FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • th lesona 7 p. 10
  • Zavatra Marina Foana Ampianarina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zavatra Marina Foana Ampianarina
  • Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
  • Mitovitovy Aminy
  • Filazana Zavatra Marina
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mahaiza Mampiditra Andinin-teny
    Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
  • Ataovy Hitany hoe Azo Ampiharina Ilay Hevitra
    Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
  • Mahaiza Mametraka Fanontaniana
    Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
Hijery Hafa
Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
th lesona 7 p. 10

LESONA 7

Zavatra Marina Foana Ampianarina

Andinin-teny

Lioka 1:3

AHOANA IZANY? Tokony hampiasa fanazavana marina tsara ianao, mba tsy ho diso ny zavatra ampianarinao.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Mitadiava porofo marina tsara. Mitadiava porofo ao amin’ny Baiboly, dia izay no resaho. Vakio mihitsy ilay andininy, raha azo atao. Raha hiresaka lahatsoratra navoakan’ny mpahay siansa na vaovao na fanazavana hafa ianao, dia diniho aloha hoe tena marina ve ilay izy na mbola azo ampiasaina ve.

  • Tandremo sao diso ny fanazavanao. Eritrereto tsara hoe inona no tena hevitr’ilay andininy hohazavainao, rehefa jerena ny teny manodidina sy ny Baiboly manontolo ary ny zavatra efa noresahin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45) Raha hampiasa fanazavana navoakan’olona ianao, dia aza ovana ilay izy fa izay tena nolazainy no resaho.

    Torohevitra kely

    Aza manitatra rehefa mitantara zavatra na milaza isa. Tandremo sao lasa hoe “ny ankamaroan’ny olona” ny hoe “ny olona sasany”, na lasa hoe “matetika” ny hoe “indraindray.”

  • Hazavao tsara izay porofo ampiasainao. Ataovy azon’ny olona tsara ilay izy, na andinin-teny io na fanazavana hafa. Mametraha, ohatra, fanontaniana mety tsara, na manaova fanoharana.

ANDRAMO IZAO REHEFA MANOMPO

Eritrereto mialoha hoe inona avy no fanontaniana mety hapetraky ny olona, dia ahoana no hamaliana azy. Ary ahoana raha misy manontany zavatra anao nefa tsy hainao ny valiny? Lazao hoe hikaroka momba an’ilay izy aloha ianao, dia hiverina amin’ny manaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara