FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 104
  • Inona no Hanampy Ahy Hifantoka Tsara?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Hanampy Ahy Hifantoka Tsara?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Maninona aho no tsy mahavita mifantoka?
  • Inona no hanampy ahy hifantoka kokoa?
  • Andevozin’ny Fitaovana Elektronika ve Aho?
    Mifohaza!—2011
  • Inona no Vokatry ny Teknolojia Amin’ny Fomba Fisainanao?
    Mifohaza!—2021
  • Andevozin’ny Fitaovana Elektronika ve Aho?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Inona no Vokatry ny Teknolojia Amin’ny Fifandraisanao Amin’ny Namanao?
    Mifohaza!—2021
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 104
Ankizivavy mieritreritra an’izay zavatra manelingelina azy amin’ny fianarana, sady miteny amin’izy ireny hoe mangina. Anisan’izany ny mozika, video, hafatra, ary sary.

MANONTANY NY TANORA

Inona no Hanampy Ahy Hifantoka Tsara?

  • Maninona aho no tsy mahavita mifantoka?

  • Inona no hanampy ahy hifantoka kokoa?

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Maninona aho no tsy mahavita mifantoka?

“Nahavita namaky boky be dia be mihitsy aho taloha, nefa izao tsy hoatr’izany intsony. Vao lava be fotsiny ilay fehintsoratra dia efa mahakamo an’ahy ny mamaky azy.”​—Elaine.

“Rehefa mijery video aho ka hitako hoe lava be ilay izy, dia arosorosoko haingana, amin’izay vetivety dia tapitra.”​—Miranda.

“Na dia efa mifantoka tsara aza aho rehefa misy zavatra tena lehibe ataoko, nefa maneno ny telefaoniko, dia tsy mifantoka intsony aho fa lasa mieritreritra hoe ‘Iza izany?’”​—Jane.

Mety hahatonga ny olona tsy hahavita hifantoka ve ny teknolojia? Misy miteny hoe: “Ie.” Izao no nosoratan’i Nicholas Carr, mpanoratra sady mpanolo-tsaina momba ny fitantanan-draharaha: “Vao mainka isika manazatra ny saintsika tsy hifantoka arakaraka ny ampiasantsika Internet. Vetivety kely mantsy isika dia mahazo fanazavana be dia be sady tena ilaina, nefa tsy mifantoka tsara amin’ilay izy akory.”a

Fa maninona ianao no mety tsy hifantoka tsara rehefa mampiasa teknolojia? Diniho ange ireto e!

  • Rehefa miresaka amin’olona. Hoy i Maria, ankizivavy 22 taona: “Na dia efa mifampiresaka amin’olona izao aza ny olona sasany, dia tsy mifantoka fa mbola mandefa hafatra ihany, na manao jeux, na mijery tambazotran-tserasera ao amin’ny telefaoniny.”

  • Rehefa any am-pianarana. Hoy ny boky Digital Kids: “Milaza ny ankamaroan’ny mpianatra fa mampiasa ny fitaovana elektronikany ry zareo ao am-pianarana, dia mandefa hafatra, na mamaky sy mijerijery zavatra tsy misy ifandraisany amin’ny fianarana.”

  • Rehefa mianatra any an-trano. Hoy i Chris, ankizilahy 22 taona: “Tsy vitako mihitsy izany hoe tsy hijery ny telefaoniko izany rehefa maneno ilay izy.” Raha mpianatra ianao, dia tadidio fa mety ho adiny telo na mahery vao ho vita ny devoara tokony ho vitanao ao anatin’ny adiny iray raha sady variana amin’ny fitaovana elektronika ianao.

Tadidio izao: Raha manana fitaovana elektronika ianao ka tsy mahafehy tena rehefa mampiasa an’ilay izy na variana loatra eo, dia ho sarotra aminao ny hifantoka.

Ankizilahy mitaingina soavaly, dia atsipin’ilay soavaly.

Hoatran’ny soavaly tsy mbola voafolaka ny sainao rehefa tsy mifantoka. Izy indray no mifehy anao fa tsy ianao

Inona no hanampy ahy hifantoka kokoa?

  • Rehefa miresaka amin’olona. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.” (Filipianina 2:4) Henoy tsara ny olona miresaka aminao, amin’izay ho tsapany hoe zava-dehibe aminao ny zavatra lazainy. Jereo tsara koa izy rehefa miresaka ianareo, fa aza variana amin’ny fitaovana elektronika.

    “Aza maika hijery telefaonina rehefa mbola misy olona miresaka aminao. Manaja azy ianao raha mihaino tsara an’izay lazainy.”​—Thomas.

    SOSO-KEVITRA: Rehefa miresaka amin’olona ianao, dia ampirimo aloha ny telefaoninao. Milaza ny mpikaroka fa vao mahita an’ilay telefaonina fotsiny ianao, dia efa mety tsy hifantoka amin’ilay resaka. Tsy maintsy hanelingelina anareo foana mantsy ilay telefaonina.

  • Rehefa any am-pianarana. Milaza ny Baiboly hoe: “Tandremo ny fomba fihainoanareo.” (Lioka 8:18) Ahoana no azo ampiharana an’io toro lalana io? Na dia afaka mampiasa Internet aza ianao ao am-pianarana, dia mifantoha amin’ny zavatra ianaranareo, fa aza variana mijery hafatra, na manao jeux, na mifampiresaka amin’olona ao amin’ny Internet.

    “Miezaha hifantoka tsara rehefa any am-pianarana. Mandraisa naoty rehefa manazava lesona ny mpampianatra. Raha mety, dia mipetraha eny aloha, amin’izay ianao tsy ho variana amin’ny zavatra hafa.”​—Karen.

    SOSO-KEVITRA: Taratasy sy stylo ampiasaina rehefa mandray naoty, fa tsy ordinatera. Hita tamin’ny fanadihadiana fa tsy ho mora variana amin’ny zavatra hafa ianao raha manao an’izany, sady hahatadidy kokoa an’izay zavatra nianaranao.

    Ankizivavy mianatra eo ambony latabatra ao an-tranony. Tsy ataony eo akaikiny ny kitapony sy ny telefaoniny ary ny gazetiboky famakiny.
  • Rehefa mianatra any an-trano. Hoy ny Baiboly: “Miezaha hanana fahendrena, ary ataovy izay hananana fahiratan-tsaina.” (Ohabolana 4:5) Midika izany hoe mila mandalina tsara ianao, fa tsy hoe mianatra maimaika fotsiny satria te ho afa-panadinana.

    “Ataoko ‘mode avion’ ny tablette-ko rehefa mianatra aho, amin’izay aho mifantoka tsara. Tsy mijery an’izay hafatra tonga koa aho. Rehefa misy zavatra tiako hotadidina, dia tonga dia soratako ilay izy.”​—Chris.

    SOSO-KEVITRA: Ataovy madio sy milamina tsara ny toerana ianaranao. Esory izay zavatra tsy ilaina, amin’izay ianao mifantoka tsara.

a Nalaina tao amin’ilay boky hoe The Shallows​—What the Internet Is Doing to Our Brains.

Ny hevitry ny tanora toa anao

Katie.

“Rehefa mianatra ianao, dia aza manao hoatran’ny olona mitaingina vedety mandeha mafy be, dia tsy mahita ny any anaty rano. Aleo manao hoatran’ny olona misitrika any anaty rano mihitsy, dia midina any amin’ny lalina be, amin’izay mahita zava-tsarobidy. Mila mandalina tsara ianao rehefa mianatra, raha tena te hahay.”​—Katie.

Rogelio.

“Miezaka ny ho salama tsara aho, amin’izay miasa tsara ny saiko. Manampy ahy hifantoka tsara koa ny mihinana sakafo mahasalama. Miezaka ny ho ampy torimaso koa aho, amin’izay mba mifantoka tsara ny ampitson’iny.”​—Rogelio.

Famerenana: Inona no hanampy ahy hifantoka tsara?

  • Rehefa miresaka amin’olona. Henoy tsara ny olona miresaka aminao fa aza variana amin’ny zavatra hafa. Amin’izay ho hitany hoe zava-dehibe aminao ny zavatra resahiny.

  • Rehefa any am-pianarana. Mifantoha amin’ny zavatra ianaranareo, fa aza variana mijery hafatra, na manao jeux, na mifampiresaka amin’olona ao amin’ny Internet.

  • Rehefa mianatra any an-trano. Ataovy madio sy milamina foana ny toerana ianaranao. Esory izay zavatra tsy ilaina, amin’izay ianao mifantoka tsara.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara