Hira 150
Vonona Aho!
Tian’i Jehovah ho faly ianao,
Ka nomeny asa, nomeny hatao.
Safidy maro, ’zay samy tsara.
Mba tianao ve ny handray anjara?
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Vonona aho! ’Ndeha hanao
asa an-tsitrapo.
Ka ’zay mba kely haiko, hampiasaiko,
hataoko am’ny fo.
Raha mbola be ny faritany,
Hanitatra aho, hanampy ny any.
Raha mila ampiana ireo tra-boina,
Handeha foana aho raha vao antsoina!
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Vonona aho! ’Ndeha hanao
asa an-tsitrapo.
Ka ’zay mba kely haiko, hampiasaiko,
hataoko am’ny fo.
Raha Efitrano no ilaina izao,
Na koa fiteny iray vaovao,
Hianaranay raha azo atao.
Ka ny toe-tsaina, dia: “Intỳ aho!”
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Vonona aho! ’Ndeha hanao
asa an-tsitrapo.
Ka ’zay mba kely haiko, hampiasaiko,
hataoko am’ny fo.
(Jereo koa ny Jaona 4:35; Asa. 2:8; Rom. 10:14.)