“Aoka ny Fonao Handinika” ny Tempolin’Andriamanitra!
“Ry zanak’olona, (...) aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao (...). Ambarao amin’ny taranak’Isiraely izay rehetra hitanao.” — EZEKIELA 40:4.
1. Toe-piainana nanao ahoana no nisy ny vahoaka voafidin’Andriamanitra, tamin’ny 593 al.f.i.?
TAONA 593 al.f.i. tamin’izay, taona faha-14 nanaovana sesitany ny Isiraely. Ho an’ireo Jiosy nipetraka tany Babylona, dia tsy maintsy ho toa lavitra tokoa ilay tanindrazana malalany. Tamin’ny fotoana nahitan’ny ankamaroan’izy ireo farany an’i Jerosalema, dia nidedadeda izy io, nirodana ny mandany nijoalajoala, rava ireo tranony kanto. Lasa korontan-javatra rava sisa ilay tempolin’i Jehovah izay fara tampon’ny voninahitr’ilay tanàna, taloha, sady hany foiben’ny fanompoam-pivavahana madio teto ambonin’ny tany. Mbola tsy tapitra tamin’izay ny ampahany betsaka tamin’ny fotoana nanaovana sesitany ny Isiraely. Hisy 56 taona vao ho tonga ny fanafahana nampanantenaina. — Jeremia 29:10.
2. Nahoana no nampalahelo an’i Ezekiela ny fahatsiarovana ny tempolin’Andriamanitra tany Jerosalema?
2 Tsy maintsy ho nampalahelo an’i Ezekiela, mpaminany nahatoky, ny nieritreritra ilay tempolin’Andriamanitra rava tany amin’ny an-jatony kilaometatra maro, ka zary toerana aolo falehan’ny bibidia. (Jeremia 9:10). Mpisorona tao i Bozy rainy. (Ezekiela 1:3). Tokony ho nanana io tombontsoa io koa i Ezekiela, saingy niara-natao sesitany tamin’ireo andriana tao Jerosalema izy tamin’ny 617 al.f.i., fony izy mbola tanora. Tokony ho 50 taona i Ezekiela tamin’izay, ka azo inoana fa fantany hoe tsy hahita an’i Jerosalema intsony mihitsy ny tenany no sady tsy hanana anjara amin’ny fanorenana indray ny tempoliny. Alao sary an-tsaina àry ange izay tsy maintsy ho fihetseham-pon’i Ezekiela nahazo fahitana ny amin’ny tempoly be voninahitra iray e!
3. a) Inona no zava-nokendrena tamin’ilay fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly? b) Inona avy ireo lafiny lehibe efatra amin’ilay fahitana?
3 Mameno toko sivy ao amin’ny bokin’i Ezekiela io fahitana mahafaoka zavatra maro io. Nanome fampanantenana nanatanjaka ny finoan’ireo mponin’i Joda natao sesitany izy io. Haverina amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana madio! Loharanom-pampaherezana ho an’ireo olona tia an’i Jehovah io fahitana io, tao anatin’ireo taonjato maro nanomboka tamin’izay, ka hatramin’izao androntsika izao mihitsy aza. Amin’ny fomba ahoana? Andeha hodinihintsika izay hevitra fonosin’io fahitana ara-paminanian’i Ezekiela io, ho an’ireo Isiraelita natao sesitany. Misy lafiny lehibe efatra izy io: ny tempoly, ny mpisorona, ny filoha, ary ilay tany.
Ny tempoly tafaorina indray
4. Nentina taiza i Ezekiela teo am-piandohan’ilay fahitana azony, inona no hitany teo, ary iza no nitari-dalana azy hitsidika ilay toerana?
4 Voalohany aloha, dia nentina tany amin’ny “tendrombohitra avo dia avo” i Ezekiela. Nisy tempoly goavana iray, toy ny tanàna mimanda, teo amin’ny ilany atsimo tamin’ilay tendrombohitra. Nitondra ilay mpaminany nitsidika ilay trano manontolo sy ny manodidina azy, ny anjely iray izay “nitarehim-barahina”. (Ezekiela 40:2, 3). Raha mbola nitohy ilay fahitana, dia hitan’i Ezekiela fa nandrefy tamim-pitandremana ireo vavahadin’ny tempoly mbamin’ny trano fiambenan’izy ireny, ilay anjely. Nisy vavahady enina ilay tempoly, ary nifanandrify ny tsiroaroa tamin’izy ireo. Norefesiny tsara koa ny kianja ivelany sy anatiny, ireo efitra fisakafoana, ny alitara, sy ny fitoerana masina izay mizara ho Masina sy Masina Indrindra.
5. a) Inona no fanomezan-toky nataon’i Jehovah tamin’i Ezekiela? b) Inona ireo ‘fati-mpanjakany’ izay tsy maintsy nesorina tao amin’ny tempoly, ary nahoana izany no zava-dehibe?
5 I Jehovah mihitsy, avy eo, no niseho tao amin’ilay fahitana. Niditra tao amin’ilay tempoly izy ary nanome toky an’i Ezekiela fa honina ao. Nitaky ny hanadiovana ny tranony anefa izy, tamin’ny filazana hoe: ‘Fa amin’izao kosa, aoka hesoriny lavitra ahy ny fahavetavetany sy ny fati-mpanjakany, ka dia honina eo aminy mandrakizay aho.’ (Ezekiela 43:2-4, 7, 9, Fandikan-teny Katolika). Miharihary fa sampy no tiana holazaina tamin’ny hoe ‘fati-mpanjakany’. Nandoto ny tempolin’Andriamanitra tamin’ny sampy ny mpanapaka sy ny vahoaka mpikomy tao Jerosalema, ary nataon’izy ireo mpanjaka ireny sampy ireny, raha ny marina. (Ampitahao amin’ny Amosa 5:26, fanamarihana ambany pejy.) Tsy andriamanitra na mpanjaka velona velively ireny sampy ireny fa zavatra tsy mananaina sady maloto eo imason’i Jehovah. Tsy maintsy nesorina izy ireny. — Levitikosy 26:30; Jeremia 16:18.
6. Nidika ho inona ny fandrefesana ilay tempoly?
6 Inona no zava-kendrena tamin’io tapany amin’ilay fahitana io? Nanome toky an’ireo natao sesitany izy io hoe haverina amin’ny laoniny tanteraka ny fanompoam-pivavahana madio ao amin’ny tempolin’Andriamanitra. Ankoatra izany, ny fandrefesana ilay tempoly dia antoka avy amin’Andriamanitra fa tena tsy maintsy ho tanteraka ilay faminaniana. (Ampitahao amin’ny Jeremia 31:39, 40; Zakaria 2:6-12.) Hofongorana avokoa ny fanompoan-tsampy rehetra. Hitahy indray ny tranony i Jehovah.
Ny mpisorona sy ny filoha
7. Fanazavana inona no nomena mahakasika ny Levita sy ny mpisorona?
7 Hanaovana fanadiovana koa eo amin’ny mpisorona. Hotenenina mafy ireo Levita satria nanaiky ho resin’ny fanompoan-tsampy. Hoderaina sy hovalian-tsoa kosa anefa ireo mpisorona, zanak’i Zadoka, satria nitoetra ho nadio.a Na izany aza, dia samy hanompo ao amin’ilay tranon’Andriamanitra tafaorina indray, ireo antokon’olona roa ireo. Tsy isalasalana fa niankina tamin’ny fahatokian’izy ireo isam-batan’olona izany fanompoany izany. Ankoatra izany, dia nandidy toy izao i Jehovah: “Ary hampianatra ny oloko ny tsi-fitovian’ny masina sy ny tsy masina izy ary hampahafantatra azy ny tsi-fitovian’ny tsy madio sy ny madio.” (Ezekiela 44:10-16, 23). Koa haverina amin’ny laoniny àry ny anjara asan’ny mpisorona, ary hovalian-tsoa ny fiaretan’izy ireo tamim-pahatokiana.
8. a) Iza avy ireo filohan’ny Isiraely fahiny? b) Amin’ny ahoana ilay filoha ao amin’ny fahitan’i Ezekiela no niasa teo anivon’ny fanompoam-pivavahana madio?
8 Miresaka ny amin’ilay antsoina hoe mpanjaka na filoha (NW ) koa, ilay fahitana. Hatramin’ny andron’i Mosesy no efa nanana filoha ilay firenena. Ny teny hebreo hoe na·siʼʹ, nadika hoe “filoha”, dia mety hanondro ny lohan’ny fianakaviana na foko na firenena iray mihitsy aza. Tao amin’ilay fahitan’i Ezekiela, dia notenenina mafy ireo mpanapaka teo amin’ny Isiraely tamin’ny naha kilasy azy, noho ny nampahoriany ny vahoaka. Nanarina mba hanao ny rariny sy ny hitsiny koa izy ireo. Na dia tsy anisan’ny kilasin’ny mpisorona aza ilay filoha, dia niasa tamin’ny fomba niavaka izy, teo anivon’ny fanompoam-pivavahana madio. Niditra sy nivoaka ny kianja ivelany niaraka tamin’ireo foko tsy mpisorona izy, nipetraka tao amin’ny fidirana mitafon’ny Vavahady Atsinanana, ary nanome ny sasany tamin’ireo fanatitra hatolotry ny vahoaka. (Ezekiela 44:2, 3; 45:8-12, 17). Araka izany, dia nanome toky ny firenen’i Ezekiela io fahitana io fa hotahina ilay firenena ho tafaverina any amin’ny taniny, ka hahazo mpitarika fakan-tahaka, dia lehilahy izay hanohana ny mpisorona eo amin’ny fandaminana ny vahoakan’Andriamanitra, no sady ho ohatra tsara dia tsara eo amin’ny raharaha ara-panahy.
Ilay tany
9. a) Ahoana no hizarana ny tany, kanefa iza no tsy hahazo lova? b) Inona ilay atao hoe anjara masina voatokana, ary inona avy no tao anatin’izy io?
9 Farany, dia nisy filazalazana ankapobe ny tanin’ny Isiraely ilay fahitan’i Ezekiela. Hozaraina izy io, ka samy hanana anjara ny foko tsirairay. Hahazo lova koa ilay filoha. Tsy hahazo lova kosa anefa ny mpisorona, satria hoy i Jehovah: “Izaho no lovany”. (Ezekiela 44:10, 28; Nomery 18:20). Nasehon’ilay fahitana fa ny anjara tanin’ilay filoha dia ho eo amin’ny andaniny roa amin’ny faritra manokana iray antsoina hoe anjara masina voatokana. Tany efamira izay nozaraina ho faritra telo lavalava ilay anjara masina voatokana: ny farany ambony ho an’ny Levita nibebaka, ny afovoany ho an’ny mpisorona, ary ny farany ambany ho an’ilay tanàna mbamin’ny tanin’izy io mahavokatra. Ny tempolin’i Jehovah dia ho eo amin’ilay faritra ho an’ny mpisorona, teo afovoan’ilay anjara masina efamira. — Ezekiela 45:1-7.
10. Nidika ho inona ho an’ireo mponin’i Joda tany an-tsesitany ilay faminaniana momba ny fizarana ny tany?
10 Tena tsy maintsy nampahery an’ireo natao sesitany ireo izany rehetra izany! Nomena toky ny fianakaviana tsirairay fa hanana lova ao amin’ilay tany. (Ampitahao amin’ny Mika 4:4.) Hitana toerana faran’izay lehibe sy ambony ny fanompoam-pivavahana madio ao. Ary mariho fa ao amin’ny fahitan’i Ezekiela, dia honina eo amin’ny tany nomen’ny vahoaka ilay filoha, tahaka ireo mpisorona. (Ezekiela 45:16). Koa ny vahoaka ao amin’ilay tany ho tafaverina amin’ny laoniny àry, dia manome anjara fanampiana ho an’ny asan’ireo notendren’i Jehovah hitarika, ka hanohana azy ireny, amin’ny fanarahana ny tari-dalana omeny. Amin’ny fitambarany, dia sary nampiseho fandaminana sy fiaraha-miasa ary tsy fananana ahiahy, io tany io.
11, 12. a) Ahoana no nanomezan’i Jehovah toky ny vahoakany, tamin’ny alalan’ny faminaniana, fa hotahiny ilay tanindrazan’izy ireo tafaverina amin’ny laoniny? b) Nampiseho inona ireo hazo teny amoron’ilay ony?
11 Hitahy ny tanin’izy ireo ve i Jehovah? Filazalazana mahavelom-bolo no amalian’ilay faminaniana an’io fanontaniana io. Nisy ony nikoriana avy tao amin’ny tempoly, nihabe velarana teny am-pandehanana izy io, ka tonga riaka be rehefa nivarina tao amin’ny Ranomasina Maty. Rehefa tao izy io, dia namelona indray ireo rano tsy nisy zavamananaina, ka niroborobo ny asa fanjonoana, teny amin’ny ampahany tamin’ilay moron-dranomasina. Nisy hazo maro namoa mandavantaona teo amin’ny andaniny roa tamin’ilay ony, ka nanome sakafo sy fanasitranana. — Ezekiela 47:1-12.
12 Io fampanantenana io dia namerina sy nanamafy ireo faminaniana famerenana amin’ny laoniny izay efa nomena taloha kokoa sady nankamamin’ireo natao sesitany. Tsy indray mandeha akory ireo mpaminanin’i Jehovah nahazo tsindrimandry no nilazalaza ho toy ny paradisa ny tanin’ny Isiraely tafaverina amin’ny laoniny sy nisy mponina indray. Loha hevitra ara-paminaniana niverimberina ireo faritra efa lao izay nanjary velona indray. (Isaia 35:1, 6, 7; 51:3; Ezekiela 36:35; 37:1-14). Afaka nanantena àry ny vahoaka fa hikoriana tahaka ny ony avy ao amin’ilay tempoly tafaorina indray ireo fitahian’i Jehovah manome fiainana. Ho velona indray, noho izany, ny firenena iray maty ara-panahy. Ilay vahoaka tafaverina any amin’ny taniny dia hotahina amin’ny fahazoana lehilahy tena araka ny fanahy, lehilahy marina sy miorina mafy toy ireo hazo eo amin’ny andaniny roa amin’ilay ony hita tao amin’ny fahitana, lehilahy izay hitari-dalana eo amin’ny fanorenana indray ny tany iray efa rava. I Isaia koa dia nanoratra momba ireo “Hazon’ny fahamarinana” izay ‘hanangana ny efa rava hatry ny fony fahagola’. — Isaia 61:3, 4.
Oviana no tanteraka ilay fahitana?
13. a) Tamin’ny heviny ahoana i Jehovah no nanome “Hazon’ny fahamarinana” ho fitahiana ny vahoakany tafaverina tao amin’ny taniny? b) Ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana momba ny Ranomasina Maty?
13 Diso fanantenana ve ireo niverina avy tany an-tsesitany? Tsy izany velively! Nisy sisa niverina nody tany amin’ilay tanindrazana malalany tamin’ny 537 al.f.i. Teo ambany fitarihan’ireo “Hazon’ny fahamarinana”, toa an-dry Ezra mpanora-dalàna, Hagay sy Zakaria mpaminany, ary Josoa Mpisoronabe, dia tafatsangana indray, tatỳ aoriana, ny efa rava hatry ny ela be. Nanapaka araka ny rariny sy ny hitsiny teo amin’ilay tany ireo filoha, toa an-dry Nehemia sy Zerobabela. Naorina indray ny tempolin’i Jehovah, ary nikoriana avy tao indray ireo fandaharana nataon’i Jehovah hahazoana fiainana, dia ny fitahiana azo amin’ny fanarahana ilay fanekena nataony. (Deoteronomia 30:19; Isaia 48:17-20). Iray amin’izany fitahiana izany ny fahalalana. Naverina tamin’ny andraikiny ireo mpisorona, ka nampianatra ny vahoaka ny Lalàna. (Malakia 2:7). Ny vokany dia velona ara-panahy indray ny vahoaka no sady niverina indray ho mpanompon’i Jehovah namokatra, araka ny naseho an’ohatra tamin’ny Ranomasina Maty izay nanjary sitrana ka nampisy asa fanjonoana nahitam-bokatra.
14. Nahoana ny faminanian’i Ezekiela no tokony hisy fahatanterahany lehibe kokoa noho izay nitranga taorian’ny niverenan’ny Jiosy avy tany an-tsesitany tany Babylona?
14 Ireo fisehoan-javatra ireo ihany ve no fahatanterahan’ilay fahitan’i Ezekiela? Tsia, misy zavatra lehibe lavitra asehony. Diniho ange izao e: Tsy ho tena azo naorina araka ny nilazalazana azy ilay tempoly hitan’i Ezekiela. Marina aloha fa nihevitra an’io fahitana io ho zava-dehibe ny Jiosy, ka nampihatra ara-bakiteny ny tsipiriany sasany tamin’izy io aza.b Lehibe loatra anefa ilay tempoly manontolo hita tamin’ny fahitana ka tsy ho omby na dia teo amin’ny Tendrombohitra Moria aza, izay toerana nisy ny tempoly teo aloha. Fanampin’izany, dia tsy tao amin’ilay tanàna no nisy ilay tempolin’i Ezekiela, fa teo amin’ny faritra nitokana iray lavidavitra. Ilay tempoly faharoa kosa anefa dia naorina teo amin’ny toeran’ilay nodimbiasany ihany, izany hoe tao an-tanànan’i Jerosalema. (Ezra 1:1, 2). Ankoatra izany, dia tsy nisy ony ara-bakiteny nipoitra avy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Koa fahatanterahana kelin’ny faminanian’i Ezekiela ihany àry no hitan’ny Isiraely fahiny. Midika izany fa tsy maintsy hisy fahatanterahany lehibe kokoa sy ara-panahy, io fahitana io.
15. a) Oviana ny tempoly ara-panahin’i Jehovah no nanomboka niasa? b) Inona no mampiseho fa tsy tanteraka nandritra ny fotoana niainan’i Kristy teto an-tany ny fahitan’i Ezekiela?
15 Mazava fa ao amin’ny tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah no tsy maintsy itadiavantsika ny fahatanterahan’ilay fahitan’i Ezekiela amin’ny ambaratonga lehibe. Noresahin’ny apostoly Paoly mazava tsara ao amin’ny bokin’ny Hebreo io tempoly io. Nanomboka niasa izy io fony i Jesosy Kristy voahosotra ho Mpisoronabeny tamin’ny 29 am.f.i. Tanteraka tamin’ny andron’i Jesosy ve anefa ilay fahitan’i Ezekiela? Miharihary fa tsia. Noho i Jesosy Mpisoronabe, dia nanatanteraka ilay heviny ara-paminaniana nananan’ny Andro Fanavotana ny tenany, tamin’ny alalan’ny batisany sy ny fahafatesany ho sorona, ary ny fidirany tao amin’ny Masina Indrindra, izay tsy inona akory fa ny lanitra mihitsy. (Hebreo 9:24). Mahaliana anefa fa tsy misy firesahana mihitsy ny amin’ny mpisoronabe na ny Andro Fanavotana, ao amin’ny fahitan’i Ezekiela. Toa tsy azo inoana ho nanondro ny taonjato voalohany am.f.i. àry io fahitana io. Rahoviana àry izy io no mihatra?
16. Mampahatsiahy antsika faminaniana hafa inona ilay sehatra nisehoan’ny fahitan’i Ezekiela, ary amin’ny ahoana izany no manampy antsika hahafantatra ny fotoana hahatanterahan’ilay fahitan’i Ezekiela amin’ny ambaratonga lehibe?
16 Mba hahitana ny valiny, dia andeha isika hijery indray ilay fahitana mihitsy. Nanoratra toy izao i Ezekiela: “Fahitana avy amin’Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin’ny tanin’ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo amin’ny ilany atsimo.” (Ezekiela 40:2). Ilay “tendrombohitra avo dia avo”, izay sehatra nisehoan’io fahitana io, dia mampahatsiahy antsika ny Mika 4:1, manao hoe: “Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny firenena hitanjozotra hankany.” Oviana io faminaniana io no tanteraka? Asehon’ny Mika 4:5 fa izany dia manomboka raha mbola mivavaka amin’andriamani-diso ireo firenena. Raha ny marina, dia amin’izao androntsika izao, ‘atỳ am-parany’, no nanandratana ny fanompoam-pivavahana madio, sy namerenana azy io ho amin’ny toerana sahaza azy teo amin’ny fiainan’ireo mpanompon’Andriamanitra.
17. Amin’ny ahoana ilay faminaniana ao amin’ny Malakia 3:1-5 no manampy antsika hamaritra ny fotoana nanadiovana ilay tempoly tao amin’ny fahitan’i Ezekiela?
17 Nahoana no nanjary azo natao io famerenana amin’ny laoniny io? Tadidio fa tao amin’ilay fisehoan-javatra lehibe indrindra tamin’ny fahitan’i Ezekiela, dia tonga tao amin’ny tempoly i Jehovah ary nanantitrantitra ny hanadiovana ny tranony tsy hisy fanompoan-tsampy. Oviana no nodiovina ny tempoly ara-panahin’Andriamanitra? Ao amin’ny Malakia 3:1-5, i Jehovah dia manambara mialoha ny fotoana ‘hiaviany eo amin’ny tempoliny’, miaraka amin’i Jesosy Kristy, ‘iraky ny fanekena’. Mba hanao inona? “Izy dia tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ny savonin’ny mpanasa lamba.” Nandritra ny fotoan’ny ady lehibe voalohany no nanomboka io fanadiovana io. Ny vokany? Nonina tao amin’ny tranony i Jehovah ary nitahy ny tany ara-panahin’ny vahoakany, nanomboka tamin’ny 1919. (Isaia 66:8). Azontsika atao àry ny manatsoaka hevitra fa misy fahatanterahany lehibe mandritra ny andro farany, ny faminanian’i Ezekiela momba ny tempoly.
18. Rahoviana no hisy fahatanterahany farany ilay fahitana momba ny tempoly?
18 Tahaka ireo faminaniana hafa momba ny famerenana amin’ny laoniny, ny fahitan’i Ezekiela dia hanana fahatanterahany fanampiny sady farany, ao amin’ny Paradisa. Amin’izany fotoana izany ihany vao hahazo ireo soa feno avy amin’ny fandaharan’Andriamanitra momba ny tempoly, ny olombelona mahitsy fo. Amin’izay, dia hampihatra ny vidin’ny sorom-panavotany i Kristy, miaraka amin’ireo mpisorona any an-danitra 144 000. Hasandratra ho amin’ny fahalavorariana ny olombelona rehetra hankato, izay ho olom-pehezin’ny fanapahan’i Kristy. (Apokalypsy 20:5, 6). Tsy mety ho ny Paradisa anefa ny fotoana lehibe indrindra hahatanterahan’ilay fahitan’i Ezekiela. Fa nahoana moa?
Mifantoka amin’ny androntsika ilay fahitana
19, 20. Nahoana no tsy maintsy amin’izao andro izao, fa tsy ao amin’ny Paradisa, no ahatanterahan’ilay fahitana amin’ny ambaratonga lehibe?
19 Nahita tempoly iray nilaina hodiovina tsy hisy fanompoan-tsampy sy fijangajangana ara-panahy, i Ezekiela. (Ezekiela 43:7-9). Azo antoka fa tsy hety hihatra amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ao amin’ny Paradisa izany. Ankoatra izany, ny mpisorona tao amin’ilay fahitana dia sary mampiseho ny kilasin’ny mpisorona voahosotra raha mbola eto an-tany, fa tsy aorian’ny hitsanganany ho any an-danitra na mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Nahoana? Mariho fa aseho ho eo am-panompoana ao amin’ny kianja anatiny ireo mpisorona. Efa nasehon’ireo lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana fa io kianja anatiny io dia sary mampiseho ny toerana ara-panahy tsy manam-paharoa tanan’ireo mpisorona lefitr’i Kristy raha mbola eto an-tany izy ireo.c Mariho koa fa manamafy ny tsy fahalavorarian’ny mpisorona ilay fahitana. Nasaina nanolotra fanatitra ho an’ny fahotan’ny tenany izy ireo. Nampitandremana izy ireo mba tsy hanjary haloto ara-panahy sy ara-pitondran-tena. Tsy sary mampiseho ireo voahosotra tafatsangana amin’ny maty àry izy ireo. Nanoratra toy izao tokoa mantsy ny apostoly Paoly, mahakasika ireo voahosotra tafatsangana amin’ny maty ireo: “Hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony”. (1 Korintiana 15:52, izahay no manao sora-mandry; Ezekiela 44:21, 22, 25, 27). Ireo mpisorona tao amin’ny fahitan’i Ezekiela dia sady nifangaro tamin’ny vahoaka no nanompo mivantana azy ireo. Tsy ho toy izany ao amin’ny Paradisa, rehefa ho any an-danitra ny kilasin’ny mpisorona. Noho izany, ilay fahitana dia manome sary faran’izay tsara ny amin’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny voahosotra sy ny “olona betsaka” eto an-tany amin’izao andro izao. — Apokalypsy 7:9; Ezekiela 42:14.
20 Araka izany, ny fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly dia manambara ny vokatra mahasoa entin’ny fanadiovana ara-panahy eo an-dalam-pahatanterahana amin’izao andro izao. Midika ho inona ho anao anefa izany? Tsy olana saro-bahana ara-teôlôjia fotsiny akory izy io ka hoe tsy azo ampiharina na amin’inona na amin’inona. Misy ifandraisana betsaka amin’ny fanompoam-pivavahana atolotrao isan’andro ho an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina, io fahitana io. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe amin’ny fomba ahoana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nety ho nanohina an’i Ezekiela manokana izany, satria voalaza fa anisan’ny fianakavia-mpisorona avy tamin’i Zadoka ny tenany.
b Milaza, ohatra, ny Mishnah fa namboarina hifanaraka tamin’ilay fahitan’i Ezekiela, ny alitara sy ireo varavarana kopa-droan’ny tempoly ary ireo faritra fandrahoan-tsakafo tao amin’ilay tempoly tafaorina indray.
Tadidinao Ve?
◻ Inona no fahatanterahana voalohan’ilay fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly sy ny mpisorona?
◻ Ahoana no nahatanteraka voalohany an’ilay fahitan’i Ezekiela momba ny fizarana ny tany?
◻ Rehefa tafaverina tany amin’ny taniny ny Isiraely fahiny, dia iza no nanao zavatra toy ny filoha nahatoky, ary iza no nanao zavatra toy ny “Hazon’ny fahamarinana”?
◻ Nahoana no tsy maintsy misy fahatanterahany lehibe mandritra ny andro farany ilay fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly?