-
Mamaly An’ilay Vavaka avy Amin’ny Fo i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2008 | 15 Oktobra
-
-
17. Inona no tokony hataon’ny mpanohitra dieny izao? Ary inona no hotsaroantsika tsy ho ela?
17 Fantatsika anefa fa mbola tsy vita ny ady, ka mbola mitory ny vaovao tsara foana isika, na dia amin’ny mpanohitra aza. (Matio 24:14, 21) Mbola afaka mibebaka ireny mpanohitra ireny ankehitriny mba ho voavonjy, nefa kely sisa ny fotoana ananany. Ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah mantsy no zava-dehibe kokoa noho ny famonjena ny olombelona. (Vakio ny Ezekiela 38:23.) Rehefa hivondrona ireo firenena eran-tany mba handringana ny vahoakan’Andriamanitra, dia hotsaroantsika ilay vavaky ny mpanao salamo hoe: “Ho menatra sy hitebiteby mandrakariva anie izy ireo ka hangaihay sy ho ringana.”—Sal. 83:17.
18, 19. a) Inona no hiafaran’ireo mikiry manohitra ny zon’i Jehovah hitondra? b) Tokony hanosika anao hanao inona ny fahafantarana fa ho voamarina tsy ho ela ny zon’i Jehovah hitondra?
18 Hietry tanteraka ireo tapa-kevitra ny hanohitra ny zon’i Jehovah hitondra. Milaza ny Baiboly fa ‘ho ringana mandrakizay’ ireo ho faty ao Hara-magedona, noho izy ireo “tsy mankatò ny vaovao tsara.” (2 Tes. 1:7-9) Ho voaporofo fa i Jehovah ihany no tena Andriamanitra, rehefa ringana izy ireo ary tafavoaka velona ireo manompo an’i Jehovah. Tsy hohadinoina mihitsy io fandresena lehibe io, ao amin’ny tontolo vaovao. Handre momba ny asa lehibe nataon’i Jehovah ireo hatsangana amin’ny “fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asa. 24:15) Hahita porofo miavaka izy ireo ao amin’ny tontolo vaovao, fa fahendrena ny manaiky ny zon’i Jehovah hitondra. Ary vetivety dia ho resy lahatra ireo mpandefitra, fa i Jehovah ihany no tena Andriamanitra.
-
-
‘Io no Anaran’Andriamanitra Miavaka sy Masina Indrindra’Ny Tilikambo Fiambenana—2008 | 15 Oktobra
-
-
‘Io no Anaran’Andriamanitra Miavaka sy Masina Indrindra’
Izany no nolazain’i Nicolas de Cues tao amin’ny toriteniny, tamin’ny 1430.a Nianatra zavatra maro izy. Anisan’izany ny teny grika sy hebreo, filozofia, teolojia, matematika, ary astronomia. Nahazo ny diplaoma ambony indrindra momba ny lalàn’ny Eglizy Katolika izy, tamin’izy 22 taona. Voatendry ho kardinaly izy, tamin’ny 1448.
Antsoina hoe Bernkastel-Kues ny tanànan’i Kues ankehitriny, ary 130 kilaometatra eo ho eo any atsimon’i Bonn any Alemaina no misy azy. Nanangana trano fitaizana ny be antitra tao Kues i Nicolas de Cues, 550 taona lasa teo ho eo izay. Ao amin’io trano io no misy ny fitehirizam-bokin’i Cues, izay ahitana sora-tanana 310 mahery. Anisan’ireo ny Codex Cusanus 220, izay ahitana an’ilay toritenin’i Cues tamin’ny 1430. Mitondra ny lohateny hoe In principio erat verbum (Tamin’ny Voalohany ny Teny) io toriteny io.b Nampiasa ny anarana latinina hoe Iehoua midika hoe Jehovah, i Nicolas de Cues. Hoy izy ao amin’ny pejy 56, momba azy io: ‘Andriamanitra mihitsy no nifidy an’io anarana io, dia ireo Litera Efatra. Io no anarany miavaka sy masina indrindra.’ Hita ao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany ny anaran’Andriamanitra, ary manamafy izany ilay tenin’i Nicolas de Cues.—Eks. 6:3.
Efa nisy hatramin’ny fiandohan’ny taonjato faha-15 ilay kôdeksa. Izy io no anisan’ny sora-tanana tranainy indrindra ahitana ny hoe “Iehoua”, izay nadika avy amin’ireo Litera Hebreo Efatra. Vao mainka izy io manaporofo fa anarana mitovitovy amin’ny hoe “Jehovah” no tena nampiasaina nandritra ny taonjato maro, mba hanoratana ny anaran’Andriamanitra.
-