FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb23 Jolay p. 11
  • Afaka Manao Izay Hahafaly ny Fianakavianao koa Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Manao Izay Hahafaly ny Fianakavianao koa Ianao
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Mitovitovy Aminy
  • Ohabolana, Bokin’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fifaliana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fifamaliana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fahendrena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
mwb23 Jolay p. 11
Sary : Sary avy amin’ilay video hoe “Ataovy Izay Hahafaly ny Fianakavianao.” 1) Mijery ny dadany sy ny mamany mihinana gatô izy mirahavavy. 2) Mihomehimehy izy mirahavavy mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. 3) Marary ny mamany dia matory eo amin’ny seza “salon.” Mijery azy ny iray amin’izy mirahavavy.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Afaka Manao Izay Hahafaly ny Fianakavianao koa Ianao

Tian’i Jehovah ho sambatra ny fianakaviana. (Sl 127:3-5; Mpto 9:9; 11:9) Mety tsy ho faly intsony anefa isika rehefa miady saina na manao diso ny fianakaviantsika. Inona ny anjara biriky azon’ny tsirairay entina mba hahasambatra ny fianakaviany?

Tokony hanome voninahitra ny vadiny ny lehilahy manambady. (1Pe 3:7) Manokana fotoana ho azy izy. Tsy mitaky be loatra aminy koa izy ary asehony amin’ny vadiny hoe mankasitraka an’izay ataony ho azy sy ny fianakaviany izy. (Kl 3:15) Midera azy izy sady lazainy aminy hoe tiany izy.​—Oh 31:28, 31.

Tokony hitady fomba anohanana ny vadiny ny vehivavy manambady. (Oh 31:12) Manaiky ny vadiny izy ary miara-miasa aminy. (Kl 3:18) Miresaka zavatra tsara momba ny vadiny koa izy sady tsara fanahy rehefa miresaka aminy.​—Oh 31:26.

Tokony hanokana fotoana ho an’ny zanany ny ray aman-dreny. (De 6:6, 7) Lazainy amin’ny zanany hoe tiany ry zareo. (Mt 3:17) Asehon’ny ray aman-dreny koa hoe be fitiavana sy mahay manavaka izy rehefa mananatra ny zanany.​—Ef 6:4.

Tokony hanaja sy hanome voninahitra an’i Dada sy Neny ny ankizy. (Oh 23:22) Tsy manafina an’izay any am-pony sy any an-tsainy amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy. Manaja ny ray aman-dreniny koa ry zareo ary manaiky rehefa ahitsy.​—Oh 19:20.

JEREO ILAY VIDEO HOE ATAOVY IZAY HAHAFALY NY FIANAKAVIANAO, ARY VALIO ITY:

• Inona no nataon’ny tsirairay tamin-dry zareo mba hahasambatra ny fianakaviany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara