Rehefa Lehibe ny Fahalalahan-tanana
RAHA manana fahafahana hanolotra fanomezana ho an’ny mpanjaka iray ianao, inona no homenao azy? Ahoana raha mpanapaka manankarena indrindra sy hendry indrindra eto an-tany izy io? Misy fanomezana azonao eritreretina hahafaly azy ve? Tokony ho 3 000 taona lasa izay, dia tsy maintsy nisaintsaina ireo fanontaniana ireo ny mpanjakavavin’i Sheba, teo am-piomanany hitsidika mpanapaka iray izay toy izany indrindra, dia i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely.
Lazain’ny Baiboly amintsika fa, ankoatra ny zavatra hafa, dia talenta volamena 120 “sy zava-manitra [menaka balsama] sesehena ary vato soa” no nataon’ilay mpanjakavavy fanomezana. Ilay volamena fotsiny dia efa nitentina 260 000 000 000 FMG eo ho eo, raha amin’ny vidiny ankehitriny. Entam-barotra sarobidy toy ny volamena ny menaka balsama, izay tsy inona akory fa menaka manitra fampiasa tamin’ny fitsaboana. Na dia tsy lazain’ny Baiboly aza hoe toy inona ny habetsahan’ny menaka nomen’ilay mpanjakavavy an’i Solomona, dia lazainy amintsika kosa fa mbola tsy nisy toy azy ilay fanomezany. — 1 Mpanjaka 10:10.
Miharihary fa vehivavy nanankarena sy nalala-tanana ilay mpanjakavavin’i Sheba. Ambonin’izany, dia nivaly taminy ilay fahalalahan-tanany. “Solomona mpanjaka”, hoy ny Baiboly, “dia nanome ny mpanjakavavin’i Sheba (...) izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay valin’ny nentiny ho an’ny mpanjaka”. (2 Tantara 9:12, izahay no manao sora-mandry.) Marina fa nety ho fanaon’ny mpanjaka ny nifanolotra fanomezana, nefa miresaka manokana ny “fahalalahan-tanan’i” Solomona ny Baiboly. (1 Mpanjaka 10:13, NW ). Ny tenan’i Solomona mihitsy no nanoratra toy izao: “Izay [malala-tanana, NW ] hohatavezina; ary izay mandena dia mba holemana kosa.” — Ohabolana 11:25.
Mazava ho azy fa nanao sorona lehibe teo amin’ny fotoana sy ny ezaka natao ilay mpanjakavavin’i Sheba mba hitsidihana an’i Solomona. Toa tao amin’ny faritra misy ny Repoblikan’i Yémen ankehitriny no nisy an’i Sheba. Mba hahatongavana tany Jerosalema àry, dia nanao dia mahery lavitra ny 1 600 kilaometatra ilay mpanjakavavy sy ireo mpiara-dia taminy nitaingin-drameva. “Avy tany amin’ny faran’ny tany izy”, hoy i Jesosy. Nahoana no nanao izany ezaka be izany ilay mpanjakavavin’i Sheba? Ny “hihaino ny fahendren’i Solomona” no antony voalohany indrindra nahatongavany. — Lioka 11:31.
Voalazan’ny 1 Mpanjaka 10:1, 2 fa ilay mpanjakavavin’i Sheba dia “avy hizaha toetra [an’i Solomona] amin’ny fanontaniana sarotra, (...) [ka] nilaza taminy izay rehetra tao am-pony”. Inona no navalin’i Solomona? “Ary voavalin’i Solomona izy tamin’izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin’ny mpanjaka, ka dia nambarany azy avokoa.” — 1 Mpanjaka 10:3.
Talanjona noho izay reny sy hitany ilay mpanjakavavy, ka namaly toy izao tamim-panetren-tena: “Sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!” (1 Mpanjaka 10:4-8). Na dia teo anivon’ny harem-be aza ireo tandapan’i Solomona, dia tsy noho izany antony izany no nilazan’ilay mpanjakavavy azy ireo hoe sambatra. Sambatra kosa ny tandapan’i Solomona, satria afaka nihaino foana an’ilay fahendren’i Solomona nomen’Andriamanitra, izy ireo. Ilay mpanjakavavin’i Sheba àry dia ohatra tsara dia tsara ho an’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, izay finaritra amin’ny fahendren’ilay Mpamorona mihitsy, sy ny an’i Jesosy Kristy, Zanany!
Mendri-komarihina koa ny teny nanaraka nataon’ilay mpanjakavavy tamin’i Solomona, manao hoe: “Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao”. (1 Mpanjaka 10:9). Miharihary fa tsapany hoe ny tanan’i Jehovah no tao ambadik’ilay fahendrena sy fanambinana azon’i Solomona. Mifanaraka amin’izay nampanantenain’i Jehovah ny Isiraely tany aloha kokoa izany. ‘Ny fitandremana ny didiko’, hoy izy, “no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io.” — Deoteronomia 4:5-7.
Fahatongavana any amin’ilay Mpanome fahendrena
Amin’ny andro ankehitriny, dia olona an-tapitrisany maro no voasintona koa ho amin’ny fandaminan’i Jehovah, satria takatr’izy ireo fa “ny Isiraelin’Andriamanitra” dia “olona hendry sy manan-tsaina”, tsy hoe satria efa izany ny maha izy azy, fa satria kosa mitarika azy ny lalàna sy ny foto-pitsipika lavorary avy amin’Andriamanitra. (Galatiana 6:16). Asehon’ny isan’ireo natao batisa fa, tato anatin’ireo taona faramparany, dia mpianatra vaovao ana hetsiny maro isan-taona no nilaza toy izao tamin’ny Isiraely ara-panahy, raha ny marina: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23). Akory ny hagagan’ireny vaovao ireny rehefa hitany ilay fanasana amin’ny sakafo ara-panahy, izay naroson’i Jehovah ho an’ny mpanompony! Mbola tsy nahita ny toy izany mihitsy izy ireo tany amin’ireo fivavahany taloha. — Isaia 25:6.
Fanomezana ho an’ilay Mpanome lehibe indrindra
Nahazo be dia be ireo olona velom-pankasitrahana, ka ara-dalàna izy ireo raha manontany tena ny amin’izay azony omena ho setrin’izany, ho an’ilay Mpanjaka sy Mpanome lehibe indrindra, dia i Jehovah Andriamanitra. Ampahafantarin’ny Baiboly fa “fanati-piderana” no fanomezana tsara indrindra azontsika omena an’i Jehovah. (Hebreo 13:15). Nahoana? Satria io fanatitra io dia mifandray mivantana amin’ny famonjena aina — zavatra iray mitana be dia be ny sain’i Jehovah amin’izao fotoan’ny farany izao. (Ezekiela 18:23). Fanatitra azo ekena koa ny fanomezana ny hery sy ny fotoanan’ny tena mba hanampiana ny marary, sy ny ketraka, ary ny hafa. — 1 Tesaloniana 5:14; Hebreo 13:16; Jakoba 1:27.
Manana anjara asa tena lehibe ny fanomezana ara-bola. Sady ahafahana mamokatra Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly izy io no ahafahana mahazo toerana azon’ny Kristianina ivoriana. (Hebreo 10:24, 25). Fanomezana koa no amatsiana ny tahirim-bola vonjy rano vaky izay hanampiana ireo tra-boina noho ny ady sy noho ny loza araka ny natiora.
Mba hanomezana antsika tari-dalana eo amin’ny raharaha momba ny fanomezana dia manoritra foto-pitsipika tsara dia tsara sasany ny Tenin’Andriamanitra. Izao, ohatra, no ampianarin’izy io: Tsy faritana ny habetsahan’ny fanomezana ataon’ny Kristianina, fa izay azony omena araka ny antonony, ary ataony an-tsitrapo sy amin’ny fo falifaly. (2 Korintiana 9:7). Afaka manome betsaka ny sasany, fa ny hafa kosa mety tsy ho afaka hanome afa-tsy kely monja, sahala amin’ilay mpitondratena nahantra tamin’ny andron’i Jesosy. (Lioka 21:2-4). Tsy mendri-komarihina ve ny hoe i Jehovah — ilay Tompon’izao rehetra izao manontolo — dia mihevitra ho sarobidy ny fanomezana sy ny sorona rehetra atao amin’ny anarany, rehefa antony manosika tsara no anaovana azy? — Hebreo 6:10.
Mba hanomezan’ny vahoakan’i Jehovah amim-pifaliana, dia ampahafantarina azy ireo hatrany ireo zavatra ilaina maro samihafa, sy ny fomba mandaitra azo atao mba hiatrehana izany. Atosiky ny fanahin’i Jehovah hanao zavatra kosa, avy eo, ireo fo feno fahavononana. Narahina teo amin’ny Isiraely fahiny io fomba io, tamin’ny nanorenana ny tabernakely, sy ny tempoly, tatỳ aoriana. (Eksodosy 25:2; 35:5, 21, 29; 36:5-7; 39:32; 1 Tantara 29:1-19). Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., io fomba io dia nanampy ny Kristianina hanana izay nilaina hitondrana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tany amin’ireo firenena, sy hanohanana ireo rahalahy teo amin’ny Isiraely, nandritra ny mosary iray. — 1 Korintiana 16:2-4; 2 Korintiana 8:4, 15; Kolosiana 1:23.
Toy izany koa amin’izao andro izao. Efa nitahy ny vahoakany i Jehovah, ary hanohy hitahy azy ireo, ka hanome azy izay ilainy mba hamitana ilay asa fitoriana sy fampianarana lehibe indrindra hatramin’izay. — Matio 24:14; 28:19, 20.
Inona avy ireo zavatra ilaina amin’izao fotoana izao?
Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nosoratana ara-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany maro, izay nameperana ny asan’izy ireo taloha. Vokatr’izany, dia nahitana fitomboana goavana ny isan’ny mpitory tany amin’ny ankamaroan’ireny tany ireny. Ara-dalàna àry raha ilaina be dia be ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly.
Toy izany koa ny Efitrano Fanjakana. Efitrano Fanjakana vaovao 9 000 eo ho eo maneran-tany no ilaina amin’izao fotoana izao. Raha Efitrano Fanjakana iray isan’andro no aorina, dia hitaky 24 taona mahery ny famitana ireo efitrano ilaina ankehitriny ireo! Mandritra izany fotoana izany, dia kôngregasiôna vaovao fito eo ho eo no miforona isan’andro, ary any amin’ny faritra amin’ny tany izay voafetra ara-bola no misy ny ankamaroan’izy ireo. Etsy an-danin’izany, dia tsy mitaky fanorenana lafo vidy ny ankamaroan’ireny toerana ireny. Any amin’ny toerana sasany, dia 40 000 000 FMG monja dia efa mahavita Efitrano Fanjakana iray izay sady araka izay ilaina no manome fanambarana tsara eo amin’ny manodidina.
Tamin’ny taonjato voalohany, dia nanam-bola kokoa ny Kristianina sasany, niohatra tamin’ny hafa, koa nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Amin’izao fotoana izao aloha, ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin’izy ireo; dia toy izany koa, ny ambim-bavan’izy ireo no hameno ny tsy anananareo kosa; ary amin’izany dia hisy fitoviana”. (2 Korintiana 8:14, Fandikan-teny Katolika). Amin’izao andro izao, ny “fitoviana” toy izany dia mamatsy ny vola ilaina mba hanaovana Baiboly, zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly, Efitrano Fanjakana, fanampiana vonjy rano vaky, ary zavatra hafa, any amin’ny faritra maro amin’ny tany. Fitahiana tokoa ny fanomezana toy izany — na ho an’ilay nanome na ho an’ilay nandray! — Asan’ny Apostoly 20:35.
Araka ny hita amin’ireo taratasy voarain’ny Fikambanana, avy amin’ny olona malala-tanana, dia maro amin’ireo mpamaky ity gazety ity no maniry hanampy, saingy tsy mahazo antoka ny amin’ireo fomba maro samihafa azony anaovana fanomezana. Tsy isalasalana fa hanampy mba hamaliana ny fanontanian’izy ireny ilay faritra voafefy miaraka amin’ity lahatsoratra ity.
Nandritra ilay fanjakana be voninahitr’i Solomona, dia tonga nitsidika azy “ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany” izay nandre ny momba azy. Ny Baiboly anefa dia tsy manonona afa-tsy mpanapaka iray ihany, dia ilay mpanjakavavin’ny Sheba. (2 Tantara 9:23). Sorona lehibe tokoa no nataon’izy io! Novalian-tsoa be dia be anefa izy, eny, novalian-tsoa betsaka tokoa, hany ka “talanjona terỳ” izy tamin’ny faran’ilay fitsidihany. — 2 Tantara 9:4.
Amin’ny hoavy, i Jehovah, ilay Mpanjaka sy Mpanome lehibe indrindra, dia hanao zavatra be lavitra noho izay rehetra vitan’i Solomona, ho an’ireo manao sorona noho ny Aminy. Ho setrin’izany, dia ho ‘talanjona erỳ’ izy ireo, satria tsy vitan’ny hoe hitsimbina azy ireo mandritra ilay andro fitsarany mahatahotra i Jehovah, fa ‘hanokatra ny tanany’ koa aorian’izay, ‘ka hahavoky soa ny zavamiaina rehetra’. — Salamo 145:16.
[Efajoro, pejy 22]
Ireo Fomba Fidin’ny Sasany Hanaovana Fanomezana ho An’ny Asa Maneran-tany
MARO no manokana na manatsinjara vola izay arotsany ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana misy soratra hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Maneran-tanin’ny Fikambanana — Matio 24:14.” Isam-bolana, ny kôngregasiôna dia mandefa ireny vola ireny, na any amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn, any New York, na any amin’ny biraon’ny Sampana eo an-toerana.
Ireo vola fanomezana an-tsitrapo dia azo alefa mivantana koa any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201-2483, na any amin’ny biraon’ny Fikambanana mikarakara ny tany misy anao. Azo atao fanomezana koa ny firavaka na zava-tsarobidy hafa. Miaraka amin’ireny fanomezana ireny, dia tokony hisy taratasy fohy milaza fa fanomezana tsy misy fepetra izy io.
Fandaharana Momba ny Fanomezana Misy Fepetra
Azo atao ny manome vola ny Fikambanana Watch Tower amin’ny fanaovana fandaharana manokana, dia ny hoe, raha misy ilan’ilay mpanome izany, dia haverina aminy ilay fanomezana. Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa, dia mifandraisa amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, voalaza adiresy etsy ambony.
Fandaharana Mialoha ho An’ny Asa Fanasoavana
Ho fanampin’ny vola fanomezana tsy misy fepetra sy ilay misy fepetra, dia misy koa fomba fanomezana hafa izay mitondra soa ho an’ny fanompoana maneran-tany mahakasika ilay Fanjakana. Tafiditra amin’izany ny:
Fiantohana: Azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa (bénéficiaire) avy amin’ny fifanekem-piantohana aina (assurance-vie) na amin’ny fandaharana momba ny fisotroan-dronono/pension ny Fikambanana Watch Tower.
Kaonty any Amin’ny Banky: Ny kaonty any amin’ny banky, ny taratasy fanamarinana petra-bola, na ny kaontin’ny olona iray momba ny fisotroan-dronono dia azo ankinina amin’ny Fikambanana Watch Tower na azo aloa aminy ny vola amin’izany amin’ny fahafatesan’ilay tompony, mifanaraka amin’ireo zavatra takin’ny banky eo an-toerana.
Petra-bola (actions) sy Fanekem-bola (obligations): Ny petra-bola sy ny fanekem-bola dia azo atao fanomezana tsy misy fepetra ho an’ny Fikambanana Watch Tower, na asiana fepetra hoe ny tombony dia haloa hatrany any amin’ilay mpanome.
Trano sy Tany: Azo atao fanomezana ho an’ny Fikambanana Watch Tower ny trano sy ny tany azo amidy, na amin’ny fanaovana fanomezana tsy misy fepetra, na misy fepetra fa ho fananan’ilay mpanome raha mbola velona koa izy, izany hoe afaka manohy mipetraka ao izy mandritra ny fahavelomany. Tokony hifandray amin’ny Fikambanana ny olona iray, alohan’ny hamindrany trano sy tany amin’ny anaran’ny Fikambanana.
Didim-pananana sy Fanankinam-pananana (fidéicommis): Azo ampandovaina fananana na vola ny Fikambanana Watch Tower amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna, na azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa (bénéficiaire) avy amin’ny fifanarahana iray momba ny fanankinam-pananana. Ny fanankinam-pananana ho tombontsoan’ny fikambanana ara-pivavahana iray dia mety hahitan-tsoa sasany eo amin’ny fandoavan-ketra.
Araka ny asehon’ilay teny hoe “fandaharana mialoha ho an’ny asa fanasoavana”, dia mitaky fandaharana mialoha avy amin’ilay mpanome ireo karazam-panomezana ireo. Mba hanampiana ireo olona maniry hampandray soa ny Fikambanana amin’ny alalan’ny endriny iray amin’ny fandaharana mialoha ho an’ny asa fanasoavana, dia nomanin’ny Fikambanana ny bokikely iray amin’ny teny anglisy mitondra ny lohateny hoe Planned Giving to Benefit Kingdom Service Worldwide (Fanomezana Nalamina Mialoha ho Tombontsoan’ny Fanompoana Maneran-tany Mifandray Amin’ilay Fanjakana). Nosoratana io bokikely io ho valin’ny fanontaniana maro voarain’ny Fikambanana momba ny fanomezana sy ny didim-pananana ary ny fanankinam-pananana. Mirakitra fanazavana mahasoa fanampiny koa izy io, mahakasika ny trano sy tany ary ny fandaharana mialoha momba ny vola sy ny hetra. Ary natao izy io mba hanampiana ireo olona any Etazonia izay mikasa ny hanao fanomezana manokana ho an’ny Fikambanana izao ankehitriny izao, na hamela lova eo am-pahafatesana. Manampy azy ireo ilay bokikely mba hifantina ny fomba ahitana tombony sy mahomby indrindra raha dinihina amin’ny toe-javatra misy azy ara-pianakaviana sy manokana. Azo atao ny mahazo an’io bokikely io, amin’ny fanaovana fanafarana mivantana any amin’ny Charitable Planning Office (Biraon’ny Fandaharana Mialoha ho An’ny Asa Fanasoavana).
Maro no afaka nanampy ny Fikambanana no sady nahazo tombontsoa faran’izay betsaka teo amin’ny hetra noho ny nanaovana izany, taorian’ny namakiany ilay bokikely sy ny niarahany nidinika tamin’ny Biraon’ny Fandaharana Mialoha ho An’ny Asa Fanasoavana. Tokony hampahafantarina ny Biraon’ny Fandaharana Mialoha ho An’ny Asa Fanasoavana, ny fisian’izay mety ho taratasy mifandray amin’ireo fandaharana ireo, ary tokony hahazo kopia iray amin’izany izy. Raha liana amin’ny iray amin’ireo fandaharana mialoha ho an’ny asa fanasoavana ireo ianao, dia tokony hifandray amin’ny Biraon’ny Fandaharana Mialoha ho An’ny Asa Fanasoavana, amin’ny alalan’ny taratasy na telefaonina, any amin’ny adiresy voalaza eto ambany, na any amin’ny biraon’ny Fikambanana mikarakara ny taninao.
Charitable Planning Office
Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
100 Watchtower Drive,
Patterson, New York 12563-9204
Telefaonina: (914) 306-1000
[Sary, pejy 23]
Tohanana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah