FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/10 p. 32
  • Ny Herin’ny Teny Iray Mampiseho Hatsaram-panahy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Herin’ny Teny Iray Mampiseho Hatsaram-panahy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/10 p. 32

Ny Herin’ny Teny Iray Mampiseho Hatsaram-panahy

“Ny fo iray milofika noho ny tebiteby, dia hain’ny teny mampiseho hatsaram-panahy velombelomina erỳ!” — Ohabolana 12:25, Knox.

TSY vita fanefitra amin’ny fahoriana ireo Kristiana. Indraindray, dia mahatsapa tebiteby izy ireo noho izy miaina amin’izao ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ izao. — 2 Timoty 3:1, NW.

Rehefa mijaly noho ny loza toy izany, dia fitahiana re izany hoe mandre teny mampiseho hatsaram-panahy avy amin’ny namana tsy mivadika iray izany! “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana”, hoy ny Baiboly. (Ohabolana 17:17). Fantatra ho izany karazana namana izany i Joba lehilahy nahatoky. Na dia i Elifaza aza dia nilaza toy izao momba azy: “Rehefa nisy olona tafintohina sy osa ary reraka, dia nampahery azy hijoro ny teninao.” — Joba 4:4, Today’s English Version.

Kanefa, rehefa nila fampaherezana ny tenan’i Joba mihitsy, dia tsy namoaka teny mampiseho hatsaram-panahy i Elifaza sy ireo namany. Nanome tsiny an’i Joba izy ireo noho ny fahoriana nanjo azy, tamin’ny filazana tsy nivantana fa tsy maintsy nanana fahadisoana niafina sasany izy. (Joba 4:8). Manome fanazavana toy izao ny The Interpreter’s Bible: “Izay nilain’i Joba dia fangorahan’ny fon’olombelona. Izay azony dia fitohitohizam-pitenenana ara-pivavahana niverimberina foana, izay ‘marina’ tanteraka sy kanto tanteraka, ary fanamarihana mankaleo ara-pitondran-tena.” Sahiran-tsaina mafy aoka izany i Joba tamin’ny fandrenesana ny tenin’i Elifaza sy ireo namany, hany ka voatery nitaraina toy izao izy: “Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ny fiteny?” — Joba 19:2.

Tsy tokony hahatonga mpiara-manompo an’Andriamanitra hitaraina ao anatin’ny fahoriana na oviana na oviana isika noho ny tenintsika tsy mampiseho hatsaram-panahy sy fiheverana. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 24:15.) Mampitandrina toy izao ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Izay lazainao dia afaka mitsimbina ny aina na mandringana azy io; koa tsy maintsy manaiky ny vokatry ny teninao ianao.” — Ohabolana 18:21, TEV.

Amin’ny fiekena ny herin’ny teny avoaka, dia aoka isika hanaraka ny ohatra navelan’ny apostoly Paoly. Fony izy tany Makedonia, dia “namporisika ny olona tamin’ny teny maro”. — Asan’ny Apostoly 20:2, Kat.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara