FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 94
  • Iza moa i Babylona Lehibe?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza moa i Babylona Lehibe?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Ahoana no Fahitan’Andriamanitra an’i Babylona Lehibe?
  • Inona no hanjo an’i Babylona Lehibe?
  • Inona no Atao hoe “Babylona Lehibe”?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Babylona Lehibe — Ny fianjerany sy ny fitsarana azy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • “Mivoaha eo aminy”
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ny Fivavahan-diso—Tsinjo ny Hiafarany Hanaitra Mafy
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 94
Babylona Lehibe, aseho ho toy ny mpivaro-tena manao akanjo volomparasy sy mena midorehitra, mamihina mpanjaka iray. Misy mpitondra fivavahana mitso-drano an’ilay mpanjaka ao aoriana.

Iza moa i Babylona Lehibe?

Valiny ara-baiboly

Miresaka momba ny “vehivavy iray” “mpivaro-tena lehibe” ny bokin’ny Apokalypsy. Manana anarana “mifono zava-miafina” antsoina hoe “Babylona Lehibe” izy io. (Apokalypsy 17:1, 3, 5) Mifanitsy amin’ny fivavahan-diso rehetra io vehivavy io. Naleon-dry zareo nisafidy ny “lainga toy izay ny fahamarinana momba an’Andriamanitra.”a (Romanina 1:25) Marina fa samy manana ny mampiavaka azy daholo ireny fivavahana ireny. Samy tsy mitaona ny olona hanompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, anefa izy rehetra.​—Deoteronomia 4:35.

Ahoana no hamantarana an’i Babylona Lehibe?

  1. Sary an’ohatra ilay hoe Babylona Lehibe. “Famantarana” no tena resahin’ny bokin’ny Apokalypsy, ka azo antoka fa sary an’ohatra ilay resahiny fa tsy vehivavy ara-bakiteny. (Apokalypsy 1:1) Resahina ao koa fa “mipetraka eo ambonin’ny rano maro” izy io. Manondro “olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny” ilay hoe rano. (Apokalypsy 17:1, 15) Tsy misy vehivavy mahavita an’izany.

  2. Fandaminana eran-tany ilay hoe Babylona Lehibe. Milaza ny Baiboly fa ‘tanàna lehibe mifehy an’ireo mpanjakan’ny tany’ izy io. (Apokalypsy 17:18) Manan-kery eran-tany àry izy io.

  3. Fandaminana ara-pivavahana ilay Babylona Lehibe, fa tsy ara-politika na ara-barotra. Tena mpivavaka be ny olona tany Babylona fahiny. Nalaza ho mpanao ‘ozona famosaviana sy mpilalao ody’ koa izy ireo. (Isaia 47:1, 12, 13; Jeremia 50:1, 2, 38) Nanaraka fivavahan-diso ny olona tao amin’io tany io, ary nanohitra an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, izany. (Genesisy 10:8, 9; 11:2-4, 8) Nanambony tena ireo mpanjakan’i Babylona, ka nanao tsinontsinona an’i Jehovah sy ny fivavahana aminy. (Isaia 14:4, 13, 14; Daniela 5:2-4, 23) Malaza ho ‘mpilalao ody’ koa i Babylona Lehibe. Fandaminana ara-pivavahana àry izy io.​—Apokalypsy 18:23.

    Tsy fandaminana ara-politika ilay hoe Babylona Lehibe, satria hitomany ny “mpanjakan’ny tany” rehefa ho rava izy io. (Apokalypsy 17:1, 2; 18:9) Asehon’ny Baiboly koa fa samy hafa i Babylona Lehibe sy ny “mpivaro-mandeha.” Tsy fandaminana ara-barotra àry izy io.​—Apokalypsy 18:11, 15.

  4. Photograph taken by courtesy of the British Museum

    Tsangambaton’i Nabonida, mpanjaka babylonianina, misy marika famantarana an’ireo andriamanitra telo: Sîn, Ishtar, ary Shamash

    Mety tsara ilazana ny fivavahan-diso ilay hoe Babylona Lehibe. Tsy manampy ny olona mba hivavaka amin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ny fivavahan-diso, fa mampirisika azy ireo hivavaka amin’andriamani-kafa. Milaza ny Baiboly fa toy ny hoe mijangajanga izy ireo amin’izany. (Levitikosy 20:6; Eksodosy 34:15, 16) Efa nampianarina tany Babylona fahiny, ohatra, hoe telo izay iray Andriamanitra, ary tsy mety maty ny fanahy. Nampiasa sary koa izy ireo rehefa nivavaka. Mbola manao hoatr’izany ny fivavahan-diso hatramin’izao. Tia an’izao tontolo izao koa izy ireo. Nivadika àry izy ireo ka ampitovin’ny Baiboly amin’ny olona manitsakitsa-bady.​—Jakoba 4:4.

    Hoy ny Baiboly momba an’i Babylona Lehibe: ‘Nanao akanjo volomparasy sy mena midorehitra izy sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla.’ (Apokalypsy 17:4) Mitovy amin’izany mihitsy ny fivavahan-diso. Manan-karena be izy ireo sady tia mampideradera fananana. Milaza ny Baiboly hoe avy aminy ny “zava-maharikoriko amin’ny tany”, izany hoe ireo fampianarana sy fanao manala baraka an’Andriamanitra. (Apokalypsy 17:5) “Olona sy vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny” no mpivavaka ao amin’ny fivavahan-diso, ary manohana an’i Babylona Lehibe izy ireo.​—Apokalypsy 17:15.

I Babylona Lehibe no tompon’andraikitra tamin’ny nahafatesan’izay ‘rehetra naripaka tetỳ ambonin’ny tany.’ (Apokalypsy 18:24) Mampirisika ny olona hiady ny fivavahan-diso sady manohana ny asa fampihorohoroana. Tsy vitan’izay fa tsy nampianatra ny marina momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitra fitiavana, koa izy ireo. (1 Jaona 4:8) Nahatonga vonoan’olona mahatsiravina izany.

Sary: Trano fivavahana sy sary mampiseho hoe nanohana ny ady ny fivavahan-diso hatramin’izay. 1. Fanafihana nataon’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, tamin’ny taonjato faha-11 hatramin’ny faha-13. 2. Ny Ady Lehibe I. 3. Pretra ortodoksa mitso-drano miaramila iray. 4. Pasitera afrikanina iray manohana adim-poko. 5. Miaramila japoney mivavaka amin’ny mpanjaka.

Ahoana no Fahitan’Andriamanitra an’i Babylona Lehibe?

Amin’Andriamanitra dia “efa nivangongo hatrany an-danitra” ny fahotan’i Babylona Lehibe. (Apokalypsy 18:4, 5) Tezitra amin’ny fivavahan-diso i Jehovah satria manely lainga momba azy ry zareo, no sady mampijaly ny mpanompony.

Inona no hanjo an’i Babylona Lehibe?

Milaza ny Baiboly hoe “efa namoaka ny didim-pitsarana momba azy Andriamanitra.” (Apokalypsy 18:20) Resahina ao koa hoe kely sisa dia hofoanan’Andriamanitra ny fivavahan-diso rehetra. (Apokalypsy 18:8) Hampiasa an’ilay bibidia mena midorehitra izy​—izany hoe ny fitondram-panjakana eran-tany​—mba hanafika ny fivavahan-diso, ary handringana azy io. (Apokalypsy 17:16, 17) ‘Hatsipy haingana i Babylona, ilay tanàna lehibe, dia tsy ho hita intsony.’ (Apokalypsy 18:21) Ara-dalàna àry raha tsy maintsy ‘mivoaka avy ao aminy’, izany hoe miala amin’ny fivavahan-diso, izay te hahazo sitraka amin’Andriamanitra.​—2 Korintianina 6:14-17.

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Ahafantarako ny Fivavahana Marina?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara