FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • th lesona 1 p. 4
  • Mahaiza Mampidi-dresaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahaiza Mampidi-dresaka
  • Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampidiran-dresaka Mandaitra
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Fampidiran-dresaka Mahaliana
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ataovy Hitany hoe Azo Ampiharina Ilay Hevitra
    Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
th lesona 1 p. 4

LESONA 1

Mahaiza Mampidi-dresaka

Andinin-teny

Asan’ny Apostoly 17:22

AHOANA IZANY? Ataovy mahaliana izay lazainao voalohany. Tonga dia ampidiro ao koa ny foto-kevitra horesahinao, ary ataovy tsapan’ilay olona hoe mahasoa azy ilay izy.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Ataovy mahaliana izay lazainao. Mitadiava fanontaniana na tantara tena nisy na vaovao na zavatra hafa mahaliana.

    Torohevitra kely

    Eritrereto tsara hoe: ‘Inona izao no tena mahaliana ny olona na mampiady saina azy?’ Izay avy eo no ataovy fampidiran-dresaka.

  • Ampidiro ao ny foto-kevitra horesahinao. Tonga dia ataovy mazava hoe inona ilay foto-kevitra tianao horesahina, ary nahoana ianao no te hiresaka an’ilay izy.

  • Ataovy tsapan’ilay olona hoe mahasoa azy ilay foto-kevitra. Hevitra tena ilainy no resaho. Tokony ho azony hoe mahasoa azy izay lazainao.

    Torohevitra kely

    Rehefa manomana lahateny ianao, dia mieritrereta hoe: ‘Inona ny olana mahazo ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonanay?’ Ataovy mifanaraka amin’izany avy eo ny fampidiran-dresakao.

ANDRAMO IZAO REHEFA MANOMPO

Jereo hoe inona ny zavatra ataon’ilay olona, na tazano kely ny manodidina, dia ho fantapantatrao hoe inona no mahaliana azy. Iny zavatra hitanao iny avy eo no ataovy fampidiran-dresaka. Resaho kely, ohatra, ilay izy, na mametraha fanontaniana momba an’ilay izy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara