FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 15/3 p. 15-20
  • Fiatrehana Ilay Zava-tsarotra, dia ny Tsy Fivadihana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiatrehana Ilay Zava-tsarotra, dia ny Tsy Fivadihana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiarovana an’i Jehovah
  • Tsy fivadihana amin’ny fandaminan’i Jehovah
  • Tsy fivadihana amin’ireo loholona tsy mivadika
  • Tsy fivadihana ara-panambadiana
  • Fanampiana mba hitoerana ho tsy mivadika
  • Diniho ny Tsy Mivadika!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • “Ianao Irery Ihany ... no Tsy Mivadika”
    Manatòna An’i Jehovah
  • Ny fahatokiana — Inona no vidiny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Iza no Tokony Hanehoanao Tsy Fivadihana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 15/3 p. 15-20

Fiatrehana Ilay Zava-tsarotra, dia ny Tsy Fivadihana

‘Tafio ilay toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny tena fahamarinana sy ny tsy fivadihana marina.’ — EFESIANA 4:24, NW.

1. Nahoana isika no manana adidy ny tsy hivadika amin’i Jehovah Andriamanitra?

MANANA lafiny maro ny fiatrehana ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana. Zava-dehibe indrindra ny fiatrehana ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana amin’i Jehovah Andriamanitra. Marina tokoa fa rehefa heverina amin’ny maha-izy an’i Jehovah sy izay nataony ho antsika, ary noho ny fanoloran-tenantsika ho azy, dia manana adidy ny tsy hivadika aminy isika. Ahoana no anehoantsika tsy fivadihana amin’i Jehovah Andriamanitra? Ny fomba tena lehibe iray dia ny tsy fivadihana amin’ireo fotopoto-pitsipika marin’i Jehovah.

2, 3. Inona no fifandraisana misy eo amin’ny tsy fivadihana sy ny fahamarinana?

2 Mba hiatrehana io zava-tsarotra io, dia tsy maintsy manaraka ireo teny hita ao amin’ny 1 Petera 1:15, 16 isika: “Araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: ‘Ho masina hianareo, satria masina Aho’.” Ny tsy fivadihana amin’i Jehovah Andriamanitra dia hahatonga antsika hankato azy amin’ny fotoana rehetra, hahatonga ny saintsika sy ny tenintsika ary ny ataontsika hifanaraka amin’ny sitrapony masina. Izany dia midika ho fitanana feon’ny fieritreretana tsara, araka ny andidiana antsika toy izao ao amin’ny 1 Timoty 1:3-5: “Fa ny anton’ny didy [tsy hanao fampianarana hafahafa, na hitandrina ny anganongano] dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy”. Marina fa tsy misy amintsika lavorary, kanefa dia tokony hiezaka hanao izay tsara indrindra vitantsika isika, sa tsy izany?

3 Ny tsy fivadihana amin’i Jehovah dia hisakana antsika tsy hampandefitra amim-pitiavan-tena an’ireo fotopoto-pitsipika marina. Tsy azo lavina fa ny tsy fivadihana dia hisakana antsika tsy ho olona toy izao ao anaty ary hafa noho izany etỳ ivelany. Ny tsy fivadihana no tao an-tsain’ny mpanao salamo fony izy nihira toy izao: “Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao aho; ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.” (Salamo 86:11). Ny tsy fivadihana dia mitaky ilay nolazalazaina tsara hoe “fankatoavana an’izay tsy azo anerena ny hafa mba hotandremany”.

4, 5. Hahatonga antsika hitandrina mba tsy hanao inona ny tsy fivadihana?

4 Ny tsy fivadihana amin’i Jehovah Andriamanitra dia hisakana antsika koa tsy hanao na inona na inona izay hitondra fahafaham-baraka ho an’ny anarany sy ny Fanjakany. Indray mandeha, ohatra, dia nisy Kristiana roa nanan-java-nanahirana lehibe aoka izany teo amin’izy samy izy ka nitady tsy araka ny tokony ho izy, fanampiana tamin’ny fitsarana teo amin’izao tontolo izao. Nanontany toy izao ilay mpitsara: ‘Samy Vavolombelon’i Jehovah ve ianareo roa lahy?’ Miharihary fa tsy azony hoe nanao inona tany amin’ny fitsarana izy ireo. Fahafaham-baraka re izany! Ny tsy fivadihana tamin’i Jehovah Andriamanitra dia tokony ho nahatonga ireo mpirahalahy ireo hanaraka ilay torohevitry ny apostoly Paoly hoe: “Raha ny tena izy àry, dia midika ho faharesena tanteraka ho anareo ny fanananareo samy ianareo ady any amin’ny fitsarana. Nahoana no tsy aleo mamela ny tenanareo hampiharana ny tsy rariny aza? Nahoana no tsy aleo mamela ny tenanareo ho voambaka aza?” (1 Korintiana 6:7, NW ). Azo antoka fa ny lalan’ny tsy fivadihana amin’i Jehovah Andriamanitra, dia midika ho fizakana fahavoazana manokana toy izay hitondra fahafaham-baraka ho an’i Jehovah sy ny fandaminany.

5 Ny tsy fivadihana amin’i Jehovah Andriamanitra dia mahatafiditra koa tsy fanekena ho resin’ny tahotra olona. “Mamandrika ny tahotra olona; fa izay matoky an’i Jehovah no hovonjena.” (Ohabolana 29:25). Noho izany, dia tsy manaiky lembenana isika rehefa miatrika fanenjehana, fa manaraka kosa ny ohatra navelan’ireo Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, any Malawi, any Etiopia, sy any an-tany hafa maro dia maro.

6. Hisakana antsika tsy hifanerasera amin’iza ny tsy fivadihana?

6 Raha tsy mivadika amin’i Jehovah Andriamanitra isika, dia hanalavitra ny fisakaizana amin’izay rehetra fahavalony. Izany no antony nanoratan’i Jakoba mpianatra toy izao: “Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jakoba 4:4). Irintsika ny hanana ilay tsy fivadihana izay nahariharin’i Davida Mpanjaka fony izy nilaza hoe: “Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, sy ho tezitra amin’izay mitsangana hanohitra Anao? Halako dia halako marina tokoa ireny; efa fahavaloko ireny.” (Salamo 139:21, 22). Tsy irintsika ny hifanerasera amin’izay mety ho mpanota an-tsitrapo, satria tsy misy na inona na inona iombonantsika amin’izy ireny. Moa ve ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra tsy tokony hisakana antsika tsy hifanerasera amin’iza na iza fahavalon’i Jehovah toy izany, na mivantana, na amin’ny fanelanelanan’ny televiziona?

Fiarovana an’i Jehovah

7. Hanampy antsika hanao inona mahakasika an’i Jehovah ny tsy fivadihana, ary ahoana no nanaovan’i Eliho an’izany?

7 Hanosika antsika hiaro an’i Jehovah Andriamanitra, ny tsy fivadihana. Manana ohatra tsara dia tsara ny amin’izany tokoa isika amin’i Eliho! Milaza amintsika toy izao ny Joba 32:2, 3: “Nirehitra kosa ny fahatezeran’i Eliho, (...) eny, tamin’i Joba no nirehetan’ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy. Ary tamin’ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan’ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an’[Andriamanitra, NW ].” Ao amin’ny Joba toko faha-32 ka hatramin’ny faha-37, dia niaro an’i Jehovah, i Eliho. Nilaza toy izao izy ohatra: “Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarinana an’Andriamanitra. (...) Hanamarina ny Mpanao ahy aho. (...) Tsy mampiala ny masony amin’ny marina Izy”. — Joba 36:2-7.

8. Nahoana isika no mila miaro an’i Jehovah?

8 Nahoana no ilaina ny miaro an’i Jehovah? Amin’izao andro izao, dia anaovana fitenenan-dratsy amin’ny fomba maro aoka izany i Jehovah Andriamanitsika. Lazaina fa tsy misy izy, fa tapany iray amin’ny Trinite izy, fa mampijalijaly ny olona mandrakizay ao amin’ny afobe mirehitra izy, fa zara izy raha miezaka hanova izao tontolo izao, fa tsy miahy ny olombelona izy, sy ny toy izany. Mampiseho ny tsy fivadihantsika aminy isika, amin’ny fiarovana azy sy amin’ny fanaporofoana fa tena misy i Jehovah; fa Andriamanitra hendry sy manao ny rariny sy tsy toha ary be fitiavana izy; fa manana fotoana ho an’ny zava-drehetra izy; ary fa rehefa tonga ilay fotoana mety aminy, dia hamarana ny ratsy rehetra izy ka hanao ny tany manontolo ho paradisa. (Mpitoriteny 3:1). Izany dia mitaky ny hampiasantsika ny fahafahana rehetra mba hanaovana fanambarana momba ny anaran’i Jehovah sy ny Fanjakany.

Tsy fivadihana amin’ny fandaminan’i Jehovah

9. Tamin’ny raharaha inona avy no nanehoan’ny sasany ny tsy fananany tsy fivadihana?

9 Tonga eo amin’ilay raharaha momba ny tsy fivadihana amin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso isika izao. Azo antoka fa manana adidy isika ny tsy hivadika amin’izy io, ka tafiditra amin’izany ny “mpanompo mahatoky sy malina” izay amin’ny alalany no amahanana ara-panahy ny kongregasiona kristiana. (Matio 24:45-47, NW ). Aoka hatao hoe misy zavatra miseho ao anatin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower, ka tsy azontsika ny heviny na tsy ekentsika avy hatrany. Inona no hataontsika? Ho tafintohina ve ka handao ny fandaminana? Izany no nataon’ny sasany, taona maro lasa izay, rehefa nampihatra ny fanekena vaovao tamin’ny Fanjakana Arivo Taona, Ny Tilikambo Fiambenana. Tafintohina ny hafa tamin’izay nolazain’ny Ny Tilikambo Fiambenana indray mandeha momba ny fialanalanana. Raha tsy nivadika tamin’ny fandaminana sy tamin’ny rahalahiny ireo tafintohina tamin’ireny raharaha ireny, dia ho niandry an’i Jehovah izy ireo mba hanazava ireny raharaha ireny, ary tena nanao izany izy tamin’ny fotoana mety. Araka izany, ny tsy fivadihana dia mahatafiditra fiandrasana amim-paharetana mandra-pamoakan’ny mpanompo mahatoky sy malina fahazoana hevi-javatra fanampiny.

10. Hisakana antsika tsy ho liana ta hahafanta-javatra momba ny inona, ny tsy fivadihana?

10 Ny tsy fivadihana amin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso koa dia midika ho tsy fifandraisana amin’ireo mpivadi-pinoana. Ireo Kristiana tsy mivadika dia tsy ho liana ta hahafanta-javatra momba izay lazain’ny olona toy izany. Marina fa tsy lavorary ireo ampiasain’i Jehovah Andriamanitra mba hitarika ny asany eto an-tany. Inona anefa no asain’ny Tenin’Andriamanitra ataontsika? Handao ny fandaminan’Andriamanitra ve? Tsia. Ny firaiketam-pon-drahalahy dia tokony hitana antsika tsy hivadika amin’izy io, ary tokony hanohy ‘hifankatia fatratra amin’ny fo’ isika. — 1 Petera 1:22.

Tsy fivadihana amin’ireo loholona tsy mivadika

11. Hanampy antsika hitandrin-tena amin’ny fieritreretana tsy manorina inona, ny tsy fivadihana?

11 Rehefa misy zavatra lazaina na atao ao amin’ny kongregasiona ka sarotra amintsika ny mahazo ny heviny, ny tsy fivadihana dia hisakana antsika tsy hitsara ny antony manosika ny hafa, sady hanampy antsika haka ilay fomba fiheverana hoe, angamba raharaha momba ny fahaiza-mitsara zavatra ilay izy. Tsy ho tsara lavitra ve ny hifantohana amin’ireo toetra tsaran’ireo loholona voatendry sy ireo mpiray finoana amin’ny tena, toy izay hifantoka amin’ny fahadisoany? Eny, irintsika ny hitandrin-tena amin’ny fieritreretana tsy manorina rehetra toy izany, satria izany dia mifandray akaiky amin’ny hoe mivadika! Ny tsy fivadihana koa dia hanampy antsika hankato ilay fitarihan’i Paoly mba “tsy hiteny ratsy olona”. — Titosy 3:1, 2.

12, 13. Zava-tsarotra manokana inona avy no tsy maintsy atrehin’ireo loholona?

12 Mitondra zava-tsarotra manokana ho an’ny loholona ny tsy fivadihana. Iray amin’ireny zava-tsarotra ireny, dia ny raharaha momba ny tsiambaratelo. Mety hamboraka tsiambaratelo amina loholona ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona. Ny tsy fivadihana amin’io olona io dia hisakana ilay loholona tsy handika ny fotopoto-pitsipika momba ny tsiambaratelo. Harahiny ilay torohevitra ao amin’ny Ohabolana 25:9 manao hoe: “Aza aseho izay tsy tian’ny sasany holazaina”. Izany dia midika hoe na dia amin’ny vadiny aza!

13 Miatrika fitsapana hafa momba ny tsy fivadihana koa ireo loholona. Moa ve izy ireo ho mpila sitraka amin’olona, sa kosa izy ireo hanampy amin-kerim-po sy amim-pahalemem-panahy an’ireo izay mila fanitsiana, na dia havany na sakaizany akaiky aza izy ireny? Ny tsy fivadihana amin’ny fandaminan’i Jehovah dia hahatonga antsika izay loholona hiezaka hanampy na iza na iza mila fanampiana ara-panahy. (Galatiana 6:1, 2). Na dia ho tsara fanahy aza isika, ny tsy fivadihana dia hahatonga antsika tsy hisorona amin’ireo loholona mitovy amintsika, toy ny tsy nisoronan’i Paoly niteny tamin’ny apostoly Petera. (Galatiana 2:11-14). Etsy an-danin’izany, ireo mpiandraikitra dia maniry ny hitandrina sao ny fanaovan-javatra tsy amim-pahendrena, na ny fampisehoana fizahan-tavan’olona, na ny fanamparany ny fahefany amin’ny fomba hafa, dia hahatonga ny tsy fivadihana amin’ny fandaminan’Andriamanitra ho sarotra ho an’ireo izay karakarainy. — Filipiana 4:5.

14, 15. Anton-javatra inona avy no mety hitsapa ny tsy fivadihan’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona?

14 Misy lafiny maro hafa amin’ilay raharaha momba ny fiatrehana ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana amin’ny kongregasiona sy ireo loholona eo aminy. Raha misy toe-piainana somary mikorontana ao anatin’ny kongregasiona, izany dia manome antsika fahafahana haneho tsy fivadihana amin’i Jehovah sy amin’ireo izay misolo tena azy. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Septambra 1987, pejy faha-15-17.) Rehefa misy fandroahana, dia mitaky ny hanohanantsika ireo loholona ny tsy fivadihana, fa tsy ny hanandramantsika haminavina indray raha ampy ireo antony ho an’ilay zavatra natao.

15 Ny tsy fivadihana amin’ny kongregasiona dia mitaky koa ny hanohanantsika ireo fivoriana dimy rehetra isan-kerinandro araka ny amelan’ny toe-javatra misy antsika sy ny fahafahantsika. Ny tsy fivadihana dia tsy mitaky fotsiny ny hanatrehantsika azy ireny tsy tapaka, fa ny hiomanantsika ho amin’izy ireny koa ka hanomezantsika valin-teny mampahery araka ny amelan’ny fahafahana hanao izany. — Hebreo 10:24, 25.

Tsy fivadihana ara-panambadiana

16, 17. Inona avy ireo zava-tsarotra ho an’ny tsy fivadihana tsy maintsy atrehin’ireo Kristiana manambady?

16 Amin’iza koa isika no manana adidy ny tsy hivadika? Raha manambady isika, noho ilay voadim-panambadiana nataontsika, dia voatery miatrika ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana amin’ny vadintsika, isika. Ny tsy fivadihana amin’ny vadintsika dia hisakana antsika tsy hanao ilay fahadisoana hiseho hahafinaritra kokoa amina vehivavy na lehilahy hafa noho ny amin’ny vadintsika. Ny tsy fivadihana amin’ny vadintsika koa dia mitaky ny tsy hanambarantsika amin’ny eny ivelany ireo fahalemena na fahadisoan’ny vadintsika. Mora kokoa ny mitaraina amin’ny hafa noho ny hoe hiezaka mafy mba hitanana ny fifampiresahana amin’ny vadintsika hisokatra, dia zavatra izay tokony hataontsika mifanaraka amin’ilay Fitsipika Volamena. (Matio 7:12). Raha ny marina, ny toeran’ny olona manambady dia mitondra tena zava-tsarotra ho an’ny tsy fivadihana kristiana asehontsika.

17 Mba hiatrehana io zava-tsarotra io, dia ny tsy fivadihana izany, dia tsy vitan’ny hoe tsy maintsy manalavitra ny ho meloka noho ny fanaovan-dratsy lehibe fotsiny isika, fa tsy maintsy mitandrina ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika mihitsy koa. (Salamo 19:14). Ohatra, raha fatra-pitia fahafinaretana sy fahataitairana ny fontsika mpamitaka, dia mora aoka izany ho antsika ny hiala amim-pitiavan-tena avy eo amin’ny fijerena amim-pankasitrahana zavatra iray, mankeo amin’ny faniriana azy io. Raha nampirisika mafy ny tsy fivadihana ara-panambadiana i Solomona Mpanjaka, dia nanoro hevitra ny lehilahy manambady mba ‘hisotro rano avy amin’ny lavaka famorian-dranony ihany’ ara-panoharana. (Ohabolana 5:15). Ary hoy i Jesosy hoe: “Izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.” (Matio 5:28). Ireo lehilahy manambady izay manaram-po amin’ireo sary na soratra vetaveta dia mety ho voataona hanitsakitsa-bady, noho izany, dia hamitaka ny vadiny ka hivadika aminy. Noho ny antony mitovy amin’izany, ny vehivavy revo dia revo amin’ny fijerena na fihainoana tantara mitohy izay mivaofy fisehoan-javatra misy fanitsakitsaham-bady dia mety halaim-panahy hanjary hivadika amin’ny vadiny. Amin’ny tsy fivadihana marina amin’ny vadintsika anefa, dia manatanjaka ny fatoram-panambadiantsika isika, ary mifanampy isika eo amin’ny ezaka ataontsika mba hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra.

Fanampiana mba hitoerana ho tsy mivadika

18. Ny fahatakarana ny amin’inona no hanampy antsika tsy hivadika?

18 Inona no hanampy antsika hiatrika ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana, eto amin’ireto lafiny efatra ireto: tsy fivadihana amin’i Jehovah, amin’ny fandaminany, amin’ny kongregasiona, sy amin’ny vadintsika? Fanampiana iray ny fahatakarana fa mifandray akaiky amin’ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah ny fiatrehana ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana. Eny, amin’ny fitoerana ho tsy mivadika dia asehontsika fa mihevitra an’i Jehovah ho Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao isika. Amin’izay koa isika dia afaka manana ny hajan’ny tenantsika sy fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’i Jehovah. Afaka manampy ny tenantsika hitoetra ho tsy mivadika isika amin’ny fandinihana ireo ohatra tsara dia tsara momba ny tsy fivadihana, manomboka amin’i Jehovah, ka hatramin’ireo voatonona ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower, tafiditra amin’izany ireo fitantarana ao amin’ny Diary.

19. Inona no anjara asan’ny finoana eo amin’ny tsy fivadihantsika?

19 Ny finoana matanjaka an’i Jehovah Andriamanitra sy ny tahotra ny tsy hampifaly azy dia hanampy antsika hiatrika ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana. Manatanjaka ny finoantsika an’i Jehovah sy ny fahatahorantsika azy isika amin’ny fianarana amim-pahazotoana ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny firotsahana ao amin’ny fanompoana kristiana. Izany dia hanampy antsika hanao zavatra mifanaraka amin’ny torohevitr’i Paoly voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Efesiana 4:23, 24 manao hoe: “Mba hohavaozina (...) hianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny [tena fahamarinana sy ny tsy fivadihana marina, NW ].”

20. Ambonin’ny zava-drehetra, dia toetra inona no hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah sy amin’ny hafa rehetra izay ananantsika adidy eo amin’ny tsy fivadihana?

20 Manampy antsika tsy hivadika ny fankasitrahana an’ireo toetran’i Jehovah. Ambonin’ny zava-drehetra, dia ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena an’ilay Raintsika any an-danitra sy ny fankasitrahana an’izay rehetra nataony ho antsika, ary ny fitiavana azy amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra no hanampy antsika tsy hivadika aminy. Ankoatra izany, ny fananana ilay fitiavana izay nolazain’i Jesosy fa amantarana ireo mpanara-dia azy dia hanampy antsika tsy hivadika amin’ireo Kristiana rehetra ao amin’ny kongregasiona sy ao amin’ny fianakaviantsika. Raha lazaina amin’ny teny hafa ilay izy, raha ny marina, dia mahakasika ny hoe tia tena na tsy tia tena. Ny fivadihana dia midika hoe tia tena. Ny tsy fivadihana dia midika hoe tsy tia tena. — Marka 12:30, 31; Jaona 13:34, 35.

21. Ahoana no azo amintinana ilay raharaha momba ny fiatrehana ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana?

21 Raha fintinina dia izao: Ny tsy fivadihana dia toetra faran’izay ambony izay asehon’i Jehovah Andriamanitra, i Jesosy Kristy, sy ireo tena mpanompon’i Jehovah rehetra. Mba hananana fifandraisana tsara amin’i Jehovah Andriamanitra, dia tsy maintsy miatrika ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana aminy, isika amin’ny fiainana mifanaraka amin’ireo fepetra marina takiny, amin’ny tsy fifandraisana amin’ireo fahavalony, amin’ny fiarovana an’i Jehovah amin’ny fanaovana fanambarana ara-potoana sy tsy ara-potoana. Tsy maintsy miatrika koa ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana amin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso, isika. Tsy maintsy tsy mivadika amin’ny kongregasionantsika isika, ary tsy mivadika amin’ny vadintsika. Amin’ny fiatrehana amim-pahombiazana ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana, dia handray anjara amin’ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah isika, ary hiandany aminy ao amin’ilay raharaha niadian-kevitra. Amin’izany no hahazoantsika sitraka aminy sy handraisantsika ilay loka dia ny fiainana mandrakizay. Izay nolazain’ny apostoly Paoly momba ny fifikirana amin’Andriamanitra dia azo ampiharina koa amin’ny fiatrehantsika ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana. Mahasoa izy io ho an’ny fiainana ankehitriny sy ilay ho avy. — Salamo 18:25, NW; 1 Timoty 4:8.

Ahoana no Havalinao?

◻ Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahantsika miatrika ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra?

◻ Mitaky inona amintsika ny tsy fivadihana amin’ny fandaminan’i Jehovah?

◻ Ahoana no ahafahan’ireo loholona miatrika ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana?

◻ Zava-tsarotra inona mahatafiditra tsy fivadihana no tsy maintsy atrehin’ireo Kristiana manambady?

◻ Toetra inona avy no hanampy antsika hiatrika ilay zava-tsarotra, dia ny tsy fivadihana?

[Sary, pejy 17]

Ny tsy fivadihana amin’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona dia hisakana ireo loholona tsy hampahafantatra ireo raharaha tsiambaratelo

[Sary, pejy 18]

Manatanjaka ny fatoram-panambadiana ny tsy fivadihana amin’ny vadin’ny tena

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara