FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bhs toko 9 p. 94-104
  • Efa Tena Akaiky ny Farany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efa Tena Akaiky ny Farany
  • Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Hamaky Ampianarina
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ADY TANY AN-DANITRA
  • ANDRO FARANY
  • NY TOETRAN’NY OLONA AMIN’NY ANDRO FARANY
  • ZAVATRA TSARA AMIN’NY ANDRO FARANY
  • INONA NO TOKONY HATAONAO?
  • Ny Fomba Ahafantarantsika fa Miaina Amin’ny “Andro Farany” Isika
    Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
  • Rahoviana ny Andro Farany?
    Mifohaza!—2008
  • Ho Tanteraka Tsy Ho Ela Ny Fikasan’andriamanitra
    Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
bhs toko 9 p. 94-104

TOKO 9

Efa Tena Akaiky ny Farany

1. Iza no mahafantatra ny hoavy?

ZAVATRA ratsy be foana matetika no resahin’ny vaovao. Efa nieritreritra ve ianao hoe: ‘Hanao ahoana re ny hiafaran’ity fiainana ity e?’ Misy mihevitra fa efa tena akaiky ny fara andro matoa hoatr’izao ny fiainana. Izany tokoa ve no izy? Marina fa tsy misy olona mahafantatra an’izay hitranga amin’ny hoavy. I Jehovah anefa mahafantatra, ary resahiny ao amin’ny Baiboly izany.—Isaia 46:10; Jakoba 4:14.

2, 3. Inona no nanontanian’ny mpianatr’i Jesosy, ary ahoana no navalin’i Jesosy?

2 Inona no tian’ny Baiboly holazaina rehefa miresaka momba ny fara andro, na ny faran’izao tontolo izao izy? Tsy hoe ny tany no ho potika fa ny zava-dratsy rehetra no tsy hisy intsony. Nilaza i Jesosy fa hanjaka amin’ny tany manontolo ny Fanjakan’Andriamanitra. (Lioka 4:43) Tian’ny mpianany ho fantatra hoe rahoviana no ho tonga io Fanjakana io, ka hoy izy ireo: “Rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” (Matio 24:3) Tsy niteny daty i Jesosy fa nanome famantarana, izany hoe nolazainy ny zavatra hitranga aloha kelin’ny faran’izao tontolo izao. Efa mitranga daholo izao ireny famantarana ireny.

3 Ho hitantsika ato amin’ity toko ity ny porofo fa efa tena akaiky ny farany. Hojerentsika aloha hoe nisy ady tany an-danitra. Ho azontsika, amin’izay, hoe nahoana no miharatsy be ny fiainana etỳ an-tany.

ADY TANY AN-DANITRA

4, 5. a) Inona no nitranga tany an-danitra, rehefa lasa Mpanjaka i Jesosy? b) Inona no lazain’ny Apokalypsy 12:12 hoe hitranga etỳ an-tany rehefa noroahina hanketỳ i Satana?

4 Nianarantsika tao amin’ny Toko faha-8 fa lasa Mpanjaka tany an-danitra i Jesosy tamin’ny taona 1914. (Daniela 7:13, 14) Izao no tantarain’ny Baiboly: “Nisy ady nipoaka tany an-danitra: I Mikaela [izany hoe i Jesosy] sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona [izany hoe i Satana]. Ary niady koa ilay dragona sy ny anjeliny.”a Resy i Satana sy ny demoniany ary natsipy tetỳ an-tany. Faly erỳ ny anjely any an-danitra! Ary ny olona etỳ an-tany? Milaza ny Baiboly fa hanomboka hikorontana ny fiainan’izy ireo. Romotra be mantsy ny Devoly “satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.”—Apokalypsy 12:7, 9, 12.

5 Ataon’ny Devoly daholo izay azony atao mba hampikorontana ny fiainantsika. Tezitra be izy satria kely sisa dia tsy havelan’i Jehovah hanao na inona na inona etỳ an-tany. Andao hojerentsika izay nolazain’i Jesosy fa hitranga amin’ny andro farany.—Jereo ny Fanamarihana 24.

ANDRO FARANY

6, 7. Inona ny porofo fa tanteraka amin’izao fotoana izao ny tenin’i Jesosy momba ny ady sy ny mosary?

6 Ady. Hoy i Jesosy: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana.” (Matio 24:7) Be dia be mihitsy, tato ho ato, ny isan’ny olona maty amin’ny ady, raha oharina amin’ny taloha. Milaza ny Fikambanana Mpandinika An’izao Tontolo Izao fa olona 100 tapitrisa mahery no maty noho ny ady, nanomboka tamin’ny 1914. Raha atambatra ny isan’ny olona maty tamin’ny ady teo anelanelan’ny taona 1900 sy 2000, dia betsaka lavitra noho ny isan’ny maty tamin’ny ady talohan’ny taona 1900. Olona an-tapitrisany tokoa no mijaly vokatry ny ady!

Zava-mitranga amin’ny andro farany: Baomba mipoaka, ankizy tsy ampy sakafo, fiaramanidina mpiady, ary olona nianjeran’ny trano taorian’ny horohoron-tany

7 Mosary. Hoy i Jesosy: “Hisy mosary.” (Matio 24:7) Amin’izao no be dia be ny sakafo eran-tany, nefa mbola betsaka ihany no tsy ampy sakafo. Tsy manam-bola hividianana sakafo sy tany hambolena mantsy ny olona. Olona arivo tapitrisa mahery no mahantra be, ka vola faran’izay kely no ivelomany isan’andro. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa tsy ampy sakafo no tena mahafaty an’ireo ankizy an-tapitrisany maty isan-taona.

8, 9. Tanteraka ve ilay tenin’i Jesosy hoe hisy horohoron-tany sy aretina? Hazavao.

8 Horohoron-tany. Hoy i Jesosy: “Hisy horohoron-tany lehibe.” (Lioka 21:11) Mety hisy horohoron-tany mahery be foana izao isan-taona. Olona roa tapitrisa mahery no efa matin’ny horohoron-tany, nanomboka tamin’ny taona 1900. Efa mora kokoa izao ny mamantatra mialoha hoe hisy horohoron-tany, nefa mbola betsaka ihany no maty.

9 Aretina. Nilaza i Jesosy fa hisy “areti-mandringana”, izany hoe hisy aretina be dia be mora mifindra sady mamono olona maro. (Lioka 21:11) Mbola misy aretina tsy azo sitranina ihany izao, nefa efa nianatra nitsabo aretina be dia be ny dokotera. Hazavain’ny tatitra iray aza fa olona an-tapitrisany isan-taona no matin’ny tioberkilaozy, tazomoka, kôlerà, ary aretina hafa. Mbola nahita aretina vaovao 30 koa ny dokotera, ary tsy misy fanafodiny ny sasany.

NY TOETRAN’NY OLONA AMIN’NY ANDRO FARANY

Zava-mitranga amin’ny andro farany: Olona marary, olona tia vola sy fahafinaretana, mpivady miady, ary miaramila miady

10. Mitovy amin’ny lazain’ny 2 Timoty 3:1-5 ve ny toetran’ny olona izao?

10 Hoy ny 2 Timoty 3:1-5: “Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” Nolazain’ny apostoly Paoly avy eo ny toetran’ny olona amin’ny andro farany. Nilaza izy fa ny olona

  • ho tia tena

  • ho tia vola

  • tsy hankatò ray aman-dreny

  • hivadika amin’ny teniny

  • tsy ho tia ny fianakaviany

  • tsy hahafehy tena

  • hahery setra

  • te hampifalifaly tena fa tsy ho tia an’Andriamanitra

  • mody tia an’Andriamanitra nefa tsy mankatò azy

11. Hatao ahoana ny ratsy fanahy, araka ny Salamo 92:7?

11 Hoatr’izany ve ny olona any aminareo? Betsaka no hoatr’izany eran-tany. Tsy ho ela anefa Andriamanitra dia hanatanteraka an’ity teniny ity: “Rehefa mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, ary miroborobo ny mpanao ratsy rehetra, dia midika izany fa ho ringana mandrakizay izy ireo.”—Salamo 92:7.

ZAVATRA TSARA AMIN’NY ANDRO FARANY

12, 13. Inona no ampahafantarin’i Jehovah antsika mandritra ny andro farany?

12 Efa nilaza ny Baiboly fa hijaly be ny olona amin’ny andro farany. Lazainy ao koa anefa fa hisy zavatra tsara hitranga.

Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany samihafa, mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny fiteny maro

“Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity.”—Matio 24:14

13 Lasa mazava izay lazain’ny Baiboly. Hoy i Daniela mpaminany, momba ny andro farany: “Hitombo be ny tena fahalalana.” (Daniela 12:4) Nataon’i Jehovah mazava kokoa amin’ny vahoakany ny Baiboly, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1914. Nampahafantariny antsika, ohatra, ny marina momba ny anarany, ny fikasany, ny vidim-panavotana, ny maty, ary ny fitsanganan’ny maty. Lasa fantatsika fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka mandamina ny olana rehetra mahazo antsika. Nianarantsika koa hoe inona no hatao raha te ho sambatra, na te hampifaly an’Andriamanitra. Inona anefa no ataon’ny mpanompon’Andriamanitra rehefa fantany daholo izany? Efa nolazain’ny Baiboly mialoha koa izany.—Jereo ny Fanamarihana 21 sy 25.

14. Aiza no itoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ary iza no manao an’izany?

14 Hisy fitoriana eran-tany. Nilaza i Jesosy fa “hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity” amin’ny andro farany. (Matio 24:3, 14) Torina any amin’ny tany 230 mahery sy amin’ny fiteny 700 mahery izao io vaovao tsaran’ilay Fanjakana io. Vavolombelon’i Jehovah avy amin’ny “firenena sy foko” rehetra no manao an’izany eran-tany. (Apokalypsy 7:9) Ampianarin’izy ireo maimaim-poana ny olona mba hahafantatra momba an’io Fanjakana io sy izay hataony. Na betsaka aza no mankahala sy manenjika azy ireo, araka ny tenin’i Jesosy, dia mitory foana izy ireo.—Lioka 21:17.

INONA NO TOKONY HATAONAO?

15. a) Mino ve ianao fa andro farany izao? Nahoana? b) Ahoana no hiafaran’izay tsy mankatò an’i Jehovah? Ary izay mankatò azy?

15 Mino ve ianao fa andro farany izao? Betsaka ny faminanian’ny Baiboly momba ny andro farany efa tanteraka. Kely sisa dia hasain’i Jehovah hajanona ny fitoriana ny vaovao tsara, ary ho tonga “ny farany.” (Matio 24:14) Inona anefa ilay hoe farany? Ny Hara-magedona. Amin’izay Andriamanitra no hanafoana ny zava-dratsy rehetra. Haringan’i Jehovah izay tsy mety mankatò azy sy ny Zanany, ka i Jesosy sy ny anjeliny no hasainy hanao an’izany. (2 Tesalonianina 1:6-9) Tsy ho afaka hamitaka ny olona i Satana sy ny demoniany aorian’izay. Izay mankatò an’Andriamanitra sy ny Fanjakany kosa mbola ho eo, rehefa tanteraka ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra.—Apokalypsy 20:1-3; 21:3-5.

16. Inona no tokony hataonao satria efa tena akaiky ny farany?

16 Efa kely sisa dia hifarana ny tontolon’i Satana. Tena tokony hieritreritra àry ianao hoe inona no tokony hataonao. Ataovy zava-dehibe aminao ny fianaranao, satria tian’i Jehovah hahalala zavatra betsaka ao amin’ny Baiboly ianao. (Jaona 17:3) Misy fivoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-kerinandro, mba hanampiana ny olona hahafantatra an’izay lazain’ny Baiboly. Mandehana foana àry mivory miaraka amin’izy ireo. (Vakio ny Hebreo 10:24, 25.) Aza misalasala fa ahitsio izay hitanao hoe tokony hahitsy. Vao mainka ho naman’i Jehovah ianao amin’izay.—Jakoba 4:8.

17. Nahoana no tsy hampoizin’ny olona ny hahatongavan’ny farany?

17 Nilaza ny apostoly Paoly fa ho avy “toy ny mpangalatra amin’ny alina” ny fotoana handringanana ny ratsy fanahy, izany hoe tsy hampoizin’ny olona. (1 Tesalonianina 5:2) Efa nilaza i Jesosy fa ho variana amin’ny fiainana ny olona ka tsy hiraharaha hoe andro farany izao. Hoy izy: “Toy ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona [na ny andro farany]. Fa tamin’izany andro izany, fony mbola tsy tonga ny safodrano, dia nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara. Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra. Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.”—Matio 24:37-39.

18. Inona no nampitandreman’i Jesosy antsika?

18 Nampitandrina antsika i Jesosy mba tsy ho variana amin’ny “fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana.” Nilaza mantsy izy fa ho tampoka be “toy ny fandrika” ny farany, ary “ho tonga amin’izay rehetra monina ambonin’ny tany manontolo.” Nampitandrina koa izy avy eo hoe: “Koa miambena hatrany, ary mitalahoa mandrakariva [na mivavaha mafy] mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo, ka ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” (Lioka 21:34-36) Mila manaraka an’io tenin’i Jesosy io isika, satria kely sisa dia horinganina ny tontolon’i Satana. Izay olona ankasitrahan’i Jehovah sy Jesosy ihany no ho tafavoaka velona, ka hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao.—Jaona 3:16; 2 Petera 3:13.

a Antsoina hoe Mikaela koa i Jesosy Kristy. Jereo ny Fanamarihana 23.

FAMINTINANA

HEVITRA 1: LAZAIN’I JEHOVAH AMINTSIKA NY HOAVY

“Manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany [i Jehovah], sy manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao.”—Isaia 46:10

Inona no fantatsika momba ny andro farany?

  • Daniela 7:13, 14

    Lasa Mpanjaka tany an-danitra i Jesosy, tamin’ny 1914.

  • Matio 24:3-14

    Efa nilaza i Jesosy fa ho sarotra ny fiainana.

  • Apokalypsy 12:7-9, 12

    Vao lasa Mpanjaka i Jesosy dia noroahiny i Satana ary natsipiny tetỳ an-tany. Tezitra be i Satana satria kely sisa izy dia tsy havelan’i Jehovah hanao na inona na inona etỳ an-tany.

HEVITRA 2: EFA ANDRO FARANY IZAO

‘Inona no ho famantarana ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?’—Matio 24:3

Inona ny faminanian’ny Baiboly efa tanteraka?

  • Matio 24:7; Lioka 21:11

    Mbola tsy nisy ady, mosary, horohoron-tany, ary aretina be dia be hoatr’izao mihitsy hatramin’izay.

  • 2 Timoty 3:1-5

    Nilaza ny apostoly Paoly fa ho ratsy toetra ny olona amin’ny andro farany.

  • Daniela 12:4

    Amin’izao vao tena ataon’i Jehovah mazava amin’ny vahoakany ny Baiboly.

  • Matio 24:14

    Torina eran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.

HEVITRA 3: ATAOVY IZAY HAMPIFALIANA AN’I JEHOVAH

“Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah.”—1 Tesalonianina 5:2

Inona no tokony hataonao satria efa tena akaiky ny farany?

  • Jaona 17:3

    Ataovy zava-dehibe aminao ny fianarana Baiboly.

  • Hebreo 10:24, 25

    Mandehana mivory miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia hahafantatra zavatra betsaka kokoa ianao.

  • Jakoba 4:8

    Ahitsio izay hitanao fa tokony hahitsy. Vao mainka ho naman’i Jehovah ianao amin’izay.

  • Lioka 21:34-36

    Aza variana amin’ny zavatra hafa fa manompoa an’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara