FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lv toko 4 p. 36-49
  • Nahoana Isika no Tokony Hanaja Fahefana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Isika no Tokony Hanaja Fahefana?
  • “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NAHOANA NO SAROTRA IZANY?
  • NAHOANA ISIKA NO TOKONY HANAJA FAHEFANA?
  • AO AN-TOKANTRANO
  • EO ANIVON’NY FIANGONANA
  • HAJAO NY MANAM-PAHEFANA
  • Hajao Ireo Nomena Fahefana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Ny Fiheveran’ny Kristiana ny Fahefana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ekeo ny Fahefan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Ny Fanajana ny Fahefana​—Nahoana no Tena Ilaina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Hijery Hafa
“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
lv toko 4 p. 36-49
Raim-pianakaviana mampianatra ny vady aman-janany

TOKO 4

Nahoana Isika no Tokony Hanaja Fahefana?

“Hajao ny karazan’olona rehetra.”—1 PETERA 2:17.

1, 2. a) Inona no sarotra amintsika indraindray? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

VOAMARIKAO ve ny ataon’ny ankizy rehefa asaina manao zavatra tena tsy tiany izy? Hita eo amin’ny endriny hoe mafy aminy ilay izy. Henony tsara ny tenin-drainy ary fantany fa tokony hanaja ny fahefany izy. Tsy te hankatò anefa izy. Mpitranga amintsika rehetra koa izany.

2 Tsy mora foana ny manaja fahefana. Sarotra aminao koa ve izany indraindray? Tsy ianao irery no toy izany. Mbola tsy betsaka toy ny amin’izao mihitsy mantsy ny olona tsy manaja fahefana. Milaza anefa ny Baiboly fa tokony hanaja an’ireo manana fahefana isika. (Ohabolana 24:21) Tena mila manao an’izany isika, raha tiantsika ny ho tian’Andriamanitra foana. Nahoana àry no sarotra indraindray ny manaja fahefana? Nahoana no asain’i Jehovah manao an’izany isika, ary inona no hanampy antsika hahavita izany? Ahoana no anajantsika fahefana?

NAHOANA NO SAROTRA IZANY?

3, 4. Ahoana no nahatonga ny olona ho mpanota sy tsy lavorary, ary inona no manasarotra ny fanajana fahefana?

3 Antony roa no mety hanasarotra ny fanajana fahefana: Voalohany, tsy lavorary isika. Faharoa, tsy lavorary ireo manana fahefana. Efa ela ny olona no lasa mpanota sy tsy lavorary. Nanomboka tao amin’ny zaridainan’i Edena izany, rehefa nikomy tamin’ny fahefan’i Jehovah i Adama sy Eva. Lasa mpanota àry ny olona. Mora mikomy isika hatramin’izao, ary efa ao anatintsika ao mihitsy izany.—Genesisy 2:15-17; 3:1-7; Salamo 51:5; Romanina 5:12.

4 Mora manambony tena sy mieboebo ny ankamaroantsika, satria tsy lavorary. Mila miezaka mafy kosa isika vao mahavita manetry tena sy mahavita an’izany foana. Tsy fahita firy àry ny olona manetry tena. Mety hanambony tena sy hiziriziry amin’ny hevitsika isika, na dia efa ela aza no nanompo an’Andriamanitra. Eritrereto i Kora. Niaraka tamin’ny vahoakan’i Jehovah foana izy, na teo aza ny zava-tsarotra maro. Te hahazo fahefana bebe kokoa anefa izy, ka sahy nitaona olona hikomy tamin’i Mosesy, ilay lehilahy be fandeferana indrindra tamin’izany. (Nomery 12:3; 16:1-3) Nanambony tena koa i Ozia Mpanjaka, ka niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah, ary nanao asa masina natokana ho an’ny mpisorona. (2 Tantara 26:16-21) Novidin’izy roa lahy lafo ny fikomiany! Anatra ho antsika rehetra izany. Mila miezaka mafy àry isika mba tsy hanambony tena, satria manasarotra ny fanajana fahefana izany.

5. Ahoana no nataon’ny olona sasany nanampatra ny fahefany?

5 Manjary tsy te hanaja fahefana koa ny olona, rehefa mijery ny ataon’ireo olona manana fahefana. Maro amin’izy ireny no tsy mifaditrovana sy masiaka be ary tia mampijaly. Asehon’ny tantara fa betsaka no nanampatra fahefana. (Vakio ny Mpitoriteny 8:9.) Nanjary nanambony tena sy nialona, ohatra, i Saoly ka nampijaly an’i Davida, lehilahy tsy nivadika. Tsara toetra sy nanetry tena anefa izy tamin’i Jehovah nifidy azy ho mpanjaka. (1 Samoela 9:20, 21; 10:20-22; 18:7-11) Nanampatra fahefana koa i Davida, na dia anisan’ny mpanjaka tsara indrindra teo amin’ny Israely aza. Naka ny vadin’i Oria Hetita izy ary nasainy natao loha laharana tany an’ady i Oria mba ho faty. (2 Samoela 11:1-17) Tsy lavorary tokoa ny olona ka tsy hainy ny mampihatra fahefana! Vao mainka loza ny vokany rehefa tsy manaja an’i Jehovah ny olona manana fahefana! Nampijaly olona tany amin’ny faritra maro, ohatra, ny zavatra nataon’ny papa sasany. Hoy ny mpitondra fanjakana britanika iray momba izany: “Miharatsy ny olona rehefa manana fahefana, ary lasa ratsy tanteraka izy raha fahefana feno no omena azy.” Nahoana àry isika no tokony hanaja fahefana?

NAHOANA ISIKA NO TOKONY HANAJA FAHEFANA?

6, 7. a) Mahatonga antsika hanao inona ny fitiavantsika an’i Jehovah, ary nahoana? b) Ahoana no hampisehoantsika fa manaiky isika?

6 Fitiavana no antony tsara indrindra anajantsika fahefana: Fitiavana an’i Jehovah sy ny olona ary ny tenantsika. I Jehovah no tiantsika indrindra, ka te hampifaly ny fony isika. (Vakio ny Ohabolana 27:11; Marka 12:29, 30.) Fantatsika mantsy fa tsy nanaiky ny zony ho mpitondra an’izao rehetra izao ny olona nanomboka tany Edena, fa nikomy taminy. Miandany amin’i Satana ny ankamaroan’ny olona, ary mandà ny fitondran’i Jehovah. Faly kosa isika fa tsy manao toy izany! Ekentsika amin’ny fo manontolo ny teny fiderana ao amin’ny Apokalypsy 4:11. Mazava amintsika fa i Jehovah no manana zo hitondra an’izao rehetra izao. Asehontsika eo amin’ny fiainantsika àry fa ekentsika ny fitondrany.

7 Marina fa tia an’i Jehovah isika ka vonona hankatò azy. Tsy ampy anefa izany raha manaja ny fahefany isika. Tena ho sarotra amintsika mantsy indraindray ny hankatò azy. Amin’izay indrindra isika no mila miezaka manaiky, toa an’ilay ankizy tetsy aloha. Tadidio fa nanaiky hanao ny sitrapon’ny Rainy i Jesosy, na dia toa sarotra be aza izany. Hoy izy tamin-dRainy: “Aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny anao.”—Lioka 22:42.

8. a) Ahoana no hampisehoantsika fa manaiky ny fahefan’i Jehovah isika? Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’izany, araka ny Nomery 14:26, 27? b) Inona no hanampy antsika hanaiky torohevitra sy handray anatra? (Jereo ilay efajoro “Henoy ny Torohevitra, ary Raiso ny Anatra.”)

8 Tsy miresaka mivantana amintsika i Jehovah ankehitriny, fa mampiasa ny Teniny sy ny solontenany eto an-tany. Manaiky ny fahefan’i Jehovah àry isika raha manaja an’ireo olona nomeny fahefana, na ireo mbola avelany hanana fahefana. Ho tezitra amintsika izy raha mikomy amin’izy ireny isika ka tsy manaiky, ohatra, rehefa ahitsiny na omeny torohevitra avy ao amin’ny Baiboly. Rehefa nimenomenona sy nikomy tamin’i Mosesy mantsy ny Israelita, dia noraisin’i Jehovah ho fikomiana taminy mihitsy izany.—Nomery 14:26, 27.

9. Nahoana isika no hanaja fahefana raha tia ny mpiara-belona? Hazavao amin’ny ohatra.

9 Manaja fahefana koa isika satria tiantsika ny mpiara-belona amintsika. Aoka hatao hoe miaramila ianao. Tsy handresy ny tafika misy anao ary mety ho ripaka mihitsy aza, raha tsy manaja sy tsy mankatò an’ireo manamboninahitra isan’ambaratongany ny miaramila tsirairay. Mety hisy loza hanjo ny miaramila rehetra namanao, raha tsy manaja an’io lamina io ianao fa mikomy. Marina fa mampitondra faisana ny tafika olombelona. Tsy manao afa-tsy zava-tsoa kosa ny tafik’i Jehovah. Antsoina imbetsaka hoe “Jehovah Tompon’ny tafika” izy ao amin’ny Baiboly. (1 Samoela 1:3) Mibaiko anjely mahery maro be mantsy izy. Ohariny amin’ny tafika koa ny mpanompony etỳ an-tany indraindray. (Salamo 68:11; Ezekiela 37:1-10) Toy ny miaramila àry isika, ka mety hampidi-doza an’ireo mpiray finoana raha mikomy amin’ny olona nomen’i Jehovah fahefana. Raha mikomy amin’ny anti-panahy ny Kristianina iray, dia mety hizaka ny vokany ny hafa eo anivon’ny fiangonana. (1 Korintianina 12:14, 25, 26) Mety hijaly koa ny mpianakavy rehetra raha misy zanaka mikomy. Tia ny mpiara-belona amintsika àry isika raha manaja fahefana sy vonona hankatò.

10, 11. Nahoana koa isika no manaja fahefana?

10 Manaja fahefana koa isika satria isika ihany no mandray soa amin’izany. Rehefa milaza amintsika i Jehovah mba hanaja fahefana, dia matetika no lazainy koa ny soa horaisintsika amin’izany. Asainy mankatò ray aman-dreny, ohatra, ny zanaka mba ho ela velona sy ho sambatra. (Deoteronomia 5:16; Efesianina 6:2, 3) Asainy manaja ny anti-panahy isika mba tsy ho simba ny fifandraisantsika aminy. (Hebreo 13:7, 17) Milaza koa izy fa tokony hankatò ny manam-pahefana isika mba ho voaro.—Romanina 13:4.

11 Fantatsika àry izao hoe nahoana isika no asain’i Jehovah mankatò. Tsy ekenao ve fa manampy antsika hanaja fahefana izany? Ahoana àry no hanajantsika fahefana? Handinika lafiny telo isika.

AO AN-TOKANTRANO

12. Inona no andraikitra nomen’i Jehovah ny lehilahy manambady? Ahoana no tokony hiantsorohany izany?

12 I Jehovah no nanao ny fianakaviana. Andriamanitry ny filaminana izy, ka nisy lamina napetrany mba hizotra tsara ny fiainam-pianakaviana. (1 Korintianina 14:33) Ny lehilahy no nomeny fahefana ho loham-pianakaviana. I Kristy no lohan’ny lehilahy, ka manaja azy izy ireo rehefa manahaka ny fomba nampiharany ny fahefany tamin’ny fiangonana. (Efesianina 5:23) Tsy tokony hiala andraikitra àry ny lehilahy, fa ho tapa-kevitra ny hiantsoroka izany. Tsy hanao didy jadona koa anefa izy na hasiaka, fa ho be fitiavana sy hahay handanjalanja ary ho tsara fanahy. Ataony an-tsaina foana hoe mbola ambony ny fahefan’i Jehovah raha oharina amin’ny fahefana ananany.

Manahaka ny fomba nampiharan’i Kristy ny fahefany ny lehilahy

13. Ahoana no hiantsorohan’ny vehivavy ny andraikiny, raha te hampifaly an’i Jehovah izy?

13 Mpanampy na famenon’ny vadiny kosa ny vehivavy. Nomena fahefana koa izy ao an-tokantrano, satria miresaka momba ny ‘lalàn’ny reny’ ny Baiboly. (Ohabolana 1:8) Eo ambany fahefan’ny vadiny anefa izy. Manaja an’izany izy raha manampy azy hiantsoroka ny andraikitry ny loham-pianakaviana. Tsy manambany azy izy, na mandrombaka ny fahefany, na mametsifetsy azy. Manohana sy manaiky azy kosa izy. Ahoana raha tsy azoazony ny fanapahan-kevitry ny vadiny? Afaka milaza ny heviny amim-panajana izy, nefa hekeny ihany izay fanapahan-keviny farany. Mety ho sarotra izany indraindray raha tsy Vavolombelona ny vadiny. Raha manaiky azy io foana anefa izy, dia mety hahatonga an’ilay lehilahy haniry hanompo an’i Jehovah.—Vakio ny 1 Petera 3:1.

Raim-pianakaviana manitsy ny zanany lahikely satria nitondra fotaka tao an-trano

14. Inona no hataon’ny zanaka, raha te hampifaly ny ray aman-dreniny sy Jehovah izy?

14 Faly i Jehovah rehefa mankatò ray aman-dreny ny ankizy. Manome voninahitra sy mampifaly ny ray aman-dreniny koa izany. (Ohabolana 10:1) Mila mankatò foana ny zanaka, na dia ny rainy na ny reniny ihany aza no mitaiza azy. Fantany mantsy fa vao mainka mila tohanana ny ray na reny tokan-tena. Mihavana tsara sy faly foana ny mpianakavy, rehefa samy manao ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy. Manome voninahitra an’i Jehovah, ilay Mpamorona ny fianakaviana, izany.—Efesianina 3:14, 15.

EO ANIVON’NY FIANGONANA

15. a) Ahoana no hampisehoantsika fa manaja ny fahefan’i Jehovah isika eo anivon’ny fiangonana? b) Inona avy no toro lalana mety hanampy antsika hankatò an’ireo mitarika? (Jereo ilay efajoro ‘Aoka Ianareo Hankatò An’ireo Mitarika’.)

15 Notendren’i Jehovah hitondra ny fiangonana i Jesosy Zanany. (Kolosianina 1:13) I Jesosy indray nanendry ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” mba hanome sakafo ara-panahy ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. (Matio 24:45-47) Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah io “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” io. Mahazo toromarika sy torohevitra avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana ny anti-panahy, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. Mety ho amin’ny alalan’ny taratasy izany na amin’ny alalan’ny solontena, ohatra hoe ny mpiandraikitra mpitety faritany. Mankatò an’i Jehovah àry isika raha manaja ny fahefan’ny anti-panahy.—Vakio ny 1 Tesalonianina 5:12; Hebreo 13:17.

16. Nahoana no lazaina fa voatendrin’ny fanahy masina ny anti-panahy?

16 Tsy lavorary ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana, ka manao diso toa antsika ihany. “Lehilahy ho fanomezana” anefa ny anti-panahy, ary asaina manampy ny fiangonana hanana finoana matanjaka foana. (Efesianina 4:8) Voatendrin’ny fanahy masina izy ireo. (Asan’ny Apostoly 20:28) Tsy maintsy mahafeno ny fepetra voalazan’ny Baiboly mantsy izy ireo, nefa ny Baiboly avy amin’ny fanahy masina. (1 Timoty 3:1-7, 12; Titosy 1:5-9) Mivavaka mafy koa ny anti-panahy mba hahazo tari-dalana avy amin’ny fanahy masina, rehefa mandinika hoe mahafeno fepetra ve ilay rahalahy sa tsia.

17. Nahoana ny vehivavy no misaron-doha indraindray rehefa manao asa kristianina eo anivon’ny fiangonana?

17 Mety tsy hisy anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonana, ka tsy hisy hanao ny asa tokony hataony, toy ny hoe mitarika fivoriana alohan’ny fanompoana. Rahalahy hafa vita batisa àry no hanao izany, na anabavy matotra raha tsy misy rahalahy. Tokony hisaron-doha anefa ny vehivavy, isaky ny manao asa tokony hataon’ny rahalahy vita batisa.a (1 Korintianina 11:3-10) Tsy manambany ny vehivavy akory izany. Manaja ny lamina napetrak’i Jehovah ao an-tokantrano sy eo anivon’ny fiangonana izy, rehefa manao izany.

HAJAO NY MANAM-PAHEFANA

18, 19. a) Ahoana no hanazavanao ny toro lalana ao amin’ny Romanina 13:1-7? b) Ahoana no hanajantsika ny manam-pahefana?

18 Miezaka mafy ny tena Kristianina mba hanaraka tsara ny toro lalana ao amin’ny Romanina 13:1-7. (Vakio.) Manatanteraka asa tena ilaina ny mpitondra fanjakana, raha mbola avelan’i Jehovah ho eo. Mampisy filaminana sy manao asa hafa mahasoa mantsy izy ireny. Manara-dalàna àry isika ho fanajana azy ireny. Mandoa izay hetra tokony haloantsika koa isika, mameno tsara ny taratasim-panjakana, ary mankatò an’izay lalàna mahakasika antsika, ny ankohonantsika, ny asantsika, ary ny fananantsika. Tsy manaiky ny manam-pahefana anefa isika, raha asainy mandika ny lalàn’Andriamanitra. Hilaza toy ny apostoly kosa isika hoe: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.”—Asan’ny Apostoly 5:28, 29; jereo ilay efajoro hoe “Ny Fahefan’iza no Tokony Hankatoaviko?”

NY FAHEFAN’IZA NO TOKONY HANKATOAVIKO?

Toro lalana: “I Jehovah no Mpitsara antsika, Jehovah no Mpanome lalàna antsika, Jehovah no Mpanjakantsika.”—Isaia 33:22.

Fanontaniana mila eritreretinao

  • Inona no hataoko raha asaina mandika ny fitsipik’i Jehovah aho?—Matio 22:37-39; 26:52; Jaona 18:36.

  • Inona no hataoko raha misy manery ahy tsy hankatò ny didin’i Jehovah?—Asan’ny Apostoly 5:27-29; Hebreo 10:24, 25.

  • Inona no mety hanampy ahy hazoto hankatò an’ireo manana fahefana?—Romanina 13:1-4; 1 Korintianina 11:3; Efesianina 6:1-3.

19 Asehontsika amin’ny fihetsitsika koa fa manaja ny manam-pahefana isika. Mety hifandray mivantana amin’izy ireny mantsy isika. Nifampiresaka tamin’i Heroda Agripa Mpanjaka sy Festosy Governora, ohatra, ny apostoly Paoly. Nanaja azy ireo i Paoly, na dia nanao fahadisoana lehibe aza izy ireo. (Asan’ny Apostoly 26:2, 25) Manahaka an’i Paoly isika na mpitondra fanjakana no iresahantsika na polisy. Miezaka manaja mpampianatra sy tale ary mpiasa hafa koa ny Kristianina mbola mianatra. Tsy ireo mankasitraka ny zavatra inoantsika ihany anefa no hajaintsika, fa ireo tsy tia Vavolombelon’i Jehovah koa. Tokony ho tsapan’ny olona tsy Vavolombelona fa manaja azy isika.—Vakio ny Romanina 12:17, 18; 1 Petera 3:15.

20, 21. Inona no mety ho vokany raha manaja ny hafa isika?

20 Hoy ny apostoly Petera: “Hajao ny karazan’olona rehetra.” (1 Petera 2:17) Aoka àry isika hanaja olona foana. Ho tsapany izany ka mety hanohina ny fony. Mihavitsy koa ny olona manaja ny hafa, ka raha manao izany isika dia mankatò ny didin’i Jesosy hoe: ‘Aoka hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.’—Matio 5:16.

21 Voasariky ny fahazavana ara-panahy ny olona tso-po eto amin’ity tontolo ao anaty haizina ity. Inona àry no mety ho vokany, raha manaja ny ao an-tokantrano sy ny eo anivon’ny fiangonana ary ny manam-pahefana isika? Mety hanintona ny hafa izany ka handeha ao amin’ny fahazavana koa izy. Tena hahafinaritra izany! Na izany na tsy izany anefa, dia azo antoka fa hampifaly an’Andriamanitra isika ary ho tiany foana, raha manaja olona. Misy valisoa lehibe noho izany ve?

a Misy fomba vitsivitsy azo ampiharana an’io toro lalana io ao amin’ny Fanazavana Fanampiny, “Rahoviana no Misaron-doha ary Nahoana?”

“HENOY NY TOROHEVITRA, ARY RAISO NY ANATRA”

Manjaka ny toe-tsain’i Satana, izany hoe ny toe-tsaina tia mikomy sy mifanditra. Antsoin’ny Baiboly hoe “mpitondra ny fahefan’ny rivotra” àry izy, satria avy aminy “ny toe-tsaina izay miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.” (Efesianina 2:2) Maro no tsy te ho eo ambany fahefan’iza na iza. Mampalahelo fa misy an’izany koa eo amin’ny fiangonana. Mety hampitandrina ny Kristianina iray, ohatra, ny anti-panahy hoe mampidi-doza ny fialam-boly misy herisetra na fitondran-tena ratsy. Mety tsy hanaiky an’ilay anatra anefa ilay Kristianina, na ho tezitra mihitsy. Ilaintsika rehetra àry ny mampihatra ny Ohabolana 19:20 hoe: “Henoy ny torohevitra, ary raiso ny anatra mba ho hendry ianao amin’ny hoavy.”

Inona no hanampy antsika hanao izany? Andeha isika handinika antony telo mahatonga ny olona tsy hanaiky torohevitra na anatra, ary hijery izay lazain’ny Baiboly momba izany.

  • “Tsy mety mihitsy ilay torohevitra!” Mety hihevitra isika hoe tsy tena sahaza antsika ilay izy, na tsy azon’ilay olona ny zava-misy rehetra. Mety hohamaivanintsika avy hatrany àry ilay torohevitra. (Hebreo 12:5) Tsy lavorary anefa isika rehetra, ka sao dia mba ny fomba fihevitsika no mila ahitsy? (Ohabolana 19:3) Sao dia mba misy antony ilana an’ilay torohevitra ihany? Raha misy, dia izay no tokony hifantohantsika. Hoy mantsy ny Tenin’Andriamanitra: “Tano mafy ny anatra omena anao ka aza avela. Hazòny izy, fa ainao.”—Ohabolana 4:13.

  • “Ny fomba nilazany azy no tsy tiako!” Marina fa milaza ny Baiboly hoe mila tandremana tsara ny fomba anomezana torohevitra. (Galatianina 6:1) Voalaza ao koa anefa hoe: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23) Olona lavorary ihany àry no afaka manome torohevitra tonga lafatra, amin’ny fomba mety indrindra. (Jakoba 3:2) Tsy lavorary anefa ny olona asain’i Jehovah manoro hevitra antsika, ka hendry isika raha ilay torohevitra no eritreretintsika fa tsy ny fomba nilazany azy. Mila mivavaka koa isika mba hampihatra an’ilay izy.

  • “Izy indray ve no hananatra ahy?” Mety hihevitra isika hoe tsy misy dikany ilay torohevitra, satria ilay nanome azy aza mba manao diso koa. Mila tadidintsika àry ireo hevitra tetsy aloha. Mety hihevitra koa isika hoe efa lehibe, na efa nandia fiainana, na manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana, ka tsy mila torohevitra. Tokony hahitsy izany toe-tsaina izany. Nanana andraikitra lehibe, ohatra, ny mpanjakan’ny Israely, nefa tsy maintsy nanaiky ny torohevitry ny mpaminany, na mpisorona, na olon-kafa teo ambany fahefany. (2 Samoela 12:1-13; 2 Tantara 26:16-20) Manendry lehilahy tsy lavorary koa ny fandaminan’i Jehovah mba hanome torohevitra. Mandray tsara sy mampihatra an’ireny ny Kristianina matotra. Raha manana andraikitra lehibe kokoa isika, na efa nandia fiainana kokoa, dia vao mainka mila miaiky fa tokony ho modely amin’ny fandeferana sy ny fanetren-tena, ka hanaiky sy hampihatra torohevitra.—1 Timoty 3:2, 3; Titosy 3:2.

Mila torohevitra tokoa isika rehetra. Aoka àry isika ho vonona hanaiky torohevitra sy hampihatra izany, ary hisaotra an’i Jehovah amin’ny fo manontolo, noho io fanomezana mamonjy aina io. Tena porofon’ny fitiavany izy io, ary tiantsika ny ho tiany foana.—Hebreo 12:6-11.

‘Aoka Ianareo Hankatò An’ireo Mitarika’

Nila nalamina haingana ny Israely. Tsy ho arak’i Mosesy irery mantsy ny hiandraikitra olona an-tapitrisany, rehefa hamakivaky tany efitra feno loza izy ireo. Inona àry no nataony? ‘Nifantina lehilahy mahay teo anivon’ny Israely rehetra izy, ka nanendry azy ho lohandohany teo amin’ny vahoaka, dia lehiben’ny arivo, sy lehiben’ny zato, sy lehiben’ny dimampolo, ary lehiben’ny folo.’—Eksodosy 18:25.

Ilaina halamina koa ny fiangonana ankehitriny. Misy mpiandraikitra àry ny andia-mpitory, manana anti-panahy ny fiangonana, ary misy mpiandraikitra ny faritra mikarakara fiangonana maromaro. Misy Komitin’ny Tany na Komitin’ny Sampana any amin’ny tany tsirairay. Afaka mikarakara tsara ny andian’ondrin’i Jehovah iandraiketany ny mpiandry tsirairay, noho io lamina io. Hataon’i Jehovah sy Kristy ampamoaka izy ireny.—Asan’ny Apostoly 20:28.

Mila mankatò sy manaiky an’io lamina io koa isika tsirairay. Tsy tokony hanahaka an’i Diotrefa izay tsy nanaja an’ireo nitarika isika. (3 Jaona 9, 10) Harahintsika kosa ny tenin’i Paoly hoe: “Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo, fa izy ireny miaro anareo hatrany toy ny olona mbola hatao ampamoaka, mba hanaovany izany amim-pifaliana fa tsy amim-pisentoana, fa tsy hahasoa anareo izany.” (Hebreo 13:17) Mankatò ny sasany rehefa eken’ny sainy ny toromarik’ireo mitarika, fa tsy manaiky kosa izy rehefa tsy ekeny izany na tsy azony ny antony. Tadidio anefa fa ny hoe manaiky dia midika koa hoe mankatò na dia tsy te hanao izany aza. Saintsaino àry hoe: ‘Mankatò sy manaiky an’ireo mitarika ve aho?’

Tsy voalazan’ny Baiboly daholo ny fandaharana sy fomba fiasa ilaina mba hampizotra tsara ny zava-drehetra eo anivon’ny fiangonana. Izao anefa no voalaza ao: “Aoka ny zava-drehetra hatao amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.” (1 Korintianina 14:40) Mampihatra izany ny Filan-kevi-pitantanana, ka manome toro lalana sy fomba fiasa mba hampilamina sy hampizotra tsara ny zava-drehetra eo anivon’ny fiangonana. Mankatò an’ireny ny mpiandraikitra ka modely ho an’ny rehetra. Asehony koa fa ‘mandefitra sy vonona hankatò’ an’ireo nomena andraikitra izy ireo. (Jakoba 3:17, fanamarihana ambany pejy) Miray saina sy milamina ary manome voninahitra an’ilay Andriamanitra falifaly àry ny andia-mpitory, fiangonana, faritra, ary tany tsirairay.—1 Korintianina 14:33; 1 Timoty 1:11.

Asongadin’ny Hebreo 13:17 koa fa misy vokany ratsy ny tsy fankatoavana. Mety hanjary hanao ny asany “amim-pisentoana” ny mpiandraikitra. Tombontsoa sy fanompoana masina ny andraikiny, nefa mety ho lasa enta-mavesatra raha misy amin’ny andian’ondry tsy mety mankatò fa mikomy. Tsy hahasoa “anareo” àry izany, izany hoe tsy hahasoa ny fiangonana manontolo. Tsy izany ihany fa ho simba ny fifandraisan’ny olona iray amin’i Jehovah, raha mihevi-tena ho ambony izy ka tsy manaiky ny mpiandraikitra voatendriny. Hanjary hanalavitra an’ilay Rainy any an-danitra izy. (Salamo 138:6) Aoka àry isika rehetra ho tapa-kevitra ny hankatò sy hanaiky foana an’ireo mitarika antsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara