Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
5-11 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 20-21
“Na Iza na Iza Te ho Lehibe Aminareo dia Tsy Maintsy ho Mpanomponareo”
nwtsty: Fanazavana
Tsena
Teny amoron-dalana ny tsena sasany, toy ny hitantsika ao amin’ilay Tari-dalana ho An’ny Fivoriana. Be dia be ny entan’ny mpivarotra matetika, ka nibahan-dalana. Namidy teny, ohatra, ny kojakojan-tokantrano, ny zavatra vita tamin’ny tanimanga na vera lafo vidy, ary ny vokatry ny tany. Nila niantsena isan’andro ny olona, satria mbola tsy nisy vata fampangatsiahana tamin’izany. Afaka nandre vaovao avy tamin’ny mpandalo sy ny mpivarotra teny an-tsena ny mpividy. Nisy ankizy nilalao koa teny, ary nisy olona tsy an’asa niandry an’izay hanakarama azy. Nanasitrana marary teny an-tsena i Jesosy, ary teny koa i Paoly no nitory. (As 17:17) Ireo mpanora-dalàna sy Fariseo nanambony tena kosa nankeny amin’ireny toerana be olona ireny, mba ho hitan’ny olona sy hoarahabainy.
nwtsty: Fanazavana Mt 20:20, 21
renin’izy roa lahy zanak’i Zebedio: Renin’ny apostoly Jakoba sy Jaona. Izy roa lahy no nanatona an’i Jesosy, araka ny fitantaran’i Marka. Azo inoana fa izy ireo no tena tompon-kevitra fa nirahiny fotsiny i Salome reniny, izay mety ho nenitoan’i Jesosy.—Mt 27:55, 56; Mr 15:40, 41; Jn 19:25.
ny iray eo ankavananao, ary ny iray eo ankavianao: Samy toerana ahazoana voninahitra sy fahefana ireo, saingy lehibe kokoa foana ny voninahitr’ilay eo ankavanana.—Sl 110:1; As 7:55, 56; Ro 8:34.
nwtsty: Fanazavana Mt 20:26, 28
mpanompo: Matetika ny teny grika hoe diakônôs no ilazana olona manetry tena, izay tsy mitsahatra manampy ny hafa. Io teny io no iantsoana an’i Kristy (Ro 15:8), ny mpanompon’i Kristy (1Ko 3:5-7; Kl 1:23), ny mpanampy amin’ny fanompoana (Fi 1:1; 1Ti 3:8), ny mpanompo ao an-trano (Jn 2:5, 9), ary ny manam-pahefana (Ro 13:4).
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Mt 21:9
Mba vonjeo re: A.b.t: “Hosana.” Avy amin’ny teny hebreo midika hoe “mba vonjeo re” io teny grika io. Fiangaviana amin’Andriamanitra izy eto mba hamonjy na hanome fandresena. Nampiasaina io teny io tatỳ aoriana rehefa mivavaka na midera. Ahitana an’ilay teny hebreo ao amin’ny Salamo 118:25. Anisan’ny Salamo faha-113-118 (Hallel), nohiraina isaky ny vanim-potoanan’ny Paska, io andininy io. Tonga dia nahatsiaro an’ireo teny ireo àry ny vahoaka, tamin’izay. Novalian’Andriamanitra ilay vavaka nataon’izy ireo mba hamonjena ny zanak’i Davida. Natsangany tamin’ny maty, ohatra, izy io. Naka teny tao amin’ny Sl 118:22, 23 i Jesosy ao amin’ny Mt 21:42, ary nampihariny tamin’ny Mesia ilay izy.
Zanak’i Davida: Hita amin’io teny io fa niaiky ilay vahoaka hoe taranak’i Davida tokoa i Jesosy, ary izy ilay Mesia nampanantenaina.
Nampiasa Aviavy Izy mba Hampianarana Momba ny Finoana
Nahoana no nozonin’i Jesosy mba halazo ilay aviavy? Hoy izy nanazava ny antony: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa raha mba manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia ho vitanareo izay nataoko tamin’ilay aviavy. Ary tsy izany ihany fa raha hilaza amin’ity tendrombohitra ity ianareo hoe: ‘Mialà eto ka mianjerà any an-dranomasina’, dia hitranga tokoa izany. Ary ho azonareo izay rehetra angatahinareo amim-bavaka, rehefa manam-pinoana ianareo.” (Matio 21:21, 22) Naveriny indray àry ilay hevitra hoe mahafindra tendrombohitra ny finoana.—Matio 17:20.
Nozonin’i Jesosy àry ilay hazo, mba hampianarana ny mpianany hoe ilaina ny mino an’Andriamanitra. Hoy izy: “Raha ny amin’izay rehetra angatahinareo amim-bavaka, dia minoa hoe efa azonareo sahady izany, dia ho azonareo izany.” (Marka 11:24) Lesona lehibe ho an’izay rehetra manara-dia an’i Jesosy io. Ny apostoly no tena nila an’izany satria niatrika fitsapana izy ireo tsy ela taorian’izay. Mbola misy zavatra hafa ifandraisan’ilay aviavy nalazo sy ny finoana anefa.
Namitaka ny endrik’ilay aviavy, ary toy izany koa ny firenen’Israely. Nanao fifanekena tamin’Andriamanitra izy ireo, ary hoatran’ny hoe nankatò ny Lalàny raha nojerena ivelany. Hita anefa fa sady tsy nanam-pinoana ilay firenena no tsy namokatra voa tsara, tamin’ny ankapobeny. Ny Zanak’Andriamanitra aza nolaviny! Nozonin’i Jesosy mba halazo àry ilay aviavy tsy namokatra, mba hampisehoana an’izay hiafaran’io firenena tsy nanam-pinoana sy tsy namokatra io.
Famakiana Baiboly
12-18 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 22-23
“Ankatoavy Ireo Didy Roa Lehibe Indrindra”
nwtsty: Fanazavana Mt 22:37
fo: Ilazana ny maha izy ny olona iray manontolo izy io amin’ny heviny an’ohatra. Voafaritra kokoa anefa ny hevitr’ilay teny hoe “fo” rehefa miaraka amin’ny hoe “tena” sy “saina.” Entina ilazana ny fihetseham-po sy ny fanirian’ilay olona izy io amin’izay. Tsy hoe samy manana ny heviny anefa ireo teny telo ampiasaina eto (fo, tena, ary saina), fa samy manondro ny maha izy an’ilay olona manontolo. Asongadina eto àry fa mila tia tanteraka an’Andriamanitra isika.
saina: Izany hoe ny zavatra mety ho vitan’ny saina. Tsy maintsy mampiasa ny sainy ny olona iray raha te hahalala an’Andriamanitra sy hampitombo ny fitiavany azy. (Jn 17:3; Ro 12:1) Avy ao amin’ny De 6:5 io andininy noresahin’i Matio io. Ilay hoe ‘fo, tena, ary hery’ no nampiasaina tao amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany. Ilay teny grika nadika hoe “saina” anefa no ampiasaina ao amin’ny bokin’i Matio fa tsy ilay hoe ‘hery.’ Fa nahoana? Tsy nanana teny ilazana ny hoe “saina” ny teny hebreo fahiny. Efa tafiditra ao amin’ny hevitr’ilay teny hebreo nadika hoe “fo” ny hoe “saina” matetika. Ilazana ny maha izy an’ilay olona manontolo ny hoe “fo” amin’ny heviny an’ohatra. Anisan’izany ny zavatra eritreretin’ilay olona, ny fihetseham-pony, ny toe-tsainy, ary ny antony mahatonga azy hanao zavatra. (De 29:4; Sl 26:2; 64:6; jereo ny fanazavana ny hoe fo etsy aloha.) Izany no mahatonga ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo hampiasa matetika an’ilay teny grika mifanitsy amin’ny hoe “saina”, rehefa mampiasa an’ilay teny hoe “fo” ny soratra hebreo. (Ge 8:21; 17:17; Oh 2:10; Is 14:13) Inona koa no mety ho nahatonga an’i Matio hampiasa an’ilay teny grika nadika hoe “saina” fa tsy ilay hoe “hery”, rehefa nanonona ny De 6:5? Satria mety hidika hoe herim-batana sy ny zavatra mety ho vitan’ny saina ilay teny hebreo nadika hoe “hery.” Hita avy amin’io fa mifandray ny hevitry ny teny hebreo sy ny teny grika. Izany angamba no nahatonga ny mpanoratra ny Filazantsara tsy hampiasa teny mitovy amin’ilay ao amin’ny Deoteronomia.
nwtsty: Fanazavana Mt 22:39
Ny faharoa: Resahin’ny Mt 22:37 ny valin-tenin’i Jesosy tamin’ilay Fariseo nanontany azy. Tsy hoe namaly an’ilay fanontaniana fotsiny anefa i Jesosy fa nanonona didy faharoa koa, araka ny hitantsika eto. (Le 19:18) Tiany hampianarina hoe tsy afa-misaraka ireo didy roa ireo, ary voafintin’izy ireo ny zavatra tian’ny Mpaminany sy ny Lalàna manontolo hambara.—Mt 22:40.
namanao: Mety hidika hoe mpifanolo-bodirindrina ilay teny grika nadika hoe ‘namana’ (a.b.t.: “ny akaiky”). Azo ilazana an’izay rehetra mifanerasera amin’ny olona iray koa anefa io teny io.—Lk 10:29-37; Ro 13:8-10.
nwtsty: Fanazavana Mt 22:40
ny Lalàna ... ny Mpaminany: Entina ilazana ny bokin’ny Genesisy ka hatramin’ny Deoteronomia ilay hoe “ny Lalàna.” Manondro an’ireo bokim-paminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo kosa ilay hoe “ny Mpaminany.” Azo ilazana ny Soratra Hebreo manontolo anefa ireo teny ireo rehefa miaraka.—Mt 7:12; 22:40; Lk 16:16.
fototry: Midika ara-bakiteny hoe “ihantonan’ny” ilay matoanteny grika nadika hoe ‘fototra.’ Te hilaza àry i Jesosy eto fa tsy ny Lalàna misy an’ireo Didy Folo fotsiny no mifototra amin’ny fitiavana, fa ny Soratra Hebreo manontolo mihitsy.—Ro 13:9.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Mt 22:21
amin’i Kaisara izay an’i Kaisara: Eto sy ao amin’ny tantara mitovy aminy ao amin’ny Mr 12:17 sy Lk 20:25 ihany no ahitana ny tenin’i Jesosy momba ny mpanjaka romanina. Anisan’ilay hoe “izay an’i Kaisara” ny hetra aloa amin’ny fanjakana noho izay ataony ho an’ny vahoaka. Eo koa ny fanajana tokony homena ny manam-pahefana sy ny fanekena azy ireo.—Ro 13:1-7.
amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra: Anisan’izany ny fanompoantsika azy amin’ny fo manontolo, ny fitiavantsika azy amin’ny fo manontolo, ary ny fankatoavantsika azy tanteraka.—Mt 4:10; 22:37, 38; As 5:29; Ro 14:8.
nwtsty: Fanazavana Mt 23:24
tantavaninareo ny moka amin’ny zava-pisotronareo, nefa atelinareo ny rameva: Ny moka no anisan’ny kely indrindra tamin’ny zavaboary maloto tamin’ny Israelita, ary ny rameva no anisan’ny lehibe indrindra. (Le 11:4, 21-24) Nampitombo fomba filaza i Jesosy eto sady naneso an’ireo mpitondra fivavahana. Nilaza izy hoe notantavanin’izy ireo ny zava-pisotrony, sao izy ireo hahatelina moka ka haloto. Tsy noraharahain’izy ireo mihitsy anefa ny zavatra mavesa-danja kokoa ao amin’ny Lalàna. Mitovy amin’ny hoe mitelina rameva izany.
Famakiana Baiboly
19-25 MARTSA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 24
“Miezaha Foana Hiambina Amin’izao Andro Farany Izao”
it “Fitiavana”: “Mety hihamangatsiaka ny fitiavana”
Fitiavana
Mety hihamangatsiaka ny fitiavana. Nilaza mialoha tamin’ny mpianany i Jesosy Kristy hoe hihamangatsiaka ny fitiavan’ny (agape) olona maro milaza ho mino an’Andriamanitra. (Mt 24:3, 12) Nilaza koa ny apostoly Paoly fa anisan’ny hampiavaka an’ilay fotoan-tsarotra ho avy ny hoe “ho tia vola” ny olona. (2Ti 3:1, 2) Mazava araka izany fa mety tsy hiraharaha intsony an’ireo toro lalan’Andriamanitra ny olona, ary mety ho lefy ilay fitiavana nananany teo aloha. Zava-dehibe àry ny maneho fitiavana foana sy mampitombo azy io. Ahoana no hanaovana izany? Ilaina ny misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra sy miaina mifanaraka amin’ny toro lalan’Andriamanitra.—Ef 4:15, 22-24.
Manefa Ilay Hany Adidinao Amin’Andriamanitra ve Ianao?
Hoy i Jesosy Kristy, mahakasika izao fotoan-tsarotra iainantsika izao: “Tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona. Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:37-39). Raha atao amin’ny antonony, dia tsy misy maharatsy azy ny mihinana sy misotro, ary ny fanambadiana dia fandaharana iray izay Andriamanitra mihitsy no namorona azy. (Genesisy 2:20-24). Raha takatsika anefa fa nanjary zavatra lehibe indrindra ahintsika ireo zava-panao mahazatra eo amin’ny fiainana, nahoana raha atao antom-bavaka izany? I Jehovah dia afaka manampy antsika hihazona ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany, sy hanao izay mahitsy, ary hanefa ny adidintsika aminy.—Matio 6:33; Romanina 12:12; 2 Korintianina 13:7.
Nangataka Famantarana ny Apostoly
Nampirisika ny mpianany izy mba ho mailo foana sy hiambina ary ho vonona. Nanamafy an’izany izy ka nilaza ity fanoharana ity: ‘Fantaro izao: Raha fantatry ny tompon-trano hoe amin’ny fotoam-piambenana fahafiry no hahatongavan’ny mpangalatra, dia ho niari-tory niambina izy ka tsy ho namela ny tranony hovakina. Noho izany, dia aoka koa ianareo ho vonona, satria amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.’—Matio 24:43, 44.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Mt 24:8
fahoriana: Midika ara-bakiteny hoe “fanaintainana tsapan’ny vehivavy efa hiteraka” ilay teny grika nadika hoe “fahoriana.” Entina ilazana ny fahoriana sy ny fijaliana ary ny fanaintainana tsapan’ny olon-drehetra anefa izy io eto. Mety hidika koa anefa io teny io fa hitranga matetika kokoa sy hihamafy ary haharitra kokoa ny fijaliana, alohan’ny hahatongavan’ny fahoriana lehibe resahin’ny Mt 24:21. Mitovy amin’ny fanaintainana tsapan’ny vehivavy efa hiteraka izany.
nwtsty: Fanazavana Mt 24:20
amin’ny ririnina: Sarotra ny nanao dia sy nitady sakafo sy fialofana rehefa ririnina, satria nisy oram-be sy tondra-drano sady nangatsiaka be ny andro.—Ezr 10:9, 13.
amin’ny andro sabata: Maro ny zavatra tsy azo natao rehefa Sabata tany amin’ny faritra maro, ohatra hoe tao Jodia. Sarotra tamin’ny olona nipetraka tany àry ny hoe hanao dia lavitra sy hitondra entam-be. Nihidy koa ny vavahadin’ny tanàna rehefa Sabata.—Jereo As 1:12 sy sgd Fizarana 16.
Famakiana Baiboly
26 MARTSA–1 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 25
“Miambena Hatrany”
Andao Hikaroka Harena Miafina
Tohano Foana ny Rahalahin’i Kristy
Mazava tsara amintsika izao ilay fanoharana momba ny ondry sy osy. Iza ireo resahina ao? I Jesosy no “Zanak’olona” na Mpanjaka. Ireo lehilahy sy vehivavy voahosotra hiara-manjaka aminy any an-danitra no ‘rahalahin’ilay’ Mpanjaka. (Rom. 8:16, 17) Olona avy amin’ny firenena rehetra kosa ny “ondry” sy “osy”, ary tsy voahosotry ny fanahy masina. Rahoviana ilay fotoam-pitsarana? Aloha kelin’ny hifaranan’ny fahoriana lehibe. Ary nahoana ny olona iray no atao hoe ondry na osy? Miankina amin’izay ataony amin’ny voahosotra rahalahin’i Kristy mbola eto an-tany izany. Efa tena akaiky ny faran’ity tontolo ity. Faly tokoa àry isika satria nohazavain’i Jehovah tsikelikely io fanoharana io sy ireo fanoharana hafa mifandray aminy, ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25.
“Ianareo no Namako”
Raha manantena ny ho anisan’ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra ianao, ahoana no ampisehoanao fa naman’ireo rahalahin’i Kristy ianao? Ireto misy fomba telo. Voalohany, mila mazoto mandray anjara amin’ny asa fitoriana ianao. Nasain’i Kristy nitory ny vaovao tsara maneran-tany ireo rahalahiny. (Mat. 24:14) Ho sarotra amin’ireo rahalahiny sisa eto an-tany anefa ny hanatontosa izany, raha tsy manampy azy ny ondry hafa. Manampy an’ireo rahalahin’i Kristy hamita an’io asa nanendrena azy io àry ny ondry hafa, isaky ny mandray anjara amin’ny asa fitoriana. Tena ankasitrahan’i Kristy sy ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina izany fanampiana izany.
Faharoa, manampy an’ireo rahalahin’i Kristy ny ondry hafa rehefa manohana ara-bola ny asa fitoriana. Nampirisihin’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba hanao izay hahazoana namana amin’ny alalan’ny “harena tsy marina.” (Lioka 16:9) Tsy hoe azo vidim-bola akory ny fisakaizana amin’i Jehovah sy Jesosy. Rehefa mampiasa ny fananantsika kosa isika mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana, dia porofointsika fa tena namany isika ary tia azy ireo. Asehontsika “amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana” izany, fa tsy amin’ny teny fotsiny. (1 Jaona 3:16-18) Manao izany isika rehefa miala vola am-paosy mba hahatongavana any amin’ny toerana hitoriana, manome vola mba hanorenana sy hikojakojana ny trano fivoriantsika, ary manohana ara-bola ny asa fitoriana atao maneran-tany. Tena ankasitrahan’i Jehovah sy Jesosy ireo manome amim-pifaliana, na kely na be no omeny.—2 Kor. 9:7.
Fahatelo, asehontsika fa naman’i Kristy isika raha manaraka ny tari-dalana omen’ireo anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Voatendrin’ny fanahy masina, teo ambany tari-dalan’i Kristy, ireo lehilahy ireo. (Efes. 5:23) Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo.” (Heb. 13:17) Mety ho sarotra amintsika, indraindray, ny manaraka ny tari-dalana ara-baiboly omen’ny anti-panahy. Fantatsika angamba ny fahalemen’izy ireo, ka mety handika vilana ny toroheviny isika. Mampiasa an’ireo lehilahy tsy lavorary ireo anefa i Kristy, ilay Lohan’ny fiangonana. Misy vokany amin’ny fisakaizantsika amin’i Kristy àry ny fanekentsika na tsia ny fahefan’izy ireo. Asehontsika fa tia an’i Kristy isika, raha tsy mifantoka amin’ny fahadisoan’ny anti-panahy, fa manaraka amim-pifaliana ny tari-dalany.
Famakiana Baiboly