Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
4-10 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MARKA 15-16
“Tanteraka Tamin’i Jesosy ny Faminaniana”
nwtsty: Fanazavana Mr 15:24, 29
fizarana ny akanjony ivelany: Milaza ny bokin’i Matio sy Marka ary Lioka fa nataon’ireo miaramila antsapaka ilay akanjo ivelany nanaovan’i Jesosy. Miresaka tsipiriany hafa anefa ny Jaona 19:23, 24. Voalaza ao hoe nalain’ireo miaramila ilay akanjo ivelany ary “nozarainy efatra ka samy nahazo tsirairay avy izy ireo.” Tsy tian’izy ireo hozaraina anefa ilay akanjo anatiny, ka nanaovany antsapaka. Tanteraka tamin’izay ilay faminaniana ao amin’ny Sl 22:18. Samy nataon’ireo miaramila romanina antsapaka àry na ilay akanjo ivelany na ilay akanjo anatiny. Fanaon’ny miaramila tamin’izany ny naka ny akanjon’izay olona hovonoiny. Nesorin-dry zareo àry ny akanjon’ny olon-dratsy sy izay zavatra teny aminy talohan’ny namonoana azy. Vao mainka izy amin’izay afa-baraka.
nihivingivin-doha: Matetika ny olona no nanao an’io fihetsika io sady niteny, rehefa te haneso na hanambany. Tsy noeritreretin’ireo mpandalo hoe nanatanteraka an’ilay faminaniana ao amin’ny Sl 22:7 izy ireo.
nwtsty: Fanazavana Mr 15:43
Josefa: Hita hoe samy nanana ny naha izy azy ny mpanoratra ny Filazantsara, rehefa jerena ny zavatra nosoratan’izy ireo momba an’i Josefa. Tsy mitovy mantsy ny tsipiriany resahin’izy ireo. Nilaza, ohatra, i Matio, mpamory hetra, fa “lehilahy mpanankarena” i Josefa. I Marka, izay nanoratra ho an’ny Romanina, kosa nilaza fa “lehilahy nanan-kaja anisan’ny Filan-kevitry ny Jiosy” izy, ary niandry ny Fanjakan’Andriamanitra. I Lioka, dokotera, indray nilaza fa “lehilahy tsara toetra sy marina” i Josefa, ary tsy nanaiky hanohana ny zava-dratsy nataon’ilay filan-kevitra mba hamonoana an’i Jesosy. I Jaona irery no nilaza fa mpianatr’i Jesosy io Josefa io, “saingy tsy niseho ho mpianany noho ny fahatahorany ny Jiosy.”—Mt 27:57-60; Mr 15:43-46; Lk 23:50-53; Jn 19:38-42.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Mr 15:25
Ora fahatelo: Izany hoe tamin’ny sivy maraina teo ho eo. Misy milaza fa tsy mitovy ny zavatra resahin’io tantara io sy ilay resahin’ny Jn 19:14-16. Voalaza ao mantsy fa “tamin’ny ora fahenina teo ho eo” i Pilato no nanolotra an’i Jesosy ho an’ny vahoaka mba hovonoina. Tsy tena hazavain’ny Soratra Masina ny antony mahatonga an’ilay tsy fitoviana. Diniho anefa izao: Mifanaraka ny fotoana resahin’ny Filazantsara rehefa mitantara an’ireo zava-nitranga talohan’ny nahafatesan’i Jesosy izy io. Samy milaza ny Filazantsara efatra fa nivory ny mpisorona sy ny anti-panahy rehefa maraina ny andro, ary nasainy nentina tany amin’i Pontio Pilato, governora romanina, i Jesosy. (Mt 27:1, 2; Mr 15:1; Lk 22:66–23:1; Jn 18:28) Samy miresaka ny Matio sy Marka ary Lioka fa nisy haizina nanarona an’ilay faritra manontolo rehefa voafantsika teo amin’ilay hazo fijaliana i Jesosy, izany hoe “nanomboka tamin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy.” (Mt 27:45, 46; Mr 15:33, 34; Lk 23:44) Inona àry no mety ho nahatonga ny olona sasany hilaza hoe lava kokoa ny fotoana namonoana an’i Jesosy? Nieritreritra ry zareo hoe efa nanomboka novonoina ny olona iray rehefa nokapohina na nokaravasina. Tsy nisy indrafo mihitsy ilay kapoka indraindray, ka tonga dia maty ilay olona hovonoina. Mafy be koa ny kapoka nahazo an’i Jesosy, matoa nisy lehilahy iray nasaina nitondra an’ilay hazo fijaliana nentiny. (Lk 23:26; Jn 19:17) Tsara homarihina fa samy miresaka ny Mt 27:26 sy ny Mr 15:15 hoe nasain’i Pilato nofantsihana teo amin’ilay hazo i Jesosy taorian’ny nikapohana azy. Raha nisy nihevitra hoe efa nanomboka novonoina ny olona iray rehefa nokapohina, dia tsy maintsy ho nisy fotoana lavalava aloha vao nofantsihana teo amin’ilay hazo fijaliana i Jesosy. Mety tsy hitovy àry ny fotoana resahin’ny olona hoe namonoana an’i Jesosy, arakaraka ny fahitany an’ilay hoe oviana izy no nanomboka novonoina. Izany angamba no nahatonga an’i Pilato ho gaga rehefa nahalala hoe vetivety i Jesosy dia maty rehefa avy nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana. Mety ho nieritreritra mantsy izy hoe vao nanomboka novonoina i Jesosy tamin’izay. (Mr 15:44) Eo koa ny fomba nizaran’ny mpanoratra Baiboly ny andro sy ny alina. Matetika no nasian’izy ireo fizarana efatra nisy adiny telo avy ny andro iray, dia toy izany koa ny alina. Izany no nahatonga azy ireo hiresaka hoe tamin’ny ora fahatelo, fahenina, ary fahasivy. Nanomboka tamin’ny enina maraina izy ireo no namaritra ny ora, izany hoe rehefa niposaka ny masoandro. (Mt 20:1-5; Jn 4:6; As 2:15; 3:1; 10:3, 9, 30) Tsy nisy famantaranandro tamin’izany, ka nampiasa an’ilay hoe “eo ho eo” ny mpanoratra Baiboly rehefa niresaka ora. Izany, ohatra, no hita ao amin’ny Jn 19:14. (Mt 27:46; Lk 23:44; Jn 4:6; As 10:3, 9) Ahoana àry no azo amintinana an’ilay izy? Samy hafa ny fahitan’i Marka sy Jaona an’ilay hoe oviana i Jesosy no nanomboka novonoina. Mety ho nampidirin’i Marka ilay fotoana nikapohana an’i Jesosy sy namantsihana azy. Ilay fotoana namantsihana an’i Jesosy ihany kosa no noresahin’i Jaona. Hitantsika teo hoe nasian’ireo mpanoratra Baiboly fizarana efatra nisy adiny telo avy ny andro iray. Mety ho tao amin’ny fizarana voalohany ny ora nolazain’i Marka, fa mety ho tao amin’ny fizarana faharoa kosa ny an’i Jaona. Nampiasa an’ilay hoe “teo ho eo” koa i Jaona rehefa miresaka an’ilay fotoana. Ankoatra izany, dia efa vita ela ny Bokin’i Marka vao nanoratra ny bokiny i Jaona. Hita àry hoe tsy namerina fotsiny ny zavatra nosoratan’i Marka izy, matoa tsy mitovy ny ora noresahin’izy ireo.
nwtsty: Fanazavana Mr 16:8
fa natahotra: Ireo teny eo amin’ny andininy 8 ireo no mamarana ny Filazantsaran’i Marka, araka ny sora-tanana tranainy indrindra misy ny tapany farany amin’ny Bokin’i Marka. Misy mihevitra fa tsy nifarana tampoka toy izany ilay Filazantsara tany am-boalohany. Tsy mitombina anefa izany raha jerena ny fomba fanoratr’i Marka. Tia nampiasa teny fohy sy nivantana mantsy izy. Nilaza koa i Jérôme sy Eusèbe, manam-pahaizana jiosy tamin’ny taonjato fahefatra, fa ilay hoe “fa natahotra” no mamarana ny Bokin’i Marka.
Maro ny fandikan-teny sy ny sora-tanana grika ahitana teny famaranana lava na fohy aorian’ny andininy 8. Misy an’ilay teny famaranana lava (andininy 12 fanampiny) ao amin’ny Kôdeksa Alexandrinus, Kôdeksa Ephraemi Syri rescriptus, ary ny Kôdeksa Bezae Cantabrigiensis. Natao tamin’ny taonjato fahadimy ireo Kôdeksa ireo. Misy an’ilay teny famaranana lava koa ao amin’ny Vulgate latinina, Dikan-teny Syriàkan’i Cureton, ary ny Peshitta syriàka. Tsy misy azy io anefa ao amin’ireo sora-tanana grika roa natao tamin’ny taonjato fahefatra, izany hoe ny Kôdeksa Sinaiticus sy ny Kôdeksa Vaticanus. Eo koa ny Kôdeksa Sinaitika Syriàka natao tamin’ny taonjato fahefatra na fahadimy sy ny sora-tanana kôpta sahidìka natao tamin’ny taonjato fahadimy, izay misy ny Bokin’i Marka. Mifarana eo amin’ny andininy 8 ny Bokin’i Marka ao amin’ireo sora-tanana tranainy indrindra amin’ny teny armenianina sy géorgien.
Misy an’ilay teny famaranana fohy (fehezan-teny vitsivitsy) ao amin’ny fandikan-teny sy sora-tanana grika sasany, izay vita tatỳ aoriana kokoa. Misy an’ireo teny famaranana lava sy fohy ny Kôdeksa Regius, natao tamin’ny taonjato fahavalo, ka ilay fohy no nalefany aloha. Nasiany fanamarihana teo alohan’ny teny famaranana tsirairay hoe misy azy ireo ny sora-tanana sy dikan-teny sasany. Tsy nilaza anefa io kôdeksa io hoe marina ireo teny famaranana ireo.
TENY FAMARANANA FOHY
Tsy anisan’ny Soratra Masina ilay teny famaranana fohy aorian’ny Mr 16:8. Izao no voalaza ao amin’izy io:
Fa ny zava-drehetra nandidiana azy ireo dia notantarainy fohifohy tamin’ireo olona nanodidina an’i Petera. Taorian’izany koa, dia tamin’ny alalan’ny mpianatra no nandefasan’i Jesosy hatrany atsinanana ka hatrany andrefana ny fanambarana masina tsy mety lefy momba ny famonjena mandrakizay.
TENY FAMARANANA LAVA
Tsy anisan’ny Soratra Masina ilay teny famaranana lava aorian’ny Mr 16:8. Izao no voalaza ao amin’izy io:
Ary rehefa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy, vao maraina tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, no nisehoany voalohany. 10 Ary lasa ravehivavy nitantara tamin’ireo efa niaraka tamin’i Jesosy, fa mbola ory sy nitomany ireo. 11 Tsy nino anefa ireo rehefa nandre fa velona indray i Jesosy sady efa hitan-dravehivavy. 12 Taorian’izany koa, dia endrika hafa no nisehoan’i Jesosy tamin’ny roa lahy tamin’izy ireo, raha teny an-dalana ho any ambanivohitra izy roa lahy. 13 Ary niverina ireo ka nitantara tamin’ny apostoly hafa, kanefa na izy roa lahy aza tsy ninoany koa. 14 Tatỳ aoriana anefa i Jesosy dia niseho tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy mihitsy, raha mbola nandry ilika hisakafo ireo. Ary nomeny tsiny ireo noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony. Tsy nino an’izay nahita azy tafatsangana tamin’ny maty mantsy ireo. 15 Koa hoy izy tamin’ireo: “Mandehana eran’izao tontolo izao ka torio amin’ny zavaboary rehetra ny vaovao tsara. 16 Ary hovonjena izay mino sy atao batisa, fa homelohina kosa izay tsy mino. 17 Ankoatra izany, dia ireto no ho famantarana an’ireo mino: Hamoaka demonia amin’ny anarako izy, hiteny amin’ny fiteny samihafa, 18 handray bibilava, ary raha misotro poizina mahafaty izy dia tsy hampaninona azy velively izany. Ary hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny.”
Rehefa avy niresaka tamin’izy ireo i Jesosy Tompo, dia nakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. 20 Koa lasa nitory hatraiza hatraiza ireo, fa ny Tompo kosa niara-niasa taminy sy nanao famantarana ho fanamafisana ny teny notorina.
Famakiana Baiboly
11-17 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 1
“Miezaha Hanetry Tena Hoatran’i Maria”
“Intỳ Aho Mpanompovavin’i Jehovah!”
Hoy izy tamin’i Gabriela: “Intỳ aho mpanompovavin’i Jehovah! Enga anie ho tanteraka amiko izany araka ny teninao!” (Lioka 1:38) Tena hita hoe nanetry tena sy nankatò izy, ka na isika efa atỳ aoriana be atỳ aza mbola mahalala ny teniny. Ny ‘mpanompovavy’ mantsy no olona ambany indrindra, ary niankina tanteraka tamin’ny tompony ny fiainany. Toy izany mihitsy no niheveran’i Maria ny tenany. Fantany fa afaka nanankina tanteraka ny fiainany tamin’i Jehovah izy, satria tsy mivadika amin’izay tsy mivadika aminy i Jehovah. Fantany koa fa hahazo fitahiana izy, raha miezaka mafy manao an’ilay andraikitra.—Sal. 18:25.
“Intỳ Aho Mpanompovavin’i Jehovah!”
Ahoana hoy i Maria? Noraketin’Andriamanitra tsara ao amin’ny Baiboly ny teniny. (Vakio ny Lioka 1:46-55.) Io no teniny lava indrindra ao, ary ahalalan-javatra betsaka momba azy. Nidera an’i Jehovah izy, satria nataony renin’ny Mesia. Hita àry fa nahay nankasitraka izy. Nilaza koa i Maria hoe mampietry ny mpirehareha sy ny manana fahefana i Jehovah, fa manampy ny olona ambany sy mahantra maniry hanompo azy. Midika izany fa tena nanam-pinoana i Maria. Nahay tsara ny Soratra Masina koa izy. Voalaza mantsy fa nampiasa andinin-teny 20 mahery avy ao amin’ny Soratra Hebreo izy!
Hita tokoa fa nisaintsaina tsara ny Tenin’Andriamanitra i Maria. Nanetry tena anefa izy, ka ny hevitra tao ihany no nolazainy fa tsy izay fahazoany an’ilay izy. Nanetry tena toa azy koa ilay zanany rehefa lehibe, ka niteny hoe: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy.” (Jaona 7:16) Modely ho antsika tokoa i Maria. Mieritrereta àry hoe: ‘Tena hajaiko ve ny Tenin’Andriamanitra ka ampiasaiko, sa aleoko ihany ny hevitro?’
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Lk 1:69
tandroka famonjena: Na “mpamonjy mahery.” Matetika no ilazana tanjaka na fandresena ny tandroky ny biby, ao amin’ny Baiboly. (1Sa 2:1; Sl 75:4, 5, 10; 148:14, f.a.p.) Oharina amin’ny tandroka koa ny mpitondra sy tarana-mpanjaka, na ny tsara na ny ratsy, ary toy ny hoe natosika tamin’ny tandroka ny firenena resin’izy ireo. (De 33:17; Da 7:24; 8:2-10, 20-24) Ilay Mesia no tiana holazaina amin’ilay hoe tandroka famonjena eo amin’io andininy io. Manana hery hamonjena ny olona mantsy izy, ary mpamonjy mahery.
nwtsty: Fanazavana Lk 1:76
handeha eo alohan’i Jehovah ianao: Toy ny hoe “handeha eo alohan’i Jehovah” i Jaona Mpanao Batisa satria hialoha lalana an’i Jesosy. Ho tonga amin’ny anaran’ny Rainy mantsy i Jesosy sady hisolo tena azy.—Jn 5:43; 8:29.
Famakiana Baiboly
18-24 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 2-3
“Ry Tanora, Miezaha Hifandray Tsara Amin’i Jehovah”
nwtsty: Fanazavana Lk 2:41
Mpankany ... ny ray aman-dreniny: Tsy nilaza ny Lalàna hoe tsy maintsy nankalaza ny Paska ny vehivavy. Niaraka tamin’i Josefa nankany Jerosalema foana anefa i Maria isan-taona, rehefa tonga io fety io. (Ek 23:17; 34:23) Nentin’izy mivady daholo ny zanany, ary efa ho 300 km ny dia nataon’izy ireo nandroso sy niverina.
nwtsty: Fanazavana Lk 2:46, 47
nanontany: Misy ankizy mametraka fanontaniana, satria mba te hahalala zavatra fotsiny. Tsy hoatr’izany anefa ny fanontanian’i Jesosy, matoa gaga be ireo nihaino azy. (Lk 2:47) Azo adika koa hoe manadihady, toy ny atao any amin’ny fitsarana, ilay teny grika nadika hoe “nanontany.” (Mt 27:11; Mr 14:60, 61; 15:2, 4; As 5:27) Milaza ny mpahay tantara fa fanaon’ny lohandohany tamin’ny mpitondra fivavahana sasany ny nijanona tao amin’ny tempoly, rehefa vita ny fankalazana ny Paska. Nipetraka teo an-tongotr’izy ireo ny olona, ary nihaino azy ireo nampianatra sady nametraka fanontaniana.
Talanjona: Hita avy amin’ilay matoanteny grika nadika hoe “talanjona” fa tsy hoe vetivety fotsiny ilay olona no gaga, fa elaela mihitsy sady imbetsaka.
nwtsty: Fanazavana Lk 2:51, 52
nankatò ... foana: Ilazana fanaovan-javatra mitohy ilay matoanteny grika nadika hoe ‘nankatò foana.’ Nampiaiky volana an’ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly i Jesosy, noho izy nahalala tsara ny Tenin’Andriamanitra. Nandeha nody niaraka tamin’ny ray aman-dreniny anefa izy taorian’izay, ary nanetry tena ka nankatò azy ireo. Miavaka io fankatoavany io, fa tsy hoatran’ny an’ny ankizy rehetra, satria nila nankatò tanteraka ny Lalàn’i Mosesy izy.—Ek 20:12; Ga 4:4.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Lk 2:14
ary fiadanana etỳ ambonin’ny tany eo amin’ny olona ankasitrahany: Toy izao no nanaovana an’io ao amin’ny sora-tanana sasany: “...ary fiadanana etỳ an-tany ho an’ny olombelona fa nanehoany fitia.” Nanaraka an’io koa ny Fandikan-tenin’ny Baiboly sasany, toy ny DIEM. Izay sora-tanana tranainy sy azo antoka kokoa anefa no narahin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tsy te hilaza akory ireo anjely ireo hoe nankasitrahan’Andriamanitra daholo ny olona rehetra, na ny tsara na ny ratsy. Ireo olona tena mino an’Andriamanitra sy manara-dia an’ilay Zanany kosa no resahina eo hoe ankasitrahany.—Jereo fanazavana olona ankasitrahany eto ambany.
olona ankasitrahany: Fankasitrahan’Andriamanitra no tian’ny anjely holazaina eo fa tsy fankasitrahan’olombelona. Avy amin’ny teny grika hoe eodôkia ilay hoe “ankasitrahany.” Iray tarika amin’izy io ilay teny grika hoe eodôkeô, izay ampiasaina ao amin’ny Mt 3:17; Mr 1:11 ary Lk 3:22 (jereo fanazavana fanampiny Mr 1:11). Tenin’Andriamanitra tamin’ny Zanany vao avy natao batisa no resahin’ireo andininy ireo. Tsy ny olombelona amin’ny ankapobeny àry no lazain’ireo anjely hoe ankasitrahan’Andriamanitra, fa ireo olona mampifaly azy satria tena mino azy sy manara-dia an’ilay Zanany. Mety hidika fankasitrahan’olombelona ihany ilay teny grika hoe eodôkia, ao amin’ny andinin-teny sasany. (Ro 10:1) Ny fankasitrahan’Andriamanitra na izay mifanaraka amin’ny sitrapony anefa no tiana horesahina amin’izy io matetika. (Mt 11:26; Lk 10:21; Ef 1:5, 9; Fi 2:13; 2Te 1:11) Ny fankasitrahan’Andriamanitra, ohatra, no tiana holazaina amin’ilay hoe eodôkia ao amin’ny Sl 51:18, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.
Fantatrao Ve?
Iza no rain’i Josefa?
Mpandrafitra tany Nazareta i Josefa, ary izy no nitaiza an’i Jesosy. Iza anefa no rain’i Josefa? Hita ao amin’ny tetirazan’i Jesosy, ao amin’ny Filazantsaran’i Matio, fa i Jakoba no rainy. I Lioka indray anefa nilaza hoe “zanak’i Hely” izy. Nahoana no tsy mitovy ny zavatra nolazain’izy ireo?—Lioka 3:23; Matio 1:16.
Nilaza i Matio hoe: “Jakoba niteraka an’i Josefa.” Hita amin’ilay teny grika nampiasain’i Matio tamin’io fa i Jakoba no rain’i Josefa. Ny tetirazan’i Jesosy avy amin’i Josefa rainy àry no noresahin’i Matio. Hita amin’izy io fa manan-jo handova an’i Davida Mpanjaka i Jesosy, satria zaza notezain’i Josefa.
I Lioka kosa milaza fa “zanak’i Hely” i Josefa. Ilay hoe “zanak’i”, dia mety hidika hoe “vinantolahin’i.” Mitovy amin’izany ilay ao amin’ny Lioka 3:27. Voalaza ao fa “zanak’i Nery” i Sealtiela, nefa i Jekonia no tena niteraka azy. (1 Tantara 3:17; Matio 1:12) Azo inoana àry fa nanambady ny zanakavavin’i Nery i Sealtiela, ka lasa vinantolahiny. Hoatr’izany koa i Josefa. Lasa “zanak’i” Hely izy, rehefa nanambady an’i Maria zanakavavin’i Hely. Ny tetirazan’i Jesosy avy amin’i Maria reniny àry no noresahin’i Lioka. (Romanina 1:3) Hita amin’izany fa miresaka tetirazana roa momba an’i Jesosy ny Baiboly. Samy hafa ilay izy nefa samy tena ilaina.
Famakiana Baiboly
25 JONA–1 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 4-5
“Tahafo i Jesosy ka Tohero ny Fakam-panahy”
Eritrereto hoe Olona Tokony Hanao Ahoana Ianao
Mitovy amin’izany ihany ny tetika nampiasain’i Satana, rehefa naka fanahy an’i Jesosy izy. Tsy nihinan-kanina 40 andro sy 40 alina i Jesosy, ka ny faniriany hisakafo no nampiasain’i Satana hakana fanahy azy. Hoy i Satana: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia teneno ho tonga mofo io vato io.” (Lioka 4:1-3) Nisy zavatra roa azon’i Jesosy natao: Na izy nampiasa ny fahaizany manao fahagagana mba hahazoana sakafo, na izy tsy nanao izany. Fantatr’i Jesosy fa tsy tokony hampiasa izany fahaizany izany izy mba ho tombontsoany manokana. Marina fa noana izy, nefa ny hiaro ny fifandraisany tamin’i Jehovah no zava-dehibe taminy, fa tsy izay hahavoky azy. Namaly àry izy hoe: “Voasoratra hoe: ‘Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.’”—Mat. 4:4.
Eritrereto hoe Olona Tokony Hanao Ahoana Ianao
Ahoana kosa no nataon’ny Devoly tamin’i Jesosy? ‘Nasehony azy indray mipy maso ny fanjakana rehetra manerana ny tany onenana. Ary hoy izy: “Homeko anao izao fahefana rehetra izao sy ny voninahiny.”’ (Lioka 4:5, 6) Mazava ho azy fa tsy afaka ny hahita indray mipy maso ny fanjakana rehetra i Jesosy, raha tamin’ny masony ara-bakiteny. Nasehon’i Satana azy tamin’ny alalan’ny fahitana kosa ny voninahitr’ireny fanjakana ireny. Nihevitra i Satana fa hahasarika an’i Jesosy izany. Tsy menatra akory izy niteny hoe: “Raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao, dia ho anao manontolo izany.” (Lioka 4:7) Tsy nanaiky hanao ny sitrapon’i Satana mihitsy i Jesosy, ka namaly avy hatrany hoe: “Voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.’”—Lioka 4:8.
nwtsty: Sary
Tampon’ny Mandan’ny Tempoly
Mety ho nasain’i Satana nankeo amin’ny “tampon’ny mandan’ny tempoly” tokoa i Jesosy, ary nasainy nitsambikina tany ambany. Tsy fantatra anefa hoe taiza ho aiza marina i Jesosy no nitsangana. Ny tempoly sy ny trano rehetra niaraka taminy angamba no tiana horesahina amin’ilay teny hoe “tempoly” eto. Mety ho teo amin’ny zorony atsimoatsinanana (1) tamin’ny mandan’ny tempoly àry i Jesosy no nitsangana, na teo amin’ny zorony hafa. Tsy maintsy ho faty izay nianjera avy teny amin’ireo toerana ireo, raha tsy hoe niaro azy angaha i Jehovah.
Eritrereto hoe Olona Tokony Hanao Ahoana Ianao
Tsy nitovy tamin’i Eva i Jesosy, fa tena nanetry tena ka modely ho antsika. Nampiasa fomba hafa i Satana mba hakana fanahy azy. Nasain’i Satana nanao zavatra mampitolagaga, ohatra, izy, mba hitsapana toetra an’Andriamanitra. Tsy nanaiky hanao izany mihitsy anefa izy, satria nihevi-tena ho ambony izy raha nanao izany. Mazava sy mivantana kosa ny teny navaliny an’i Satana. Hoy izy: “Voalaza hoe: ‘Aza mitsapa toetra an’i Jehovah Andriamanitrao.’”—Vakio ny Lioka 4:9-12.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Lk 4:17
ny horonam-bokin’i Isaia mpaminany: Mirefy fito metatra mahery kely ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia, ary misy tsanganana 54. Pejy 17 vita tamin’ny hodi-biby malefaka no natambatambatra, mba hahavitana azy io. Mety ho nitovy halava tamin’izy io ilay horonam-bokin’i Isaia nampiasaina tao amin’ny synagogan’i Nazareta. Tsy maintsy nitady an’izay andalan-teny tiany hovakina i Jesosy, satria mbola tsy nisy toko sy andininy ny horonana tamin’ny taonjato voalohany. Tonga dia hitany anefa izay nisy an’ilay faminaniana momba azy. Hita avy amin’izany fa efa zatra namaky ny Tenin’Andriamanitra izy.
nwtsty: Fanazavana Lk 4:25
telo taona sy enim-bolana: “Tamin’ny taona fahatelo” i Elia no nilaza fa ho tapitra ilay hain-tany, araka ny 1Mp 18:1. Misy mihevitra àry hoe mifanohitra amin’izay tantaraina ao amin’ny 1 Mpanjaka ny tenin’i Jesosy. Tsy hita amin’ilay tantara ao amin’ny Soratra Hebreo anefa hoe tsy ampy telo taona ilay hain-tany. Ilay hoe “tamin’ny taona fahatelo”, dia nanomboka tamin’ilay fotoana nilazan’i Elia tamin’i Ahaba hoe hisy hain-tany. (1Mp 17:1) Mety ho efa nanomboka ny vanin-taona tsy nisy orana tamin’izay. Nety ho naharitra ela kokoa ilay izy tamin’io, fa tsy enim-bolana fotsiny toy ny mahazatra. Tsy hoe nitsahatra avy hatrany koa ilay hain-tany rehefa nihaona tamin’i Ahaba indray i Elia, “tamin’ny taona fahatelo.” Mbola nifanandrina tamin’ireo mpisoron’i Bala teo amin’ny Tendrombohitra Karmela aloha i Elia. Taorian’izay vao tapitra ilay hain-tany. (1Mp 18:18-45) Tsy mifanohitra amin’ilay fe-potoana ao amin’ny 1Mp 18:1 àry ilay noresahin’i Jesosy eto sy ilay noresahin’ny rahalahiny ao amin’ny Jk 5:17.
Famakiana Baiboly