FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwbr18 Febroary p. 1-7
  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2018
  • Lohatenikely
  • 5-11 FEBROARY
  • HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 12-13
  • “Fanoharana Momba ny Vary sy ny Tsimparifary”
  • Matio 13:24-26
  • w13 15/7 9 § 2-3
  • “Homba Anareo Foana Aho”
  • MIARO AZY IREO FOANA I JESOSY
  • Matio 13:27-29
  • w13 15/7 10 § 4
  • “Homba Anareo Foana Aho”
  • Matio 13:30
  • w13 15/7 12 § 10-12
  • “Homba Anareo Foana Aho”
  • Andao Hikaroka Harena Miafina
  • Matio 12:20
  • nwtsty: Fanazavana Mt 12:20
  • Matio 13:25
  • w16.10 32
  • Fantatrao Ve?
  • Tena nisy ve izany hoe olona namafy tsimparifary teny an-tanimbarin’olona izany?
  • Famakiana Baiboly
  • Matio 12:1-21
  • 12-18 FEBROARY
  • HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 14-15
  • “Olona Vitsy Manome Sakafo Olona Maro”
  • Matio 14:16, 17
  • w13 15/7 15 § 2
  • Olona Vitsy Manome Sakafo Olona Maro
  • Matio 14:18, 19
  • w13 15/7 15 § 3
  • Olona Vitsy Manome Sakafo Olona Maro
  • Matio 14:20, 21
  • nwtsty: Fanazavana Mt 14:21
  • w13 15/7 15 § 1
  • Olona Vitsy Manome Sakafo Olona Maro
  • Andao Hikaroka Harena Miafina
  • Matio 15:7-9
  • nwtsty: Fanazavana Matio 15:7
  • Matio 15:26
  • nwtsty: Fanazavana Mt 15:26
  • Famakiana Baiboly
  • Matio 15:1-20
  • 19-25 FEBROARY
  • HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 16-17
  • “Ny Hevitr’iza no Eritreretinao?”
  • Matio 16:21, 22
  • w07 15/2 17 § 17
  • Ry Lehilahy Manambady, Ekeo ny Fahefan’i Kristy
  • Matio 16:23
  • w15 15/5 13 § 16-17
  • Miambena Satria Te Handrapaka Anao i Satana
  • Matio 16:24
  • w06 1/4 23 § 9
  • ‘Mandehana Ataovy Mpianatra ny Olona, ka Ataovy Batisa’
  • Andao Hikaroka Harena Miafina
  • Matio 16:18
  • nwtsty: Fanazavana Mt 16:18
  • Matio 16:19
  • nwtsty: Fanazavana Mt 16:19
  • Famakiana Baiboly
  • Matio 16:1-20
  • 26 FEBROARY–4 MARTSA
  • HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 18-19
  • “Mitandrema mba Tsy Hanota na Hanafintohina ny Hafa”
  • Matio 18:6, 7
  • nwtsty: Fanazavana Mt 18:6, 7
  • nwtsty: Sary
  • Vato Fikosoham-bary
  • Vato Ambony sy Vato Ambany
  • Matio 18:8, 9
  • nwtsty: Fanazavana Mt 18:9
  • bi12, 3E
  • Gehena
  • Matio 18:10
  • nwtsty: Fanazavana Mt 18:10
  • w10 1/11 16
  • Momba An’ireo Anjely
  • Andao Hikaroka Harena Miafina
  • Matio 18:21, 22
  • nwtsty: Fanazavana Mt 18:22
  • Matio 19:7
  • nwtsty: Fanazavana Mt 19:7
  • nwtsty: Sary
  • Taratasy Fisaraham-panambadiana
  • Famakiana Baiboly
  • Matio 18:18-35
Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2018
mwbr18 Febroary p. 1-7

Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana

5-11 FEBROARY

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 12-13

“Fanoharana Momba ny Vary sy ny Tsimparifary”

Matio 13:24-26

w13 15/7 9 § 2-3

“Homba Anareo Foana Aho”

Hita amin’ilay fanoharan’i Jesosy hoe ahoana no anangonany ny vary, na ny Kristianina voahosotra hiara-manjaka aminy. Hita amin’izany koa hoe rahoviana izy no hanangona azy ireo. Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 no nafafy ny voa. Rahoviana kosa no ho vita tanteraka ny fanangonana ny voahosotra? Rehefa hahazo ny tombo-kase farany ny voahosotra mbola eto an-tany amin’ny faran’ity tontolo ity, ary hakarina any an-danitra. (Mat. 24:31; Apok. 7:1-4) Hoatran’ny toerana avoavo iray eny ambony tendrombohitra, izay ahatazanana tsara ny manodidina, dia manampy antsika io fanoharana io mba hahafantatra ny zava-nitranga nandritra ny 2 000 taona lasa teo ho eo. Inona avy àry ny zavatra fantatsika mifandray amin’ilay Fanjakana? Hita tao amin’ilay fanoharana hoe namafy aloha ilay lehilahy, avy eo naniry ny voa, ary farany nojinjaina ny vokatra. Ilay fotoana fijinjana no hodinihintsika ato.

MIARO AZY IREO FOANA I JESOSY

Efa nipoitra teo amin’ny tanimbary ny “tsimparifary” taorian’ny taona 100, rehefa nanomboka niharihary teo amin’izao tontolo izao ny Kristianina sandoka. (Mat. 13:26) Efa lasa betsaka noho ny Kristianina voahosotra mihitsy izy ireo taorian’ny taona 300. Tadidinao angamba fa nangataka tamin’ny tompony ireo mpanompo tao amin’ilay fanoharana raha afaka manongotra ny tsimparifary izy ireo. (Mat. 13:28) Inona no nolazain’ilay tompony?

Matio 13:27-29

w13 15/7 10 § 4

“Homba Anareo Foana Aho”

Hoy i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary: “Avelao ihany hiara-maniry izy roa tonta mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana.” Hita amin’io fa efa nisy foana ny vary, izany hoe ny Kristianina voahosotra, hatramin’ny taonjato voalohany ka hatramin’izao. Manamarina an’izany ilay tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany tatỳ aoriana hoe: “Homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mat. 28:20) Harovan’i Jesosy foana àry ny Kristianina voahosotra mandra-pahatongan’ny farany. Tsy fantatsika tsara hoe iza no vary nandritra izany fotoana lava be izany, satria rakotry ny tsimparifary izy ireo. Nanomboka niavaka anefa ny vary, 30 taona teo ho eo talohan’ilay fotoam-pijinjana. Ahoana no nahatonga azy ireo hiavaka?

Matio 13:30

w13 15/7 12 § 10-12

“Homba Anareo Foana Aho”

Voalohany, angonina ny tsimparifary. Hoy i Jesosy: ‘Amin’ny fotoam-pijinjana aho no hilaza amin’ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary ka afatory ho amboarany.’ Taorian’ny 1914 ny anjely no nanomboka nanangona ny tsimparifary na ny Kristianina sandoka, rehefa nanasaraka azy ireo tamin’ny “zanak’ilay fanjakana”, dia ny voahosotra.—Mat. 13:30, 38, 41.

Rehefa nitohy ilay fanangonana, dia vao mainka niavaka hoe iza no vary ary iza no tsimparifary. (Apok. 18:1, 4) Hita, ohatra, hoe efa nianjera i Babylona Lehibe tamin’ny 1919. Inona no tena nampiavaka ny tena Kristianina tamin’ny Kristianina sandoka? Ny asa fitoriana. Nanomboka nantitranterin’ireo nitarika teo anivon’ny Mpianatra ny Baiboly fa mila mitory momba ilay Fanjakana ny tsirairay. Nampirisika an’ireo Kristianina voahosotra rehetra mba hitory isan-trano, ohatra, ilay bokikely hoe Iza no Nanankinana An’ilay Asa? (anglisy), izay navoaka tamin’ny 1919. Izao no voalaza tao: “Marina fa hoatran’ny goavana ilay asa, nefa asan’ny Tompo ilay izy, ka amin’ny heriny no hahavitantsika izany. Tombontsoa be ho anao ny mandray anjara amin’izy io.” Inona no vokatr’izany? Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1922 fa vao mainka nitory ny Mpianatra ny Baiboly taorian’izay. Tsy ela dia ny fitoriana isan-trano no lasa nampiavaka an’ireo Kristianina tsy nivadika ireo, ary mbola hoatr’izany foana hatramin’izao.

Faharoa, angonina ny vary. Hoy i Jesosy tamin’ny anjeliny: “Angony ny vary ka ataovy ao an-trano fitehirizako vokatra.” (Mat. 13:30) Nanomboka tamin’ny 1919 ny voahosotra no nangonina ho lasa anisan’ny fiangonan’ny tena Kristianina, izay efa voadio. Ahoana anefa ny amin’ireo Kristianina voahosotra mbola velona eto an-tany amin’ny faran’ity tontolo ity? Hangonina koa izy ireo, rehefa hakarina any an-danitra ka hahazo ny valisoany. Amin’izay no farany hanangonana azy ireo.—Dan. 7:18, 22, 27.

Andao Hikaroka Harena Miafina

Matio 12:20

nwtsty: Fanazavana Mt 12:20

lahin-jiro manetroka: Tavin-jiro kely tanimanga nofenoina menak’oliva no fampiasan’ny olona fahiny. Lahin-jiro rongony no mitroka an’ilay menaka mba hirehetan’ilay afo. Manetroka ilay lahin-jiro satria efa ho faty ilay afo. Izany no tiana holazaina amin’ilay teny grika nadika hoe “lahin-jiro manetroka.” Nilaza mialoha ny Is 42:3 fa hangoraka i Jesosy rehefa tonga etỳ an-tany. Tsy havelany ho faty na ho lefy mihitsy mantsy na dia ny fanantenana kely ananan’ireo manetry tena sy voahosihosy aza.

Matio 13:25

w16.10 32

Fantatrao Ve?

Tena nisy ve izany hoe olona namafy tsimparifary teny an-tanimbarin’olona izany?

HOY i Jesosy ao amin’ny Matio 13:24-26: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy iray namafy voa tsara teny an-tanimbariny. Raha mbola natory ny olona, dia tonga ny fahavalony namafy tsimparifary teo amin’ny vary, dia lasa. Rehefa naniry ny vary ka niteraka, dia nipoitra koa ny tsimparifary.” Maro ny mpanoratra mieritreritra hoe mba tena nisy olona nahavita an’izany tokoa ve. Hita amin’ny asa soratra momba ny lalàna romanina fahiny hoe tena nisy izany.

Misy diksionera momba ny Baiboly milaza hoe: ‘Araka ny lalàna romanina, dia manao heloka bevava izay mamafy tsimparifary eny amin’ny tanimbolin’olona mba hamaliana faty. Mateti-pitranga izany matoa nanaovana lalàna.’ Namintina ny lalàna romanina sy ny asa soratry ny mpahay lalàna (taona 100-250 tany ho any) i Justinien mpanjaka romanina. Nataony boky (Digeste, frantsay) ilay izy tamin’ny taona 533. Naveriny ao, ohatra, ny zavatra nolazain’i Ulpien, mpahay lalàna, momba ny zava-nitranga iray tamin’ny andron’i Celsus, manam-pahefana romanina tamin’ny taonjato faharoa. Nisy olona namafy tsimparifary teny amin’ny tanimbolin’olona, hono, ka tsy namokatra ilay tanimboly. Resahin’ilay boky hoe inona no navelan’ny lalàna nataon’ny tompon’ilay tanimboly, mba hahazoana onitra na vola tamin’ilay namafy tsimparifary.

Hita amin’izany hoe nisy nahavanon-doza hoatr’izany tokoa ny olona tany amin’ny faritra nanjakan’ny Romanina fahiny. Avy tamin’ny zavatra tena nisy àry ilay fanoharan’i Jesosy.

Famakiana Baiboly

Matio 12:1-21

12-18 FEBROARY

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 14-15

“Olona Vitsy Manome Sakafo Olona Maro”

Matio 14:16, 17

w13 15/7 15 § 2

Olona Vitsy Manome Sakafo Olona Maro

Nangoraka an’ilay vahoaka i Jesosy rehefa nahita azy ireo. Nanasitrana an’izay narary àry izy sady nampianatra zavatra be dia be momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa hariva ny andro, dia nasain’ny mpianatra noravan’i Jesosy ny vahoaka mba hividy sakafo tany amin’ny tanàna teo akaiky teo. Hoy anefa i Jesosy: ‘Omeo zavatra hohaniny izy ireo.’ Azo antoka fa gaga ny mpianany tamin’izay, satria tsy nanana afa-tsy mofo dimy sy trondro kely roa izy ireo.

Matio 14:18, 19

w13 15/7 15 § 3

Olona Vitsy Manome Sakafo Olona Maro

Nanao fahagagana hafa indray àry i Jesosy, satria nalahelo an’ilay vahoaka. Amin’ny fahagagana rehetra nataony, dia io ihany no indray voaresaka ao amin’ny Filazantsara efatra. (Mar. 6:35-44; Lioka 9:10-17; Jaona 6:1-13) Nasain’i Jesosy nilaza tamin’ny vahoaka ny mpianany hoe afaka mipetrapetraka eo ambony bozaka izy ireo, ary mitambatambatra ho 50 sy 100 avy. Nivavaka izy avy eo ary nanapaka ny mofo sy ny trondro. Tsy tonga dia nizara an’ilay sakafo tamin’ny vahoaka anefa i Jesosy, fa “nozarainy tamin’ny mpianany” aloha ilay izy, “ary ny mpianatra kosa nizara izany tamin’ny vahoaka.” Nahagaga fa ampy ho an’ny rehetra ilay izy, ary mbola nisy ambiny aza. Mba eritrereto ange e! Olona an’arivony no nizarana sakafo, nefa olona vitsy no nampiasain’i Jesosy hizara an’ilay izy, dia ny mpianany.

Matio 14:20, 21

nwtsty: Fanazavana Mt 14:21

ankoatra ny zaza amam-behivavy: I Matio irery no miresaka momba ny zaza amam-behivavy, rehefa nitantara an’io fahagagana io. Mety ho nahatratra 15 000 mahery ny isan’ny olona nomena sakafo tamin’izay.

w13 15/7 15 § 1

Olona Vitsy Manome Sakafo Olona Maro

ALAO sary an-tsaina ny zava-nitranga tao akaikin’i Betsaida, tanàna eo amin’ny morony avaratry ny Ranomasin’i Galilia. (Vakio ny Matio 14:14-21.) Taloha kelin’ny Paska taona 32 tamin’izay. Tafavory teo amin’ny toerana mitokana iray i Jesosy sy ny mpianany, niaraka tamin’ny lehilahy 5000 teo ho eo, ankoatra ny zaza amam-behivavy.

Andao Hikaroka Harena Miafina

Matio 15:7-9

nwtsty: Fanazavana Matio 15:7

mpihatsaravelatsihy: Ilay teny grika hoe hypôkrites dia nilazana an’ireo Grika na Romanina mpilalao tantara an-tsehatra, izay nanao saron-tava ngezabe nisy fitaovana fanamafisam-peo. Nampiasaina io teny grika io, tatỳ aoriana, mba hilazana olona manafina ny tena tanjony, olona mamitaka, na mody miseho ho tsara. Ny mpitondra fivavahana jiosy no nantsoin’i Jesosy hoe “mpihatsaravelatsihy” eo.—Mt 6:5, 16.

Matio 15:26

nwtsty: Fanazavana Mt 15:26

zaza ... alikakely: Matetika no manana heviny ratsy ny hoe “alika” ao amin’ny Soratra Masina, satria biby maloto izy ireny, araka ny Lalàn’i Mosesy. (Le 11:27; Mt 7:6; Fi 3:2; Ap 22:15) Tsy dia nanafintohina anefa ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny bokin’i Matio sy Marka (7:27), satria nampitahainy tamin’ny “alikakely” na “alika ompiana ao an-trano” ny tsy Jiosy. Mety ho teny mahafinaritra niantsoana an’ireo biby nompian’ny tsy Jiosy tao an-tranony no nampiasain’i Jesosy teto. Nohariny tamin’ny ‘zaza’ ny Israelita ary tamin’ny “alikakely” ny tsy Jiosy, mba hampisehoana hoe iza no tokony hatao loha laharana. Raha sady misy zaza mantsy ao amin’ny trano iray no misy alika, dia ny zaza no tokony homena sakafo voalohany.

Famakiana Baiboly

Matio 15:1-20

19-25 FEBROARY

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 16-17

“Ny Hevitr’iza no Eritreretinao?”

Matio 16:21, 22

w07 15/2 17 § 17

Ry Lehilahy Manambady, Ekeo ny Fahefan’i Kristy

Indray andro, dia nilaza tamin’ny apostoliny i Jesosy, fa tsy maintsy mankany Jerosalema. “Hampijalin’ny anti-panahy sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna” izy rehefa tonga any, ka “hovonoina ho faty ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.” Nentin’i Petera hihataka kely izy, ary noteneniny mafy hoe: “Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô. Tsy ho izany mihitsy no hiafaranao.” Tia loatra an’i Jesosy i Petera, ka tsy nandinika tsara intsony. Nila fanitsiana àry izy, ka hoy i Jesosy taminy: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana! Vato mahatafintohina ahy ianao, satria tsy ny hevitr’Andriamanitra no eritreretinao, fa ny an’ny olombelona.”—Matio 16:21-23.

Matio 16:23

w15 15/5 13 § 16-17

Miambena Satria Te Handrapaka Anao i Satana

Mety ho voafitak’i Satana na dia ny mpanompon’i Jehovah be zotom-po aza. Diniho, ohatra, izay nitranga rehefa nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy fa efa hovonoina izy. Nitondra an’i Jesosy nihataka kely ny apostoly Petera ka nilaza hoe: “Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô! Tsy hanjo anao mihitsy izany.” Azo inoana fa nitady izay hahasoa an’i Jesosy i Petera. Hentitra anefa i Jesosy namaly azy hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana!” (Mat. 16:22, 23) Nahoana i Jesosy no niantso an’i Petera hoe “Satana”? Satria fantatr’i Jesosy izay hitranga tsy ho ela. Efa akaiky ny fotoana hamonoana azy ho sorona sy hanaporofoany fa mpandainga ny Devoly. Fotoan-dehibe teo amin’ny tantaran’ny olombelona tamin’izay. Tsy tamin’io mihitsy àry i Jesosy no tokony ho “tsara fanahy” tamin’ny tenany. Tena ho faly i Satana raha tsy niambina tsara izy.

Miavaka koa izao fotoana iainantsika izao satria efa akaiky hifarana ny rafitr’ity tontolo ity. Tsy tian’i Satana hiambina tsara isika fa ho “tsara fanahy” amin’ny tenantsika. Tiany hanao izay hahombiazantsika eto amin’ity tontolo ity isika, ka tsy hahita intsony hoe efa akaiky ny andron’i Jehovah. Aza manaiky ho voafitany mihitsy! “Miambena hatrany” kosa. (Mat. 24:42) Aza mino an’ilay laingan’i Satana hoe mbola ho ela na tsy ho tonga mihitsy ny farany.

Matio 16:24

w06 1/4 23 § 9

‘Mandehana Ataovy Mpianatra ny Olona, ka Ataovy Batisa’

Inona avy no tafiditra amin’ny hoe manao ny sitrapon’Andriamanitra toa an’i Jesosy? Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka ahy mandrakariva.” (Matio 16:24) Misy zavatra telo tsy maintsy ataontsika resahiny eo. Voalohany, mila ‘mandà tena’ isika. Izany hoe miala amin’ny fitiavan-tena sy ny fanirian’ny nofo tsy lavorary, ary manaiky ny torohevitra sy ny tari-dalan’Andriamanitra. Faharoa, mila ‘mitondra ny hazo fijaliantsika’ isika. Midika ho fijaliana sy fahafaham-baraka ny hazo fijaliana tamin’ny andron’i Jesosy. Manaiky hiaritra fahoriana koa isika Kristianina, noho ny vaovao tsara. (2 Timoty 1:8) Mety haneso na hanala baraka antsika izao tontolo izao. ‘Tsy mitandro henatra’ toa an’i Kristy anefa isika, fa faly satria mampifaly an’Andriamanitra. (Hebreo 12:2) Farany, mila manaraka an’i Jesosy “mandrakariva” isika.—Salamo 73:26; 119:44; 145:2.

Andao Hikaroka Harena Miafina

Matio 16:18

nwtsty: Fanazavana Mt 16:18

ianao no Petera, ary eo ambonin’ity vatolampy ity: Midika hoe “sila-bato” na “vato” ilay teny grika hoe petrôs (milaza lahy). Anaran’olona (Petera) izy eto. Io ilay anarana amin’ny teny grika nomen’i Jesosy an’i Simona. (Jn 1:42) Nadika hoe “vatolampy” ilay teny grika hoe petra (milaza vavy), ary mety ho vato any ambanin’ny tany na harambato no dikany. Ahitana an’io teny grika io koa ao amin’ny Mt 7:24, 25; 27:60; Lk 6:48; 8:6; Ro 9:33; 1Ko 10:4 ary 1Pe 2:8. Mazava ho azy fa tsy nieritreritra i Petera hoe izy no vatolampy hanorenan’i Jesosy ny fiangonany. Nilaza mantsy izy ao amin’ny 1Pe 2:4-8 fa i Jesosy ilay “vato fehizoro” efa voalaza taloha ela be, ary Andriamanitra mihitsy no nifidy azy. Nilaza koa ny apostoly Paoly fa “fototra” sy “vatolampy ara-panahy” i Jesosy. (1Ko 3:11; 10:4) Nampiasa tsilalaon-teny i Jesosy teo ary izao ny hevitr’ilay izy: ‘Ianao, izay nantsoiko hoe Petera, na Sila-bato, no nahalala hoe iza marina no Kristy, na “ity vatolampy ity.” Eo amboniny no hanorenana ny fiangonana kristianina.’

fiangonako: Eo no ahitana voalohany an’ilay teny grika hoe ekklesia, izay nadika hoe fiangonana. Fitambaran’ny hoe ek midika hoe “ivelany” sy kaleô midika hoe “miantso”, ilay hoe ekklesia. Olona maromaro antsoina mba hiara-manao zavatra iray no hevitr’io teny io. Nilaza mialoha i Jesosy eo fa hiforona ny fiangonana kristianina, ary ireo Kristianina voahosotra no anisan’izy io. “Vato velona” izy ireo ary “aorina ho trano ara-panahy.” (1Pe 2:4, 5) Miverimberina ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ilay teny hoe ekklesia, ary izy io no mifanitsy amin’ilay teny hebreo nadika hoe “fiangonana.” Matetika izy io no ilazana ny vahoakan’Andriamanitra manontolo. (De 23:3; 31:30) Antsoina hoe “fiangonana” ireo Israelita nantsoina niala avy tany Ejipta ao amin’ny As 7:38. Toy izany koa fa ireo Kristianina ‘nantsoina hiala tamin’ny maizina’ sy ‘nofidina avy tamin’izao tontolo izao’ no antsoina hoe “ny fiangonan’Andriamanitra.”—1Pe 2:9; Jn 15:19; 1Ko 1:2.

Matio 16:19

nwtsty: Fanazavana Mt 16:19

lakilen’ny fanjakan’ny lanitra: Olona nomena fahefana no nomena lakile sasany ao amin’ny Baiboly. Mety ho lakile ara-bakiteny izany na an’ohatra. (1Ta 9:26, 27; Is 22:20-22) Midika ho fahefana sy andraikitra àry ilay teny hoe “lakile.” Nampiasain’i Petera ireo ‘lakile’ nomena azy mba hahafahan’ny Jiosy (As 2:22-41) sy ny Samaritanina (As 8:14-17) ary ny hafa firenena (As 10:34-38) hahazo ny fanahin’Andriamanitra, ka hiditra ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra.

Famakiana Baiboly

Matio 16:1-20

26 FEBROARY–4 MARTSA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 18-19

“Mitandrema mba Tsy Hanota na Hanafintohina ny Hafa”

Matio 18:6, 7

nwtsty: Fanazavana Mt 18:6, 7

vato lehibe fikosoham-bary: Na “vato fikosoham-bary ahodin’ny ampondra.” A.b.t. “vato fikosoham-barin’ny ampondra.” Mavesatra be io karazana vato fikosoham-bary io, ka nasaina nahodin’ny ampondra. Toa nirefy 1,2 ka hatramin’ny 1,5 m mantsy ny savaivony.

vato mahatafintohina: Avy amin’ny teny grika hoe skandalôn. Misy mihevitra fa fandrika no dikan’izy io tany am-boalohany. Misy indray mieritreritra hoe ilay tsorakazo nasiana jono hatao fandrika izy io. Nilazana an’izay rehetra mety hamandrika na hampianjera io teny io, tatỳ aoriana. Manana heviny an’ohatra koa izy io, ary ilazana zavatra ataon’ny olona iray na toe-javatra mahatonga azy na ny olon-kafa hanao ratsy, haloto fitondran-tena, na hanota. Azo adika hoe “lasa fandrika” ilay matoanteny grika hoe skandalizô. Nadika hoe “mahatonga hanota” izy io, ao amin’ny Mt 18:8, 9.

nwtsty: Sary

Vato Fikosoham-bary

Nampiasaina hitotoana voa madinika na hamiazana oliva mba hahazoana menaka ny vato fikosoham-bary. Kely kokoa ny sasany taminy ka azo nahodin-tanana. Ny hafa kosa ngezabe ka nasaina nahodin’ny biby. Mety ho nitovitovy tamin’io vato lehibe fikosoham-bary io ilay nasain’ny Filistinina nahodin’i Samsona. (Mpts 16:21) Tsy tany Israely ihany no nisy vato fikosoham-bary nahodin’ny biby, fa tany amin’ny faritra maro anisan’ny Fanjakana Romanina koa.

Vato Ambony sy Vato Ambany

Biby fiompy toy ny ampondra no nampiasaina hanodina vato lehibe fikosoham-bary. Nampiasaina hitotoana voa madinika na hamiazana oliva izy io. Mety ho nahatratra 1,5 m ny savaivon’ilay vato ambony, izay nahodina teo ambonin’ny vato iray lehibe kokoa (na vato ambany).

Matio 18:8, 9

nwtsty: Fanazavana Mt 18:9

Gehena: Avy amin’ilay teny hebreo hoe geh hinnôm, izay midika hoe “lohasahan’i Hinoma.” Tany amin’ny faritra andrefana sy atsimon’i Jerosalema fahiny no nisy azy io. (Jereo sgd Fiz. 16, sarintany “Jerosalema sy ny Faritra Manodidina.”) Lasa lohasaha fandorana fako izy io tamin’ny andron’i Jesosy. Nety tsara àry ilay teny hoe “Gehena” mba hilazana fandringanana tanteraka.

bi12, 3E

Gehena

“Lohasahan’i Hinoma” no dikan’ny hoe “Gehena”, satria io no teny grika mifanitsy amin’ilay teny hebreo hoe geh hinnôm. ... Tany atsimoandrefan’i Jerosalema fahiny no nisy ny lohasahan’i Hinoma. (Js 15:8; 18:16; Je 19:2, 6) ... Natsipy tao ny fatim-biby mba ho levon’ny afo. ... Tsy nisy biby na olona velona natsipy tao amin’ny Gehena mba hodorana na hampijalina. Tsy marina mihitsy àry ny hoe toerana tsy hita maso ampijalijaliana mandrakizay ny fanahin’ny olona amin’ny afo ara-bakiteny ny Gehena ... Noho izany, ny Gehena dia nampiasain’i Jesosy sy ny mpianany hilazana fandringanana mandrakizay, fanafoanana tsy ho eo amin’izao rehetra izao, na “fahafatesana faharoa”, izany hoe sazy mandrakizay.—Ap 19:20; 20:10, 14, 15; 21:8.

Matio 18:10

nwtsty: Fanazavana Mt 18:10

mahita ny tavan’ny Raiko: Na “afaka mankeo anatrehan’ny Raiko.” Ny anjely ihany no afaka mahita ny tavan’Andriamanitra, satria afaka mankeo anatrehan’Andriamanitra izy ireo.—Ek 33:20.

w10 1/11 16

Momba An’ireo Anjely

Nilaza i Jesosy fa anjara asan’ny anjely ny manampy ny olona hifandray tsara amin’Andriamanitra. Hoy àry izy rehefa nampitandrina ny mpianany mba tsy hanafintohina ny hafa: “Tandremo sao manao tsinontsinona ny iray amin’ireny madinika ireny ianareo. Fa lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireo any an-danitra, dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko any an-danitra.” (Matio 18:10) Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe manana anjely mpiambina ny mpanara-dia azy tsirairay. Te hilaza kosa izy fa mandinika ny tena Kristianina ireo anjely miara-miasa akaiky amin’Andriamanitra.

Andao Hikaroka Harena Miafina

Matio 18:21, 22

nwtsty: Fanazavana Mt 18:22

impito amby fitopolo: A.b.t. “fitopolo impito.” Avy amin’ny teny grika midika hoe “70 ampiana 7” (im-77) na “70 ampitomboina 7” (in-490). Misy an’io teny grika io koa ao amin’ny Ge 4:24, Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Nadika hoe “fito amby fitopolo heny” (im-77) ilay teny hebreo tany am-boalohany ao amin’io andininy io. Manondro isa “tsy voafetra” ilay isa fito miverina indroa. Novan’i Jesosy hoe 77 àry ilay isa 7 nolazain’i Petera, mba hampirisihana ny mpanara-dia azy hamela heloka foana fa tsy hanisy fetrany. Izao kosa no lazain’ny Talmoda Babyloniana (Yoma 86b): “Raha manao fahotana iray ny lehilahy iray, dia avela ny helony raha manao azy io voalohany sy fanindroany ary fanintelony izy, fa tsy avela kosa ny helony rehefa manao azy io faninefany izy.”

Matio 19:7

nwtsty: Fanazavana Mt 19:7

taratasy fisaraham-panambadiana: Voalazan’ny Lalàna fa tokony hikarakaraka taratasy ara-dalàna ny lehilahy te hisara-panambadiana, sady nila niresaka tamin’ny anti-panahy. Afaka nandinika tsara izy amin’izay, raha tena nila nandray an’io fanapahan-kevitra lehibe io na tsia. Nanampy ny olona tsy ho maimay hisaraka àry io Lalàna io, sady niaro ny vehivavy. (De 24:1) Lasa mora anefa ny nisara-panambadiana tamin’ny andron’i Jesosy, noho ny zavatra nataon’ny mpitondra fivavahana. Fariseo nisara-panambadiana i Josèphe, mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza izy fa azo natao ny nisara-panambadiana, “na inona na inona antony (ary nahita antony maro hisarahana tamin’ny vadiny ny lehilahy).”

nwtsty: Sary

Taratasy Fisaraham-panambadiana

Taratasy fisaraham-panambadiana amin’ny teny aramianina izy io. Nosoratana tamin’ny taona 71 na 72 io taratasy io, ary hita tany avaratry ny Reniranon’i Murabbaat, izay efa maina, any an-tany efitr’i Jodia. Fisaraham-panambadiana tamin’ny taona fahenina nikomian’ny Jiosy no resahiny. Voalaza ao hoe nisaraka tamin’i Miriama, zanak’i Jonatana, i Josefa zanak’i Naksana, izay nipetraka tany Masada.

Famakiana Baiboly

Matio 18:18-35

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara