- 
	                        
            
            Nafenin’i Rahaba Ireo MpitsikiloAndao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
- 
                            - 
                                        LESONA 30 Nafenin’i Rahaba Ireo MpitsikiloNankao an-tranon’ny vehivavy atao hoe Rahaba ireo mpitsikilo roa, rehefa tonga tao Jeriko. Vao henon’ny mpanjakan’i Jeriko izany, dia nandefa miaramila tany amin’i Rahaba izy. Nafenin’i Rahaba tany an-tampon-trano anefa ireo mpitsikilo, fa ireo miaramila kosa natorony lalan-kafa. Dia hoy i Rahaba tamin’ireo mpitsikilo: ‘Hampiako ianareo satria fantatro hoe manampy anareo i Jehovah, dia ho azonareo ity tany ity. Fa mba avoty ny fianakaviako!’ Hoy ireo mpitsikilo tamin’i Rahaba: ‘Ao fa tsy hataonay na inona na inona izay rehetra ato an-tranonao. Asio tady menamena mifatotra fotsiny eo am-baravarankelinao, dia ho avotra ianareo.’ Nampidinin’i Rahaba tamin’ny tady avy eo am-baravarankeliny ireo mpitsikilo rehefa handeha. Dia nankany an-tendrombohitra ry zareo, ary niafina tany telo andro vao niverina tany amin’i Josoa. Niampita ny Reniranon’i Jordana avy eo ny Israelita, ary niomana haka an’ilay tany. I Jeriko no tanàna voalohany nalainy. Nasain’i Jehovah nihodidina an’ilay tanàna indray mandeha isan’andro ry zareo nandritra ny enina andro, fa tamin’ny andro fahafito nasaina nihodidina an’ilay izy impito. Nitsoka trompetra avy eo ny mpisorona, ary nihorakoraka faran’izay mafy ny miaramila. Dia nirodana daholo ny mandan’ilay tanàna, afa-tsy ny tranon’i Rahaba. Teo amin’ilay manda mihitsy anefa ny tranony! Avotra àry ry Rahaba satria izy natoky an’i Jehovah. ‘Hoatr’izany koa i Rahaba. Tsy nolazaina hoe olo-marina ve izy noho izay nataony rehefa avy nandray tsara an’ireo iraka tonga tao aminy, ka nandefa azy ireo tany amin’ny lalan-kafa?’—Jakoba 2:25 
 
- 
                                        
- 
	                        
            
            Josoa sy Ireo GibeonitaAndao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
- 
                            - 
                                        LESONA 31 Josoa sy Ireo GibeonitaVetivety dia henon’ny firenena kananita hafa ny zava-nitranga tany Jeriko. Nifanaraka àry ny mpanjaka maromaro hoe hiady amin’ny Israelita. Tsy te hanao an’izany anefa ny Gibeonita. Nankany amin’i Josoa àry ry zareo, ary nanao akanjo efa tonta. Dia hoy ry zareo: ‘Avy any an-tany lavitra izahay. Henonay ny lazan’i Jehovah sy ny zavatra rehetra nataony ho anareo tany Ejipta sy Moaba. Aza vonoina re izahay fa ataovy mpiasanareo e!’ Nino ny tenin-dry zareo i Josoa, dia nampanantena hoe tsy hanafika an-dry zareo. Telo andro taorian’izay anefa, dia fantatr’i Josoa fa hay tsy avy any lavitra akory ny Gibeonita, fa avy ao Kanana ihany. Dia hoy i Josoa tamin-dry zareo: ‘Fa naninona ianareo no nandainga?’ Hoy ry zareo: ‘Ka natahotra izahay. Ianareo tsinona ampian’i Jehovah. Aza vonoina moa izahay e!’ Nitana ny teniny i Josoa ka tsy namono an-dry zareo. Tsy ela taorian’izay, dia nitady hanafika an’ireo Gibeonita ny mpanjaka kananita dimy sy ny miaramilany. Nandeha an-tongotra nandritra ny alina àry i Josoa sy ny miaramilany mba hanavotra ny Gibeonita. Raikitra ny ady ny ampitso vao maraina. Resy ny Kananita ka nandositra teny rehetra teny. Nandatsahan’i Jehovah havandra ngezabe anefa ry zareo, na taiza na taiza nandosirany. Nangataka tamin’i Jehovah i Josoa avy eo hoe aza atao mihetsika ny masoandro. Mbola tsy nisy hoatr’izany mihitsy anefa talohan’izay! Fa maninona àry no hoe izany no nangatahin’i Josoa? Satria natoky an’i Jehovah izy. Dia tsy nihetsika tokoa ny masoandro tamin’iny tontolo andro iny, mandra-pandresin’ny Israelita an’ireo mpanjaka kananita dimy sy ny miaramilany. “Aleo ny teninareo rehefa ‘Eny’ dia eny, rehefa ‘Tsia’ dia tsia, fa avy amin’ilay ratsy ny ankoatra an’izany.”—Matio 5:37 
 
-