FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/6 p. 32
  • Afaka Matoky ny Baiboly ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Matoky ny Baiboly ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/6 p. 32

Afaka Matoky ny Baiboly ve Ianao?

RAHA mandray Baiboly iray ianao, moa ve ianao hanantena hahita vola madinika iray? Ahoana ny amin’ity vola madinika tranainy volafotsy ity?

Maro no mihevitra ny Baiboly ho boky tranainy iray manolotra tantara taloha mahafinaritra sy fahatsaran-toetra maha-te hidera. Na dia izany aza, dia tsy mino izy ireo fa tantara marina ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly, koa lavin’izy ireo ny maha-Tenin’Andriamanitra azy io. Misy anefa porofo ampy ny amin’ny maha-araka ny marina ny Baiboly. Io vola madinika (nohalehibeazina) io dia ohatra tsara iray. Inona no lazain’ilay soratra?

Ilay vola madinika dia natao tany Tarsosy, tanàna iray any amin’ny tapany atsimo atsinanan’i Torkia amin’izao fotoana izao. Notefena ilay vola madinika nandritra ny fanapahan’ilay governora persiana atao hoe Mazaeus, tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i. Izy io dia mampahafantatra azy ho governoran’ny faritany “Andafin’ny Ony”, izany hoe ny Ony Eofrata.

Nahoana anefa no mahaliana io fitenenana io? Satria hahita izany fanondroana izany ihany ianao ao amin’ny Baibolinao. Ny Ezra 5:6–6:13 dia miresaka ny amin’ny fifanoratana taratasy teo amin’i Dariosy mpanjaka persiana, sy ny governora iray antsoina hoe Tatenay. Ny niadiany hevitra dia ny amin’ny fanorenan’ny Jiosy indray ny tempoliny tany Jerosalema. Mpanao kopia nahay ny lalàn’Andriamanitra i Ezra, ary hantenainao ho hentitra sy ho marina izy ao amin’izay nosoratany. Ho hitanao ao amin’ny Ezra 5:6 sy 6:13 fa nilaza an’i Tatenay ho “governoran’ny etỳ an-dafin’ny ony” izy.

Nanoratra izany i Ezra tany amin’ny taona 460 al.f.i. tany ho any, sahabo ho 100 taona talohan’ny nanefena io vola madinika io. Misy olona mety hihevitra fa tsipirian-javatra madinika ny anarana fanondroana mpiasam-panjakana iray fahiny. Kanefa raha afaka miantehitra amin’ireo mpanoratra ny Baiboly ianao na dia amin’ny antsipiriany madinika toy izany aza, moa ve izany tsy hampitombo ny fatokianao ireo zavatra hafa nosoratany?

Ao amin’ireo lahatsoratra roa voalohany amin’ity nomerao ity, dia hahita antony fanampiny ho amin’ny fatokiana toy izany ianao.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Collection of Israel Dept. of Antiquities Exhibited & photographed Israel Museum

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara