Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
2-8 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 26
“Inona no Itovizan’ny Paska sy ny Fahatsiarovana ary Inona no Maha Samy Hafa Azy?”
nwtsty: Sary
Ny Sakafon’ny Paska
Ireto no sakafo tsy maintsy nohanina tamin’ny Paska: 1) Zanak’ondry natono (tsy nisy notapahina ny taolan’ilay biby), 2) mofo tsy misy lalivay, ary 3) anana mangidy. (Ek 12:5, 8; No 9:11) Milaza ny Mishnah (fanazavana natambatambatra izay nanaovana ny Talmoda) fa mety ho salady, na herokeroka, na anana dia, na saladingita, na beroberobazaha ilay anana mangidy. Nampahatsiahy an’ireo Israelita ny fijaliana mangidy niainan’izy ireo tany Ejipta izany. Noharin’i Jesosy tamin’ny vatany lavorary ilay mofo tsy nisy lalivay. (Mt 26:26) Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “zanak’ondrin’ny Paska” i Jesosy. (1Ko 5:7) Anisan’ny naroso nandritra ny sakafon’ny Paska koa ny divay (4), tamin’ny taonjato voalohany. Noharin’i Jesosy tamin’ny divay ny rany, izay hafoiny hanavotana antsika.—Mt 26:27, 28.
nwtsty: Fanazavana Mt 26:26
no: Estin izy io amin’ny teny grika ary “mitovy amin’ny, midika ho, na mifanitsy amin’ny” no heviny. Tonga dia nazava tamin’ireo apostoly hoe tsy ho ny vatan’i Jesosy ara-bakiteny mihitsy ilay mofo. Teo anoloan’izy ireo mantsy ny vatan’i Jesosy, izay lavorary, ary efa hihinana ny mofo tsy nisy lalivay koa izy ireo tamin’izay. Tsara homarihina fa ampiasaina ao amin’ny Mt 12:7 koa io teny grika io, ary maro ny Baiboly mandika azy io hoe “hevitry ny.”
nwtsty: Fanazavana Mt 26:28
ran’ny fifanekena: Ny soron’i Jesosy no nampanan-kery an’ilay fifanekena vaovao nataon’i Jehovah tamin’ny Kristianina voahosotra. (He 8:10) Ilay teny nampiasain’i Jesosy ao amin’io andininy io ihany ilay nampiasain’i Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, tamin’ny fotoana nanaovana ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny Israely. Izy rahateo no mpanelanelana azy io. (Ek 24:8; He 9:19-21) Ran’omby sy ran’osy no nampanan-kery ny fifaneken’ny Lalàna nataon’Andriamanitra sy ny firenen’Israely. Toy izany koa fa ny ran’i Jesosy no nampanan-kery ny fifanekena vaovao hataon’i Jehovah amin’ny Israely ara-panahy. Nanomboka nanan-kery io fifanekena io tamin’ny Pentekosta taona 33.—He 9:14, 15.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Mt 26:17
Tamin’ny andro voalohan’ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay: Nanomboka ny 15 Nisana ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay, izany hoe ny andro nanaraka ny Paska (14 Nisana), ary naharitra fito andro. (Jereo ny sgd Fiz. 19.) Tamin’ny andron’i Jesosy, dia nantsoina hoe “fetin’ny mofo tsy misy lalivay” ireo valo andro ireo, anisan’izany ny 14 Nisana. Nifanakaiky kely mantsy ny fankalazana ny Paska sy ilay fety. (Lk 22:1) Azo adika hoe “ny andro talohan’ny” ilay hoe “tamin’ny andro voalohan’ny” eo amin’io andininy io. (Ampitahao amin’ny Jn 1:15, 30. Natao hoe ‘talohan’ny’ ilay teny grika nadika hoe “voalohan’ny” [prôtôs] ao amin’ireo andininy ireo, ka lasa hoe “efa nisy talohako [prôtôs] izy.”) Ny 13 Nisana àry ny mpianatra no nanontany an’i Jesosy, rehefa jerena ilay teny grika tany am-boalohany sy ny fomba amam-panaon’ny Jiosy. Nanomana ny Paska ny mpianatr’i Jesosy ny 13 Nisana. Nankalazaina “tamin’ny takariva” izy io, izany hoe rehefa nanomboka ny 14 Nisana.—Mr 14:16, 17.
nwtsty: Fanazavana Mt 26:39
esory ... ity kaopy ity: Matetika no ampiasaina an’ohatra ny teny hoe “kaopy” ao amin’ny Baiboly, mba hilazana ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny olona iray. Nivavaka i Jesosy mba hesorina aminy io “kaopy” io. Azo antoka mantsy fa tena nanahy izy sao hanala baraka an’Andriamanitra ny fahafatesany, rehefa nampangaina ho nanevateva an’Andriamanitra sy nitaona olona hikomy izy.
Famakiana Baiboly
9-15 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 27-28
“Nahoana Isika no Manao Mpianatra? Aiza no Hanaovana Azy? Ary Amin’ny Fomba Ahoana?”
‘Mandehana Ataovy Mpianatra ny Olona’
Manana fahefana eo amin’ny fiangonany i Jesosy, ary lasa mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy tamin’ny 1914. (Kolosianina 1:13; Apokalypsy 11:15) Izy no arkanjely. Noho izany, dia mibaiko ny tafika misy anjely an-jatony tapitrisa any an-danitra izy. (1 Tesalonianina 4:16; 1 Petera 3:22; Apokalypsy 19:14-16) Nomen’ny Rainy fahefana koa izy hanafoana “ny fitondrana sy ny fahefana ary ny hery rehetra”, izay manohitra ny toro lalany marina. (1 Korintianina 15:24-26; Efesianina 1:20-23) Tsy ny velona ihany anefa no ananan’i Kristy fahefana. ‘Mpitsara ny velona sy ny maty’ koa izy, ary nomen’Andriamanitra hery hananganana ny olona avy amin’ny torimason’ny fahafatesana. (Asan’ny Apostoly 10:42; Jaona 5:26-28) Azo antoka fa tokony hoheverina ho zava-dehibe indrindra ny didy avy amin’Ilay manana fahefana lehibe toy izany. Manaja ny fahefan’i Kristy àry isika, sy mankatò an-tsitrapo ilay didiny hoe ‘mandehana, ataovy mpianatra ny olona.’
nwtsty: Fanazavana Mt 28:19
ataovy mpianatra: Azo adika hoe “mampianatra” ilay matoanteny grika hoe mateteoô, ary ny hahatonga an’ilay olona ho lasa mpianatra no tanjona. (Ampitahao amin’ny Mt 13:52. Adika hoe “nampianarina” io matoanteny io ao.) Hita amin’ilay matoanteny hoe “ataovy batisa” sy hoe “ampianaro” ny asa tafiditra amin’ilay didy hoe “ataovy mpianatra.”
ny olona any amin’ny firenena rehetra: Avy amin’ny teny grika midika ara-bakiteny hoe “firenena rehetra.” Hita amin’ny teny manodidina anefa fa ny olona any amin’ny firenena rehetra no tena dikany. Misy mpisolo tena milaza olona maro mantsy miaraka amin’ilay teny grika nadika hoe ataovy batisa. Vaovao ilay didy hoe mandeha manampy “ny olona any amin’ny firenena rehetra.” Talohan’ny nahatongavan’i Jesosy, dia afaka nankany Israely ny hafa firenena raha te hanompo an’i Jehovah niaraka tamin’ny Jiosy. (1Mp 8:41-43) Hita amin’io didy io anefa fa nasain’i Jesosy nandeha nitory tamin’ny olona tsy Jiosy koa ny mpianany. Nasongadiny hoe mila manao mpianatra ny olona eran-tany ny Kristianina.—Mt 10:1, 5-7; Ap 7:9.
nwtsty: Fanazavana Mt 28:20
Ampianaro izy: Manoro, manazava, mandresy lahatra, ary manome porofo no dikan’ilay teny grika nadika hoe “mampianatra.” (Jereo fanazavana Mt 3:1; 4:23.) Ezaka mitohy àry ilay hoe mampianatra ny olona hitandrina izay rehetra nandidian’i Jesosy. Ilaina ny mampianatra sy mampihatra an’izay nampianariny, ary manaraka ny modeliny.—Jn 13:17; Ef 4:21; 1Pe 2:21.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Mt 27:51
ridao: Lamba matevina izy io sady voaravaka tsara tarehy. Izy io no nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra tao amin’ny tempoly. Asehon’ny lovantsofina jiosy fa nahatratra 18 m teo ho eo ny lavan’izy io, 9 m ny sakany, ary 7,4 sm ny hateviny. Tezitra tamin’ireo namono ny Zanany i Jehovah ka nataony nitriatra roa ilay ridao. Nasehony tamin’izany koa anefa hoe efa azo atao amin’izay ny mankany an-danitra.—He 10:19, 20.
toerana masina: Naôs izy io amin’ny teny grika ary ilazana ny tempoly fotsiny, izany hoe ilay nisy ny Masina sy ny Masina Indrindra.
nwtsty: Fanazavana Mt 28:7
milaza amin’ny mpianany hoe: ‘Efa natsangana tamin’ny maty izy’: Ireo vehivavy ireo no voalohany nilazana hoe efa natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Izy ireo koa no nasaina nilaza izany tamin’ireo mpianatr’i Jesosy hafa. (Mt 28:2, 5, 7) Tsy azon’ny vehivavy natao ny nijoro ho vavolombelona tao amin’ny fitsarana, araka ny lovantsofina jiosy. Nanome voninahitra an’ireo vehivavy ireo anefa ilay anjelin’i Jehovah, ka nanome azy tombontsoa hilaza an’io vaovao mahafaly io.
Famakiana Baiboly
16-22 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MARKA 1-2
“Voavela ny Helokao”
“Voavela ny Helokao”
Nisy lehilahy efatra tonga nitondra lehilahy malemy teo ambony fandriana, raha mbola nampianatra tao amin’ilay efitra feno olona i Jesosy. Tian’izy ireo hositranin’i Jesosy ilay namany. Tsy afaka “nitondra azy teo amin’i Jesosy” anefa izy ireo, satria feno olona ilay trano. (Marka 2:4) Angamba izy ireo kivy be. Nianika tany amin’ny tafo àry izy ireo, noloahany ny tafo, ary nampidininy teo ny fandriana nisy an’ilay lehilahy.
Tezitra ve i Jesosy satria voahelingelina? Tsia. Nampiaiky azy ny finoan’izy ireo ary hoy izy tamin’ilay lehilahy malemy: “Voavela ny helokao.” (Matio 9:2) Tena afaka mamela heloka ve anefa i Jesosy? Tsy nanaiky an’izany ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ka nieritreritra hoe: “Nahoana ilehio no miteny toy izany? Manevateva an’Andriamanitra izy. Fa iza no afaka mamela heloka afa-tsy Andriamanitra ihany?”—Marka 2:7.
Fantatr’i Jesosy ny tao an-tsain’izy ireo ka hoy izy: “Nahoana ianareo no mieritreritra izany ao am-ponareo? Inona no mora kokoa: Ny milaza amin’ilay malemy hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa ny milaza hoe: ‘Mitsangàna ka batao ny fandriananao ary mandehana?’” (Marka 2:8, 9) Afaka namela ny helok’ilay lehilahy tokoa i Jesosy, noho ilay sorona mbola hataony.
nwtsty: Fanazavana Mr 2:9
Inona no mora kokoa: Mora amin’ny olona iray ny miteny hoe afaka mamela heloka izy, satria tsy mitaky porofo hita maso izany. Mila manao fahagagana kosa izy raha hiteny hoe Mitsangàna ... mandehana. Nahavita nanao an’izany i Jesosy ka niharihary tamin’ny olona rehetra hoe nanana fahefana hamela heloka izy. Hita avy amin’io fitantarana io sy ny voalazan’ny Is 33:24 fa ny ota no mahatonga ny olona harary.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Mr 1:11
nisy feo avy any an-danitra: Tantaraina ao amin’ny Filazantsara fa intelo i Jehovah no niresaka mivantana tamin’ny olona, ary tamin’io no voalohany.—Mr 9:7; Jn 12:28.
Ianao no Zanako: Efa Zanak’Andriamanitra i Jesosy tamin’izy anjely tany an-danitra. (Jn 3:16) Vao teraka koa izy, teto an-tany, dia efa “Zanak’Andriamanitra”, toa an’i Adama tamin’izy lavorary. (Lk 1:35; 3:38) Tsy hoe nanaiky an’i Jesosy ho zanany fotsiny anefa Andriamanitra teo. Rehefa nilaza an’io teny io izy sady nandrotsaka ny fanahy masina, dia nampahafantatra fa nateraka ho Zanak’Andriamanitra ara-panahy i Jesosy, na ‘nateraka indray.’ Afaka nanantena ny hiverina any an-danitra àry izy sady voatendry ho Mpanjaka sy Mpisoronabe.—Ampitahao amin’ny Jn 3:3-6; 6:51; Lk 1:31-33; He 2:17; 5:1, 4-10; 7:1-3.
ianao no sitrako: Na “Mahafaly ahy ny ataonao”, “Mahafinaritra ahy ianao.” Hita ao amin’ny Mt 12:18 koa io teny io. Nalaina tao amin’ny Is 42:1 izy io, ary ilay Mesia nampanantenaina, na Kristy, no noresahin’i Isaia. I Jesosy tokoa ilay Mesia nampanantenaina, matoa nirotsaka taminy ny fanahy masina sady nilaza an’io teny io taminy Andriamanitra.—Jereo fanazavana Mt 3:17; 12:18.
nwtsty: Fanazavana Mr 2:28
Tompon’ny sabata: Nampiharin’i Jesosy tamin’ny tenany io teny io. (Mt 12:8; Lk 6:5) Midika izany fa afaka miasa izy rehefa Sabata, mba hamitana ny zavatra nampanaovin’ilay Rainy any an-danitra azy. (Ampitahao amin’ny Jn 5:19; 10:37, 38.) Tamin’ny Sabata no nanaovan’i Jesosy ny sasany tamin’ireo fahagagana niavaka indrindra nataony, ohatra hoe nanasitrana ny marary. (Lk 13:10-13; Jn 5:5-9; 9:1-14) Aloky ny zavatra hataony mandritra an’ilay sabata fitsaharana ireny, izany hoe rehefa mitondra ny tany izy.—He 10:1.
Famakiana Baiboly
23-29 APRILY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MARKA 3-4
“Nanasitrana Tamin’ny Sabata i Jesosy”
Inona no Azo Atao Amin’ny Sabata?
Nankao amin’ny synagoga iray i Jesosy, indray Sabata, angamba tao Galilia. Nahita lehilahy iray maty tanana izy tao. (Lioka 6:6) Nijery tsara azy ny mpanora-dalàna sy Fariseo. Nahoana? Niharihary ny tena tanjon’izy ireo rehefa nanontany izy ireo hoe: “Azo atao ve ny manasitrana amin’ny sabata?”—Matio 12:10.
Nihevitra ny mpitondra fivavahana jiosy fa tsy azo atao ny manasitrana amin’ny Sabata raha tsy misy aina tandindomin-doza. Nilaza, ohatra, izy ireo fa tsy azo atao ny mamerina taolana amin’ny laoniny na mamatotra taolana na hozatra folaka rehefa Sabata, satria tsy atahorana hahafaty ireo. Tsy noho izy ireo nalahelo an’ilay lehilahy mijaly àry no nahatonga an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo hanontany an’i Jesosy. Nitady hirika hanamelohana an’i Jesosy kosa izy ireo.
Inona no Azo Atao Amin’ny Sabata?
Hitan’i Jesosy anefa hoe ratsy saina izy ireo. Fantany fa hentitra loatra izy ireo sady tsy nanaraka ny Soratra Masina, rehefa nampihatra ny lalàna momba izay tsy azo atao amin’ny Sabata. (Eksodosy 20:8-10) Efa nokianina tsy amin’antony i Jesosy noho ny asa soa nataony. Vonona ny hifanandrina tamin’izy ireo àry izy, ka niteny tamin’ilay lehilahy maty tanana hoe: “Mitsangàna ka mankanesa etsy afovoany etsy.”—Marka 3:3.
nwtsty: Fanazavana Mr 3:5
tamin-katezerana ... nalahelo mafy: I Marka ihany no nilaza ny fihetseham-pon’i Jesosy tamin’io fotoana io, rehefa nahita ny hamafin’ny fon’ireo mpitondra fivavahana. (Mt 12:13; Lk 6:10) I Petera angamba no niresaka taminy an’io fihetseham-pon’i Jesosy io. Olona be fihetseham-po mantsy i Petera.—Jereo ny “Fampidirana ny Bokin’i Marka.”
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Mr 3:29
manevateva ny fanahy masina: Ny hoe manevateva eto dia midika hoe manala baraka, manaratsy, na maniratsira an’Andriamanitra na zava-masina. Avy amin’Andriamanitra ny fanahy masina. Manevateva an’Andriamanitra àry izay minia manohitra ny fanahy masina na mandà ny asan’izy io. Hitan’ireo mpitondra fivavahana jiosy hoe niasa tamin’i Jesosy ny fanahin’Andriamanitra matoa izy nahavita fahagagana. Nilaza anefa izy ireo hoe ny herin’i Satana Devoly no nahavitan’i Jesosy an’izany, araka ny Mt 12:24, 28 sy Mr 3:22.
meloka noho ny ota mandrakizay: Fahotana iniana atao angamba izy io, ary meloka mandrakizay izay manao azy. Tsy misy sorona mahaonitra ny fahotana toy izany.—Jereo manevateva ny fanahy masina, fanazavana Mr 3:29.
nwtsty: Fanazavana Mr 4:9
Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino: Hoy i Jesosy rehefa hitantara an’ilay fanoharana momba ny mpamafy: “Henoy izao.” (Mr 4:3) Nampirisika ny olona hanao an’ilay voalaza etsy ambony izy rehefa vita ilay fanoharana. Tiany hohamafisina fa tokony hanaraka tsara ny toroheviny ny mpanara-dia azy. Misy an’io fampirisihana io koa ao amin’ny Mt 11:15; 13:9, 43; Mr 4:23; Lk 8:8; 14:35; Ap 2:7, 11, 17, 29; 3:6, 13, 22; 13:9.
‘Mahazo Tsara ny Hevitry ny Soratra Masina’ ve Ianao?
Inona no ianarantsika avy amin’io fanoharana io? Voalohany, mila manaiky isika fa tsy vitantsika ny manafaingana ny fandrosoan’ny mpianatra Baiboly. Tsy hanery an’ilay mpianatra mba hatao batisa isika raha manetry tena. Manao izay rehetra azo atao isika mba hanampiana sy hanohanana azy, nefa ekentsika fa anjarany ny manapa-kevitra raha hanokan-tena izy na tsia. Tokony ho vokatry ny fo sy ny fitiavana an’Andriamanitra ny fanokanan-tena. Tsy eken’i Jehovah ilay izy raha tsy izany.—Sal. 51:12; 54:6; 110:3.
Faharoa, raha azontsika ny hevitr’ilay fanoharana dia tsy ho kivy isika raha tsy tonga dia misy vokany ny ezaka ataontsika eo amin’ny fanompoana. Mila manana faharetana isika. (Jak. 5:7, 8) Mety ho efa manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hanampiana an’ilay mpianatra, nefa tsy mamoa ilay voa nafafintsika. Tsy midika izany hoe tsy manao tsara ny asantsika isika. Tsy havelan’i Jehovah haniry ao am-pon’ny olona iray ny voan’ny fahamarinana raha tsy manetry tena sy vonona hiova izy. (Mat. 13:23) Tsy ny isan’ny olona nampiantsika ho vita batisa àry no amaritana hoe mahomby ny fanompoantsika. Tsy ny fandrosoan’ny olona ampianarintsika no amaritan’i Jehovah an’izany. Ny ezaka mafy ataontsika kosa no sarobidy aminy, na inona na inona vokatr’ilay izy.—Vakio ny Lioka 10:17-20; 1 Korintianina 3:8.
Fahatelo, mety tsy ho hitantsika ny fiovana ao am-pon’ny olona. Nilaza tamin’ny misionera nampianatra azy, ohatra, ny mpivady iray fa te hitory. Nampahatsiahy azy ireo ilay misionera fa mila miala amin’ny sigara aloha izy mivady vao mahafeno fepetra. Nilaza izy ireo fa efa volana maromaro no tsy nifoka, ka gaga be ilay misionera. Nahoana izy mivady no tsy nifoka intsony? Takany fa hitan’i Jehovah foana izy ireo rehefa mifoka, ary halany ny fihatsarambelatsihy. Nanapa-kevitra àry izy ireo hoe: Na izy hifoka eo imason’ilay misionera na tsy hifoka intsony. Vao haingana izy ireo no lasa tia an’i Jehovah, nefa nanampy azy ireo handray fanapahan-kevitra tsara izany. Nandroso ara-panahy izy ireo na tsy fantatr’ilay misionera aza.
Famakiana Baiboly
30 APRILY–6 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MARKA 5-6
“Mahavita Manangana An’ireo Havantsika Efa Nodimandry i Jesosy”
nwtsty: Fanazavana Mr 5:39
tsy maty ... fa matory: Matetika no oharina amin’ny olona matory ny maty, ao amin’ny Baiboly. (Sl 13:3; Jn 11:11-14; As 7:60; 1Ko 7:39; 15:51; 1Te 4:13) Efa hanangana an’ilay zazavavy tamin’ny maty i Jesosy tamin’izay. Nilaza an’io teny io àry izy satria tiany haseho hoe azo fohazina hoatran’ny olona matory ny maty. Hery avy amin’ny Rainy no nahafahan’i Jesosy nanangana an’ilay zazavavy. Andriamanitra mantsy no “mamelona ny maty ary miantso ny zavatra tsy misy ho toy ny misy.”—Ro 4:17.
Velona Indray Ilay Ankizivavy!
Nandidy an’ireo olona nositraniny i Jesosy talohan’izay mba tsy hitantara ny zavatra nataony ho azy ireo. Izany koa no nataony teto. Faly loatra anefa i Jairo mivady sy ny olon-kafa ka nampiely an’ilay vaovao “eran’ilay faritra.” (Matio 9:26) Raha ny havanao no natsangana tamin’ny maty, tsy ho faly be koa ve ianao ka hitantara izany? Ny zanakavavin’i Jairo no olona faharoa tantarain’ny Baiboly hoe natsangan’i Jesosy tamin’ny maty.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Mr 5:19
lazao aminy: Tsy navelan’i Jesosy notantaraina, matetika, ny fahagagana nataony. (Mr 1:44; 3:12; 7:36) Nasain’i Jesosy notantarain’ilay lehilahy tamin’ny havany anefa izay nitranga, tamin’io fotoana io. Fa nahoana? Nasain’ny olona niala tao amin’ilay faritra mantsy i Jesosy, ka mety tsy ho afaka hitory tamin’izy ireo. Amin’izay koa mba hangina ireo te hanaratsy azy noho ny nahafatesan’ireo kisoa.
nwtsty: Fanazavana Mr 6:11
ahintsano ny vovoka amin’ny faladianareo: Rehefa manao an’izany ny mpianatr’i Jesosy, dia toy ny mampiseho hoe tsy tompon’andraikitra amin’izay mety hataon’Andriamanitra amin’ilay olona izy ireo. Misy teny mitovy amin’io koa ao amin’ny Mt 10:14 sy ny Lk 9:5. Ny an’i Marka sy Lioka niampy hoe mba ho vavolombelona aminy [na “hiampanga azy”]. Nampihatra an’io toromarika io i Paoly sy Barnabasy tamin’izy ireo tany Antiokia any Pisidia. (As 13:51) Nanao zavatra nitovy tamin’izany koa i Paoly tany Korinto, rehefa nanakopaka ny lambany. Hoy koa izy: “Ianareo ihany no ho tompon’andraikitra ny amin’izay hanjo anareo. Afaka adidy aho.” (As 18:6) Tsy vaovao tamin’ny mpianatr’i Jesosy angamba izany fihetsika izany. Rehefa avy nandalo ny tanànan’ny hafa firenena, ohatra, ny Jiosy tia fivavahana, dia nahintsany ny vovoka tamin’ny kapany talohan’ny nidirany tamin’ny faritanin’ny Jiosy, satria hoe maloto. Antony hafa mihitsy anefa no nahatonga an’i Jesosy hanome an’io toromarika io.
Famakiana Baiboly