FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/11 p. 32
  • Karazana Laza Manao Ahoana no Anananao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Karazana Laza Manao Ahoana no Anananao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/11 p. 32

Karazana Laza Manao Ahoana no Anananao?

AO AMIN’NY Baiboly, ilay teny hoe “laza” indraindray dia manondro ny toetra itsaran’ny hafa ny tena. Izao, ohatra, no nosoratan’i Solomona Mpanjaka hendry: “Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.” (Mpitoriteny 7:1; ampitahao amin’ny Ohabolana 22:1.) Araka ny tenin’i Solomona, dia tsy hoe vao teraka akory ny olona iray dia efa tsara laza. Mandritra ny androm-piainany kosa vao tena misy heviny ny lazany. Ny lazany no ahafantarana azy raha ny amin’ny toetrany manokana, na malala-tanana izy na tia tena, na mangoraka izy na tsy miraika, na manetry tena izy na miavonavona, na marina izy na ratsy fanahy mihitsy aza.

Hevero i Davida. Nandritra ny naha mpanjaka azy, dia noporofoiny fa nahery sy tsy azo nohozongozonina ny tenany. Tetsy an-danin’izany, dia niaiky tamim-panetren-tena ny fahadisoany sy nibebaka tamin’ny fahotany lehibe i Davida. Noho ny antony marim-pototra no nilazan’ny mpaminanin’i Jehovah fa ‘lehilahy araka ny fon’Andriamanitra’ i Davida. (1 Samoela 13:14). Efa nanana laza tsara teo anatrehan’Andriamanitra i Davida fony izy tanora.

Mifanohitra amin’izany fa nanaratsy ny lazany i Jehorama, Mpanjakan’ny Joda. Nampiala ny olom-peheziny tamin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah izy, ary nampamono ny rahalahiny enina sy ny sasany tamin’ireo printsin’ny Joda mihitsy aza. Tamin’ny farany, i Jehovah dia nampahory an’i Jehorama tamin’ny aretina nampanaintaina izay nitarika ho amin’ny fahafatesany. Milaza ny Baiboly fa “lasa tsy nisy nalahelo azy” i Jehorama, na araka ny ilazan’ny Today’s English Version azy dia “tsy nisy olona nalahelo azy rehefa maty izy”. — 2 Tantara 21:20.

Ny fomba fiainan’i Davida sy i Jehorama dia mampiseho mazava ny fahamarinan’ilay ohabolana ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; fa ho lo ny anaran’ny ratsy fanahy.” (Ohabolana 10:7). Ny tsirairay amintsika àry dia tokony handinika amin’ny fomba lalina ilay fanontaniana manao hoe: ‘Karazana laza manao ahoana no ananako eo anatrehan’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amiko?’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara