FAMAIZANA, FANANARANA, FIFEHEZANA
Midika hoe “fananarana” na “fifehezana”, “famaizana”, “fanitsiana”, ary “fampirisihana” ny anarana hebreo hoe mosar sy ny matoanteny hoe yasar. Toy izany koa ny anarana hoe paideia sy ny matoanteny hoe paideoô ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Soratra Grika Kristianina. Avy amin’ny hoe pais (“ankizy”) ny hoe paideia, ary ilazana fananarana na fifehezana, fampianarana, fanabeazana, fanitsiana, ary famaizana izay ilaina amin’ny fitaizana ankizy.
Ireo manome izany sy ny tanjony. Manome fifehezana sy famaizana ho an’ny vahoakany i Jehovah, noho ny fitiavana. (Oh 3:11, 12) Manitsy hevi-diso sy mamolavola ny toe-tsaina sy fitondran-tena koa ny fampianarany. Anisan’ny famaizan’i Jehovah ny Israelita tamin’ny andron’i Mosesy ny nanehoany ny fahalehibeazany. Nampiasa hery lehibe Izy, ohatra, rehefa nampihatra didim-pitsarana tamin’ny andriamanitra rehetran’i Ejipta, nanafaka ny vahoakany, ary nandripaka ny tafika ejipsianina tao amin’ny Ranomasina Mena. Niharan’ny didim-pitsarany koa ny Israelita tsy nankatò. Nanome sakafo sy rano tamin’ny fomba mahagaga i Jehovah, nefa koa nampianatra hoe tena tokony horaisina am-po sy harahina ny teniny rehetra. Natao hampanetry tena sy hampiaiky ny Israelita izany famaizana rehetra izany hoe tena ilaina ny matahotra an’i Jehovah ka maneho finoana sy mankatò.—De 8:3-5; 11:2-7.
Matetika ny solontenan’i Jehovah no nomeny fahefana hanafay. Nofaizin’ny anti-panahy mpitsara, ohatra, ny lehilahy nanendrikendrika hoe tsy virjiny intsony ny vadiny tamin’ny andro nampakarany azy. (De 22:13-19) Misolo tena an’i Jehovah koa ny ray aman-dreny rehefa mananatra sy manafay zanaka, ka tokony hankatoavina satria tia zanaka. Mitondra soa maharitra koa ny anatra omeny. (Oh 1:8; 4:1, 13; 6:20-23; 13:1, 24; 15:5; 22:15; 23:13, 14; Ef 6:4) Ny Tenin’Andriamanitra no ampiasain’ny anti-panahy hananarana sy hanitsiana ary hanafaizana, eo anivon’ny fiangonana. (2Ti 3:16) Faizin’i Jehovah ny Kristianina nanao ratsy mba hanarenana azy sy hisakanana azy tsy ho voaheloka miaraka amin’ity tontolo ratsy ity. (1Ko 11:32) Manafay an’izay iraiketan’ny fony koa i Jesosy Kristy lohan’ny fiangonana, raha ilaina.—Ap 3:14, 19.
Famaizana mafy kokoa ny fandroahana tsy ho anisan’ny fiangonana. Nofaizin’ny apostoly Paoly toy izany i Hymeneo sy Aleksandra rehefa natolony “ho an’i Satana” (1Ti 1:20), ka lasa anisan’ny tontolon’i Satana indray.—1Ko 5:5, 11-13.
Mety havelan’i Jehovah hitranga ny fanenjehana, ho famaizana na fampiofanana ny mpanompony. Fahamarinana sy fiadanana no ho vokany, aorian’ilay fitsapana. (He 12:4-11) Na ny Zanak’Andriamanitra aza lasa mpisoronabe mahay mangoraka, noho izy navelan’ny Rainy hiaritra fijaliana.—He 4:15.
Vokany raha manaiky na tsy manaiky. Mankahala ny fananaran’i Jehovah ka tsy manaiky izany mihitsy ny ratsy fanahy sy ny adala ary ny ratsy fitondran-tena. (Sl 50:16, 17; Oh 1:7) Hadalana izany, ary famaizana mafy kokoa ny ho vokany. Hoy ny Ohabolana 16:22: ‘Hadalana ny anatra omen’ny adala.’ Mety hahantra, ho afa-baraka, harary na ho faty mihitsy ireo tsy manaiky fananarana. Nahita loza, ohatra, ny Israelita satria tsy niraharaha ny fananarana sy ny fanitsian’ny mpaminany. Mbola tsy nankatò ihany izy ireo na dia rehefa nofaizin’i Jehovah aza, ka tsy narovany sy tsy notahiny. Farany, nofaizina mafy izy ireo ka resy ary natao sesitany.—Je 2:30; 5:3; 7:28; 17:23; 32:33; Ho 7:12-16; 10:10; Ze 3:2.
Lasa hendry, izany hoe mahay mampiasa ny fahalalana, kosa izay manaiky sy mankasitraka ary mihaino anatra sady matahotra an’i Jehovah. Hisoroka fahoriana sy fijaliana izy, ary mety ho ela velona sady manantena hoavy sambatra. Tokony hankamamina àry ny fananarana sy ny famaizana.—Oh 8:10, 33-35; 10:17.