Nentanin’ny Tsy Fivadihan’ny Fianakaviako Tamin’Andriamanitra
NOTANTARAIN’I HORST HENSCHEL
“Mifalia raha maharay itỳ taratasy itỳ ianao, satria efa niaritra hatramin’ny farany aho. Afaka adiny roa dia hovonoina aho.” Ireo no teny fanokafana tao amin’ny taratasy farany nosoratan’i Dada ho ahy. Novonoina izy ny 10 May 1944, satria nanda tsy hanompo tao amin’ny tafik’i Hitler. Nisy heriny lalina teo amin’ny fiainako ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra, ary koa ny tsy fivadihan’ny reniko, sy i Elfriede, zokiko vavy.
NANOMBOKA namaky ny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah i Dada tamin’ny 1932, tany akaikin’ny fotoana nahaterahako. Anisan’ny zavatra hafa, dia hitany fa nihatsaravelatsihy ny klerjy. Tsy nanana fahalianana tamin’ireo eglizy intsony izy vokatr’izany.
Voantso ho miaramila tao amin’ny tafika alemà i Dada, fotoana fohy taorian’ny nanombohan’ny Ady Lehibe Faharoa, tamin’ny 1939. “Araka ny Baiboly, dia tsy tokony handeha aho”, hoy izy tamin’i Neny. “Tsy ara-drariny izao famonoana olona izao.”
“Hamono anao anie izy ireo raha tsy mandeha ianao e”, hoy i Neny namaly. “Dia hanao ahoana ny vady aman-janakao?” Koa tonga miaramila àry i Dada.
Tatỳ aoriana, dia niezaka hifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah — fanaovan-javatra tena nampidi-doza izany tamin’izany fotoana izany — i Neny, izay mbola tsy nianatra Baiboly hatreo. Nahita an’i Dora izy. Tany tamin’ny toby fitanana ny vadin’i Dora noho ny finoany. Nanome an’i Neny gazety Ny Tilikambo Fiambenana iray i Dora, nefa nilaza taminy mivantana hoe: “Tadidio ao an-tsaina fa mety hovonoina aho raha fantatry ny Gestapo (polisy niafina) fa nanome itỳ anao aho.”
Tamin’ny farany, dia naharay zavatra vita an-tsoratra maro kokoa avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Neny ary nanomboka nankasitraka ireo fahamarinana ara-baiboly tao anatin’izy ireny. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka nitsidika anay tany an-tranonay, tany Meissen, i Max Ruebsam, izay avy tany Dresde, teo akaiky teo. Niara-nianatra ny Baiboly taminay izy, na dia tena nampidi-doza ny tenany manokana aza izany. Raha ny marina, tsy ela taorian’izay, dia nosamborina izy.
Nanjary nino an’i Jehovah i Neny, vokatry ny fianarany ny Baiboly, ary nanolotra ny fiainany ho azy, ka nanamarika izany tamin’ny batisa tao anaty rano, tamin’ny volana May taona 1943. Natao batisa izahay sy i Dada, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Tokony ho tamin’izany fotoana izany koa no nanaovana batisa an’i Elfriede, zokiko vavy, izay 20 taona tamin’izay, ary niasa tany Dresde. Araka izany, dia samy nanolotra ny fiainanay ho an’i Jehovah izahay efa-mianaka, tao anatin’ny Ady Lehibe Faharoa indrindra. Niteraka an’i Renate, faravavinay, i Neny tamin’ny 1943.
Nenjehina izahay noho ny finoanay
Niala tsy ho anisan’ny Tanora Hitleriana aho, talohan’ny nanaovana batisa ahy. Rehefa nanda tsy hiarahaba tamin’ilay teny hoe: “Heil Hitler!” aho, zavatra notakina isan’andro tany an-tsekoly, dia nokapohin’ireo mpampianatra ahy. Kanefa, faly aho nahalala fa nitoetra ho nahatoky, noho ny nanatanjahan’ny ray aman-dreniko ahy.
Nisy ihany anefa fotoana nilazako hoe: “Heil Hitler!”, na noho ny sazy ara-batana, na noho ny tahotra. Nanganohano be àry ny ranomasoko rehefa nody aho, ary niara-nivavaka tamiko ny ray aman-dreniko mba hananako herim-po amin’ny manaraka ka hanoherako ny fanafihan’ny fahavalo. Mihoatra ny indray mandeha aho no nihemotra tsy nanao izay mahitsy, noho ny tahotra, nefa tsy nahafoy ahy velively i Jehovah.
Tonga tao an-tranonay ny Gestapo indray andro, ary nisava tao. “Vavolombelon’i Jehovah ve ianao?”, hoy ny polisin’ny Gestapo iray nanontany an’i Neny. Mbola hitako foana i Neny niankina teo amin’ny tolàm-baravarana ary nilaza tamin’ny fomba hentitra hoe: “Eny” — na dia fantany aza fa nidika ho fisamborana azy any aoriana izany.
Teo am-pikarakarana an’i Renate, izay tsy ampy herintaona akory, i Neny, rehefa tonga hisambotra azy ny Gestapo, tapa-bolana tatỳ aoriana. Nilaza toy izao i Neny ho fanoherana: “Eo am-pampinonoana ny zanako indrindra aho izao!” Nalain’ilay vehivavy niaraka tamin’ilay polisy anefa ilay zazakely teny an-trotroany ary nandidy toy izao izy: “Miomàna! Tsy maintsy mandeha ianao.” Azo antoka fa tsy mora tamin’i Neny izany.
Koa satria mbola tsy nosamborina i Dada, dia izy no nikarakara anay sy ny zandriko vavy kely. Indray maraina, tokony ho tapa-bolana taorian’ny nitondrana an’i Neny, dia namihina mafy an’i Dada aho, talohan’ny niaingako ho any an-tsekoly. Nosamborina ny androtr’iny i Dada, noho izy tsy nety niverina tao amin’ny tafika. Koa rehefa nody aho ny tolakandron’iny, dia efa lasa izy, ary tsy nahita azy intsony aho.
Nahazo ny zo hitaiza anay sy ny zandriko vavy kely ny raibe aman-drenibeko sy ny havanay hafa — nanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah izy rehetra ary ny sasany mpikambana tao amin’ny antoko nazia. Tsy navelany hamaky Baiboly aho. Rehefa avy nahazo tamim-piafenana Baiboly iray avy tamin’ny vehivavy iray mpiara-monina taminay anefa aho, dia namaky azy io. Nandohalika teo anoloan’ny fandrianan’ny zandriko vavy kely koa aho ary nivavaka.
Tetsy an-danin’izany, dia niaritra fitsapana ny finoany i Elfriede, zokiko vavy. Nanda tsy hiasa intsony tao amin’ny orinasa iray tany Dresde izay nanamboatra bala izy, nefa nahita ihany asa fikarakarana saha fitsangantsanganana sy zaridaina tany Meissen. Rehefa nankany amin’ny birao izy mba handray ny karamany, dia nanda tsy hampiasa ilay fiarahabana hoe: “Heil Hitler!” Nosamborina izy tatỳ aoriana, ka natao an-tranomaizina.
Nampalahelo fa voan’ny difiteria sy areti-mifindra mampahateramena ny hoditra i Elfriede ary maty, herinandro vitsivitsy taorian’ny nanaovana azy an-tranomaizina. Vao 21 taona monja izy. Tao amin’ny iray tamin’ireo taratasiny farany, dia notononiny ny Lioka 17:10 manao hoe: “Rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.” Nitoetra ho fanampiana nanatanjaka ahy ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra. — Kolosiana 4:11.
Ny fitsapana an’i Dada
Nitsidika an’i Dada tany an-tranomaizina ny raibeko — rain’i Neny — nandritra ny fotoana naha-tany azy, mba hanandrana hampiova hevitra azy. Nentina teo anatrehany i Dada, nisy rojo vy ny tongotra aman-tanany. Nolavin’i Dada tamin’ny fomba hentitra ilay fanoloran-kevitra ny amin’ny hanohizany ny raharaha miaramila mba ho tombontsoan’ny zanany. Nilaza toy izao tamin’i Dadabe ny iray tamin’ireo mpiambina ny tranomaizina: “Na dia folo aza ny zanak’io lehilahy io, dia tsy ho hafa ny fihetsiny.”
Tezitra mafy i Dadabe nony nody. “Ilay mpamono olona iny!”, hoy izy nikiakiaka. “Ilay tsy misy fotony iny! Ahoana no ahafoizany ny zanany naterany?” Na dia sorena aza i Dadabe, izaho kosa faly nahafantatra fa nitoetra ho niorina tsara i Dada.
Nomelohina ho faty i Dada tamin’ny farany, ary notapahin-doha. Fotoana fohy taorian’izay no nandraisako ilay taratasiny farany. Nanoratra ho ahy izy, satria tsy fantany hoe taiza ny tranomaizina nisy an’i Neny. Niakatra tao amin’ny efitra fatoriako tao ambanin’ny tafon-trano aho ary namaky ireo teny fanokafana voalaza eo amin’ny fampidirana an’itỳ lahatsoratra itỳ. Nalahelo aho ary nitomany, nefa faly aho nahalala fa nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’i Jehovah izy.
Ny alahelon’i Neny
Nalefa tany amin’ny tranomaizina iray tany atsimon’i Alemaina i Neny, mba hiandry ny fitsarana azy. Tonga tao amin’ny cellule nisy azy ny mpiambina iray, indray andro, ary nilaza taminy tamim-pisakaizana hoe tokony hipetraka ihany izy. Nitsangana anefa i Neny ary nilaza hoe: “Fantatro fa novonoina ny vadiko.” Tatỳ aoriana, dia nalefan’izy ireo tany aminy ny akanjo nihosin-dra, porofo mangina fa niaritra fampijalijaliana i Dada talohan’ny nahafatesany.
Nantsoina tao amin’ny biraon’ny tranomaizina i Neny, indray mandeha, ary nilazana tamin’ny fomba nivantana hoe: “Maty tany an-tranomaizina ny zanakao vavy. Amin’ny fomba ahoana no tianao handevenana azy?” Tampoka loatra sy tsy nampoizin’i Neny ilay fanambarana, hany ka tsy hitany izay holazaina tamin’ny voalohany. Nanohana azy anefa ny finoany mafy an’i Jehovah.
Tamin’ny ankapobeny, dia nikarakara tsara anay mianadahy ny havanay. Nitondra anay tamin-katsaram-panahy be izy ireo. Raha ny marina, dia nanatona an’ireo mpampianatra ahy ny havanay iray ary nangataka taminy mba hanam-paharetana tamiko. Koa nanjary tena tsara fanahy tamiko koa ireo mpampianatra ka tsy nanasazy ahy, rehefa tsy niarahaba azy ireo tamin’ny hoe “Heil Hitler!” aho. Ny hampiala ahy tamin’ny zavatra ninoako mafy, izay niorina tamin’ny Baiboly, anefa no zava-nokendren’izany fanehoana hatsaram-panahy rehetra izany. Ary nampalahelo fa nahomby ihany izany.
Volana vitsivitsy monja talohan’ny nifaranan’ny ady tamin’ny May 1945, dia nanatrika an-tsitrapo fivoriana sasany nataon’ny fikambanan’ny Tanora Nazia aho. Nanoratra tany amin’i Neny momba izany aho, ary tsapany tamin’ny famakiana ireo taratasiko fa toa nandao ny tanjona napetrako, dia ny hanompo an’i Jehovah, aho. Nilaza izy tatỳ aoriana fa ireny taratasiko ireny dia nampalahelo azy mafy kokoa noho ny nandrenesany ny nahafatesan’i Dada sy i Elfriede.
Nifarana ny ady tsy ela taorian’izay, ary niverina avy tany amin’ny tranomaizina i Neny. Nanjary tafarina indray teo amin’ny lafiny ara-panahy aho, noho ny fanampiany.
Fanombohana ny fanompoana manontolo andro
Tany amin’ny faramparan’ny taona 1949, efa-taona taorian’ny nifaranan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nisy mpiandraikitra mpitety faritany namelabelatra ny andinin-tenin’ny Baiboly ao amin’ny Malakia 3:10, manao hoe: “Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro”. Nanentana ahy hameno taratasy fangatahana hanao ny asa fitoriana manontolo andro izany. Noho izany, ny 1 Janoary 1950, dia tonga mpisava lalana aho, araka ny iantsoana ny minisitra manontolo andro. Nifindra toerana nankany Spremberg, izay nilana mpisava lalana bebe kokoa aho, tatỳ aoriana.
Ny volana Aogositra tamin’io taona io, dia naharay fanasana hanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Magdeburg, any Alemaina Atsinanana, aho. Ny 31 Aogositra anefa, roa andro monja taorian’ny nahatongavako, dia nisy polisy tonga nihazakazaka niditra tao amin’ny nisy anay, ary nilaza fa nisy mpanao heloka bevava niafina tao. Nosamborina ny ankamaroan’ireo Vavolombelona ary nentina tany an-tranomaizina, nefa afa-nandositra aho ary nankany Berlin Andrefana, izay nisy biraon’ny Fikambanana Watch Tower. Tany, dia notantaraiko izay nitranga tany Magdeburg. Nolazaina tamiko, tetsy an-danin’izany, fa Vavolombelona maro no nosamborina nanerana an’i Alemaina Atsinanana. Reko, raha ny marina, fa niverina nitady ahy tany Spremberg ny polisy!
Fisamborana sy fanaovana an-tranomaizina
Notendrena hanao ny asan’ny mpisava lalana tany Berlin Atsinanana aho. Raha mbola nanao ny asan’ny iraka aho, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, mba haka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly avy tany Berlin Andrefana ho any Alemaina Atsinanana, dia nosamborina sy nentina tany amin’ny tanànan’i Cottbus, izay nitsarana sy nanamelohana ahy 12 taona an-tranomaizina.
Anisan’ny zavatra hafa, dia nampangaina ho mpanetsika ady, aho. Izao no nolazaiko, nandritra ny fitsarana ahy, tao amin’ny teniko farany: “Ahoana no mety hanamelohana ahy, dia izaho izay Vavolombelon’i Jehovah, ho mpanetsika ady nefa ny raiko aza nanda tsy handray anjara tamin’ny ady, satria izy Vavolombelon’i Jehovah, ka notapahin-doha noho izany?” Kanefa, mazava ho azy fa tsy liana tamin’ny fahamarinana ireo olona ireo.
Tsy mora tamin’ny tenako, izay 19 taona, ny nieritreritra ny hoe hatao an-tranomaizina mandritra ny 12 taona. Fantatro, na dia izany aza, fa nisy maro hafa nahazo fanamelohana nitovy tamin’izany. Nosarahin’ireo manam-pahefana toerana ny Vavolombelona indraindray; tamin’izay anefa, dia niara-nandinika fahamarinana ara-baiboly tamin’ireo voafonja hafa izahay, ary tonga Vavolombelona ny sasany taminy.
Nohazonina tao amin’ny fitambarana cellules iray ihany izahay Vavolombelona tamin’ny fotoana hafa. Tamin’izay dia nifantoka tamin’ny fianarana tsara kokoa ny Baibolinay izahay. Nianatra tsianjery toko manontolo ao amin’ny Baiboly izahay, ary niezaka mihitsy aza hitadidy an-kandrina boky manontolo ao amin’ny Baiboly. Nametra tanjona sasany ho an’ny tenanay izahay momba izay hatao sy hianarana amin’ny andro tsirairay. Be zavatra natao loatra izahay indraindray ka nifampilaza hoe: “Tsy manam-potoana mihitsy isika”, na dia tsy nisy asa na inona na inona nasaina natao aza tao amin’ny cellules-nay nandritra ny andro manontolo!
Nety hahatrotraka ny famotorana nataon’ny polisy niafina. Nety hitohy andro aman’alina izy io, narahin’izao karazam-pandrahonana rehetra izao. Nanjary trotraka sy kivy mafy dia mafy aho, indray andro, ka sarotra tamiko na dia ny hivavaka aza. Roa na telo andro taorian’izay, tsy fantatro akory izay antony, dia nesoriko teo amin’ny rindrin’ny cellule-ko ny takela-taratasy iray nirakitra ireo fitsipika nifehy ny tranomaizina. Navadiko ilay izy, ary nisy soratra hitako. Nampiakariko nanatona ny hazavana kely ilay izy, ary nahita izao teny izao aho: “Andao, aza matahotra ny mamono ny tena”, sy ny hoe: “Ny Kristiana mahatoky eo imason’ny Tompo tena sarobidy toy ny anakandriamasony!” Anisan’ny tonon’ny hira faha-27 ao amin’ny fihiranan’ny Vavolombelon’i Jehovah izao ireo teny ireo!
Mazava fa nisy rahalahy iray hafa tao anatin’ny tarehin-javatra nitovy tamin’ny ahy tao amin’io cellule io, ary nanatanjaka azy i Jehovah Andriamanitra. Nahazo hery ara-panahy avy hatrany indray aho, ary nisaotra an’i Jehovah noho io fampaherezana io. Tsy maniry ny hanadino na oviana na oviana an’io lesona io aho, satria nampianatra ahy izy io fa na dia tsy afaka mahomby noho ny heriko manokana aza aho, dia tsy misy zavatra na inona na inona tsy azo atao, noho ny fanampian’i Jehovah Andriamanitra.
Efa nifindra tany Alemaina Andrefana i Neny tamin’izay fotoana izay, hany ka tsy nanana fifandraisana tamiko izy. Kanefa, teo i Hanna, iray kongregasiona izahay hatramin’ny fahakelinay sady nifandray akaiky tamin’ny fianakavianay izy. Nitsidika ahy izy nandritra ireny fotoana rehetra naha-tany an-tranomaizina ahy ireny, ary nanoratra taratasy nampahery koa sady nandefa fonosan-tsakafo sarobidy ho ahy. Nanambady azy aho rehefa nafahana avy tany an-tranomaizina tamin’ny 1957, rehefa avy namita 6 taona tamin’ilay sazy 12 taona.
Amin’ny maha-vadiko malalako azy, dia nanompo tamim-pahatokiana teo anilako i Hanna teo amin’ny asa maro samihafa nanendrena anay, ary nanohana ahy indrindra foana izy. I Jehovah Andriamanitra irery ihany no afaka mamaly ny soa nataony tamiko nandritra ny fanompoana manontolo andro niarahanay nanao.
Fanompoana rehefa tafavoaka ny tranomaizina
Niara-nanomboka ny fanompoanay manontolo andro izahay sy i Hanna tao amin’ilay biraon’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay fotoana izay, tao Berlin Andrefana. Notendrena handrafitra aho tany, tao amin’ny asa fanorenana. Niara-nanomboka ny asan’ny mpisava lalana tany Berlin Andrefana izahay, tatỳ aoriana.
Nampirisika ahy hanohy ny fianarako ny teny anglisy i Willi Pohl, izay niandraikitra ny asanay tany Berlin Andrefana, tamin’izay fotoana izay. “Tsy manam-potoana aho”, hoy aho namaly. Kanefa, faly erỳ aho fa nankatò ka nanohy ny fianarako ny teny anglisy! Ho vokany, tamin’ny 1962, dia nasaina hanaraka fianarana naharitra folo volana tao amin’ny kilasy faha-37 tamin’ny Sekolin’i Gileada, any Brooklyn, New York, aho. Rehefa tafaverina tany Alemaina aho ny 2 Desambra 1962, dia nandany 16 taona tao amin’ny asa fitetezam-paritany izahay sy i Hanna, ka nitsidika kongregasiona nanerana an’i Alemaina. Avy eo, tamin’ny 1978, dia nasaina hanompo tao amin’ny biraon’ny sampana tao Wiesbaden izahay. Rehefa nifindra tao amin’ny trano vaovao sy lehibe tao Selters ny sampana, tany antenatenan’ireo taona 1980, dia nanompo tao amin’io trano tsara tarehy io nandritra ny taona maromaro izahay.
Tombontsoam-panompoana ankamamina
Nisy zavatra tsy nampoizina tanteraka nitranga tamin’ny 1989 — nianjera ny Rindrin’i Berlin, ary nanomboka nahazo fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana ireo Vavolombelona tatỳ Eoropa Atsinanana. Tamin’ny 1992, dia nasaina ho any Lviv, any Ukraine, izahay sy i Hanna, mba hitondra fanampiana, noho ny fitomboana haingan’ny isan’ireo mpitory ilay Fanjakana tany amin’io faritra io.
Nasaina nankatỳ Rosia izahay, ny taona nanaraka, mba hanampy teo amin’ny fandaminana ny asan’ilay Fanjakana tatỳ. Nisy birao natsangana tamin’izay teto Solnechnoye, vohitra iray tokony ho 40 kilaometatra atỳ ivelan’i Saint-Pétersbourg, mba hikarakarana ny asa fitoriana nanerana an’i Rosia sy ny ankamaroan’ireo repoblika hafa tao amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Efa nanomboka ny asa fanorenana ireo trano fonenana sy ny fitambaran-trano misy ny birao sy ny fanatobiana entana, rehefa tonga izahay.
Dibo-kafaliana izahay tamin’ny fitokanana ny tranon’ny sampana vaovaonay, ny 21 Jona 1997. Nisy 1 492 ny tontalin’ny isan’ny olona rehetra, avy tamin’ny tany 42, tafavory teto Solnechnoye tamin’ilay fandaharana manokana. Vahoaka 8 400 mahery no tafavory tao amin’ny Kianja Petrovsky, teto Saint-Pétersbourg, ny ampitson’iny, mba hanaraka ny famerenana ilay fandaharam-pitokanana ary koa hihaino tatitra mampahery nentin’ireo mpitsidika avy tany amin’ny tany hafa.
Fitomboana mahatalanjona re izao azonay tany amin’ireo repoblika 15 tao amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha izao! Tamin’ny 1946, dia tokony ho 4 800 no nitory ilay Fanjakana tao amin’itỳ faritra itỳ. Efa ho 40 taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1985, dia nitombo ho 26 905 ilay isa. Amin’izao andro izao, dia mpitory ilay Fanjakana miisa 125 000 mahery, any amin’ny repoblika folon’ny Firaisana Sovietika teo aloha, no karakarain’ny biraon’ny sampana misy anay eto Solnechnoye, ary 100 000 mahery no mitory any amin’ireo repoblika sovietika dimy hafa teo aloha! Nientana erỳ izahay nahalala fa maherin’ny 600 000 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, tamin’ny Martsa lasa teo, tany amin’ny repoblika sovietika 15 teo aloha!
Mitolagaga aho mahita ny fomba mahatalanjona itarihan’i Jehovah Andriamanitra ny asa fanangonana sy fandaminana ny vahoakany amin’izao “andro farany” izao. (2 Timoty 3:1, NW ). Araka ny lazain’ny mpanao salamo ao amin’ny Baiboly, dia manome fahaiza-mahataka-javatra ny mpanompony i Jehovah, sady mampianatra azy ireo ny lalana tokony halehany, ary mitsinjo azy ny masony ka manolo-tsaina azy izy. (Salamo 32:8). Raisiko ho tombontsoa izany hoe anisan’ny fandaminana iraisam-pirenen’ny vahoakan’i Jehovah izany!
[Sary, pejy 13]
Miaraka amin’ireo anabaviko roa, tamin’ny 1943
[Sary, pejy 14]
Notapahin-doha i Dada
[Sary, pejy 14]
Nanampy ahy ho tafarina indray teo amin’ny lafiny ara-panahy i Neny
[Sary, pejy 15]
Miaraka amin’i Hanna, vadiko
[Sary, pejy 16]
Nandritra ny lahateny fitokanana tao amin’ny Efitrano Fanjakana teto amin’ny sampan’i Rosia
[Sary, pejy 17]
Tokotany sy varavarankelin’ny efitra fisakafoan’ny sampana vaovaonay eto Rosia