FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • th lesona 2 p. 5
  • Ataovy Hoatran’ny hoe Miresaka Andavanandro Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ataovy Hoatran’ny hoe Miresaka Andavanandro Ianao
  • Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
  • Mitovitovy Aminy
  • Miezaha Hafana Fo
    Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
  • Fiteny Tsotra, Tsy Amboamboarina
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Asehoy hoe Tena Mino An’izay Lazainao Ianao
    Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
  • Miezaha ho Tsara Fanahy sy Hangoraka
    Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
Hijery Hafa
Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
th lesona 2 p. 5

LESONA 2

Ataovy Hoatran’ny hoe Miresaka Andavanandro Ianao

Andinin-teny

2 Korintianina 2:17

AHOANA IZANY? Aza amboamboarina ny teninao fa ataovy hoatran’ny rehefa miresaka andavanandro, ary ataovy vokatry ny fo.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Omano tsara izay holazainao, ary mivavaha rehefa manomana. Mivavaha mba tsy hatahotahotra, fa hahavita hamoaka tsara an’izay tianao holazaina. Ataovy azo tsara izay hevi-dehibe horesahinao. Avereno amin’ny feo avo ilay izy avy eo, nefa aza atao tsianjery fa lazao araka izay tena fahazoanao azy.

    Torohevitra kely

    Rehefa manomana vakiteny ao amin’ny Baiboly na ao amin’ny boky sy gazety ianao, dia averimbereno ilay izy mba hisosa tsara. Raha misy tenin’olona ao, dia avoahy tsara ny fihetseham-pony, nefa aza atao tafahoatra.

  • Ataovy vokatry ny fo ny teninao. Eritrereto hoe nahoana no mila mihaino an’izay lazainao ny olona. Izay no ifantohy, dia hangoraka azy ianao, ka ho tsapany hoe vokatry ny fo ny teninao. Ho hitany amin’ny fihetsikao sy ny endrikao izany.

    Torohevitra kely

    Tandremo anefa sao tsy manaja olona. Tadidio foana fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra resahinao, ka ataovy mety tsara ny teny lazainao. Miezaha koa hanaraka fitsipi-pitenenana.

  • Jereo ny olona iresahanao. Jereo eo amin’ny masony izy raha tsy manafintohina izany any aminareo. Rehefa mandaha-teny ianao, dia aza jerena maimaika fotsiny ny mpanatrika, fa mijere kely any amin’ny olona iray, dia avy eo mijere any amin’olon-kafa indray.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara