FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp19 No. 2 p. 12-13
  • Rehefa Tsy Te ho Velona Intsony Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rehefa Tsy Te ho Velona Intsony Ianao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • IZA NO AFAKA MANAMPY ANAO?
  • HIFARANA IHANY VE ILAY IZY?
  • Nahoana Isika Rehetra no Tokony Hidera An’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Inona no Tsapan’ny Olona Ketraka Lava?
    Mifohaza!—2009
  • Ny fomba handresena amin’ny ady atao amin’ny fahaketrahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Fanampiana avy Amin’ilay “Andriamanitry ny Fampiononana”
    Mifohaza!—2009
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
wp19 No. 2 p. 12-13
Vehivavy iray lasa eritreritra ary misy Baiboly misokatra eo anoloany

Rehefa Tsy Te ho Velona Intsony Ianao

“Niady saina be aho, kivy, ary nahatsiaro ho tapi-dalan-kaleha. Izany foana no tsapako, dia hozy aho hoe aleoko mamono tena.”​—Adriana, Brezila.

EFA nahatsapa hoatran’i Adriana ve ianao? Kivy be foana izy, ary nilaza ny dokotera fa efa lasa aretina mihitsy ilay izy.

Nikarakara ny ray aman-dreniny i Kaoru, any Japon. Narary izy ireo tamin’izany sady efa be taona. Hoy i Kaoru: “Nandrera-tsaina be ny tany am-piasana tamin’izany. Nalain-komana koa aho sady tsy natory tsara. Nanomboka nieritreritra àry aho hoe milamina be aho izao raha maty.”

Izao koa no nolazain’i Ojebode, any Nizeria: “Nalahelo be foana aho ary nitomany mihitsy, dia nitady fomba hamonoana tena.” Soa ihany fa tsy namono tena i Ojebode sy Kaoru ary Adriana. Mampalahelo anefa fa efa ho 800 000 no manao an’izany isan-taona.

IZA NO AFAKA MANAMPY ANAO?

Lehilahy ny ankamaroan’ireo mamono tena. Betsaka tamin’izy ireny no menatra, ka tsy nangataka fanampiana. Nilaza i Jesosy hoe mila dokotera ny olona marary. (Lioka 5:31) Aza menatra mitady fanampiana àry raha kivy be ianao ka mieritreritra ny hamono tena. Mety ho efa lasa aretina mantsy ilay izy. Raha izany no izy dia ilaina ny manatona dokotera. Anisan’ny nandray soa tamin’izany i Ojebode sy Kaoru ary Adriana.

Mety hampiasa fanafody ny dokotera mba hitsaboana an’ilay olona kivy be. Mety ho amin’ny alalan’ny resadresaka koa anefa no itsaboany azy. Mila ny fanampian’ny namany sy ny fianakaviany koa izy. Tokony hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ilay marary izy ireo, ho tsara fanahy, ary hanam-paharetana. I Jehovah anefa no namana tsara indrindra, ary mampiasa ny Teniny izy mba hanampiana antsika.

HIFARANA IHANY VE ILAY IZY?

Elaela mihitsy matetika ny fitsaboana ny olona kivy be. Mila manova ny zavatra sasany fanaony koa izy ireo. Matokia anefa fa mbola afaka ny ho sambatra ianao, na dia tratran’izany aza. Zavatra tsara hoatr’izany no ifantohan’i Ojebode. Hoy izy: “Tsy andriko ny hahatanterahan’ny Isaia 33:24. Resahina ao fa, indray andro any, dia tsy hisy intsony ny olona hiteny hoe ‘Marary aho.’” Afaka manao hoatran’i Ojebode koa ianao, ka misaintsaina an’ilay “tany vaovao” ampanantenain’Andriamanitra. Tsy hisy na inona na inona hampalahelo na hampiady saina intsony amin’izay. (Apokalypsy 21:1, 4) Tsy ho kivy intsony ianao mandrakizay. “Tsy hotsaroana intsony ... sady tsy handreraka [ny fonao]” ny zavatra rehetra mampalahelo anao.​—Isaia 65:17.

Andinin-teny Afaka Manampy Anao

Mahazo tsara ny fihetseham-ponao Andriamanitra.

“Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitazona anao mafy amin’ny tananao ankavanana, dia Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’”​—Isaia 41:13.

I Jehovah no tena mahazo tsara ny fihetseham-ponao, ary te hanampy anao izy.

Saintsaino ny Tenin’Andriamanitra.

“Nangataka ny ho faty [i Elia]. Hoy izy: ‘ ... Esory amin’izay ny aiko, Jehovah ô.’”​—1 Mpanjaka 19:4.

Hoy i Ojebode: “Nisaintsaina ny Tenin’Andriamanitra aho, dia tena nanampy ahy izany. Hay i Elia mpaminany mba efa nahatsapa hoatran’ahy koa.”

Mampahery ny tantaran’ny olona ao amin’ny Baiboly.

Hoy i Jesosy tamin’i Petera: “Efa nitalaho ho anao ... aho mba tsy ho levona ny finoanao.”​—Lioka 22:32.

Tena kivy ny apostoly Petera hoe nanda an’i Jesosy intelo, ary nitomany be. Hoy i Kaoru: “Nampahery ahy ny tantaran’i Petera. Hitako hoe tsy nanao tsinontsinona ny fihetseham-pony i Jehovah sy Jesosy.”

“Tsy hotsaroana intsony ... sady tsy handreraka [ny fonao]” ny zavatra rehetra mampalahelo anao.​—Isaia 65:17

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara