FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Mpampiharihary Zava-miafina” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Jona
    • “Mpampiharihary Zava-miafina” i Jehovah

      “Tena Andriamanitry ny andriamanitra tokoa ny Andriamanitrareo, sady Tompon’ireo mpanjaka ary Mpampiharihary zava-miafina.”—DAN. 2:47.

      AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

      Inona no nampahafantarin’i Jehovah antsika momba ny hoavy?

      Iza avy ireo loha enina voalohany amin’ilay bibidia?

      Tanisao hoe inona amin’ilay sarivongana hitan’i Nebokadnezara no mifanitsy amin’ny lohan’ilay bibidia.

      1, 2. Inona no nampahafantarin’i Jehovah antsika, ary nahoana i Jehovah no nampahafantatra izany?

      IZA no fitondram-panjakana matanjaka indrindra eto an-tany, rehefa handringana ny fitondran’olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra? I Jehovah no “Mpampiharihary zava-miafina”, ka fantany ny valin’izany. Nampahafantariny antsika anefa izany tamin’ny alalan’i Daniela mpaminany sy ny apostoly Jaona.

      2 Nomeny fahitana momba ny bibidia samihafa, ohatra, i Daniela sy Jaona. Nohazavainy tamin’i Daniela koa ny dikan’ilay sarivongana ngezabe hitan’i Nebokadnezara tamin’ny nofy. Nasain’i Jehovah nosoratana ao amin’ny Baiboly ireo rehetra ireo, mba handraisantsika soa. (Rom. 15:4) Nanao izany izy satria tiany isika ho resy lahatra tanteraka hoe tsy ho ela dia hanorotoro ny fitondran’olombelona rehetra ny Fanjakany.—Dan. 2:44.

      3. Inona no tsy maintsy takatsika mba hahazoantsika tsara ny faminaniana hafa, ary nahoana?

      3 Miresaka momba ny mpanjaka valo, izany hoe fanjakana valo, i Daniela sy Jaona. Hazavain’izy ireo koa hoe iza no handimby an’iza. Mila mahatakatra an’ilay faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly anefa isika, vao hahazo tsara an’ireo faminaniana ireo. Nahoana? Satria misy ifandraisany amin’izy io ny Baiboly manontolo sy ny faminaniana hafa rehetra.

      NY TARANAK’ILAY MENARANA

      4. Iza no taranak’ilay vehivavy, ary inona no hataon’io taranaka io?

      4 Nilaza an’ilay faminaniana voalohany i Jehovah, taoriana kelin’ilay fikomiana tany Edena. Nampanantena izy hoe hisy “vehivavy” hanana ‘taranaka’, ary hotorotoroin’io taranaka io eo amin’ny lohany ilay menarana, dia i Satana.a (Vakio ny Genesisy 3:15.) Nampahafantarin’i Jehovah tatỳ aoriana hoe ho avy amin’iza ilay taranaka: Ho avy amin’ny fianakavian’i Abrahama, ho anisan’ny firenen’Israely, ho avy amin’ny fokon’i Joda, ary ho taranak’i Davida Mpanjaka. (Gen. 22:15-18; 49:10; Sal. 89:3, 4; Lioka 1:30-33) I Kristy Jesosy no lehibe indrindra amin’ilay taranaka. (Gal. 3:16) Anisan’ilay taranaka koa anefa ireo Kristianina voahosotra. (Gal. 3:26-29) I Jesosy sy ireo voahosotra no ho mpitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary io fanjakana io no hampiasain’Andriamanitra mba hanorotoroana an’i Satana.—Lioka 12:32; Rom. 16:20.

      5, 6. a) Firy ny fanjakana lehibe noresahin’i Daniela sy Jaona? b) Manondro inona ny lohan’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy?

      5 Milaza koa ilay faminaniana voalohany fa hanana ‘taranaka’ i Satana, ary ‘handrafy’, izany hoe hankahala ny taranak’ilay vehivavy izy io. Iza no taranak’ilay menarana? Izay rehetra mankahala sy manohitra ny vahoakan’i Jehovah, toy ny ataon’i Satana. Nozarazarain’i Satana ho fanjakana maro ny taranany. (Lioka 4:5, 6) Ny sasantsasany amin’ireny fanjakana ireny ihany anefa no nanohitra mivantana ny vahoakan’i Jehovah, izany hoe nanohitra ny firenen’Israely fahiny sy nanohitra an’ireo voahosotr’Andriamanitra. Tena zava-dehibe ny hahalalantsika izany, satria manampy antsika hahafantatra hoe nahoana i Daniela sy Jaona no tsy niresaka afa-tsy mpanjaka valo, izany hoe fanjakana lehibe valo.

      6 Nomen’i Jesosy fahitana maromaro tena manaitra i Jaona, tamin’ny taona 96 tany ho any. (Apok. 1:1) Nahita dragona teo amoron-dranomasina izy, izay tsy iza fa ny Devoly. Niakatra avy tao an-dranomasina avy eo ny bibidia hafahafa iray nanana loha fito, ary nomen’ny Devoly fahefana lehibe izy io. (Vakio ny Apokalypsy 13:1, 2.) Nahita bibidia mena midorehitra nanana loha fito indray i Jaona, tamin’ny fahitana iray hafa. Sarin’ilay bibidia hafahafa ao amin’ny Apokalypsy 13:1 izy io. Nilaza ny anjely iray fa ny loha fiton’ilay bibidia mena midorehitra dia midika hoe “mpanjaka fito”, izany hoe fitondrana fito. (Apok. 13:14, 15; 17:3, 9, 10) Efa “lavo”, izany hoe tsy nanjaka intsony ny dimy tamin’ireo, tamin’ny andron’i Jaona. Mbola teo am-perinasa kosa ny iray, ary ny iray “mbola tsy tonga.” Iza ireo fanjakana fito ireo? Handinika ny tsirairay amin’ny lohan’ilay bibidia isika, mba hahafantarana izany. Handinika tsipiriany momba izany koa isika ao amin’ny bokin’i Daniela, izay nosoratana taonjato maro talohan’ny nisian’ireo fanjakana ireo.

      LOHA ROA VOALOHANY: EJIPTA SY ASYRIA

      7. Iza no loha voalohany amin’ilay bibidia, ary nahoana isika no milaza izany?

      7 I Ejipta no loha voalohany amin’ilay bibidia. Nahoana? Satria i Ejipta no firenena matanjaka voalohany nankahala ny vahoakan’i Jehovah. Nampanantena an’i Abrahama i Jehovah fa avy amin’ny taranany ny taranak’ilay vehivavy. Rehefa nihamaro anefa ny firenen’Israely tany Ejipta, dia nampijaly azy ireo ny Ejipsianina. Te hamongotra azy ireo i Satana, alohan’ny hipoiran’ilay taranaka. Ahoana no nataon’i Satana? Nampirisika an’i Farao izy mba hamono ny zazalahikely israelita rehetra. Nosakanan’i Jehovah anefa ny teti-dratsiny, ary nanafaka ny vahoakany avy tany Ejipta izy. (Eks. 1:15-20; 14:13) Nomeny ny Tany Nampanantenaina ny Israelita tatỳ aoriana.

      8. Iza no loha faharoa amin’ilay bibidia, ary inona no nataon’izy io?

      8 I Asyria no loha faharoa amin’ilay bibidia. Niezaka nandripaka ny vahoakan’i Jehovah koa io fanjakana matanjaka io. Marina fa nampiasa an’i Asyria i Jehovah, mba hanasaziana ny foko folon’ny Israely tany avaratra, noho izy ireo nanompo sampy sy nikomy taminy. Nanafika an’i Jerosalema koa anefa ny Asyrianina. Tian’i Satana hofongorana angamba ilay fianakavian’ny mpanjaka tao Jerosalema, satria avy amin’izy io no hipoiran’i Jesosy. Tsy anisan’ny fikasan’i Jehovah àry io fanafihana io, ka nanao fahagagana izy mba handripahana ny tafika asyrianina sy hamonjena ny vahoakany.—2 Mpanj. 19:32-35; Isaia 10:5, 6, 12-15.

      LOHA FAHATELO: BABYLONA

      9, 10. a) Inona no navelan’i Jehovah hataon’ny Babylonianina? b) Inona no tsy maintsy mitranga, mba hahatanteraka ny faminaniana?

      9 I Babylona no loha fahatelo amin’ilay bibidia. Fantatsika fa navelan’i Jehovah izy io handrava an’i Jerosalema sy hitondra ny vahoakany ho babo. Efa nampahafantarin’i Jehovah mialoha an’ireo Israelita izany, noho izy ireo nikomy. (2 Mpanj. 20:16-18) Nilaza koa izy fa tsy hisy mpanjaka olombelona intsony amin’izay fotoana izay, eo amin’ny ‘seza fiandrianany’ ao Jerosalema. (1 Tan. 29:23) Nilaza anefa izy fa mbola hisy taranak’i Davida ho avy, ‘hanan-jo ara-dalàna’ hipetraka amin’ny seza fiandrianany.—Ezek. 21:25-27.

      10 Nilaza ny faminaniana iray hafa fa hanompo an’i Jehovah ao amin’ny tempoly ao Jerosalema ny Jiosy rehefa ho tonga ny Mesia, na Voahosotra. (Dan. 9:24-27) Milaza koa ny faminaniana iray nosoratana talohan’ny naha babo ny Israelita, fa ho teraka ao Betlehema ny Mesia. (Mika 5:2) Tsy ho tanteraka ireo faminaniana ireo, raha tsy afaka avy any Babylona ny Jiosy, miverina any amin’ny taniny, ary manorina indray ny tempoly. Tsy manafaka ny babony mihitsy anefa ny Babylonianina! Ahoana àry no hodian’ny Jiosy any an-tanindrazany? Nampahafantarin’i Jehovah an’ireo mpaminany ny valin’izany.—Amosa 3:7.

      11. Inona avy no mifanitsy amin’ny Fanjakana Babylonianina? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

      11 Nolazain’i Jehovah mialoha hoe iza ireo fanjakana hifandimby aorian’i Babylona, ary nampiasa fomba maro samihafa izy hanaovana izany. Nasehony an’i Nebokadnezara, Mpanjakan’i Babylona, tamin’ny nofy, ohatra, ny sarivongana ngezabe iray vita tamin’ny metaly samy hafa. (Vakio ny Daniela 2:1, 19, 31-38.) Babo tany Babylona i Daniela tamin’izay, ka nampiasa azy i Jehovah mba hanazava ny hevitr’io nofy io. (Dan. 1:1-6) Nolazainy an’i Daniela fa ilay loha volamena dia ny Fanjakana Babylonianina.b Ny tratra sy sandry volafotsy dia ny fanjakana matanjaka handimby an’i Babylona. Iza io fanjakana io, ary ahoana no fomba nitondrany ny vahoakan’i Jehovah?

      LOHA FAHEFATRA: FANJAKANA MEDIANINA SY PERSIANINA

      12, 13. a) Inona no nampahafantarin’i Jehovah mialoha momba ny fanjakana handresy an’i Babylona? b) Nahoana isika no afaka milaza fa i Media sy Persa no loha fahefatra amin’ilay bibidia?

      12 Nilaza tsipiriany momba an’ilay fanjakana handresy an’i Babylona i Jehovah, zato taona mahery talohan’ny andron’i Daniela. Nolazainy tamin’i Isaia mpaminany hoe ahoana no haharesy an’i Babylona, ary nolazainy mihitsy aza ny anaran’ilay mpitondra handresy azy io, dia i Kyrosy persianina. (Isaia 44:28–45:2) Nahazo fahitana roa hafa koa i Daniela momba ny Firenena Matanjaka Medianina sy Persianina. Aseho ho toy ny orsa izy io, ao amin’ilay fahitana iray. Niainga ny ila tenany, ary nilazana izy io hoe: “Mihinàna nofo be dia be.” (Dan. 7:5) Toy ny ondrilahy nanana tandroka roa kosa izy io, ao amin’ilay fahitana iray hafa.—Dan. 8:3, 20.

      13 Nampiasa ny Fanjakana Medianina sy Persianina i Jehovah mba hanatanteraka faminaniana, izany hoe handresy an’i Babylona sy hamerina ny Israelita any an-tanindrazany. (2 Tan. 36:22, 23) Nitady handripaka ny vahoakan’i Jehovah anefa ny Fanjakana Medianina sy Persianina tatỳ aoriana. Nanao tetika hamongorana ny Jiosy nanerana ny fanjakana persianina i Hamana praiminisitra, ary efa nifidy fotoana mihitsy izy hanatanterahana izany. Soa ihany fa narovan’i Jehovah tamin’ny fanafihan’ny taranak’i Satana ny vahoakany. (Est. 1:1-3; 3:8, 9; 8:3, 9-14) Afaka milaza àry isika hoe i Media sy Persa no loha fahefatra amin’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy.

      LOHA FAHADIMY: GRESY

      14, 15. Inona no nampahafantarin’i Jehovah mialoha momba ny Fanjakan’i Gresy?

      14 I Gresy no loha fahadimy amin’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy. Mifanitsy amin’ilay kibo sy fe varahin’ilay sarivongana io fanjakana io, araka ny nohazavain’i Daniela. Nahita fahitana roa hafa koa i Daniela, ary nomena tao ny tsipiriany momba an’io fanjakana io sy ny mpanjaka iray niavaka indrindra tao aminy.

      15 Nahita leopara nanana elatra efatra izy, tao amin’ilay fahitana iray. I Gresy io leopara io, ary asehon’ireo elatra efatra fa handresy haingana be izy io. (Dan. 7:6) Nahita osilahy nanana tandroka lehibe kosa izy tao amin’ilay fahitana iray hafa. Namono ondrilahy nanana tandroka roa izy io, ary vetivety no namonoany azy. Nolazain’i Jehovah tamin’i Daniela fa i Gresy ilay osilahy, ary ilay tandroka lehibe dia ny mpanjakany. I Media sy Persa kosa ilay ondrilahy. Nilaza koa i Daniela fa ho tapaka ny tandroka lehiben’ilay osilahy, ary hisy tandroka kely efatra hisolo azy. Nosoratana roanjato taona talohan’ny nahalasa firenena matanjaka an’i Gresy io faminaniana io, nefa tanteraka tamin’ny an-tsipiriany. I Aleksandra Lehibe ilay tandroka lehibe. Izy no mpanjaka niavaka indrindra tao Gresy, ary izy no nitarika ny tafik’i Gresy hiady tamin’ny Medianina sy Persianina. Vetivety anefa dia tapaka ilay tandroka, satria maty tampoka izy tamin’izy 32 taona, tamin’ny fotoana nampahatanjaka indrindra ny fitondrany. Nozarain’ireo jeneraliny efatra ny fanjakany, tatỳ aoriana.—Vakio ny Daniela 8:20-22.

      16. Inona no nataon’i Antiokosa Faha-4?

      16 Nanjaka teo amin’ny Israely i Gresy, rehefa avy nandresy an’i Persa. Efa tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Jiosy tamin’izay, ary efa voaorina ny tempolin’i Jerosalema. Mbola vahoaka voafidin’i Jehovah izy ireo tamin’izay, ary tao amin’ny tempoly izy ireo no nanompo azy. Nampijaly azy ireo anefa i Gresy, tamin’ny taona 168 T.K. Nanisy alitaran’ny mpanompo sampy tao amin’ny tokotanin’ny tempoly i Antiokosa Faha-4, iray tamin’ireo jeneraly nahazo ny fanjakan’i Aleksandra. Namoaka didy koa izy hoe hovonoina ho faty izay manaraka ny fivavahan’ny Jiosy. Tena nankahala ny vahoakan’i Jehovah tokoa ny taranak’i Satana! Tsy ela anefa dia nisy fanjakana matanjaka hafa nisolo an’i Gresy. Iza izy io?

      LOHA FAHENINA: I ROMA FANJAKANA “NAMPAHATAHOTRA”

      17. Inona no nataon’ilay loha fahenina, ka nanatanteraka ny Genesisy 3:15?

      17 I Roma no fanjakana natanjaka indrindra eran-tany, tamin’i Jaona nahazo an’ilay fahitana momba ny bibidia. Izy io no loha fahenina amin’ilay bibidia. (Apok. 17:10) Nandray anjara lehibe tamin’ny fanatanterahana ny Genesisy 3:15 i Roma. Nampiasa an’ireo mpitondra romanina mantsy i Satana, mba handratrana ny ‘voditongotr’ilay taranaka.’ Nendrikendrehin’izy ireo ho nampirisika ny olona hikomy amin’ny fanjakana i Jesosy, ka nasainy novonoina ho faty. (Mat. 27:26) Vetivety anefa dia sitrana ilay ratra, satria natsangan’i Jehovah tamin’ny maty i Jesosy.

      18. a) Iza ilay firenena vaovao nofidin’i Jehovah, ary nahoana i Jehovah no nifidy azy io? b) Inona no manaporofo fa nankahala ny taranak’ilay vehivavy foana ny taranak’ilay menarana?

      18 Niray tetika tamin’ireo mpitondra romanina ny mpitondra fivavahana jiosy, mba hamono an’i Jesosy. Nanda an’i Jesosy koa ny ankamaroan’ny Jiosy. Nolavin’i Jehovah tsy ho vahoakany àry ny Israelita, ary nifidy firenena vaovao izy, dia ny “Israelin’Andriamanitra.” (Gal. 3:26-29; 6:16; Mat. 23:38; Asa. 2:22, 23) Iza io firenena vaovao io? Ny fitambaran’ny Kristianina voahosotra rehetra, ka Jiosy ny sasany ary hafa firenena ny sasany. (Efes. 2:11-18) Mbola nankahala ny taranak’ilay vehivavy foana ny taranak’ilay menarana, na dia taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty aza. Imbetsaka ny fitondrana romanina no nitady handripaka ny Kristianina voahosotra, izay anisan’ny taranak’ilay vehivavy.c

      19. a) Ahoana no fomba ilazan’i Daniela an’ilay fanjakana matanjaka fahenina? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

      19 I Roma no mifanitsy amin’ny tongotra vy, amin’ilay sarivongana nohazavain’i Daniela. (Dan. 2:33) Nisy fahitana iray koa hitan’i Daniela miresaka momba an’i Roma, sy ny firenena matanjaka hipoitra avy ao aminy. (Vakio ny Daniela 7:7, 8.) Tanteraka ny voalazan’ilay fahitana, satria toy ny biby “nampahatahotra sy nahatsiravina ary natanjaka tsy nisy hoatr’izany” i Roma, nandritra ny taonjato maro. Milaza koa anefa ilay faminaniana fa hisy “tandroka folo” hipoitra avy amin’i Roma, ary hisy “tandroka kely” hafa hatanjaka noho izy ireo. Iza ireo tandroka folo ireo, ary iza ilay tandroka kely? Inona amin’ilay sarivongana hitan’i Nebokadnezara no mifanitsy amin’io tandroka kely io? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valin’ireo.

  • Mampahafantatra “ny Zavatra Hitranga Tsy ho Ela” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Jona
    • Mampahafantatra “ny Zavatra Hitranga Tsy ho Ela” i Jehovah

      “Zavatra nahariharin’i Jesosy Kristy, sady nomen’Andriamanitra azy, mba hampisehoany amin’ny mpanompony ny zavatra hitranga tsy ho ela.”—APOK. 1:1.

      AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

      Inona amin’ilay sarivongana ngezabe no mifanitsy amin’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina?

      Inona amin’ny fahitan’i Jaona no milaza ny fifandraisan’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina sy ny Firenena Mikambana?

      Inona no nolazain’i Daniela sy Jaona momba ny fifaranan’ny fitondran’olombelona?

      1, 2. a) Inona no ho fantatsika rehefa mampitaha ny faminanian’i Daniela sy Jaona? b) Iza ireo loha enina voalohany amin’ilay bibidia?

      HAHALALA ny dikan’ny zava-mitranga maro ankehitriny sy amin’ny hoavy isika, rehefa mampitaha ny faminanian’i Daniela sy Jaona. Inona àry no ianarantsika, rehefa mampitaha ny fahitan’i Jaona momba an’ilay bibidia, sy ny fanazavan’i Daniela an’ilay biby nampahatahotra nanana tandroka folo, ary izay lazain’i Daniela momba ilay sarivongana ngezabe? Tokony handrisika antsika hanao inona ny fahatakarana an’ireo faminaniana ireo?

      2 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha ny fanazavan’i Jaona momba an’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy toko faha-13. Hitantsika fa ny loha enina voalohany amin’ilay bibidia, dia i Ejipta, Asyria, Babylona, Media sy Persa, Gresy, ary Roma. Nankahala ny taranak’ilay vehivavy daholo ireo fanjakana ireo. (Gen. 3:15) I Roma no fanjakana natanjaka indrindra tamin’ny andron’i Jaona, sy nandritra ny taonjato maro taorian’izay. Naka ny toerany anefa ny loha fahafito, dia ny fanjakana matanjaka fahafito. Iza io fanjakana io, ary ahoana no nitondrany ny taranak’ilay vehivavy?

      LASA NATANJAKA BE I GRANDE-BRETAGNE SY ETAZONIA

      3. Iza ilay biby nanana tandroka folo, ary mifanitsy amin’iza ireo tandroka folo eo amin’ny lohan’izy io?

      3 Ho fantatsika hoe iza ilay loha fahafito ao amin’ny Apokalypsy toko faha-13, raha ampitahaintsika io fahitana io sy ny fahitan’i Daniela momba ny biby nanana tandroka folo.a (Vakio ny Daniela 7:7, 8, 23, 24.) Ny Fanjakana Romanina ilay biby hitan’i Daniela. (Jereo ny sary eo amin’ny pejy 12-13.) Nanomboka nizarazara io fanjakana io tamin’ny taona 400 tany ho any, ka lasa fanjakana kely maromaro. Ireo fanjakana ireo no mifanitsy amin’ireo tandroka folo nipoitra teo amin’ny lohan’ilay biby.

      4, 5. a) Inona no nataon’ilay “tandroka kely”? b) Iza no loha fahafito amin’ilay bibidia?

      4 Milaza ny faminanian’i Daniela fa nisy “tandroka kely” nipoitra teo amin’ireo tandroka folo, ka niongotra ny tandroka telo teo amin’ny lohan’ilay biby. Tanteraka izany rehefa lasa firenena matanjaka ny Anglisy, izany hoe i Grande-Bretagne, izay ampahany kely tamin’ny Fanjakan’i Roma taloha. Tsy firenena natanjaka izy io, raha tsy tamin’ny taona 1600 tany ho any. Natanjaka noho izy io i Espaina sy Holandy ary Frantsa, izay samy anisan’ny Fanjakan’i Roma koa taloha. Nandresy an’ireo firenena ireo tsirairay anefa i Grande-Bretagne, ka nanomboka lasa firenena matanjaka taorian’ny taona 1750. Mbola tsy nantsoina hoe loha fahafito anefa izy tamin’izay.

      5 Na dia lasa firenena matanjaka aza anefa i Grande-Bretagne, dia nitaky ny fahaleovan-tenany ireo faritra nozanahiny tany Amerika Avaratra, ary lasa nantsoina hoe Etazonia. Navelan’i Grande-Bretagne hihamatanjaka i Etazonia, ary nampiasainy hiarovana azy ireo mihitsy aza ny tafika an-dranomasina anglisy. I Grande-Bretagne no fanjakana lehibe indrindra teto an-tany, rehefa nanomboka ny andron’ny Tompo tamin’ny 1914. I Etazonia kosa no nanana ny indostria natanjaka indrindra.b Lasa nifandray akaiky ireo firenena ireo, nandritra ny Ady Lehibe I. Tamin’izay no nipoitra ny loha fahafito, dia ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Ahoana no nitondran’izy io ny taranak’ilay vehivavy?

      6. Ahoana no fomba nitondran’ny loha fahafito an’ireo mpanompon’i Jehovah?

      6 Notafihin’ilay loha fahafito ny rahalahin’i Kristy, taoriana kelin’ny nanombohan’ny andron’ny Tompo. (Mat. 25:40) Hita ao amin’ny tenin’i Jesosy fa hisy taranak’ilay vehivavy eto an-tany eo am-piandohan’ny andron’ny Tompo, ary hanao ny asa nampanaovin’i Jesosy azy. (Mat. 24:45-47; Gal. 3:26-29) Niady tamin’ireo olona masina ireo anefa ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. (Apok. 13:3, 7) Nampijaly ny vahoakan’i Jehovah izy io nandritra ny Ady Lehibe I. Norarany koa ny bokintsika sasany, ary nogadrainy ny solontenan’ny mpanompo mendri-pitokisana. Saika nitsahatra ny asa fitoriana, noho ny nataon’ilay loha fahafito. Efa fantatr’i Jehovah fa hitranga izany, ka nolazainy mialoha tamin’i Jaona. Nilaza tamin’i Jaona koa anefa izy fa hiverina hanao ny asa fitoriana indray ireo olona anisan’ilay taranaka aorian’izay. Toy ny hoe hovelomina indray izy ireo amin’izay. (Apok. 11:3, 7-11) Tanteraka tokoa izany, rehefa jerena ny tantaran’ny mpanompon’i Jehovah amin’ny andro maoderina.

      NY DIKAN’ILAY HOE TONGOTRA VY MIFANGARO TANIMANGA

      7. Mifanitsy amin’ny inona ny loha fahafito amin’ilay bibidia sy ny tongotr’ilay sarivongana ngezabe?

      7 Samy midika hoe Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina ny tongotr’ilay sarivongana ngezabe sy ny loha fahafito amin’ilay bibidia. Nipoitra avy tamin’ny Fanjakana Romanina ny Fanjakana Anglisy, ary zanatany anglisy ny Amerikanina. Azo lazaina hoe nipoitra avy tamin’ny Fanjakana Romanina àry ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Ny Fanjakana Romanina ilay ranjo vy amin’ilay sarivongana, nefa nanomboka nisongadina ny Firenena Anglisy-Amerikanina ka izy io no tongotra vy sy tanimanga eo amin’ilay sarivongana. (Vakio ny Daniela 2:41-43.) Malemy anefa ny vy mifangaro tanimanga, raha oharina amin’ny vy. Inona àry no manaporofo fa malemy kokoa noho i Roma ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina?

      8, 9. a) Nahoana no azo lazaina fa manana ny tanjaky ny vy ilay firenena matanjaka fahafito? b) Mifanitsy amin’ny inona ilay tanimanga amin’ny tongotr’ilay sarivongana?

      8 Nanana ny tanjaky ny vy ilay loha fahafito indraindray. Nandresy, ohatra, izy io tamin’ny Ady Lehibe I sy II.c Mbola natanjaka toy izany ihany izy io, na dia taorian’izay aza. Efa hita hatry ny ela koa anefa hoe nifangaro tanimanga izy io, izany hoe nalemy.

      9 Efa ela ny mpanompon’i Jehovah no niezaka namantatra hoe mifanitsy amin’ny inona ny tongotr’ilay sarivongana. Takatr’izy ireo avy amin’ny Daniela 2:41 fa “fanjakana” iray ilay tongotra vy sy tanimanga, fa tsy fanjakana maromaro. Tsy avy any amin’ny fanjakana hafa àry ilay hoe tanimanga fa antokon’olona ao amin’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, sy any amin’ny firenena anjakany ihany. Nampihena ny herin’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina ny zavatra ataon’ireo antokon’olona ireo, ka lasa nalemy kokoa noho i Roma io fanjakana io. Antsoina hoe “taranak’olombelona” ilay tanimanga, izany hoe ny sarambabem-bahoaka. (Dan. 2:43) Nanao ezaka mba hitakiana ny zony ny olona ao amin’io fanjakana io, tamin’ny alalan’ny hetsika isan-karazany. Nisy koa nitaky ny zon’ny mpiasa, ary nisy nanao hetsika mba hananganana fanjakana mahaleo tena. Tsy hatanjaka toy ny vy ilay Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, noho ny ataon’ny sarambabem-bahoaka. Samy manana ny heviny koa ny mpanao politika eo anivon’io fanjakana io. Mifanakaiky be koa ny voka-pifidianana any, ka tsy tena manana fahefana hanatanterahana ny tetikasany ny mpitondra, na dia izy aza no lany. Marina tokoa ny faminanian’i Daniela hoe: ‘Hisy ampahany amin’ilay fanjakana hatanjaka, fa hisy ampahany kosa halemy.’—Dan. 2:42; 2 Tim. 3:1-3.

      10, 11. a) Hanao ahoana ny hiafaran’ny tongotr’ilay sarivongana? b) Misy dikany manokana ve ny isan’ny rantsantongotr’ilay sarivongana? Nahoana?

      10 Mbola mifandray akaiky i Grande-Bretagne sy Etazonia amin’izao androntsika izao, ary matetika izy ireo no miara-miasa amin’ny raharaha lehibe sasany. Hitantsika avy amin’ireo faminaniana momba ilay sarivongana sy ilay bibidia manana loha fito, fa tsy hisy firenena matanjaka hafa intsony hisolo ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Marina fa malemy kokoa noho i Roma io fanjakana farany io, kanefa tsy hoe hihamalemy izy io ary ho rava ho azy amin’ny farany.

      11 Misy dikany manokana ve ny isan’ireo rantsantongotr’ilay sarivongana? Milaza isa voafaritra tsara i Daniela ao amin’ny fahitana hafa. Nolazainy, ohatra, hoe firy ny tandrok’ireo biby samihafa, ary misy dikany manokana ireo isa ireo. Tsy nolazainy kosa anefa ny isan’ny rantsantongotr’ilay sarivongana. Toa tsy misy dikany àry ny isan’izy ireo, mitovy amin’ny hoe tsy misy dikany ny isan’ny sandrin’ilay sarivongana, ny tanany, ny rantsantanany, ny ranjony, ary ny tongony. Ny nolazain’i Daniela dia hoe vy sy tanimanga ny rantsantongony. Afaka manatsoaka hevitra àry isika fa ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no firenena hatanjaka indrindra eto an-tany, rehefa hamely an’ireo tongotr’ilay sarivongana ilay “vato”, dia ny Fanjakan’Andriamanitra.—Dan. 2:45.

      ILAY BIBIDIA MANANA TANDROKA ROA

      12, 13. Mifanitsy amin’iza ilay bibidia manana tandroka roa, ary inona no ataony?

      12 Hahavita zavatra lehibe ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina amin’ny andro farany, na dia malemy toy ny vy mifangaro tanimanga aza. Nahoana isika no milaza izany? Nahita bibidia manana tandroka roa sy miteny toy ny dragona i Jaona, tao amin’ny fahitana iray. Mifanitsy amin’ny inona io bibidia hafahafa io? Manana tandroka roa izy io, ka midika izany fa fanjakana roa miara-miasa izy io. Ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina ihany àry io bibidia io, fa manao asa manokana.—Vakio ny Apokalypsy 13:11-15.

      13 Nilaza i Jaona fa mampirisika ny olona io bibidia io, mba hanao ny sarin’ilay bibidia manana loha fito. Nilaza koa izy fa hipoitra ny sarin’ilay bibidia, nefa hanjavona avy eo, ary hipoitra indray amin’ny farany. Tanteraka tokoa izany. Nipoitra mantsy ny Fikambanam-pirenena, izay natao hisolo tena sy hampiray an’ireo fanjakana eran-tany, taorian’ny Ady Lehibe I. Nampirisika ny olona hanohana azy io i Grande-Bretagne sy Etazonia.d Nanjavona anefa izy io rehefa nanomboka ny Ady Lehibe II. Nilaza ny mpanompon’i Jehovah, nandritra io ady io, fa mbola hipoitra indray ny sarin’ilay bibidia, araka ny faminanian’ny Apokalypsy. Nipoitra tokoa izy io, saingy lasa hoe Firenena Mikambana.—Apok. 17:8.

      14. Nahoana ny sarin’ilay bibidia no antsoina hoe “mpanjaka laharana fahavalo”?

      14 Antsoin’i Jaona hoe “mpanjaka laharana fahavalo” ny sarin’ilay bibidia. Fa nahoana izy io no atao hoe “mpanjaka”? Marina aloha fa tsy loha fahavalo amin’ilay bibidia izy io. Sarin’ilay bibidia fotsiny izy io. Izay fahefana rehetra ananany dia avy amin’ireo firenena mpikambana ao aminy, indrindra fa ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, izay tena mpanohana azy. (Apok. 17:10, 11) Antsoina hoe “mpanjaka” anefa izy io, satria mahazo fahefana hanao zavatra toy ny mpanjaka, ka hampiova ny tantara.

      HAMONO AN’ILAY MPIVARO-TENA NY SARIN’ILAY BIBIDIA

      15, 16. Iza ilay mpivaro-tena, ary inona no azo lazaina momba ny mpivavaka ao aminy?

      15 Nahita mpivaro-tena mitaingina bibidia mena midorehitra i Jaona, tao amin’ilay fahitana. Ny sarin’ilay bibidia manana loha fito ihany io bibidia mena midorehitra io. Misy anarana hoe “Babylona Lehibe” kosa eny amin’ilay mpivaro-tena, ary mitaingina an’ilay bibidia mena midorehitra izy, izany hoe mifehy azy. (Apok. 17:1-6) Mifanitsy amin’ny fivavahan-diso rehetra io mpivaro-tena io, ka ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina no lehibe indrindra amin’izy io. Mankasitraka sy manohana ny sarin’ilay bibidia ny fivavahan-diso, sady miezaka mibaiko azy amin’izay ataony.

      16 Niharìtra anefa ny ranon’i Babylona Lehibe, nandritra ny andron’ny Tompo, izany hoe nihena ny mpivavaka ao aminy. (Apok. 16:12; 17:15) Tena nanan-kery tany Eoropa, ohatra, ireo Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, tamin’ny vao nipoitra ny sarin’ilay bibidia. Tsy manohana an’ireny fivavahana ireny intsony anefa ny olona maro any izao, ary tsy manaja ny mpitarika ao aminy. Maro aza ny olona mihevitra hoe ny fivavahana no mahatonga ny ady misy eran-tany. Misy fikambanan’ny manam-pahaizana mihitsy aza any an-dafy miezaka mandresy lahatra ny olona hoe tsy tokony havela hanan-kery eo amin’ny fiaraha-monina intsony ny fivavahana.

      17. Inona no hanjo ny fivavahan-diso tsy ho ela, ary ahoana no hahatanteraka an’izany?

      17 Tsy hoe hanjavona fotsiny amin’izao anefa ny fivavahan-diso. Mbola hanan-kery lehibe foana izy io, ka hataony izay hanarahan’ireo mpanjaka ny sitrapony. Tsy ho ela anefa dia ‘hataon’i Jehovah ao am-pon’ireo mpanjaka ireo ny hanatanteraka ny heviny.’ (Vakio ny Apokalypsy 17:16, 17.) Hampirisihin’i Jehovah handringana ny fivavahan-diso ireo fitondrana ara-politika rehetra, izay manana ny Firenena Mikambana ho solontenany. Tsy hanan-kery intsony ilay mpivaro-tena amin’izay, ary ho fongotra ny harenany. Nieritreritra ny ankamaroan’ny olona, telopolo taona lasa izay, hoe hanan-kery foana ny fivavahana sady hohajain’ny olona. Efa manomboka miova anefa izany izao. Tsy hoe hihena tsikelikely anefa ny herin’ny fivavahana, ary hanjavona izy amin’ny farany. Horinganina kosa izy io, ary hitranga tampoka izany.—Apok. 18:7, 8, 15-19.

      RINGANA ILAY BIBIDIA

      18. a) Inona no hataon’ilay bibidia amin’ny hoavy, ary inona no hitranga vokatr’izany? b) Iza no fanjakana lazain’ny Daniela 2:44 hoe horinganin’ny Fanjakan’Andriamanitra? (Jereo ny efajoro ao amin’ny pejy 17.)

      18 Rehefa rava ny fivavahan-diso, dia hanafika ny Fanjakan’Andriamanitra ilay bibidia, izany hoe ny fitondrana eto an-tany izay fehezin’i Satana. Tsy ho afaka hanafika an’io fanjakana any an-danitra io anefa ireo mpanjakan’ny tany, ka ireo olona manohana azy io etỳ an-tany no hanamparany ny hatezerany. Hiady amin’Andriamanitra izy ireo vokatr’izany. (Apok. 16:13-16; 17:12-14) Miresaka momba an’io ady farany io ny Daniela 2:44. (Vakio.) Ho ringana, amin’ny farany, ilay bibidia manana loha fito resahin’ny Apokalypsy 13:1. Ho ringana koa ny sarin’izy io, sy ilay bibidia manana tandroka roa.

      19. Inona no azontsika antoka fa ho tanteraka, ary inona no tokony hataontsika dieny izao?

      19 Miaina amin’ny andron’ilay loha fahafito isika izao. Tsy hisy loha hafa hipoitra intsony amin’ilay bibidia, alohan’ny handringanana an’io bibidia io. Ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no fanjakana hatanjaka indrindra, amin’ny fotoana handringanana ny fivavahan-diso. Tanteraka amin’ny an-tsipiriany tokoa ny faminanian’i Daniela sy Jaona. Afaka matoky isika fa tsy ho ela dia horinganina ny fivavahan-diso ary ho avy ny ady Hara-magedona. Efa nolazain’i Jehovah mialoha izany. Mipetraka anefa ny fanontaniana hoe: Hankatò ny fampitandremana voarakitra ao amin’ireo faminaniana ve isika? (2 Pet. 1:19) Tokony hankatò an’i Jehovah sy hanohana ny Fanjakany isika dieny izao.—Apok. 14:6, 7.

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Koa satria milaza isa feno matetika ny isa folo ao amin’ny Baiboly, dia ny fanjakana rehetra nipoitra avy tamin’i Roma no tiana holazaina amin’ny hoe tandroka folo.

      b Marina fa samy efa fanjakana na i Grande-Bretagne na i Etazonia, talohan’ny taona 1800. Efa izy ireo eo am-piandohan’ny andron’ny Tompo anefa no resahin’i Jaona. Sady ny zava-mitranga amin’ny “andron’ny Tompo” no resahin’ny Apokalypsy. (Apok. 1:10) Efa tamin’ny Ady Lehibe I vao niara-niasa i Grande-Bretagne sy Etazonia, ka lasa toy ny firenena matanjaka iray.

      c Efa voalaza mialoha ao amin’ny faminanian’i Daniela ny loza haterak’io mpanjaka io, amin’ny Ady Lehibe II. “Hahatonga faharavana tanteraka izy”, hoy ny Daniela 8:24. Tena nandrava zavatra betsaka, ohatra, i Etazonia rehefa nandatsaka baomba ataomika indroa tany amin’ny tany iray fahavalon’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina.

      d Jereo ny boky Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka! pejy 240, 241,253.

      [Efajoro, pejy 17]

      IZA NO ANTSOINA HOE “IREO FANJAKANA REHETRA IREO”?

      Milaza ny Daniela 2:44 fa ‘hanorotoro sy hanafoana an’ireo fanjakana rehetra ireo’ ny Fanjakan’Andriamanitra. Ireo fanjakana rehetra voalaza ao amin’ilay sarivongana ngezabe ihany no resahin’io faminaniana io.

      Ahoana kosa ny amin’ireo fanjakana hafa? Miresaka momba izany ny faminanian’i Jaona mifanitsy amin’izy io, ao amin’ny Apokalypsy. Voalaza ao fa hivondrona hiady amin’i Jehovah ireo “mpanjakan’ny tany rehetra”, amin’ny “andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.” (Apok. 16:14; 19:19-21) Ny fanjakan’olombelona rehetra àry no ho ringana amin’ny Hara-magedona, fa tsy ireo fanjakana voalaza ao amin’ilay sarivongana ihany.

  • Iza Ireo Mpanjaka Valo?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Jona
    • Iza Ireo Mpanjaka Valo?

      Miresaka momba ny mpanjaka valo, izany hoe fanjakana valo, ny bokin’i Daniela sy ny Apokalypsy. Hazavaina ao koa hoe iza no handimby an’iza. Hahazo tsara an’ireo faminaniana ireo isika, raha mahatakatra an’ilay faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly.

      Nozarazarain’i Satana ho fanjakana maro ny taranany, ary nampiasa an’ireo foana izy hatramin’izay. (Lioka 4:5, 6) Ny sasantsasany amin’ireny fanjakana ireny ihany anefa no nanohitra mivantana ny vahoakan’i Jehovah, izany hoe nanohitra ny firenen’Israely fahiny sy nanohitra an’ireo voahosotr’Andriamanitra. Izany no nahatonga an’i Daniela sy Jaona tsy hiresaka afa-tsy mpanjaka valo, izany hoe fanjakana lehibe valo.

      [Tabilao/Sary, pejy 12, 13]

      (Jereo ny gazety)

      FAMINANIANA AO FAMINANIANA AO

      AMIN’NY DANIELA AMIN’NY APOKALYPSY

      1. Ejipta

      2. Asyria

      3. Babylona

      4. Media sy

      Persa

      5. Gresy

      6. Roma

      7. Grande-Bretagne

      sy Etazoniaa

      8. Fikambanam-pirenena

      sy Firenena Mikambanab

      VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA

      2000 Aorian’i Kristy

      Abrahama

      1500

      Firenen’Israely

      1000

      Daniela 500

      Talohan’i Kristy/

      Aorian’i Kristy

      Jaona

      Israelin’Andriamanitra 500

      1000

      1500

      2000 Talohan’i

      Kristy

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Samy eo ny mpanjaka fahafito sy fahavalo amin’ny fotoanan’ny farany. Jereo ny pejy 19.

      b Samy eo ny mpanjaka fahafito sy fahavalo amin’ny fotoanan’ny farany. Jereo ny pejy 19.

      [Sary]

      Sarivongana ngezabe (Dan. 2:31-45)

      Biby efatra avy any an-dranomasina (Dan. 7:3-8, 17, 25)

      Ny ondrilahy sy ny osilahy (Dan. toko faha-8)

      Bibidia manana loha fito (Apok. 13:1-10, 16-18)

      Ampirisihin’ilay bibidia manana tandroka roa ny olona, mba hanao ny sarin’ilay bibidia manana loha fito (Apok. 13:11-15)

      [Sary nahazoan-dalana]

      Sary nahazoan-dalana: Ejipta sy Roma: Photograph taken by courtesy of the British Museum; Media sy Persa: Musée du Louvre, Paris

  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 15 Jona
    • Fanontanian’ny Mpamaky

      Oviana no lasa firenena matanjaka fahafito araka ny voalazan’ny faminaniana, ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina?

      ▪ Tsy ny firenena matanjaka rehetra no aseho amin’ilay sarivongana ngezabe hitan’i Nebokadnezara Mpanjaka, fa ireo firenena matanjaka dimy nanomboka tamin’ny andron’i Daniela ka nanohitra ny vahoakan’i Jehovah.—Dan. 2:31-45.

      Hitantsika ao amin’ny fanazavan’i Daniela momba an’ilay sarivongana, fa hipoitra avy amin’i Roma ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, fa tsy hoe handresy an’i Roma. Nilaza mantsy i Daniela hoe vy ny ranjon’ilay sary, ary mitohy hatrany amin’ny tongony sy ny rantsantongony izany vy izany. (Mifangaro tanimanga ilay vy eo amin’ny tongotr’ilay sary sy ny rantsantongony.)a Midika izany hoe avy amin’ilay ranjo vy, izany hoe avy amin’i Roma, no hipoiran’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Manamarina izany ny tantara. Ampahany kely tamin’ny Fanjakana Romanina ny Fanjakana Anglisy taloha, izany hoe i Grande-Bretagne. Nanomboka lasa firenena matanjaka anefa izy io taloha kelin’ny taona 1800. Lasa firenena natanjaka be koa i Etazonia tatỳ aoriana. Mbola tsy ilay firenena matanjaka fahafito resahin’ny Baiboly anefa i Grande-Bretagne sy Etazonia tamin’izay. Fa nahoana? Mbola tsy niara-niasa nanao zavatra niavaka izy ireo tamin’izany. Efa tamin’ny Ady Lehibe I izany vao nitranga.

      Tany Etazonia no tena nitory ireo voahosotra “zanak’ilay fanjakana”, tamin’izany fotoana izany. Tao Brooklyn, any Etazonia, koa moa no nisy ny Foibe. (Mat. 13:36-43) Nazoto nitory tany amin’ireo tany nofehezin’i Grande-Bretagne koa izy ireo. Nifandray akaiky i Grande-Bretagne sy Etazonia nandritra ny Ady Lehibe I, rehefa niara-nanohitra an’ireo firenena fahavalony. Nirongatra koa ny fitiavan-tanindrazana nandritra ny ady, ka nanjary niady tamin’ny taranak’ilay ‘vehivavy’ vadin’Andriamanitra izy ireo. Norarany ny bokintsika, ary nogadrainy ireo rahalahy nitarika ny asa fitoriana.—Apok. 12:17.

      Raha ny faminanian’ny Baiboly àry no jerena, dia tsy talohan’ny taona 1800 no nipoitra ilay firenena matanjaka fahafito, izany hoe tsy tamin’ny fotoana nahalasa fanjakana matanjaka an’i Grande-Bretagne. Teo am-piandohan’ny andron’ny Tompo vao lasa firenena matanjaka fahafito ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina.b

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara