-
Inona no Ianarantsika avy Amin’ilay Safodrano?Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao
-
-
Fizarana 6
Inona no Ianarantsika avy Amin’ilay Safodrano?
Noringanin’Andriamanitra ny ratsy fanahy, fa novonjeny kosa i Noa sy ny fianakaviany. Genesisy 7:11, 12, 23
Avy ny orana nandritra ny 40 andro sy 40 alina ary difotry ny rano ny tany. Maty daholo ny ratsy fanahy.
Niverina ho anjely ireo anjely nikomy ary lasa demonia.
Tafavoaka velona ireo tao anaty sambofiara. Maty i Noa sy ny fianakaviany tatỳ aoriana, nefa mbola hatsangan’Andriamanitra ary ho afaka hiaina mandrakizay.
Mbola handringana ny ratsy fanahy Andriamanitra, ary hamonjy ny tsara fanahy. Matio 24:37-39
Mbola mamitaka ny olona i Satana sy ireo demonia.
Mitarika ny olona amim-pitiavana i Jehovah ankehitriny, nefa maro no tsy tia an’izany, toy ny tamin’ny andron’i Noa ihany. Kely sisa dia horinganin’i Jehovah ny ratsy fanahy rehetra. —2 Petera 2:5, 6.
Misy olona toa an’i Noa ankehitriny. Mihaino sy manaraka an’izay lazain’Andriamanitra izy ireo. Tsy iza izany fa ny Vavolombelon’i Jehovah.
-
-
Iza moa i Jesosy?Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao
-
-
Fizarana 7
Iza moa i Jesosy?
Nirahin’i Jehovah ho etỳ an-tany i Jesosy. 1 Jaona 4:9
Namorona anjely mahery iray tany an-danitra i Jehovah, ela be talohan’ny namoronany an’i Adama. Tsy maintsy mihaino azy io isika, raha te hampifaly an’i Jehovah.
Nirahin’i Jehovah ho etỳ an-tany izy tatỳ aoriana, ka nateraky ny virjiny iray atao hoe Maria. Teraka tao Betlehema izy, ary nantsoina hoe Jesosy.—Jaona 6:38.
Nitovy tanteraka tamin’ny toetran’Andriamanitra ny toetran’i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany. Tsara fanahy izy, be fitiavana, ary mora hatonina. Tsy natahotra izy rehefa nampianatra ny marina momba an’i Jehovah.
Nanao ny tsara i Jesosy nefa nisy nankahala azy. 1 Petera 2:21-24
Nankahalain’ny mpitondra fivavahana i Jesosy satria nampiharihary ny fampianaran-dison’izy ireo sy ny toetra ratsiny.
Nositranin’i Jesosy ny marary ary natsangany tamin’ny maty ny olona sasany.
Ny mpitondra fivavahana no nandresy lahatra ny Romanina, ka nahatonga azy ireo hikapoka sy hamono an’i Jesosy.
-