FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 9 p. 26-p. 27 feh. 1
  • Nihalehibe tao Nazareta i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nihalehibe tao Nazareta i Jesosy
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fiainam-pianakavian’i Jesosy nandritra ny fahazazany
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Ny fahazazan’i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Nikarakara ny Fianakaviany Foana Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Nikarakara ny Fianakaviany Foana i Josefa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 9 p. 26-p. 27 feh. 1
I Josefa mampianatra an’i Jesosy handrafitra

TOKO 9

Nihalehibe tao Nazareta i Jesosy

MATIO 13:55, 56 MARKA 6:3

  • NIHAMARO NY ZANAK’I JOSEFA SY MARIA

  • NIANATRA ASA I JESOSY

Nihalehibe tao Nazareta, tanàna kely tsy dia nalaza, i Jesosy. Tany avaratr’i Jodia izy io, tany amin’ny havoanan’i Galilia, izay any andrefan’ilay farihy lehibe atao hoe Ranomasin’i Galilia.

Roa taona teo ho eo angamba i Jesosy rehefa nentin’i Josefa sy Maria tao Nazareta, tamin’izy ireo avy tany Ejipta. Toa izy irery no zanak’izy ireo tamin’izay. Nanan-jandry lahy anefa i Jesosy tatỳ aoriana, dia i Jakoba, Josefa, Simona, ary Jodasy. Nanan-janakavavy koa i Josefa sy Maria. Enina, fara fahakeliny, ny zandrin’i Jesosy.

Nanana havana koa i Jesosy. Efa fantatsika i Elizabeta sy Jaona zanany lahy. Nipetraka lavitra an-dry Jesosy, tany Jodia tany atsimo, izy ireo. Tsy dia lavitra kosa ry Salome fa tao Galilia ihany. Toa rahavavin’i Maria izy, izany hoe nenitoan’i Jesosy, ary i Zebedio no vadiny. Nanan-janaka roa lahy atao hoe Jakoba sy Jaona izy mivady. Tsy fantatsika raha niaraka be tamin’izy roa lahy i Jesosy, tamin’izy ireo nihalehibe. Lasa naman’i Jesosy akaiky anefa izy ireo tatỳ aoriana, satria lasa apostoliny.

Nihamaro ny ankohonan’i Josefa. Tsy maintsy niasa mafy izy mba hamelomana azy ireo, ary mpandrafitra no asany. Notezain’i Josefa toy ny zanany i Jesosy ka lasa nantsoina hoe “ilay zanaky ny mpandrafitra.” (Matio 13:55) Nampianariny nandrafitra koa i Jesosy ary nahay tsara. Niantso azy hoe “mpandrafitra” mihitsy ny olona tatỳ aoriana.—Marka 6:3.

I Josefa sy Maria mampianatra ny zanany ny momba an’Andriamanitra

Ny fanompoana an’i Jehovah no nataon’ny fianakavian’i Josefa loha laharana. Nankatò ny Lalàn’Andriamanitra i Josefa sy Maria ka nampianariny momba an’i Jehovah ny zanany, na ‘nipetraka tao an-trano izy, na nandeha teny an-dalana, na nandry, na nifoha.’ (Deoteronomia 6:6-9) Nisy synagoga tao Nazareta, ka azo antoka fa nentin’i Josefa tao tsy tapaka ny fianakaviany mba hanompo an’i Jehovah. Voalaza tatỳ aoriana fa nankao amin’ny synagoga “toy ny fanaony rehefa sabata” i Jesosy. (Lioka 4:16) Tena nahafaly azy mianakavy koa ny nandeha tsy tapaka tany amin’ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema.

  • Firy, fara fahakeliny, ny zandrin’i Jesosy?

  • Inona no asa nianaran’i Jesosy ary nahoana?

  • Inona no zava-dehibe nampianarin’i Josefa ny fianakaviany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara