FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lmd lesona 2
  • Avelao Hiresaka Ilay Olona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avelao Hiresaka Ilay Olona
  • Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no nataon’i Filipo?
  • Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Filipo?
  • Tahafo i Filipo
  • Filipo — Mpitory ny Filazantsara Be Zotom-po
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Manomboha Resaka mba Hitoriana Tsy Ara-potoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Filipo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Zavatra Mahaliana Resahina
    Tiavo ny Olona ka Ampianaro
Hijery Hafa
Tiavo ny Olona ka Ampianaro
lmd lesona 2

MIRESADRESAHA ALOHA

Filipo, ilay mpitory ny vaovao tsara, miresaka amin’ny lehilahy etiopianina iray mamaky horonam-boky ao anaty kalesy.

Asa. 8:30, 31

LESONA 2

Avelao Hiresaka Ilay Olona

Torolalana: “Tsara erỳ ny teny lazaina amin’ny fotoana mety!”​—Ohab. 15:23.

Inona no nataon’i Filipo?

Filipo, ilay mpitory ny vaovao tsara, miresaka amin’ny lehilahy etiopianina iray mamaky horonam-boky ao anaty kalesy.

VIDEO: Mitory Amin’ilay Tandapa Etiopianina i Filipo

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Asan’ny Apostoly 8:30, 31. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1. Ahoana no nanombohan’i Filipo an’ilay resadresaka?

  2. Nahoana no nety tsara izany mba hanombohan-dresaka sy hampianarana zavatra mbola tsy hain’ilay lehilahy?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Filipo?

2. Hahazo aina kokoa sy ho vonona hihaino ny hafatra hoentinao ilay olona raha avelanao hiresaka.

Tahafo i Filipo

3. Mahaiza mandinika. Diniho ny endrik’ilay olona sy ny fihetsiny mba hahitanao raha vonona hiresaka izy. Mety ho afaka hilaza hevitra avy ao amin’ny Baiboly ianao avy eo raha manontany azy hoe: “Fantatrao ve hoe...?” Aza terena hiresaka anefa izy raha tsy te hiresaka.

4. Manàna faharetana. Tsy voatery hiresaka hevitra avy ao amin’ny Baiboly avy hatrany ianao, fa andraso amin’ny fotoana mety tsara vao manao an’izany. Indraindray mety hoe amin’ny fotoana hiresahanareo amin’ny manaraka ianao vao hahavita an’izany.

5. Mahaiza mampifanara-javatra. Mety tsy hampoizinao ny zavatra resahin’ilay olona. Noho izany, dia hevitra mifanaraka amin’izay ilainy resahina, na dia efa nisy foto-kevitra masaka be tao an-tsainao aza.

JEREO KOA IRETO

Mpito. 3:1, 7; 1 Kor. 9:22; 2 Kor. 2:17; Kol. 4:6

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara