FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwhf lahatsoratra 21
  • Misy Toetran’ny Vadinao Tsy Azoazonao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy Toetran’ny Vadinao Tsy Azoazonao Ve?
  • Ho An’ny Fianakaviana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Misy mahatsara azy ilay toetra tsy azoazonao amin’ny vadinao
  • Azo iarahana midinika
  • Mahaiza Mankasitraka
    Mifohaza!—2017
  • Inona no Tokony Hataon’ny Mpivady Rehefa Mifamaly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • 3 Miezaha Hifanaja
    Mifohaza!—2018
  • Aza Mieritreritra Asa Intsony Rehefa any An-trano
    Ho An’ny Fianakaviana
Hijery Hafa
Ho An’ny Fianakaviana
ijwhf lahatsoratra 21
Lehilahy tezitra be, mipetraka irery eo amin’ny latabatra. Ny vadiny indray miresaka be amin’ny mpivady hafa.

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TOKANTRANO

Misy Toetran’ny Vadinao Tsy Azoazonao Ve?

  • Ianao tsy dia tia manomana be rehefa hanao zavatra. Ny vadinao anefa tsy hoatr’izany fa tiany raha mipetrapetraka tsara daholo ny zava-drehetra.

  • Ianao tsy dia be resaka sady mimpirimpirina. Ny vadinao indray maresaka be sady tia mifandray aman’olona.

Misy toetran’ny vadinao tsy azoazonao ve? Mety ho rava ny tokantranonareo, raha ilay izy foana no eritreretinao. Milaza ny Baiboly fa ‘hisaraka ny tena mpinamana’, raha mamerimberina miresaka ny fahadisoan’ny andaniny ny ankilany.​—Ohabolana 17:9.

Aza atao mampiady anareo àry ny toetra tsy azoazonao amin’ny vadinao. Jereo ange fa misy mahatsara azy ihany ilay toetrany e!

Hojerentsika hoe:

  • Misy mahatsara azy ilay toetra tsy azoazonao amin’ny vadinao

  • Ny hevitry ny mpivady sasany

  • Azo iarahana midinika

Misy mahatsara azy ilay toetra tsy azoazonao amin’ny vadinao

Mety ho ilay toetra tsy azoazonao amin’ny vadinao no itiavanao azy. Ahoana izany? Diniho ny tenin’ireto olona manambady ireto:

“Mahasorena be ahy ny vadiko indraindray, satria ela be izy matetika vao mahavita zavatra. Ela be izy vao tafaomana rehefa misy halehanay. Izany koa anefa no itiavako azy, satria manam-paharetana be izy, indrindra fa amiko.”​—Chelsea.

“Tena tia mandamina mialoha ny vadiko, na hatramin’ny zavatra madinika aza. Tsy milamina ny sainy raha tsy efa mipetrapetraka daholo ny zava-drehetra. Mahakamo be ilay izy indraindray, nefa tiako ihany satria efa vonona foana izy na inona na inona mitranga.”​—Christopher.

“Hoatran’ny hoe tsy mivaky loha izany mihitsy ny vadiko indraindray, dia mahasosotra. Tiako koa anefa ilay izy hoe tsy taitaitra. Anisan’ny nitiavako azy aza izany tamin’ny voalohany. Tony foana izy na dia misy zavatra mampitaintaina aza.”​—Danielle.

Marina ny tenin’i Chelsea sy Christopher ary Danielle. Iny toetran’ny vadinao eritreretinao hoe ratsy iny matetika ilay toetra tsarany. Mitovy amin’ny akanjo iray tianao ilay toetran’ny vadinao. Tsy maintsy misy lafy ratsiny sy lafy tsarany ilay izy. Tsy arianao ilay akanjo satria fotsiny hoe misy lafy ratsiny. Tsy mety koa àry raha hoe tianao hiova ny vadinao, satria tsy hanana an’ilay toetra tsarany intsony izy raha izany.

Misy toetra sasany aloha tsy misy mahatsara azy mihitsy e! Milaza izao ny Baiboly hoe misy olona “mora tezitra.” (Ohabolana 29:22) Tsy maintsy miezaka be ny olona hoatr’izany mba hiova, ka hanala “ny lolompo rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra.”a​—Efesianina 4:31.

Raha tsy toetra ratsy anefa ilay an’ny vadinao fa tsy azoazonao fotsiny, dia araho ny torohevitry ny Baiboly hoe: “Mahaiza foana mifampizaka ..., raha misy manana antony hitarainana.”​—Kolosianina 3:13.

Miezaha koa handinika hoe inona no mahatsara an’ilay toetran’ny vadinao. Mety hoe iny toetrany iny mihitsy ilay nitiavanao azy tamin’ny voalohany. Izao no nolazain’i Joseph, lehilahy iray efa manambady: “Raha mifantoka be amin’ny toetra tsy azoazonao amin’ny vadinao ianao, dia mitovy amin’ny olona manana diamondra tsara tarehy, nefa ilay sisiny maranitra no ifantohany fa tsy ilay izy mamirapiratra.”

Ny hevitry ny mpivady sasany

Derrick sy Haley.

“Rehefa misy toetrako tsy azoazon’ny vadiko na toetrany tsy azoazoko, dia samy miezaka mieritreritra izahay hoe sao dia mba misy ilana an’ilay toetra ihany.”​—Derrick vadin’i Haley.

Mikiah sy Curtis.

“Tsy hampaninona anao intsony ilay toetra tsy azoazonao, raha mitadidy ianao hoe anisan’ny nahatonga anao ho tara tamin’ilay olona ilay izy tamin’ny voalohany.”​—Mikiah vadin’i Curtis.

Azo iarahana midinika

Voalohany, samy afaka mieritreritra an’ireto fanontaniana ireto mitokana ianareo mivady. Iaraho midinika ny valiny avy eo.

  • Misy toetran’ny vadinao mampiady anareo matetika ve? Inona ilay izy?

  • Tena ratsy ve ilay toetrany, sa hoe tsy azoazonao fotsiny?

  • Sao dia misy mahatsara an’ilay toetrany ihany? Inona, ohatra, no mahatsara an’ilay toetrany, dia inona no tena itiavanao an’ilay izy?

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ahoana Raha Mampahatezitra Be Anao ny Vadinao?”, “Miezaha mba Tsy Hanao Teny Maharary”, ary “Miezaha mba tsy Hifamaly.”

Famintinana: Ahoana raha misy toetran’ny vadinao tsy azoazonao?

Tadidio ireto:

  • Mety ho rava ny tokantranonareo, raha ilay toetra tsy azoazonao foana no eritreretinao.

  • Mety ho ilay toetra tsy azoazonao amin’ny vadinao iny no toetra itiavanao azy. Mety ho iny mihitsy aza no nahatonga anao ho tara taminy tamin’ny voalohany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara