Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
1-7 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 1-3
“Efa Manakaiky ny Fanjakan’ny Lanitra”
nwtsty: Fanazavana Mt 3:1, 2
nitory: Avy amin’ny teny grika midika hoe “manambara hafatra amin’ny besinimaro.” Ny fomba anaovana an’ilay fanambarana no asongadiny: Fanambarana atao ampahibemaso ilay izy matetika, fa tsy toriteny atao amin’ny olom-bitsy.
fanjakana: Eo no ahitana voalohany an’ilay teny grika hoe basileia, izay midika hoe fitondram-panjakana, na koa ny faritra sy ny vahoaka fehezin’ny mpanjaka iray. Miverina in-162 io teny grika io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. In-55 no ahitana azy io ao amin’ny bokin’i Matio, ary saika ilazana ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra foana. Azo nantsoina hoe Filazantsaran’ilay Fanjakana ny Filazantsaran’i Matio, satria im-be dia be izy no nampiasa an’io teny io.
fanjakan’ny lanitra: Miverina in-30 eo ho eo io teny io, ary ao amin’ny Filazantsaran’i Matio ihany no ahitana azy. “Fanjakan’Andriamanitra” no ilazana azy io ao amin’ny Filazantsaran’i Marka sy Lioka. Midika izany fa any an-danitra no foiben’ny “Fanjakan’Andriamanitra”, ary avy any izy io no mitondra.—Mt 21:43; Mr 1:15; Lk 4:43; Da 2:44; 2Ti 4:18.
efa manakaiky: Efa hiseho ilay ho Mpitondra ny Fanjakana any an-danitra tamin’io fotoana io.
nwtsty: Sary
Ny Fitafian’i Jaona Mpanao Batisa sy ny Fisehoany Ivelany
Volon-drameva notenomina no akanjo nanaovan’i Jaona. Nanao fehikibo hoditra koa izy, ary mety ho azo nitondrana zavatra kelikely teo amin’izy io. Nitovy tamin’izany ny akanjon’i Elia Mpaminany. (2Mp 1:8) Marokoroko ny lamba vita tamin’ny volon-drameva, ary ny mahantra no tena mpanao azy io. Ny mpanankarena kosa nanao lamba rongony na lamba landy malefaka. (Mt 11:7-9) Vao teraka i Jaona dia efa Nazirita, ka tsy notapahina mihitsy angamba ny volony. Toa hita tamin’ny fitafiany sy ny fisehoany ivelany hoe nanana fiainana tsotra izy, izany hoe nifantoka tanteraka tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.
Valala
Ilazana valala fohy tandroka ny hoe “valala” ao amin’ny Baiboly, ary manao andiany izy ireo rehefa mifindra monina. Hitan’ny mpikaroka tany Jerosalema fa be proteinina (75 isan-jatony) ny valala any an-tany efitra. Mbola fihinana ny valala ankehitriny. Tangosana aloha ny lohany, tongony, elany, ary ny kibony vao andrahoina na hanina manta ny tratrany. Hoatran’ny an’ny patsabe na ny an’ny foza, hono, ny tsirony sady be proteinina ny nofony.
Tantelidia
Tranon-tantely nataon’ny tantelidia sy toho-tantely feno tantely ireo hitantsika ireo. Mety ho tantely avy amin’ny tantelidia avy eo an-toerana antsoina hoe Apis mellifera syriaca no fihinan’i Jaona. Velona tsara any an-tany efitr’i Jodia, izay mafana sy maina, io karazany io, saingy tsy mety ompiana satria masiaka. Efa hatramin’ny taonjato fahasivy T.K. anefa ny mponina tany Israely no nitahiry tantely tao anaty varingarina tanimanga. Nahitana sisana toho-tantely maro be tany afovoan’ny tanàn-dehibe fahiny anankiray (Tel Rehov ankehitriny), any amin’ny Lohasahan’i Jordana. Toa tsy avy teo an-toerana, fa avy tany amin’ny faritra antsoina ankehitriny hoe Torkia, ny renitantely nahazoana an’ilay tantely hita tao.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Mt 1:3
Tamara: Iray amin’ireo dimy vavy notanisain’i Matio ao amin’ny lisitry ny razamben’ny Mesia. Ny vehivavy efatra hafa dia i Rahaba sy Rota, izay samy tsy Israelita (and. 5), Batseba “vadin’i Oria” (and. 6) ary Maria (and. 16). Lehilahy daholo ny ankamaroan’ny ao amin’ilay lisitra, nefa nampidirina tao ireo vehivavy ireo satria niavaka ny fomba nahatongavany ho razamben’i Jesosy.
nwtsty: Fanazavana Mt 3:11
manao batisa anareo: Na “mandroboka anareo.” Midika hoe “manatsoboka” na “mandentika” ny teny grika hoe baptizô. Aroboka tanteraka ao anaty rano ny olona atao batisa, araka ny hita amin’ny andininy hafa. Nanao batisa tao amin’ny Lohasahan’i Jordana, teny akaikin’i Saleima, ohatra, i Jaona “satria nisy rano be tao.” (Jn 3:23) Samy “nidina tao anaty rano” i Filipo sy ilay tandapa etiopianina nataony batisa. (As 8:38) Io teny grika io ihany no hita ao amin’ny 2Mp 5:14, Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, rehefa milaza izy io fa “nisitrika impito tao Jordana” i Namàna.
Famakiana Baiboly
8-14 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 4-5
“Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Toritenin’i Jesosy teo An-tendrombohitra?”
nwtsty: Fanazavana Mt 5:3
Sambatra: Tsy hoe mahatsapa fahafinaretana fotsiny, toy ny olona miala voly. Ilazana olona tahin’Andriamanitra sy ankasitrahany kosa izy io. Azo adika koa hoe “falifaly” ilay teny grika nadika hoe “sambatra”, toy ny ao amin’ireo andininy miresaka momba an’Andriamanitra sy Jesosy be voninahitra any an-danitra.—1Ti 1:11; 6:15.
mahatsapa fa mila an’Andriamanitra: Midika ara-bakiteny hoe “mahantra (sahirana, fadiranovana, mpangataka)” ilay teny grika nadika hoe “ny mahatsapa.” Ilazana an’ireo olona mahatsapa mafy hoe mila fanampiana izy eto. Nadika koa hoe “mpangataka” ilay teny grika, ao amin’ny Lk 16:20, 22. Misy Baiboly mandika azy io hoe “mahantra am-panahy”, mba hilazana olona mahatsapa hoe tena mila zavatra ara-panahy sady mila an’Andriamanitra.
nwtsty: Fanazavana Mt 5:7
mamindra fo: Ny hoe “mamindra fo” sy “famindram-po” ao amin’ny Baiboly dia tsy midika fotsiny hoe mamela heloka na hoe tsy hentitra be rehefa mampihatra didim-pitsarana. Matetika kosa izy io no midika hoe mangoraka sy mitsetra an’ireo mila fanampiana, ka tonga dia manao zavatra mba hanampiana azy ireo.
nwtsty: Fanazavana Mt 5:9
mpampihavana: Tsy hoe mitandro fihavanana fotsiny, fa manao izay hisian’ny fihavanana koa.
Ampianaro ho Tia Fihavanana ny Zanakao
Tena irin’ny ray aman-dreny kristianina ny hampianatra ny zanany “hitady fihavanana ka hitandro izany.” (1 Petera 3:11) Mahasambatra ny fitiavana fihavanana. Tokony hiezaka mafy àry isika tsy hiahiahy olona na ho mora tezitra na hankahala.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Mt 4:9
miankohoka indray mandeha: Ilazana zavatra atao vetivety ilay matoanteny grika nadika hoe “miankohoka” eto. Tsy nasain’ny Devoly hiankohoka teo anatrehany foana àry i Jesosy, fa ‘hiankohoka indray mandeha’ monja.
nwtsty: Fanazavana Mt 4:23
nampianatra ... nitory: Tsy mitovy ny mitory sy ny mampianatra. Tsy milaza hevitra fotsiny mantsy ny mpampianatra, fa manoro, manazava, mandresy lahatra, ary manome porofo koa.
Famakiana Baiboly
15-21 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 6-7
“Katsaho Foana Aloha Ilay Fanjakana”
Sambatra Isika fa Afaka Mivavaka
Inona no tokony hoeritreretintsika voalohany rehefa mivavaka? I Jehovah sy ny sitrapony. Tokony hisaotra azy amin’ny fontsika isika noho izay rehetra nataony ho antsika. (1 Tantara 29:10-13) Diniho ange ny tenin’i Jesosy tamin’izy nampianatra ny olona hivavaka e! (Vakio ny Matio 6:9-13.) Ny hanamasinana ny anaran’Andriamanitra no nasainy nangatahina voalohany, rehefa mivavaka. Tokony hangataka koa isika mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, ary mba hatao etỳ an-tany ny sitrapon’i Jehovah. Tena zava-dehibe mantsy ireo. Aorian’izay isika vao tokony hivavaka momba an’izay ilaintsika. Raha manao an’izany isika, dia ho hita hoe i Jehovah sy ny sitrapony no eritreretintsika voalohany.
nwtsty: Fanazavana Mt 6:24
manompo: Olona miasa ho an’olona iray no dikan’ilay matoanteny grika nadika hoe “manompo.” Inona àry no tian’i Jesosy holazaina eto? Tsy vitan’ny Kristianina iray ny hoe sady manompo an’i Jehovah irery ihany no mifofotra manangona harena.
nwtsty: Fanazavana Mt 6:33
Katsaho foana: Asa mitohy izy io raha jerena ny matoanteny grika nandikana azy. Tsy hoe mikatsaka an’ilay Fanjakana mandritra ny fotoana kelikely ny tena mpanara-dia an’i Jesosy, ary avy eo mifantoka amin-javatra hafa. Tsy maintsy ataon’izy ireo loha laharana foana kosa izy io eo amin’ny fiainany.
ny fanjakany: “Fanjakan’Andriamanitra” izy io ao amin’ny sora-tanana grika fahiny sasany.
ny fahamarinany: Ny fahamarinan’ilay Ray any an-danitra ao amin’ny Mt 6:32. Vonona hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy hanaraka ny fitsipiny momba ny tsara sy ratsy ireo mikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra. Nifanohitra tanteraka tamin’izany kosa ny fampianaran’ny Fariseo, satria nitady hanamarina ny tenany izy ireo.—Mt 5:20.
Aza Variana Manangona Fananana, fa Katsaho Ilay Fanjakana
Vakio ny Matio 6:33. Ny Fanjakan’Andriamanitra foana no tsy maintsy ataontsika loha laharana. Nilaza i Jesosy fa homen’i Jehovah antsika izay rehetra ilaintsika raha manao an’izany isika. Hoy izy talohan’izay: “Fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.” Tsy sarotra amin’i Jehovah ny mamantatra mialoha hoe inona no ilaintsika tsirairay, na sakafo izany na akanjo na trano. Mbola tsy haintsika akory aza izany dia efa fantany. (Fil. 4:19) Fantany ny akanjontsika efa mitady ho rovitra sy ny sakafo ilaintsika ary ny trano antonona ny fianakaviantsika. Tsy maintsy hataony mahazo an’izay tena ilaintsika isika.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Miezaha ho Tsara Fanahy Amin’ny Olona Itorianao
Eritrereto hoe misy mitelefaonina ianao. Tsy fantatrao ny feon’ilay miantso, nefa manontany anao izy hoe inona ny sakafo tianao. Lasa saina ianao hoe iza ilay miantso ary inona marina no tadiaviny. Mety hiresaka kely aminy ianao satria mahalala fomba, nefa hofarananao ny resaka avy eo. Aoka anefa hatao hoe mitonona anarana ilay olona. Tsara fanahy izy milaza fa ny manampy olona hihinana sakafo mahasalama no asany, ary manana fanazavana mahasoa anao izy. Tsy ho vonona kokoa hihaino azy ve ianao? Tiantsika mantsy rehefa milaza mivantana an’izay tadiaviny ny olona nefa mahalala fomba. Toy izany koa no tokony hataontsika rehefa mitory. Ahoana no ampisehoantsika fa manaja ny olona isika?
Any amin’ny faritany maro, dia mila milaza ny anton-diantsika isika rehefa mitory. Marina fa manana fanazavana tena tsara izay tsy fantatr’ilay olona isika. Aoka anefa hatao hoe tsy mitonona anarana isika fa tonga dia mametraka fanontaniana aminy, ohatra hoe: “Raha afaka mamaha ny olana misy eto an-tany ianao, inona amin’ireo olana ireo no hovahanao?” Te hahalala ny hevitr’ilay olona mantsy isika mba hahafahana hisarika ny sainy ho amin’ny Baiboly. Mety hieritreritra anefa izy hoe: ‘Iza àry ity olona ity? Fa maninona izy no manontany ahy an’izany? Inona no tena tiany hahatongavana?’ Tokony hataontsika àry izay tsy hahasanganehana an’ilay olona. (Fil. 2:3, 4) Amin’ny fomba ahoana?
Nahita fomba mahomby ny mpiandraikitra mpitety faritany iray. Arahabainy aloha ilay olona ary mitonona anarana izy. Avy eo izy manolotra an’ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Hoy izy: “Mizara an’ity amin’ny olona rehetra eto amin’ity faritra ity izahay androany. Mamaly fanontaniana enina mahalasa saina olona maro izy ity. Intỳ ny anjaranao.” Milaza io rahalahy io fa tony kokoa ny ankamaroan’ny olona rehefa fantany ny anton-dianao. Matetika no mora kokoa ny manohy ny resaka aorian’izay. Manontany an’ilay olona ilay mpiandraikitra avy eo hoe: “Efa nieritreritra ny iray amin’ireo fanontaniana ireo ve ianao?” Raha mifidy fanontaniana iray ilay olona, dia sokafan’ilay rahalahy ilay taratasy mivalona ary resahiny izay voalazan’ny Baiboly momba an’ilay fanontaniana. Raha tsy mifidy fanontaniana ilay olona, dia ataony izay tsy hahasanganehana azy ka mifidy anankiray izy ary tohiziny ny resaka. Mazava ho azy fa maro ny fomba azo anombohan-dresaka. Any amin’ny faritra sasany, dia misy fombafomba tsy maintsy arahina alohan’ny hilazana ny anton-dia. Ilaintsika ny mampifanaraka ny fomba fitorintsika amin’izay mahazatra ny olona eo amin’ny faritra misy antsika.
nwtsty: Fanazavana Mt 7:28, 29
nitolagaga: Hita amin’ilay matoanteny grika nadika hoe “nitolagaga” fa nisy vokany lalina sy maharitra tamin’ny vahoaka ny tenin’i Jesosy.
fomba fampianany: Ny fomba nampiasain’i Jesosy rehefa nampianatra no tiana horesahina eo. Anisan’izany ny zavatra nampianariny sy ireo toromarika nomeny tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra.
tsy toy ny mpanora-dalàna teo aminy: Tsy hoatran’ireo mpanora-dalàna i Jesosy. Ny fampianaran’ireo raby mantsy no nampianarin’izy ireo. I Jesosy kosa nisolo tena an’i Jehovah, ka nataony niorina tamin’ny Tenin’Andriamanitra ny fampianarany. Niteny toy ny manana fahefana àry izy.—Jn 7:16.
Famakiana Baiboly
22-28 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 8-9
“Tia Olona i Jesosy”
nwtsty: Fanazavana Mt 8:3
nikasika azy: Voalazan’ny Lalàn’i Mosesy fa tsy maintsy atokan-toerana ny boka mba tsy hamindra aretina. (Le 13:45, 46; No 5:1-4) Nametraka fitsipika fanampiny anefa ny mpitondra fivavahana jiosy. Nilaza, ohatra, izy ireo fa tsy azon’ny olona natao mihitsy ny nanatonkatona boka. Tsy maintsy nisy elanelana 4 hakiho (2 m eo ho eo) teo amin’izy ireo, fa 100 hakiho (45 m eo ho eo) kosa raha nitsoka ny rivotra. Nanjary tsy niantra ny boka àry ny olona. Misy lovantsofina manome rariny ny raby iray, izay niafina rehefa nahita boka, sy ny raby iray nitora-bato azy ireo mba tsy hanatonany azy. Tsy mba nanao hoatr’izany kosa i Jesosy. Tena nampalahelo azy ilay boka, ka nanao zavatra tsy noeritreretin’ny Jiosy hatao mihitsy izy. Nikasika an’ilay lehilahy izy, na dia azony natao aza ny niteny fotsiny mba hanasitranana azy.—Mt 8:5-12.
Sitrako tokoa: Tsy hoe neken’i Jesosy fotsiny ilay fangatahana, fa nasehony koa fa tena tiany hotanterahina ilay izy. Hita amin’izany fa tsy hoe te hamita adidy fotsiny izy.
nwtsty: Fanazavana Mt 9:10
nandry ilika nisakafo: Olona nifandray akaiky no nandry ilika niara-nisakafo fahiny. Tsy mba nandry ilika hisakafo niaraka tamin’ny tsy Jiosy mihitsy àry ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy.
mpamory hetra: Maro ny Jiosy nitaky hetra ho an’ny manam-pahefana romanina. Halan’ny olona ireny Jiosy ireny satria niara-niasa tamin’ny mpanjana-tany, sady nanery ny olona handoa vola mihoatra noho ny hetra ara-dalàna. Tsy nifanerasera tamin’ny mpamory hetra ny Jiosy, ary nampitovin’izy ireo tamin’ny mpanota sy ny mpivaro-tena izy ireny.—Mt 11:19; 21:32.
nwtsty: Fanazavana Mt 9:36
nangoraka: Avy amin’ny matoanteny grika hoe splagknizômai, ary iray tarika amin’ilay teny hoe splagkna na “tsinay.” Entina ilazana fihetseham-po lalina izy io, ary anisan’ny teny grika tena mahalaza ny fangorahana.
Andao Hikaroka Harena Miafina
“Fianarana no Nomeko Anareo”
Nisy kapiteny koa nanatona an’i Jesosy. Angamba Jentilisa izy na Romanina, ary nangataka an’i Jesosy mba hanasitrana ny mpanompony. Fantatr’i Jesosy fa nanana kilema io kapiteny io. Azo inoana mantsy fa ny kapiteny tamin’izany andro izany dia efa nanao herisetra be, namono olona maro, ary mety ho nanaraka fivavahan-diso mihitsy aza. Nifantoka tamin’ny toetra tsaran’io lehilahy io, dia ny finoany niavaka, anefa i Jesosy. (Matio 8:5-13) Tatỳ aoriana, dia tsy nanakiana an’ilay jiolahy teo amin’ny hazo fijaliana teo akaikiny koa i Jesosy, na dia nanao ratsy aza izy io taloha. Nampahery azy kosa izy rehefa niresaka mahakasika ny fanantenana momba ny hoavy. (Lioka 23:43) Fantatr’i Jesosy fa vao mainka ho kivy ny olona, raha kianina lava. Tsy isalasalana fa vao mainka nanosika olona maro hihatsara i Jesosy rehefa niezaka hijery ny toetra tsaran’izy ireo.
Nahoana no Tsy Nifady Hanina ny Mpianatr’i Jesosy?
Tian’i Jesosy haseho an’ireo mpianatr’i Jaona fa tsy tokony hisy hanantena hoe hanaraka ny fanaon’ny Fivavahana Jiosy, toy ny fifadian-kanina, ny mpanara-dia azy. Tsy tonga hanatsara na hanohy an’io fivavahana io izy. Efa lany andro mantsy izy io sady efa hialana. Hafa mihitsy ny fivavahana nasainy narahina, fa tsy toy ny Fivavahana Jiosy izay nanantitrantitra fampianaran’olombelona. Tsy nanampina akanjo tonta tamin’ny tapa-damba vaovao izy, na nanisy divay vaovao tao anaty siny hoditra efa tonta sy henjana be.
Famakiana Baiboly
29 JANOARY–4 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 10-11
“Namelombelona ny Olona i Jesosy”
nwtsty: Fanazavana Mt 10:29, 30
fody: Ilazana vorona kely ilay teny grika hoe strotiôn, ary fody izany matetika. Ny fody no mora indrindra tamin’ny vorona fihinana.
vola madinika kely vidy: A.b.t.: “asariona iray.” Karama azon’ny lehilahy iray tao anatin’ny 45 minitra izy io. (Jereo sgd Fizarana 18) Nitory fanintelony tany Galilia i Jesosy tamin’izay, ary nilaza fa asariona iray no vidin’ny fody roa. Nilaza indray izy herintaona teo ho eo taorian’izay, tamin’izy nanompo tany Jodia, fa nahazo fody dimy ny asariona roa. (Lk 12:6) Hitantsika avy amin’ireo fa tena tsy nisy vidiny tamin’ny mpivarotra ny fody, ka nataony kadoa ny fody fahadimy.
na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa: Voalaza fa 100 000 mahery eo ho eo ny isan’ny volon-dohantsika. Tena miahy ny mpanara-dia an’i Kristy tsirairay i Jehovah, matoa mahalala tsara an’izany tsipiriany madinika izany.
nwtsty: Sary
Fody
Ny fody no mora indrindra tamin’ny vorona fihinana. Nahazo fody roa ny karama azon’ny lehilahy iray tao anatin’ny 45 minitra. Ilay teny grika tany am-boalohany dia entina ilazana vorona kely toy ny karazana fody Passer domesticus biblicus, sy ny fody espaniola (Passer hispaniolensis), izay mbola betsaka any Israely.
nwtsty: Fanazavana Mt 11:28
mavesatra entana: Asain’i Jesosy hanatona azy ny olona ‘novesaran’ny’ fanahiana sy ny asa mafy. Lasa nanavesatra azy ireo ny fanompoana an’i Jehovah, satria nampiana fombafomba noforonin’olombelona ny Lalàn’i Mosesy. (Mt 23:4) Na ny Sabata tokony ho namelombelona aza lasa nanavesatra.—Ek 23:12; Mr 2:23-28; Lk 6:1-11.
hamelombelona anareo aho: Ny hoe ‘mamelombelona’ dia avy amin’ny teny grika midika hoe miala sasatra (Mt 26:45; Mr 6:31) sy hoe mijanona tsy manao asa mafy mba hahazoana hery indray. (2Ko 7:13; Flm 7) Hita avy amin’ny teny manodidina fa tsy miala sasatra no dikan’ny hoe mitondra ny ‘ziogan’i’ Jesosy fa manao fanompoana. (Mt 11:29) Matoantenin’ny mpanao ilay teny grika nadika hoe ‘mamelombelona’ ary i Jesosy no manao azy io. Asehon’izany fa te hamelombelona sy hampahery ny olona reraka izy. Amin’izay izy ireo vonona hitondra ny ziogany, izay sady maivana no mora entina.
nwtsty: Fanazavana Mt 11:29
Ento ny ziogako: Nampiasa an’ilay teny hoe ‘zioga’ i Jesosy, mba hilazana fanekena fahefana sy tari-dalana. Zioga ho an’olona roa, ilay nampitondrain’ny Rainy azy, ve no tao an-tsainy? Raha izany tokoa, dia nanasa ny mpianany i Jesosy tamin’io mba hiray zioga aminy ary nanome toky fa hanampy azy ireo. Azo adika hoe “Avia hiray zioga amiko” ilay fehezanteny amin’izay. Raha ilay zioga ampitondrain’i Jesosy kosa ilay izy, dia midika izany fa tokony hanaiky ny fahefan’i Kristy sy ny tari-dalany izay te ho mpianany.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Te Hahafantatra ny Hevitr’i Jesosy i Jaona
Hafahafa ve ilay fanontanian’i Jaona? Nanana finoana matanjaka izy. Hitany nidina teo amin’i Jesosy ny fanahin’Andriamanitra tamin’izy nanao batisa azy, efa ho roa taona izay. Henony koa ny feon’Andriamanitra nilaza hoe nankasitrahany i Jesosy. Tsy misy antony hieritreretantsika àry hoe nihanalemy finoana i Jaona. Tena nidera azy mantsy i Jesosy, ary tsy ho nanao izany izy raha nihanalemy finoana i Jaona. Raha tsy nisy nampisalasala an’i Jaona àry, nahoana izy no naniraka ny mpianany hanontany an’i Jesosy?
I Jesosy mihitsy angamba no tiany hiteny hoe izy no Mesia. Hampahery azy izany satria izy mbola nijaly tao am-ponja. Toa nisy heviny hafa koa ilay fanontaniany. Fantany ireo faminanian’ny Baiboly hoe ho mpanjaka sy mpanafaka ilay Voahosotr’Andriamanitra. Mbola nigadra anefa i Jaona, volana maromaro taorian’ny nanaovana batisa an’i Jesosy. Te hanontany àry izy raha mbola hisy olon-kafa handimby an’i Jesosy ka hanatanteraka ny faminaniana rehetra momba ny Mesia.
Loza no Hanjo An’ilay Taranaka Tsy Nety Niova
Tena nanaja an’i Jaona Mpanao Batisa i Jesosy. Ary ny ankamaroan’ny olona? Hoy i Jesosy: ‘Ity taranaka ity dia toy ny ankizy mipetraka eny an-tsena sady miantsoantso an’ireo mpiara-milalao aminy, hoe: “Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo. Efa nidradradradra izahay, nefa tsy nikapo-tratra noho ny alahelo ianareo.”’—Matio 11:16, 17.
Inona no tian’i Jesosy holazaina? Hoy izy: “Tonga i Jaona, tsy nihinana na nisotro, nefa hoy ny olona: ‘Misy demonia izy.’ Tonga kosa ny Zanak’olona, nihinana sy nisotro, nefa hoy ihany ny olona: ‘Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay izy, sady naman’ny mpamory hetra sy ny mpanota!’” (Matio 11:18, 19) Nazirita i Jaona ka nanana fiainana tsotra ary nifady divay mihitsy. Nisy nilaza anefa fa nisy demonia izy. (Nomery 6:2, 3; Lioka 1:15) I Jesosy kosa niaina toy ny olona rehetra. Nihinana sy nisotro araka ny antonony izy nefa nampangaina ho tsy nahalala onony. Toa tsy nety afa-po mihitsy ny olona.
Famakiana Baiboly