ao amin’ny Fitomaniana 4:19, izay ilazalazana ireo miaramila babyloniana toy izao: “Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra”. Rehefa mahatazana ny rembiny ny voromahery iray mihodinkodina eny ambony eny, dia akopany haka endrika zoro ny elany ary miantoraka midina mahitsy izy, ka mandritra izany dia afaka mahatratra hafainganam-pandeha hatrany amin’ny 130 kilaometatra isan’ora izy, araka ny tatitra sasany. Tsy mahagaga raha toa ny Soratra Masina ka mampiasa ny voromahery ho mitovy dikany amin’ny hoe hafainganam-pandeha, indrindra fa rehefa mifandray amin’ny hery ara-tafika iray. — 2 Samoela 1:23; Jeremia 4:13; 49:22.
Etsy an-danin’izany, i Isaia dia nanisy fitenenana ny amin’ny fanidinana tsy misy fiezahana ataon’ny voromahery. “Izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.” (Isaia 40:31). Inona no tsiambaratelon’ny fanidinan’ny voromahery misavoana? Tsy mitaky ezaka firy ny fiakarana satria ny voromahery dia mampiasa courants thermiques, izany hoe tsanganan-drivotra mafana miakatra. Tsy hita maso ireo rivotra mafana miakatra, kanefa dia manam-pahaizana amin’ny fahitana azy ireny ny voromahery. Raha vao hita ny toeran’ny rivotra mafana miakatra iray, dia mamelatra ny elany sy ny rambony ny voromahery ary mihodinkodina ao anatin’ilay tsanganan-drivotra mafana izay mitondra ilay voromahery ho ambony kokoa hatrany ihany. Rehefa azo ny haavo ampy, dia misosa mankamin’ny rivotra mafana miakatra manaraka izy, ka ao dia averina indray ilay fanaovan-javatra. Amin’izany fomba izany no ahafahan’ny voromahery mijanona any ambony be any mandritra ny ora maro amin’ny fandaniana angôvo faran’izay kely.
Any Israely, dia fahita ny voromahery, indrindra fa any amin’ny Rift Valley izay miitatra avy eo Ezion-gebera eo amin’ny moron’ny Ranomasina Mena, ka hatrany Dana, any avaratra. Maro indrindra izy ireo mandritra ny lohataona sy ny fararano, rehefa mifindra toerana. Tamin’ny taona sasany, dia voromahery efa ho 100 000 no voaisa. Rehefa manafana ny rivotra ny masoandron’ny maraina, dia azo atao ny mahita vorona mpihaza an-jatony maro manidina eo ambonin’ireo tevana izay manamorona ny Rift Valley.
Ny fanidinana tsy misy fiezahana ataon’ny voromahery dia fanoharana kanto ny amin’ny fomba ahafahan’ny herin’i Jehovah mampiakatra antsika ara-panahy sy ara-pihetseham-po mba hahafahantsika hanohy ny asantsika. Toy ny tsy ahafahan’ny voromahery misidina ambony dia ambony toy izany amin’ny fampiasana ny tanjaky ny tenany, no tsy ahafahantsika miatrika amim-pahombiazana zava-tsarotra raha miantehitra amin’ny fahaizan’ny tenantsika isika. “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy”, hoy ny fanazavan’ny apostoly Paoly. (Filipiana 4:13). Toy ny voromahery izay mikaroka tsy an-kijanona rivotra mafana miakatra tsy hita maso, dia ‘tsy mitsahatra mangataka’ ny hery miasa tsy hita mason’i Jehovah isika, amin’ny alalan’ireo vavaka feno hafanam-po ataontsika. — Lioka 11:9, 13, NW.
Matetika ireo voromahery mifindra toerana no mahita rivotra mafana miakatra amin’ny fandinihana ireo vorona mpihaza hafa. Ilay natioralista atao hoe D. R. Mackintosh dia nitatitra fa, indray mandeha, dia nisy voromahery sy vautours 250 hita nihodinkodina niakatra tao anatin’ny rivotra mafana miakatra iray ihany. Ny Kristiana amin’izao fotoana izao dia afaka mianatra toy izany koa mba hiantehitra amin’ny herin’i Jehovah, amin’ny fanahafana ny ohatra mahatokin’ireo mpanompo hafa tia an’Andriamanitra. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 11:1.
Eo amin’ny aloky ny elatry ny voromahery
Iray amin’ireo fe-potoana mampidi-doza indrindra eo amin’ny fiainan’ny voromahery iray, ny fotoana ianarany manidina. Voromahery maro dia maro no maty amin’ilay fanandramana. Notandindomin-doza koa ilay firenena isiraelita vao ary elatra rehefa niainga avy tany Egypta. Araka izany, dia nifanentana indrindra ireo tenin’i Jehovah tamin’ireo Isiraelita nanao hoe: “Hianareo efa nahita izay nataoko tamin’ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.” (Eksodosy 19:4). Misy tatitra momba ny voromahery izay nitondra vetivety zana-borona teo an-damosiny mba tsy hahamontsamontsana ilay voronkely amin’ny fanandramany hanidina voalohany. Hoy i G. R. Driver, raha nanazava izany tatitra izany tao amin’ny Palestine Exploration Quarterly: “Ilay sary [ao amin’ny Baiboly] àry dia tsy hevi-dravina tsotra fotsiny, fa miorina amin’ny zava-misy tena izy.”
Ray aman-dreny fakan-tahaka amin’ny fomba hafa koa, ny voromahery. Tsy vitan’ny hoe manome sakafo tsy tapaka an’ireo zana-borona anaty akany fotsiny izy ireo, fa mitetitetika ny hena entin’ny voromahery lahy ao amin’ny akany koa ilay renivorona, mba hahafahan’ireo zana-boromahery hitelina izany. Koa satria mazàna ny akanin’izy ireo dia miorina eny amin’ny tevana na eny amin’ny hazo avo be, dia tsy voaro amin’ny toetr’andro ireo voronkely. (Joba 39:27, 28). Ny masoandro mandoro izay mahazatra any amin’ireo tany resahin’ny Baiboly, dia nety ho nahafaty ireo voronkely raha tsy noho ny fikarakaran’ireo ray aman-dreniny. Mamelatra ny elany ilay voromahery efa lehibe, indraindray mandritra ny ora maro isaky ny mandeha, mba hampialofana ireo zanany mareforefo anaty akany.
Araka izany, dia tena mifanentana ny fampiasana ny elatry ny voromahery ho sarin’ny fiarovan’Andriamanitra, ao amin’ny Soratra Masina. Milazalaza toy izao ny fomba niarovan’i Jehovah ny Isiraelita nandritra ny dia sarotra nataon’izy ireo tany an-efitra ny Deoteronomia 32:9-12: “Fa anjaran’i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany. Nahita azy tany an-efitra Izy, dia tany amin’ny tany foana be nampierona, ka dia nanodidina sy niahy azy, ary notandremany tahaka ny anakandriamasony. Toy ny voromahery manaitra ny ao amin’ny akaniny ka manidintsidina eo ambonin’ny zanany, dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy ary nitondrany azy teo ambonin’ny elany, — Jehovah irery no nitondra azy”. Hanome antsika fiarovana mitovy amin’izany i Jehovah raha mitoky aminy isika.
Lalana handosirana
Indraindray, rehefa miatrika zava-manahirana isika, dia mety haniry handositra lavitra ireo fahasahiranantsika rehetra. Izany mihitsy no tsapan’i Davida. (Ampitahao amin’ny Salamo 55:6, 7.) Kanefa na dia nampanantena ny hanampy antsika aza i Jehovah rehefa miatrika fisedrana sy fahoriana eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ isika, dia tsy manolotra fahafahana handositra tanteraka akory izy. Manana ilay fanomezan-toky ao amin’ny Baiboly toy izao isika: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” — 1 Korintiana 10:13.
Ilay ‘làlana hahafahana’ na “lalana handosirana” (King James Version) dia mahatafiditra fianarana mitoky amin’i Jehovah. Izany no hitan’i Max Liebster izay nanao ilay fanazavana voatonona eo am-piandohan’itỳ lahatsoratra itỳ. Nandritra ireo taona naha-tany amin’ireo toby fitanana azy, dia nanjary nahafantatra an’i Jehovah sy niantehitra taminy izy. Araka ny hitan’i Max, dia manatanjaka antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny ary ny fandaminany, i Jehovah. Na dia tany amin’ireo toby aza, dia nikaroka ireo mpiray finoana taminy ny Vavolombelona ka nanolotra fanampiana ara-panahy azy ireny, nizara ireo hevitra araka ny Soratra Masina sy izay mety ho zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly nisy. Ary araka ny nohamarinin’ireo tafita velona nahatoky imbetsaka, dia tena nanatanjaka azy ireo i Jehovah. “Nangataka mandrakariva an’i Jehovah mba hanampy, aho”, hoy ny fanazavan’i Max, “ary nanohana ahy ny fanahiny”.
Na inona na inona fisedrana atrehintsika, dia afaka miantehitra toy izany koa amin’ny fanahy masin’Andriamanitra isika, raha toa ka tsy mitsahatra mangataka izany aminy. (Matio 7:7-11, NW ). Rehefa mahazo hery avy amin’io “hery mihoatra noho ny mahazatra” io isika, dia hisidina ambony fa tsy ho resin’ireo zava-manahirana antsika. Tsy hitsahatra handeha amin’ny lalan’i Jehovah isika, ary tsy ho sasatra. Elatra no hiakarantsika tahaka ny voromahery. — 2 Korintiana 4:7, NW; Isaia 40:31.
[Teny notsongaina, pejy 10]
Tsy manatsipalotra ny masony aminao izy
[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]
Foto: Cortesía de GREFA
[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]
Foto: Cortesía de Zoo de Madrid