FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 4 p. 16-p. 17 feh. 3
  • Bevohoka i Maria Nefa Tsy Nanambady

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Bevohoka i Maria Nefa Tsy Nanambady
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Bevohoka nefa tsy nanambady
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Bevohoka nefa tsy nanambady
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Inona no Ianarantsika avy Amin’i Maria?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • “Intỳ Aho Mpanompovavin’i Jehovah!”
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 4 p. 16-p. 17 feh. 3
I Maria milaza amin’i Josefa hoe bevohoka izy

TOKO 4

Bevohoka i Maria Nefa Tsy Nanambady

MATIO 1:18-25 LIOKA 1:56

  • FANTATR’I JOSEFA HOE BEVOHOKA I MARIA

  • LASA VADIN’I JOSEFA I MARIA

Bevohoka efa-bolana izao i Maria. Tsaroanao angamba fa nitsidika an’i Elizabeta havany tany amin’ny havoanan’i Jodia izy, tamin’izy vao bevohoka. Efa any Nazareta izy izao. Tsy ho ela dia ho hitan’ny olona ny kibony, ka tsy maintsy ho niady saina be izy.

Nisy olana iray koa anefa. Efa fofombadin’ny mpandrafitra iray atao hoe Josefa i Maria. Fantany ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely hoe tokony hotoraham-bato ho faty izay vehivavy fofombadin’olona nefa minia manao firaisana amin’ny lehilahy hafa. (Deoteronomia 22:23, 24) Tsy nijangajanga i Maria, nefa azo inoana fa sahiran-tsaina izy nieritreritra ny fomba hilazana amin’i Josefa ny nahabevohoka azy. Nety ho nampiasa saina azy koa izay hitranga aorian’izay.

Telo volana i Maria no tsy teo, ka azo antoka fa efa tsy andrin’i Josefa ny hahita azy. Azo inoana fa nolazain’i Maria taminy hoe bevohoka izy, rehefa nihaona izy ireo. Niezaka mafy izy nanazava hoe ny fanahy masin’Andriamanitra no nahatonga izany. Tsy azon’i Josefa anefa ilay izy ary tena sarotra taminy ny hino an’i Maria.

Fantatr’i Josefa fa vehivavy tsara toetra sy tsara laza i Maria. Tena tiany koa izy. Na teo aza anefa ny fanazavan’i Maria, dia tsy maintsy ho nieritreritra i Josefa hoe nisy lehilahy nahabevohoka an’i Maria. Tsy tiany hotoraham-bato ho faty i Maria na ho afa-baraka, ka nanapa-kevitra izy fa hisaraka taminy mangingina. Noheverina ho toy ny efa mpivady ny mpifamofo tamin’izany, ka nila nanao taratasy fisarahana raha te hisaraka.

Miseho amin’i Josefa ao anaty nofy ny anjelin’i Jehovah

Raha mbola niasa saina tamin’izany i Josefa dia nandeha natory. Niseho taminy tao amin’ny nofy ny anjelin’i Jehovah ka niteny hoe: “Aza matahotra ny hitondra an’i Maria vadinao ho ao an-tranonao, fa avy tamin’ny fanahy masina ny zaza ao an-kibony. Hiteraka zazalahy izy, ary ataovy hoe Jesosy ny anarany, fa izy no hamonjy ny fireneny ho afaka amin’ny fahotan’izy ireo.”—Matio 1:20, 21.

Faly erỳ i Josefa rehefa nifoha satria lasa nazava kokoa ny zava-nitranga. Tsy nangataka andro izy nanaraka ny tenin’ilay anjely, ka nentiny tany an-tranony i Maria. Fampisehoana amin’ny besinimaro izany fa mampakatra an’i Maria ho vadiny i Josefa ary mpivady izy ireo manomboka eo. Tsy nanao firaisana tamin’i Maria anefa i Josefa raha mbola bevohoka an’i Jesosy i Maria.

Mipetraka eo ambony ampondra i Maria ary mametraka entana eo ambonin’ilay ampondra i Josefa

Efa bevohoka be i Maria volana maromaro taorian’izay. Tsy maintsy niainga avy tao Nazareta anefa izy sy Josefa ary nanao dia lavitra. Fa nila nankaiza izy ireo nefa i Maria efa ho teraka?

  • Inona no azo antoka fa noeritreretin’i Josefa rehefa fantany hoe bevohoka i Maria, ary nahoana?

  • Nahoana i Josefa no afaka nanome taratasy fisarahana an’i Maria, nefa izy ireo mbola tsy mpivady?

  • Inona no nataon’i Josefa mba hampisehoana tamin’ny besinimaro fa mpivady izy sy Maria?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara