Ny Toerana Ara-drariny Tanan’ny Fanompoam-pivavahana Amin’i Jehovah eo Amin’ny Fiainantsika
“Hankalaza Anao isan-andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.” — SALAMO 145:2.
1. Raha ny amin’ny fanompoam-pivavahana, inona no takin’i Jehovah?
“IZAHO, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra [mitaky fifikirana tsy mizarazara, NW ]”. (Eksodosy 20:5). Nandre izany fanambarana izany avy tamin’i Jehovah i Mosesy, ary tatỳ aoriana izy dia namerina izany rehefa niteny tamin’ny firenen’ny Isiraely. (Deoteronomia 5:9). Tsy nisy fisalasalana tao an-tsain’i Mosesy fa i Jehovah Andriamanitra dia nanampo ny hanoloran’ireo mpanompony fanompoam-pivavahana aminy irery ihany.
2, 3. a) Inona no nandatsa-paka tao amin’ireo Isiraelita fa izay nitranga teo akaikin’ny Tendrombohitra Sinay dia tsy fahita? b) Fanontaniana inona avy no hodinihintsika momba ny fanompoam-pivavahana nataon’ireo Isiraelita sy ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao?
2 Raha nitoby teo akaikin’ny Tendrombohitra Sinay ireo Isiraelita sy ireo “olona maro samy hafa firenena” izay niara-nandao an’i Egypta tamin’izy ireo, dia nanatrika zavatra tsy nahazatra. (Eksodosy 12:38). Izany dia tsy nitovy tamin’ny fanompoam-pivavahana natao tamin’ireo andriamanitr’i Egypta izay nampietrena izao tamin’ireo famelezana, na loza folo. Rehefa nampiseho tamin’i Mosesy ny naha-teo azy i Jehovah, dia nisy fisehoan-javatra nahatahotra nitranga: kotroka sy tselatra ary feon’anjomara nankarenin-tsofina izay nahatonga ny toby manontolo hangovitra. Nanaraka izany, dia nisy afo sy setroka tonga raha nihorohoro ilay tendrombohitra manontolo. (Eksodosy 19:16-20; Hebreo 12:18-21). Raha nisy Isiraelita nila porofo fanampiny ny amin’ny naha-tsy fahita izay nitranga, dia ho avy tsy ho ela izany. Rehefa afaka kelikely dia nidina ilay tendrombohitra i Mosesy, rehefa avy nandray ny kopia faharoan’ireo lalàn’Andriamanitra. Araka ny fitantarana ara-tsindrimandry, dia “namirapiratra ny hoditry ny tavany [ny an’i Mosesy], dia natahotra azy [ny vahoaka]”. Fanandraman-javatra tsy hay nohadinoina sy nihoatra ny fahaizan’ny olombelona marina tokoa izany! — Eksodosy 34:30.
3 Ho an’io firenena tandindona io, firenena izay an’Andriamanitra, dia tsy nisy fisalasalana ny amin’ny toerana notanan’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Izy no Mpanafaka azy ireo. Ny ain’izy ireo mihitsy aza dia avy taminy. Izy koa no Mpanome Lalàna azy ireo. Kanefa nitana ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah teo amin’ny toerana voalohany ve izy ireo? Ary ahoana ny amin’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny andro maoderina? Toerana manao ahoana no tanan’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah eo amin’ny fiainan’izy ireo? — Romana 15:4.
Fanompoam-pivavahana nataon’ny Isiraely tamin’i Jehovah
4. Nanao ahoana ny fandaminana ny tobin’ny Isiraely nandritra ny fitoerany tany an’efitra, ary inona no teo afovoan’ilay toby?
4 Raha nijery avy teny ambony ny fitobian’ny Isiraely tany an’efitra ianao, dia inona no ho hitanao? Laharan-trano lay nidadasika, nefa nilamina, izay nampialokaloka olona nety ho telo tapitrisa na mihoatra, izay nitambatra ho antokony arakaraka ireo fizarana nisy foko telo avy tany avaratra sy atsimo sy atsinanana ary andrefana. Raha nandinika akaiky kokoa ianao, dia ho nahamarika koa antokony hafa iray nanakaiky kokoa ny afovoan’ilay toby. Ireo vondrona kely kokoa efatra ireo dia vondrona trano lay nampialokaloka ireo fianakaviana tao amin’ny fokon’i Levy. Teo afovoany indrindra amin’ilay toby, teo amin’ny faritra iray nosarahina tamin’ny rindrina lamba, no nisy rafitra manokana iray. Io no ilay “trano-lay fihaonana”, na tabernakely, izay naorin’ireo Isiraelita “hendry” araka ny planina nomen’i Jehovah. — Nomery 1:52, 53; 2:3, 10, 17, 18, 25; Eksodosy 35:10.
5. Ho amin’ny fikasana inona no niasan’ny tabernakely teo amin’ny Isiraely?
5 Tamin’ny tsirairay amin’ireo toerana nitobiana sahabo ho 40 nandritra ny fifindrafindrana tany an’efitra, dia nanangana ilay tabernakely ny Isiraely, ary izy io no tonga foiben’ny fitobian’izy ireo. (Nomery 33 , toko faha-33). Mifanentana tokoa ny ilazalazan’ny Baiboly an’i Jehovah ho mitoetra eo amin’ny olony, eo afovoan’ny tobin’izy ireo mihitsy. Nameno ilay tabernakely ny voninahiny. (Eksodosy 29:43-46; 40:34; Nomery 5:3; 11:20; 16:3). Manazava toy izao ilay boky hoe Our Living Bible: “Faran’izay zava-dehibe io toerana masina azo nobatabataina io, satria izy io dia namorona foibe famoriana ara-pivavahana iray ho an’ireo foko. Araka izany, izy io dia nitana azy ireo ho tafaray nandritra ireo taona ela be nirenirenena tany an’efitra, ary nahatonga fanaovan-javatra tamim-piraisan-kina ho azo natao.” Ambonin’izany, ilay tabernakely dia niasa ho fampahatsiarovana lalandava fa tena nilaina teo amin’ny fiainan’ireo Isiraelita ny fanompoam-pivavahany tamin’ilay Mpamorona azy.
6, 7. Rafitra ho amin’ny fanompoam-pivavahana inona no nasolo ilay tabernakely, ary ahoana no niasan’izy io ho an’ny firenen’ny Isiraely?
6 Taorian’ny nahatongavan’ireo Isiraelita tany amin’ny Tany Nampanantenaina, dia nitohy ho foiben’ny fanompoam-pivavahana nataon’ny Isiraely ilay tabernakely. (Josoa 18:1; 1 Samoela 1:3). Rehefa nandeha ny fotoana, dia nandroso hevitra ny hanorina rafitra raikitra iray i Davida Mpanjaka. Izy io dia ilay tempoly naorin’i Solomona, zanany, tatỳ aoriana. (2 Samoela 7:1-10). Tamin’ny fitokanana azy io, dia nisy rahona nidina mba hanondroana ny faneken’i Jehovah an’izany fanorenana izany. “Efa nanao trano hitoeranao tokoa aho”, hoy ny vavak’i Solomona, “dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.” (1 Mpanjaka 8:12, 13; 2 Tantara 6:2). Tonga foibem-pivavahan’ilay firenena izao ilay tempoly vao naorina.
7 Intelo isan-taona ireo lehilahy isiraelita rehetra dia niakatra tany Jerosalema mba hanatrika fankalazana nahafaly tao amin’ny tempoly ho fampisehoana fankasitrahana an’ireo fitahian’Andriamanitra. Mifanentana amin’izany fa, ireny fiarahana indray ireny dia nantsoina hoe “fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah”, ka nampifantoka ny saina tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra. (Levitikosy 23:2, 4). Nisy vehivavy tia fivavahana niara-nanatrika tamin’ireo mpianakavy hafa. — 1 Samoela 1:3-7; Lioka 2:41-44.
8. Ahoana no anamarinan’ny Salamo 84:1-12 ny maha-zava-dehibe ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah?
8 Ireo mpanao salamo nahazo tsindrimandry dia nanaiky niharihary ny naha-tena zava-dehibe ny fanompoam-pivavahana teo amin’ny fiainan’izy ireo. “Endrey ny hatsaran’ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon’ny maro, ô!”, hoy ny hiran’ireo zanak’i Kora. Azo antoka fa tsy nidera trano lehibe iray fotsiny izy ireo. Nanandratra ny feony kosa izy ireo ho fiderana an’i Jehovah Andriamanitra, tamin’ny fanambarana hoe: “Ny foko sy ny nofoko mihoby an’Andriamanitra velona.” Nitondra fahasambarana lehibe ho an’ireo Levita ny asa fanompoan’izy ireo. “Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao”, hoy ny fanambaran’izy ireo. “Hidera Anao mandrakariva izy.” Raha ny tena izy, ny Isiraely rehetra dia afaka nihira hoe: “Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny làlana (...). Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’Andriamanitra any Ziona izy rehetra.” Na dia nety ho lava sy nandreraka aza ny dia nataon’ny Isiraelita iray nankany Jerosalema, dia nohavaozina ny heriny rehefa tonga tao amin’ilay renivohitra izy. Feno fifaliana ny fony raha nankalaza ny tombontsoany nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah: “Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ny tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitra. Toy izay mitoetra ao an-dain’ny ratsy fanahy. (...) Jehovah, Tompon’ny maro, ô, sambatra izay olona matoky Anao.” Ny fitenenana toy izany dia mampiharihary ny toerana voalohany nomen’ireo Isiraelita ireo ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. — Salamo 84:1-12.
9. Inona no nitranga tamin’ny firenen’ny Isiraely rehefa tsy nahavita nitana ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah teo amin’ny toerana voalohany izy?
9 Nampalahelo fa tsy nahavita nitana ny fanompoam-pivavahana marina teo amin’ny toerana voalohany ny Isiraely. Namela ny fifikirana tamin’ireo andriamani-diso hanimba tsikelikely ny zotom-pony ho an’i Jehovah izy ireo. Vokatr’izany dia nahafoy azy teo anoloan’ny fahavalony i Jehovah, ka namela azy ireo hoentina an-tsesitany tany Babylona. Rehefa naverina tany amin’ny taniny indray izy ireo rehefa afaka 70 taona, ny Isiraely dia nomen’i Jehovah fampirisihana nanentana nataon’i Hagay sy i Zakaria ary i Malakia, mpaminany nahatoky. Nandrisika ny vahoakan’Andriamanitra hanorina indray ny tempoly sy hanorina indray ny fanompoam-pivavahana marina tao i Ezra Mpisorona sy i Nehemia Governora. Rehefa nandeha anefa ireo taonjato, dia nanjary teo amin’ny laharana ambany indray ny fanompoam-pivavahana marina teo amin’ilay firenena.
Zotom-po ho an’ny fanompoam-pivavahana marina tamin’ny taonjato voalohany
10, 11. Toerana nanao ahoana no notanan’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah teo amin’ny fiainan’ireo nahatoky, fony i Jesosy teto an-tany?
10 Tamin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, dia niseho ny Mesia. Nisy olona nahatoky nanantena hahazo famonjena avy tamin’i Jehovah. (Lioka 2:25; 3:15). Ny fitantarana ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka dia milazalaza manokana an’i Ana 84 taona, ho vehivavy mpitondratena izay “tsy niala teo an-kianjan’ny tempoly (...), fa nanompo tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman-alina”. — Lioka 2:37.
11 “Ny haniko”, hoy i Jesosy, “dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34). Tsarovy ny fihetsik’i Jesosy rehefa nifanandrina tamin’ireo mpanakalo vola tao amin’ny tempoly. Nanjera ny latabatr’izy ireo, ary koa ny fipetrahan’ireo mpivarotra voromahailala, izy. Mitantara toy izao i Marka: “Tsy navelan[’i Jesosy] hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan’ny tempoly. Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: ‘Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra?’; fa hianareo kosa efa nanao azy ho ‘zohy fieren’ny jiolahy’.” (Marka 11:15-17). Eny, tsy navelan’i Jesosy hisy na iza na iza akory aza hanao hitsin-dalana hamakivaky ny kianjan’ny tempoly rehefa nitondra zavatra hankany amin’ny faritra hafa amin’ny tanàna. Izay nataon’i Jesosy dia nanamafy ny torohevitra nomeny talohan’izay nanao hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany [ny an’Andriamanitra]”. (Matio 6:33). Namela ohatra mahatalanjona ho antsika i Jesosy tamin’ny fanolorana ny fifikirany tsy nizarazara ho an’i Jehovah. Tena nampihatra tokoa izay notoriny izy. — 1 Petera 2:21.
12. Ahoana no nampisehoan’ireo mpianatr’i Jesosy fa nomeny ny toerana voalohany ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah?
12 Namela modely harahin’ireo mpianany koa izy tamin’ny fomba nanatanterahany ny fanirahana azy mba hanafaka ireo Jiosy nampahorina kanefa nahatoky. Nanafaka azy ireo tamin’ny enta-mavesatr’ireo fanao ara-pivavahan-diso izy. (Lioka 4:18). Ho fankatoavana ny didin’i Jesosy hanao mpianatra sy hanao batisa azy ireo, dia nanambara tamim-pahasahiana ny sitrapon’i Jehovah nifandray tamin’ny Tompony tafatsangana, ireo Kristiana tany am-boalohany. Faly tokoa i Jehovah tamin’ny nametrahan’izy ireo ny fanompoam-pivavahana taminy teo amin’ny toerana voalohany. Noho izany, dia nisy anjelin’Andriamanitra mihitsy nanafaka ny apostoly Petera sy Jaona avy tao an-tranomaizina, ary nanome toromarika azy ireo toy izao: “Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin’ny vahoaka eo an-kianjan’ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany.” Nahazo hery indray izy ireo ka nankato. Isan’andro, tao amin’ny tempolin’i Jerosalema sy isan-trano, dia “tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy” izy ireo. — Asan’ny Apostoly 1:8; 4:29, 30; 5:20, 42; Matio 28:19, 20.
13, 14. a) Hatramin’ny andron’ireo Kristiana tany am-boalohany, inona no nandraman’i Satana natao tamin’ireo mpanompon’Andriamanitra? b) Manohy manao inona ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra?
13 Arakaraka ny nitomboan’ny fanoherana ny fitoriana nataon’izy ireo, dia nitarika ireo mpanompony nahatoky Andriamanitra, mba hanoratra torohevitra tonga tamin’ny fotoana nilana azy indrindra. “Apetraho amin[’i Jehovah] ny fanahianareo rehetra; fa Izy miahy anareo”, hoy ny nosoratan’i Petera fotoana fohy taorian’ny taona 60 am.f.i. “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.” Ireo Kristiana tany am-boalohany dia tena nahita fanomezan-toky tao amin’ireo teny ireo. Fantatr’izy ireo fa rehefa avy niaritra fijaliana vetivety izy ireo, dia hamita ny fampiofanana azy Andriamanitra. (1 Petera 5:7-10). Nandritra ireo andro farany ho an’ny fandehan-javatra jiosy ireo, dia nanandratra ho avo dia avo ny fanompoam-pivavahana feno fitiavana tamin’i Jehovah, ireo Kristiana marina. — Kolosiana 1:23.
14 Araka ny efa nolazain’ny apostoly Paoly mialoha, dia nitranga ny fivadiham-pinoana, izany hoe fialana tamin’ny fanompoam-pivavahana marina. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 2 Tesaloniana 2:3). Nanangona porofo niavosa ny amin’izany ireo teny vavolombelona tamin’ireo folo taona faramparan’ny taonjato voalohany. (1 Jaona 2:18, 19). Namafy tamim-pahombiazana Kristiana sarintsariny teo anivon’ireo Kristiana tena izy i Satana, ka nahatonga ho sarotra ny fanavahana ireny “tsimparifary” ireny tamin’ireo Kristiana toy ny vary. Na dia izany aza, nandritra ireo taonjato lasa, dia nisy olona nametraka ny fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra teo amin’ny toerana voalohany, na dia nahatandindomin-doza ny ainy aza izany. Tao anatin’ireo folo taona faran’ny “andron’ny jentilisa” anefa Andriamanitra vao nanangona indray ireo mpanompony mba hanandratra ny fanompoam-pivavahana marina. — Matio 13:24-30, 36-43; Lioka 21:24.
Nasandratra amin’izao andro izao ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah
15. Hatramin’ny 1919, ahoana no nahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Isaia 2:2-4 sy Mika 4:1-4?
15 Tamin’ny 1919, dia nomen’i Jehovah hery ny sisa voahosotra mba hanatontosa ezaka manokana fanaovana fanambarana maneran-tany tamim-pahasahiana izay nanandratra avo dia avo ny fanompoam-pivavahana tamin’ilay Andriamanitra marina. Tamin’ny fahatongavan’ny “ondry hafa” ara-panoharana nanomboka tamin’ny 1935, dia tsy nitsaha-nitombo ny olona nitanjozotra niakatra, tamin’ny heviny ara-panahy, nankany amin’ny “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah”. Nandritra ny taom-piasana 1993, dia nidera azy ny Vavolombelon’i Jehovah 4 709 889 tamin’ny fanasana ny hafa handray anjara tamin’ny fanompoam-pivavahana aminy nasandratra. Toy inona moa ny fifanoheran’izany amin’ny toe-piainana ambany ara-panahy misy an’ireo antokom-pivavahana toy ny “havoana”, ao amin’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, indrindra fa ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana! — Jaona 10:16; Isaia 2:2-4; Mika 4:1-4.
16. Mila manao inona ny mpanompon’Andriamanitra rehetra rehefa heverina izay voalaza mialoha ao amin’ny Isaia 2:10-22?
16 Ireo mpanaraka fivavahan-diso dia mihevitra ny fiangonany sy ny katedraliny, ary na dia ny klerjiny mihitsy aza, ho “mendri-kaja”, amin’ny fanomezana azy ireo anaram-boninahitra sy voninahitra mipoapoaka. Mariho anefa izay nolazain’i Isaia mialoha: “Ny fiandranandran’ny mason’ny zanak’olombelona dia haetry, ary ny fiavonavonan’ny olona hatao mitanondrika; fa Jehovah ihany no hisandratra amin’izany andro izany.” Rahoviana izany? Mandritra ilay fahoriana lehibe manatona haingana, rehefa ‘ho foana avokoa ny andriamani-tsy izy’. Noho ny fahantomoran’io fotoana mahatahotra io, ireo mpanompon’Andriamanitra rehetra dia mila mandinika amim-pitandremana ny toerana tanan’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah eo amin’ny fiainan’izy ireo. — Isaia 2:10-22.
17. Ahoana no ampisehoan’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao fa manome ny toerana voalohany ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah izy ireo?
17 Amin’ny maha-fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena azy ireo, ny Vavolombelon’i Jehovah, dia malaza noho ny zotom-pony eo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Tsy fivavahana amim-pahazarana voatokana ho adiny iray eo ho eo isan-kerinandro fotsiny akory ny fanompoam-pivavahana ataon’izy ireo. Tsia, fa fomba fiainan’izy ireo manontolo izy io. (Salamo 145:2). Tamin’ny taon-dasa tokoa, dia nisy Vavolombelona maherin’ny 620 000 nandamina ny raharahany mba handraisana anjara tamin’ny fanompoana kristiana manontolo andro. Azo antoka fa ny sisa dia tsy nanao tsirambina ny fanompoam-pivavahany tamin’i Jehovah. Hita misongadina izany eo amin’ny resaka ataony andavanandro sy eo amin’ny fitoriany ampahibemaso, na dia mitaky ny hiasany mafy eo amin’ny asa fivelomana aza ireo adidiny ara-pianakaviana.
18, 19. Manonòna oha-pampaherezana izay mety ho azonao avy amin’ny famakiana ireo tantaram-piainan’ny Vavolombelona.
18 Ireo tantaram-piainan’ny Vavolombelona izay avoakan’ny Ny Tilikambo Fiambenana dia manome fahatakarana hevi-dalina mikasika ireo fomba nitanan’ireo rahalahy sy anabavy samy hafa ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah teo amin’ny toerana voalohany teo amin’ny fiainany. Nisy anabavy tanora iray izay nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah teo amin’ny fahenin-taonany, nametra ny asa misionera ho tanjony. Ianareo rahalahy sy anabavy tanora, tanjona inona no azonareo fidina, ka hanampy anareo hitana ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanareo? — Jereo ilay lahatsoratra hoe “Je poursuis l’objectif que je me suis fixé à l’âge de six ans”, ao amin’ny La Tour de Garde tamin’ny 1 Martsa 1992, pejy faha-26-30.
19 Manome ohatra tsara dia tsara hafa iray eo amin’ny fametrahana ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah eo amin’ny toerana tokony hisy azy, ny anabavy be taona kokoa iray maty vady. Nanovo fampaherezana lehibe mba hiaritra izy, avy tamin’ireo izay nampiany hianatra ny fahamarinana. Ireo no “fianakaviany”. (Marka 3:31-35). Raha ao anatin’ny toe-javatra toy izany ianao, moa ve ianao hanaiky ny fanohanana sy ny fanampiana avy amin’ireo tanora kokoa ao amin’ny kongregasiona? (Mariho aza fady ny fomba nitenenan’ny Anabavy Winifred Remmie ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Nanaiky Tamin’ny Fotoam-pijinjana Aho”, navoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jolay 1992, pejy faha-21-23.) Ianareo mpanompo manontolo andro, asehoy fa tena voalohany eo amin’ny fiainanareo tokoa ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, amin’ny fanompoana amim-panetren-tena any amin’izay anendrena anareo, amin’ny fanekena an-tsitrapo ny fitarihana teokratika. (Mariho aza fady ny ohatry ny Rahalahy Roy Ryan, araka ny voatantara ao amin’ilay lahatsoratra hoe: “Fidèlement attaché à l’organisation de Dieu”, ao amin’ny La Tour de Garde, tamin’ny 1 Desambra 1991, pejy faha-24-27.) Tadidio fa rehefa manome ny toerana voalohany ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah isika, dia mahazo antoka fa hikarakara antsika izy. Tsy mila ny manahy ny amin’izay hiavian’ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana isika. Manazava izany ny tantaram-piainan’ny Anabavy Olive sy Sonia Springate. — Jereo ilay lahatsoratra hoe “Nikatsaka Voalohany Indrindra ny Fanjakana Izahay” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Febroary 1994, pejy faha-20-25.
20. Fanontaniana mifanentana tsara inona avy no tokony hataontsika amin’ny tenantsika izao?
20 Koa tsy tokony hanao fanontaniana lalina amin’ny tenantsika isam-batan’olona àry ve isika? Toerana manao ahoana no tanan’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah eo amin’ny fiainako? Moa ve aho miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenako mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra araka izay fara fahaizako? Eo amin’ny lafiny inona avy amin’ny fiainana aho no afaka mihatsara? Ny fandinihana amim-pisaintsainana ilay lahatsoratra manaraka dia hanolotra fahafahana hieritreritra ny amin’ny fomba ampiasantsika ny fananantsika mifanaraka amin’izay nofidintsika homena ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana — dia ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah Tompo Manam-piandrianana, Raintsika be fitiavana. — Mpitoriteny 12:13; 2 Korintiana 13:5.
Ho Famerenana
◻ Raha ny amin’ny fanompoam-pivavahana, inona no takin’i Jehovah?
◻ Ho fampahatsiarovana ny amin’inona moa no nanaovana ny tabernakely?
◻ Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., iza avy ireo ohatra niavaka tamin’ny zotom-po ho an’ny fanompoam-pivavahana marina, ary tamin’ny fomba ahoana?
◻ Hatramin’ny 1919, ahoana no nanandratana ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah?