FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • th lesona 5 p. 8
  • Aza Asiana Diso ny Vakiteninao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Asiana Diso ny Vakiteninao
  • Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
  • Mitovitovy Aminy
  • Vakiteny Tsy Misy Diso
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Milofosa Amin’ny Famakian-teny
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mamakia teny mba hanitarana ny fari-pahalalanao
    Mifohaza!—1992
  • Ny Fomba Hamakiana sy Hitadidiana
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
Hijery Hafa
Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
th lesona 5 p. 8

LESONA 5

Aza Asiana Diso ny Vakiteninao

Andinin-teny

1 Timoty 4:13

AHOANA IZANY? Vakio mafy tsara ilay izy, ary aza asiana diso.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Omano tsara ny vakiteninao. Diniho hoe inona no antony nanoratana an’ilay zavatra hovakinao. Mianara mamaky teny maromaro indray miaraka fa tsy teny tsirairay, dia ataovy imbetsaka izany. Aza manampy na mandingana na manova teny. Hajao tsara daholo ny mari-piatoana, ohatra hoe ny teboka na ny faingo.

    Torohevitra kely

    Miangavia olona mba hihaino ny vakiteninao, dia asaivo lazainy izay diso nataonao.

  • Ataovy marina tsara ny fanononanao teny. Raha tsy hainao hoe ahoana no hanononana azy, dia mihainoa raki-peo misy an’ilay izy, na manontania olona mahay mamaky teny tsara.

  • Ataovy heno tsara ny teninao. Atrakao ny lohanao, ary sokafy tsara ny vavanao, dia ho heno tsara izay teny lazainao. Tonòny tsara koa ny teny tsirairay.

    Torohevitra kely

    Aza mitandrina loatra anefa rehefa manonona teny, mba tsy ho hafahafa be ilay izy rehefa henoina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara