FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lff lesona 19
  • Tena Kristianina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Kristianina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ANDAO HOHALALININTSIKA
  • FAMINTINANA
  • JEREO KOA IRETO
  • Ahoana no Ahafantarana ny Tena Kristianina?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Vavolombelon’i Jehovah
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Iza Ilay Tena Andriamanitra?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Nahoana Izahay no Antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
Hijery Hafa
Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
lff lesona 19
Lesona 19. Vavolombelon’i Jehovah mifampiresaka eo ivelan’ny Efitrano Fanjakana.

LESONA 19

Tena Kristianina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Endrika Sary
Endrika Sary
Endrika Sary

Mino izahay Vavolombelon’i Jehovah hoe tena Kristianina izahay. Nahoana? Andao hodinihintsika hoe avy aiza ny zavatra inoanay, nahoana ny anaranay no mahatonga anay hiavaka amin’ny hafa, ary ahoana no ampisehoanay hoe mifankatia izahay.

1. Avy aiza ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Nilaza i Jesosy fa “ny [tenin’Andriamanitra] no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Manahaka an’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra foana no ninoany hatramin’izay. Diniho, ohatra, ny tantaranay tamin’ny taona 1870 tany ho any. Nisy mpianatra Baiboly vitsivitsy tamin’izany, nanomboka nandalina Baiboly. Izay nianaran’izy ireo tao no lasa ninoany, na dia tsy nitovy tamin’izay nampianarin’ny fivavahana hafa aza izany. Noresahin’izy ireo tamin’ny olona avy eo ny zavatra nianarany.a

2. Nahoana izahay no nifidy an’ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah?

Antsoin’i Jehovah hoe vavolombelony ny olona manompo azy, satria milaza ny marina momba azy. (Hebreo 11:4–12:1) Niteny tamin’ny vahoakany taloha, ohatra, Andriamanitra hoe: “Ianareo no vavolombeloko.” (Vakio ny Isaia 43:10.) Antsoina hoe “ilay Vavolombelona Mendri-pitokisana” koa i Jesosy. (Apokalypsy 1:5) Nifidy an’ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah àry izahay tamin’ny 1931. Tena faly izahay hoe izany no iantsoana anay.

3. Ahoana no ampisehoanay hoe be fitiavana hoatran’i Jesosy izahay?

Tena tian’i Jesosy ny mpianany ka hoatran’ny hoe fianakaviany mihitsy. (Vakio ny Marka 3:35.) Hoatran’ny fianakaviana iray koa ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Izany no mahatonga anay hifampiantso hoe rahalahy sy anabavy. (Filemona 1, 2) Mankatò an’ity didy ity koa izahay: “Tiavo ny rahalahy rehetra.” (1 Petera 2:17) Betsaka ny fomba ampisehoanay hoe tianay ireo rahalahy sy anabavinay maneran-tany. Ampianay, ohatra, izy ireo rehefa tratran’ny loza.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika bebe kokoa ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny porofo hoe tena Kristianina izahay.

Sary: Vavolombelon’i Jehovah mitory. 1. Anabavy iray mamaky sy manazava andinin-teny amin’ny vehivavy iray. 2. Rahalahy iray manao fampirantiana, ary miresaka amin’ny lehilahy iray momba an’izay ampianarin’ny Baiboly.

Izay lazain’ny Baiboly no inoan’ny tena Kristianina, ary resahiny amin’ny olona izay ianarany ao

4. Avy ao amin’ny Baiboly ny zavatra inoanay

Efa nilaza i Jehovah hoe hazava tsara amin’ny mpanompony ny zavatra ampianarin’ny Baiboly. Vakio ny Daniela 12:4 sy ny fanamarihana ambany pejy, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no “hitombo be” rehefa manohy mandalina ny Baiboly ny vahoakan’Andriamanitra?

Nianatra ny Tenin’Andriamanitra ny mpianatra Baiboly vitsivitsy, anisan’izany i Charles Russell. Ahoana no nataon’izy ireo? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

VIDEO: Hita Indray ny Marina (7:46)

  • Ahoana no nataon’i Charles Russell sy ny namany rehefa nianatra Baiboly izy ireo?

Fantatrao ve?

Manitsy ny zavatra inoanay izahay indraindray. Nahoana? Rehefa mihamazava ny andro, dia lasa hita mazava kokoa ny manodidina. Ataon’Andriamanitra mazava tsikelikely hoatr’izany koa ny Teniny. (Vakio ny Ohabolana 4:18.) Marina fa tsy miova ny Baiboly. Lasa mazava kokoa aminay anefa ny zavatra lazainy, ka izany no mahatonga anay hanitsy ny zavatra sasany inoanay.

5. Mifanaraka amin’ny anaranay ny zavatra ataonay

Maninona izahay no nifidy an’ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

VIDEO: Anarana Mampiavaka Antsika (2:40)

  • Nahoana no mety tsara ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah?

Nahoana i Jehovah no nifidy olona mba ho vavolombelony? Betsaka ny lainga nolazain’ny olona momba azy, ka mila vavolombelona izy mba hampahafantatra hoe izy ilay tena Andriamanitra. Inona ny roa amin’izany lainga izany?

Mampianatra ny mpiangona ao aminy ny fivavahana sasany hoe tian’Andriamanitra hampiasa sary na sarivongana izy ireo rehefa mivavaka. Marina ve izany? Vakio ny Levitikosy 26:1, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no fahitan’i Jehovah ny fampiasana sary na sarivongana, araka io andininy io?

Milaza ny mpitondra fivavahana sasany hoe i Jesosy no Andriamanitra. Marina ve izany? Vakio ny Jaona 20:17, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • I Jesosy ve no Andriamanitra, araka io andininy io?

  • Nirahin’i Jehovah ny Vavolombelony mba hilaza ny marina momba azy sy ny Zanany. Inona no tsapanao rehefa fantatrao izany?

6. Mifankatia izahay

Ampitovin’ny Baiboly amin’ny rantsambatana ny Kristianina. Vakio ny 1 Korintianina 12:25, 26, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no ataon’ny tena Kristianina rehefa misy namany mijaly?

  • Ahoana no fahitanao ny fifankatiavan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Rehefa mijaly ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany iray, dia tonga dia manao zavatra ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany mba hanampiana azy ireo. Jereo ity ohatra iray ity. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

VIDEO: Nandravarava An’i Haïti ny Rivo-doza Matthew (5:29)

  • Nifanampy ny Vavolombelon’i Jehovah taorian’ilay rivo-doza. Ahoana no nataon’izy ireo?

Vavolombelon’i Jehovah roa manampy renim-pianakaviana iray sy ny zanany, izay vao avy tratran’ny loza. Omen’izy ireo lamba firakotra sy tavoahangy misy rano madio izy mianaka.

Be fitiavana ny tena Kristianina ka manampy an’ireo mila fanampiana

MISY MITENY HOE: “Fivavahana vao haingana ny Vavolombelon’i Jehovah.”

  • Nanomboka oviana i Jehovah no niantso ny mpanompony hoe vavolombelona?

FAMINTINANA

Tena Kristianina izahay Vavolombelon’i Jehovah, ary hoatran’ny fianakaviana iray. Izay lazain’ny Baiboly no inoanay, ary mampahafantatra ny marina momba an’i Jehovah izahay.

Famerenana

  • Nahoana izahay no nifidy an’ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah?

  • Ahoana no ampisehoanay hoe mifankatia izahay?

  • Tena Kristianina ve ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny hevitrao?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Ho hitanao ato ny tantaranay.

Nampiseho ny Finoany ny Vavolombelon’i Jehovah—Fizarana Voalohany: Niala Tamin’ny Haizina (1:00:53)

Efa hatramin’izay ny Vavolombelon’i Jehovah no nampiseho hoe diso ny fampianarana sasany. Misy ohatra iray ato.

Manome Voninahitra ny Anaran’i Jehovah ny Vahoakany (7:08)

Ho hitanao ato ny valin’ny fanontaniana sasany momba ny Vavolombelon’i Jehovah.

“Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah” (fizarana ao amin’ny jw.org)

Nahery setra tamin’ny olona tsy mitovy volon-koditra aminy i Stephen. Inona no hitany tany amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ka nampiova azy?

“Vao Mainka Aho Nihanahery Setra” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2015)

a Efa hatramin’ny 1879 no niresaka momba an’izay ampianarin’ny Baiboly ilay gazetinay hoe Ny Tilikambo Fiambenana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara