FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwhf lahatsoratra 13
  • Aza Mieritreritra Asa Intsony Rehefa any An-trano

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Mieritreritra Asa Intsony Rehefa any An-trano
  • Ho An’ny Fianakaviana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsara ho fantatrao
  • Soso-kevitra afaka manampy anao
  • Azo iarahana midinika
  • Inona no Vokatry ny Teknolojia Amin’ny Tokantranonao?
    Mifohaza!—2021
  • ‘Aoka ho Mendri-kaja ny Fanambadiana’
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Mahaiza Mandanjalanja Rehefa Mampiasa Fitaovana Elektronika
    Ho An’ny Fianakaviana
  • Aza Minamana Be Loatra Amin’olon-kafa
    Mifohaza!—2013
Hijery Hafa
Ho An’ny Fianakaviana
ijwhf lahatsoratra 13
Mpivady miara-misotro kafe ao an-dakozia. Ataon-dry zareo lavitra be ny telefaoniny sy izay zavatra mifandray amin’ny asany.

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Aza Mieritreritra Asa Intsony Rehefa any An-trano

Mandroso be ny teknolojia amin’izao, dia afaka mifandray foana ny olona amin’ny fotoana rehetra. Tian’ny mpampiasa anao na ny mpiara-miasa aminao na ny olona mampanao zavatra anao àry ianao raha hoe vonona ny hiasa foana, na amin’ny firy io na amin’ny firy, na rahoviana na rahoviana. Raha izany anefa no mitranga, dia lasa tsy ho hainao intsony ny handanjalanja ny asanao sy izay zava-dehibe kokoa eo amin’ny fiainanao, ohatra hoe ny fotoana tokony hatokanao ho an’ny vadinao.

  • Tsara ho fantatrao

  • Soso-kevitra afaka manampy anao

  • Ny hevitry ny mpivady sasany

  • Azo iarahana midinika

Tsara ho fantatrao

  • Vokatr’ilay teknolojia mandroso be, dia mety ho lany amin’ny asanao ny fotoana tokony hiarahanao amin’ny vadinao. Raha ohatra ka efa tsy any am-piasana intsony ianao nefa mbola misy miantso, na mandefa e-mail, na SMS, dia lasa mieritreritra ianao hoe tokony hovalianao haingana ilay izy.

    “Hoatran’ny tsy misy intsony amin’izao ilay hoe vao mirava avy miasa ianao, dia tonga dia mody mba hiaraka amin’ny fianakavianao. Rehefa misy miantso na mandefa e-mail momba ny asa mantsy ianao, dia iny indray aloha no ifantohanao fa tsy ny vadinao.”—Jeanette.

  • Mila manao zavatra ianao raha te hahay handanjalanja ny fotoana laninao amin’ny asanao sy ny fotoana hiarahanao amin’ny fianakavianao. Raha vao tsy manamboatra ny fandaharam-potoananao ianao, dia mety ho lany amin’ny asanao daholo ny fotoana tokony hiarahanao amin’ny vadinao.

    “Ny vadinao matetika no tsy raharahainao voalohany, satria mety hieritreritra ianao hoe: ‘Ao fa ho azony izany e! Tsy haninona an’ahy izany izy. Mbola afaka miaraka foana ange izahay roa e!’”—Holly.

Soso-kevitra afaka manampy anao

  • Ny vadinao aloha no tokony ho zava-dehibe indrindra aminao. Hoy ny Baiboly: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’ (Matio 19:6) Raha olona àry izany tsy havelanao ‘hampisaraka’ anao amin’ny vadinao, ka mainka ve fa ny asanao?

    “Mieritreritra ny olona sasany hoe tokony ho azony antsoina foana ianao rehefa misy ilany anao, satria ry zareo no manakarama anao. Ny vadiko anefa no zava-dehibe amiko voalohany, dia teneniko ry zareo hoe tsy afaka miasa mihitsy aho rehefa ora tsy fiasana, fa hiezaka hiantso an-dry zareo aho rehefa afaka.”—Mark.

    Saintsaino hoe: ‘Hita amin’ny zavatra ataoko ve fa ny vadiko no mbola zava-dehibe kokoa amiko noho ny asako?’

  • Teneno hoe tsy afaka miasa ianao. Milaza ny Baiboly hoe: ‘Izay manetry tena no hendry.’ (Ohabolana 11:2) Raha manetry tena ianao, dia hiaiky hoe aleo ajanona ny asa sasany na ampanaovina olon-kafa.

    “Mpikarakara fantson-drano no asako. Dia rehefa misy olona mitady an’ahy maika, indrindra fa hoe tsy mahandry ilay olona, nefa tsy ho tratrako ilay izy, dia atoroko olon-kafa afaka manao an’ilay izy izy.”—Christopher.

    Saintsaino hoe: ‘Vonona ny handa ve aho raha mbola asaina miasa ihany aorian’ny ora fiasana, indrindra raha hoe hahatonga an’ahy tsy afaka hiaraka amin’ny vadiko ilay izy? Tena hoatr’izany ve no fahitan’ny vadiko an’ahy?’

  • Manaova fandaharam-potoana mba hiarahana amin’ny vadinao, dia tena tanteraho ilay izy. Hoy ny Baiboly hoe: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy.” (Mpitoriteny 3:1) Rehefa be asa be ianao, dia amin’iny mihitsy ianao no mila mieritreritra hoe rahoviana izany no fotoana hiarahanao amin’ny vadinao, dia tena tanteraho ilay izy avy eo.

    “Rehefa samy be asa be izahay mivady, dia mifanaraka izahay hoe tsy maintsy manokana fotoana kely mba hiarahanay, na dia hoe miara-misakafo amin’ny hariva, na mitsangantsangana eny amoron-dranomasina fotsiny aza. Dia tsy misy zavatra avelanay hanelingelina anay amin’iny.”—Deborah.

    Saintsaino hoe: ‘Manokana fotoana iarahana amin’ny vadiko ve aho, dia tsy mieritreritra zavatra hafa rehefa amin’iny fotoana iny? Hitan’ny vadiko ve hoe tena manao an’izany tokoa aho?’

  • Vonoy ny fitaovana elektronika. Milaza ny Baiboly hoe: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Filipianina 1:10) Azonareo vonoina ve ny telefaoninareo na zavatra hafa, amin’izay ianareo tsy ho voahelingelina rehefa misy antso na SMS momba ny asa?

    “Efa ferako mihitsy hoe amin’izao ka hatramin’izao aho no miasa, dia vonoiko ilay filazana hafatra ao amin’ny telefaoniko, amin’izay aho tsy mahazo hafatra mifandray amin’ny asa.”—Jeremy.

    Saintsaino hoe: ‘Avelako mandeha eo foana ve ny fitaovana elektronika ampiasaiko, satria sao dia mitady an’ahy ny mpampiasa anay na ny olon-kafa manakarama an’ahy? Dia ahoana ny hevitry ny vadiko amin’izany?’

  • Miezaha mba handefitra ihany indraindray. Milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo.” (Filipianina 4:5) Mety hanelingelina ny fotoana tokony hiarahanareo mivady indraindray ny resaka asa. Mety hoe ilay asan’ny vadinao mihitsy, ohatra, no mahatonga an’azy tsy maintsy vonona ny hiasa foana na dia aorian’ny ora fiasana aza. Mahaiza mandanjalanja dia miezaha mba handefitra indraindray fa aza mitaky be loatra aminy.

    “Mitantana orinasa kely izay ny vadiko, dia misy zavatra maika be tsy maintsy alaminy foana matetika aorian’ny ora fiasana. Mahasorena an’ahy aloha ilay izy indraindray e! Fa soa ihany izahay fa mbola manokana fotoana be dia be hiarahana foana, dia tsy tena mampaninona an’ahy ilay izy.”—Beverly.

    Saintsaino hoe: ‘Mba mandefitra amin’ny asan’ny vadiko ihany aho ve, sa dia mitaky be loatra aminy? Marina ve ny fahitan’ny vadiko an’izany?’

Jiro ampola.

Soso-kevitra: Tadidio fa ezaka mitohy ilay hoe mahay mandanjalanja ny fotoana laninao amin’ny asanao sy ny fotoana hanaovanao ny zava-dehibe hafa eo amin’ny fiainanao. Ampiasao ilay hoe Azo iarahana midinika ato amin’ity lahatsoratra ity mba hanampy anao sy ny vadinao hahita hoe inona no tokony ahitsinareo, amin’izay ho hainareo tsara ny handanjalanja ny fotoana iasanareo sy ny fotoana tokony hiarahanareo.

Ny hevitry ny mpivady sasany

Joseph sy Hannah.

“Tsy asianay feo na vonoinay mihitsy ny tablette na telefaoninay, rehefa miara-misakafo izahay mivady. Tokony hoe tena zava-dehibe aminao ny fotoana iarahanao amin’ny fianakavianao.”—Joseph sy Hannah vadiny.

Kara sy Daniel.

“Notsorinay ny fiainanay, dia izay no tena nanampy anay. Tsy dia misy zavatra tena mahavariana anao mantsy rehefa tsotra ny fiainanao, dia lasa mora aminao ny mandanjalanja ny zavatra ataonao.”—Kara sy Daniel vadiny.

Azo iarahana midinika

Voalohany, samy afaka mieritreritra an’ireto fanontaniana ireto mitokana ianareo mivady. Dia iaraho midinika amin’izay ny valiny avy eo.

  • Efa nisy fotoana ve ny vadinao nitaraina hoe mitondra asa mody ao an-trano ianao? Raha eny, ekenao ve hoe marina izany?

  • Inona no hitanao hoe mila hatsarainao amin’ny fomba ampiasanao ny fotoananao amin’ny asa sy ny fotoana tokony hiarahanao amin’ny fianakavianao na hanaovana zavatra hafa?

  • Mieritreritra ve ianao hoe hoatran’ny tsy hain’ny vadinao ilay hoe tokony tsy hieritreritra asa intsony rehefa ao an-trano? Raha eny, afaka milaza ohatra ve ianao?

  • Misy ezaka tianao hataon’ny vadinao ve amin’izay izy mba mahay mandanjalanja ny fotoana laniny amin’ny asany sy hiarahany amin’ny fianakaviany ary hanaovany zavatra hafa?

Famerenana: Aza Mieritreritra Asa Intsony Rehefa any An-trano

  • Ny vadinao aloha no tokony ho zava-dehibe indrindra aminao. Aza avela hanelingelina ny fotoana tokony hiarahanao amin’ny vadinao ny asanao.

  • Teneno hoe tsy afaka miasa ianao. Hendry ianao raha ajanonao indraindray ny asa sasany na asaina ataon’ny olon-kafa.

  • Manaova fandaharam-potoana mba hiarahana amin’ny vadinao, dia tena tanteraho ilay izy. Na dia be asa be aza ianao, dia eritrereto hoe rahoviana izany ny fotoana tokony mba hiarahanao amin’ny vadinao, dia tena tanteraho ilay izy.

  • Vonoy ny fitaovana elektronika. Vonoy ny tablette sy ny telefaonina indraindray amin’izay ianareo tsy voahelingelin’ny antso sy ny SMS mifandray amin’ny asa.

  • Miezaha mba handefitra ihany indraindray. Ezaka mitohy ilay hoe mahay mandanjalanja ny fotoana lany amin’ny asa sy hanaovana ny zava-dehibe hafa eo amin’ny fiainana. Miezaha mba handefitra ihany anefa fa aza mitaky be loatra amin’ny vadinao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara