HIRA 8
Jehovah no Fialofantsika
Endrika Sary
	- 1. Jehovah no ampinga, - ’Zay azo itokiana; - Ka izy no antsoina - Raha mila fanampiana. - Fialofana izy, miaro anao; - Koa matokia f’aza miala ao. - Jehovah toy ny manda, - Tsy mandao na oviana na oviana. 
- 2. Na misy an’arivo - Hianjera sy ho lavo, - Jehovah hiaro antsika, - Toy ny andry tena avo. - ’Zay loza mety hampahory, - Tsy hanakaiky antsika akory. - Jehovah Vatolampy, - Ny fiarovany àry tadiavo. 
- 3. Tsy misy mety hahomby - ’Zay fandrika hisesy. - Na maro ny fiadiana, - Jehovah no hamefy. - Na lefona, na hoe tsipìka, - Ambenan’i Jehovah isika. - Fa izy ’Lay Mahery, - Ny vahoakany tsy ho resy. 
(Jereo koa ny Sal. 97:10; 121:3, 5; Isaia 52:12.)