FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Firenena”
  • Firenena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Firenena
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanjakan’Andriamanitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Israelin’Andriamanitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Abrahama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Jehovah
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Firenena”

FIRENENA

Lazaina hoe firenena ny vahoaka iray ra sy iray fiteny, amin’ny ankapobeny. Matetika no miara-monina ao amin’ny faritra iray ny firenena iray, ary misy karazana fitondram-panjakana mifehy azy. Hoy ny diksionera iray: “Voaporofo fa matetika ny Hebreo no mampiasa ny hoe gôy mba hilazana vahoaka fehezin’ny fitondram-panjakana iray sy monina ao amin’ny faritra iray. Mitovy be amin’ilay teny maoderina hoe ‘firenena’ àry ny hevitr’izy io. Ilay hoe ʽam [vahoaka] kosa manasongadina foana an’ilay hevitra hoe iray ra ka lasa vahoaka iray.” (Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Taloha, nataon’i G. Botterweck sy H. Ringgren, Boky faha-2, 1975, p. 427) Etnôs (firenena) sy laôs (vahoaka) kosa no teny grika mifanitsy amin’ireo. Ireo firenena hafa ankoatra ny Jiosy matetika no lazain’ny Soratra Masina hoe gôhy sy etnôs, amin’ny endriny milaza maro.

Ny niandohan’ireo firenena. Taorian’ny Safodrano no nanomboka nizara ho firenena ny olona, tamin’izy ireo nanorina ny Tilikambon’i Babela. Niray hina hanohitra ny fikasan’Andriamanitra ireo nanorina izany. “Mbola nampiasa fiteny iray ihany ny tany manontolo” tamin’izany “sady nitovy ny teny nampiasainy”, ka tena mora taminy ny niara-nanao zavatra. (Ge 11:1-4) Hitan’i Jehovah izany ka nasafotofotony ny fitenin’izy ireo, ary ‘naparitany avy tao izy ireo ka niely nanerana ny tany.’​—Ge 11:5-9; SARINTANY, Boky 1, p. 329.

Tsy nifankahazo resaka izy ireo, ka izay nitovy fiteny no niaraka ary nanjary nanana ny kolontsainy, ny zava-kantony, ny fombany, ny toetrany, ary ny fivavahany. Samy nanana ny fanaony ny antokon’olona tsirairay. (Le 18:3) Tafasaraka tamin’Andriamanitra ireny vahoaka samihafa ireny, ary samy nanamboatra sampy mba hampisehoana an’ireo andriamanitra voalazan’ny anganony.​—De 12:30; 2Mp 17:29, 33.

Nisy fizarana telo lehibe ireny firenena ireny, satria avy tamin’ireo zanaka sy zafikelin’izy telo lahy zanak’i Noa, izany hoe i Jafeta sy Hama ary Sema. Ireo no nolazaina fa nipoiran’ireo firenena nitondra ny anaran’izy telo lahy. Azo lazaina àry hoe ny lisitra ao amin’ny Genesisy toko faha-10 no lisitra tranainy indrindra nanasokajiana an’ireo firenena. Mitanisa firenena 70 ilay izy: Avy tamin’i Jafeta ny 14, avy tamin’i Hama ny 30, ary avy tamin’i Sema ny 26. (Ge 10:1-8, 13-32; 1Ta 1:4-25) Raha mila fanazavana fanampiny momba ireo firenena ireo, dia jereo ny TABILAO, Boky 1, p. 329 sy ny lahatsoratra momba ny tsirairay amin’ireo taranaka 70 avy tamin’i Noa.

Azo antoka fa be dia be ny zavatra niova, tatỳ aoriana. Nisy firenena nitambatra tamin’ireo firenena nanodidina, ary nisy koa firenena nanjavona tanteraka, satria osaosa na resy an’ady, na ripaky ny aretina. Nisy kosa firenena vaovao niforona vokatry ny fifindra-monina na ny fitomboan’ny isan’ny mponina. Indraindray, dia nisy vahoaka tena nanindrahindra ny fireneny, sady nahay niady. Te halaza ny olona sasany teo anivon’ireny firenena ireny, ka sahy nampahory firenena osaosa kokoa mba hanorenana fanjakana faran’izay natanjaka.

Rain’ireo firenena. Nasain’Andriamanitra nandao an’i Ora sy nifindra tany amin’ny tany vao hasehony azy i Abrama. Hoy mantsy Andriamanitra: “Hataoko misy firenena lehibe avy aminao.” (Ge 12:1-4) Nampian’Andriamanitra toy izao ilay fampanantenana tatỳ aoriana: “Ho tonga rain’ny firenena maro ianao. ... Hataoko maro be ny taranakao ka hataoko ho lasa firenena maro, ary hisy mpanjaka maro hipoitra avy aminao.” (Ge 17:1-6) Tanteraka io fampanantenana io, satria niteraka 12 lahy i Ismaela zanak’i Abrahama, ary ‘mpiadidy izy roa ambin’ny folo lahy ireo, araka ny fokony avy.’ (Ge 25:13-16; 17:20; 21:13, 18) Nisy firenena hafa koa avy tamin’izy enin-dahy zanak’i Abrahama tamin’i Ketora. (Ge 25:1-4; 1Ta 1:28-33; Ro 4:16-18) Taranak’i Isaka zanak’i Abrahama ny Israelita sy ny Edomita. (Ge 25:21-26) Tanteraka tamin’ny lafiny ara-panahy koa ilay fampanantenana hoe ho lasa “rain’ny firenena maro” i Abrahama, satria afaka niantso azy hoe ray ny olona any amin’ny firenena maro izay nino sy nankatò an’Andriamanitra (anisan’ireny ny Kristianina tany Roma). Izy mantsy no “rain’izay rehetra manam-pinoana.”​—Ro 4:11, 16-18; jereo ISRAELY No. 2.

Ny fiheveran’Andriamanitra an’ireo firenena. Mpamorona sady Mpanjakan’izao rehetra izao Andriamanitra ka manan-jo feno hamaritra ny sisin-tanin’ireo firenena, raha tiany. Efa nanao toy izany tamin’i Amona sy Edoma ary Israely izy. (De 2:17-22; 32:8; 2Ta 20:6, 7; As 17:26) Izy no ilay Avo Indrindra sy ilay Misandratra eo ambonin’ny tany manontolo, ka tena be voninahitra izy ary tsy misy firenena afaka mifampitaha aminy. (Je 10:6, 7) Toy ny rano indray mitete avy amin’ny siny mihitsy aza no fahitany an’ireo firenena. (Is 40:15, 17) Ihomehezany fotsiny sady esoiny àry ireny firenena ireny, rehefa tezitra sy mingonongonona aminy, ohatra hoe tamin’izy ireny namono an’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana. Ataony tsy tanteraka koa ny fikasan’izy ireny hanohitra azy.​—Sl 2:1, 2, 4, 5; 33:10; 59:8; Da 4:32b, 34, 35; As 4:24-28.

Tena be voninahitra sy faran’izay mahery i Jehovah, nefa tsy misy afaka miampanga azy hoe manao ny tsy rariny amin’ireo firenena. Tsy mandika ny fitsipiny marina mihitsy izy, na olona iray na firenena manontolo no ifampiraharahany. (Jb 34:29) Tahiny izay firenena mibebaka, toy ny nataony tamin’ny mponin’i Ninive. (Jo 3:5-10) Aringany kosa izay firenena lasa manao ratsy, na dia firenena vita fifanekena taminy aza. (Je 18:7-10) Maniraka mpaminany anefa izy aloha mba hampitandremana azy ireny. (Je 1:5, 10; Ezk 2:3; 33:7) Tsy miangatra izy na amin’ny lehibe na amin’ny madinika.​—De 10:17; 2Ta 19:7; As 10:34, 35.

Rehefa misy firenena manontolo tsy mety manaiky sy tsy mankatò an’i Jehovah, na manadino azy sy tsy tia azy, dia ampiharin’i Jehovah aminy ny didim-pitsarany. (Sl 79:6; 110:6; 149:7-9) Atokany haringana sy ataony lasa any amin’ny Fasana izy ireny. (Sl 9:17; Is 34:1, 2; Je 10:25) Toy ny hitan’ny maso mihitsy ny fomba ilazan’Andriamanitra ny hanolorany an’ireo firenena ratsy fanahy mba homontsamontsanin’ny Zanany, izay antsoina hoe “Mendri-pitokisana sy Marina” sy hoe “Ny Tenin’Andriamanitra.”​—Sl 2:7-9; Ap 19:11-15; ampit. Ap 12:5.

Firenena vaovao antsoina hoe Israely ara-panahy. Ny Israely ara-nofo ihany no nifandraisan’i Jehovah Andriamanitra nandritra ny taonjato maro. Naniraka mpaminany imbetsaka izy mba hiverenan’izy ireo taminy. Naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany mihitsy izy tamin’ny farany, nefa nanda azy io ny ankamaroan’ny Israelita. Hoy àry i Jesosy tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo tsy nino azy: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.”​—Mt 21:33-43.

Nanazava ny apostoly Petera fa io “firenena” io dia ny fitambaran’ireo olona nanaiky an’i Jesosy Kristy. (1Pe 2:4-10) Ny teny nolazaina tamin’ny Israely ara-nofo mihitsy no naveriny tamin’ireo Kristianina, raha ny marina. Hoy izy: “Ianareo kosa dia ‘firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana.’” (1Pe 2:9; ampit. Ek 19:5, 6.) Eken’ireo olona ireo fa Andriamanitra no Mpitondra, ary ny Zanany no Tompo sy Kristy. (As 2:34, 35; 5:32) Olom-pirenen’ny lanitra izy ireo (Fi 3:20), ary nasiana tombo-kase tamin’ny fanahy masina, izay antoka mialoha fa hahazo lova any an-danitra izy ireo. (2Ko 1:22; 5:5; Ef 1:13, 14) Ny fifaneken’ny Lalàna no nahatonga ny Israely ara-nofo ho lasa firenena, fa ny fifanekena vaovao kosa no nahatonga ny “firenena masina” ho lasa firenena. Kristianina nateraky ny fanahy daholo no anisan’io firenena io. (Ek 19:5; He 8:6-13) Izy io àry no tena mendrika hantsoina hoe “firenena masina.”

Rehefa nilatsaka tamin’ireo mpianatra 120 (Jiosy daholo) ny fanahin’Andriamanitra, tamin’ny Pentekosta taona 33, dia niharihary fa nifampiraharaha tamina firenena vaovao Andriamanitra. (As 1:4, 5, 15; 2:1-4; ampit. Ef 1:13, 14.) Nanomboka tamin’ny taona 36, dia nanjary anisan’ilay firenena vaovao ary nahazo ny fanahin’Andriamanitra koa ireo jentilisa na hafa firenena tsy mifora.​—As 10:24-48; Ef 2:11-20.

Jereo ny hoe VAOVAO TSARA izay manazava momba ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny firenena rehetra.

Goga sy Magoga. Hoy ny Apokalypsy 20:7, 8: “Hivoaka [i Satana] hamitaka an’ireo firenena any amin’ny vazan-tany efatra, dia i Goga sy Magoga.” Hitranga aorian’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy izany. Azo inoana fa ireo olona hikomy amin’ny fitondran’i Kristy ireo firenena ireo.​—Jereo GOGA No. 3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara