FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwhf lahatsoratra 23
  • Nahoana no Ilain’ny Ankizy ny Mamaky Teny? Fizarana 1: Hamaky sa Hijery?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Ilain’ny Ankizy ny Mamaky Teny? Fizarana 1: Hamaky sa Hijery?
  • Ho An’ny Fianakaviana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no ilain’ny ankizy ny mamaky teny?
  • Ahoana no ampirisihana ny ankizy hamaky teny?
  • Milofosa Amin’ny Famakian-teny
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ampianaro ho Tia Mamaky Teny sy Hazoto Hianatra ny Zanakao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ny Fomba Hamakiana sy Hitadidiana
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Mitandrema Amin’ny Hakamoana Mamaky Teny
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Ho An’ny Fianakaviana
ijwhf lahatsoratra 23
Ankizilahy iray mamaky boky. Misy ‘télécommande’ sy boky hafa eo akaiky eo.

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Nahoana no Ilain’ny Ankizy ny Mamaky Teny? Fizarana 1: Hamaky sa Hijery?

Rehefa miala voly ny zanakao dia inona no tiany kokoa: Mijery video sa mamaky boky? Inona no mety horaisiny: Telefaonina sa boky?

Efa an-taonany maro ny olona no tsy dia tia mamaky teny intsony. Ny tele aloha no nahavariana azy ireo tamin’ny voalohany dia avy eo niampy ny Internet. Izao no nolazain’i Jane Healy tamin’ny 1990, tao amin’ilay bokiny hoe Endangered Minds: “Raha izao dia mety tsy hisy olona hamaky teny intsony amin’ny farany.”

Hoatran’ny sarotra inoana io teniny io tamin’izany. Inona anefa izao no mitranga, telopolo taona atỳ aoriana? Voamariky ny mpampianatra sasany any amin’ny tany be mpampiasa teknolojia hoe tsy mahay mamaky teny hoatran’ny olona taloha intsony ny ankizy.

Ho hitantsika ato ireto:

  • Nahoana no ilain’ny ankizy ny mamaky teny?

  • Ahoana no ampirisihana ny ankizy hamaky teny?

  • Ny hevitry ny ray aman-dreny

Nahoana no ilain’ny ankizy ny mamaky teny?

  • Lasa mahay maka sary an-tsaina ny ankizy rehefa mamaky teny. Ohatra hoe hoatran’ny ahoana ny feon’ireo mpandray anjara, raha tantara ilay vakiny? Hoatran’ny ahoana ny paozin-dry zareo? Hoatran’ny ahoana ny manodidina? Hazavain’ny mpanoratra ihany ny zavatra sasany fa ny mpamaky no maka sary an-tsaina ny ambiny.

    Ankizilahy iray mamaky boky ary maka sary an-tsaina ny tenany mitaingina dinôzôro.

    Hoy ny renim-pianakaviana iray atao hoe Laura: “Rehefa mijery filma na video isika, dia ny eritreritry ny olon-kafa no jerentsika. Mahafinaritra aloha izany e! Fa hafa mihitsy anefa ilay hoe mamaky teny. Ianao mantsy amin’izay no maka sary an-tsaina ny zavatra soratan’ny hafa.”

  • Manampy ny ankizy hanana toetra tsara ny mamaky teny. Lasa mahay mamaha olana, ohatra, ry zareo. Tsy maintsy mifantoka tsara koa ny ankizy rehefa mamaky teny, dia manampy azy hanam-paharetana izany, hahay hifehy tena, ary hahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa.

    Fa maninona no hoe manampy azy hahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa ilay izy? Milaza ny mpikaroka fa rehefa mamaky miadana sy milamina tsara ny ankizy, dia manampy azy hieritreritra ny fihetseham-pon’ireo mpandray anjara ao amin’ilay tantara izany. Lasa mahatakatra ny fihetseham-pon’ny olona mifanerasera aminy ilay ankizy avy eo.

  • Lasa zatra mieritreritra lalina ny ankizy rehefa mamaky teny. Tsy maimaika ny olona tia mamaky teny, amin’izay azony tsara ny tian’ny mpanoratra holazaina. Averiny vakina mihitsy aza ny zavatra sasany raha ilaina. Mora mahatadidy an’izay vakiny àry izy sady mandray soa avy amin’izany.​—1 Timoty 4:15.

    Hoy ny raim-pianakaviana iray atao hoe Joseph: “Rehefa mamaky teny ianao, dia mora kokoa aminao ny misaintsaina ny dikan’ny fehezanteny iray, mampifandray an’ilay izy amin’izay efa fantatrao, ary mandray lesona avy amin’ilay izy. Tsy mahavita mieritreritra lalina hoatr’izany ianao matetika rehefa mijery video sy filma.”

Tadidio àry izao: Misy maha tsara azy ihany ny video sy ny filma. Mety hisy zava-dehibe tsy ho hain’ny zanakao mihitsy anefa raha zara fa mamaky teny izy.

Ahoana no ampirisihana ny ankizy hamaky teny?

  • Atombohy aloha be. Hoy i Chloe, renim-pianakaviana manan-janaka roa lahy: “Mbola tany an-kibo ny zanakay dia efa namakianay teny, dia mbola notohizinay izany rehefa teraka ry zareo. Soa ihany izahay fa nikiry foana. Lasa fahazaran-dry zareo mantsy ilay mamaky teny, na dia rehefa miala voly aza.”

    Toro lalan’ny Baiboly: “Mbola zazakely ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina.”​—2 Timoty 3:15.

  • Ataovy mampahazoto mamaky teny ny ao an-tranonareo. Asio boky mora raisina ao an-trano. Hoy i Tamara, renim-pianakaviana manan-janaka efatra: “Mitadiava boky mety ho tian’ny zanakao, dia ataovy eo akaikin’ny fandrianany ilay izy.”

    Toro lalan’ny Baiboly: “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”​—Ohabolana 22:6.

  • Asio fetrany ny fampiasana Internet. Ahoana, ohatra, raha asiana takariva iray tsy ampiasana fitaovana elektronika? Izany no torohevitry ny raim-pianakaviana iray atao hoe Daniel. Hoy izy: “Nanokana takariva tsy hijerena tele izahay, na dia hoe indray mandeha isan-kerinandro fotsiny aza. Mamaky teny izahay amin’iny, dia indraindray miaraka eo daholo fa misy fotoana samy mamaky ny azy.”

    Toro lalan’ny Baiboly: ‘Mahaiza mamantatra an’izay zava-dehibe kokoa.’​—Filipianina 1:10.

  • Miezaha ho modely. Hoy i Karina, renim-pianakaviana manan-janaka roa vavy: “Ataovy hoatran’ny hoe tena mitranga mihitsy ilay tantara, ka ataovy velombelona ny famakianao azy dia miezaha koa hafana fo. Mety hanaraka ny modelinao ny zanakao raha hitany hoe tia mamaky teny ianao.”

    Toro lalan’ny Baiboly: “Miezaha mafy foana hahay hamaky teny ampahibemaso.”​—1 Timoty 4:13.

Ankizivavy iray mipetraka eo amin’ny tany ary mijery ny mamany mamaky boky.

Tsy ny ankizy rehetra no ho lasa tia mamaky teny. Ny fampirisihanao azy anefa dia efa mety hampahazoto azy hamaky. Mbola mihoatra noho izany aza no nataon’i David, raim-pianakaviana manan-janaka roa vavy. Hoy izy: “Novakiko ny boky novakin’ny zanako vavy, amin’izay fantatro hoe inona ny zavatra mahaliana an-dry zareo sady mba nanana zavatra horesahina izahay. Hoatran’ny hoe tao anatina fikambanana kely mpamaky boky izahay telo mianaka. Nahafinaritra be ilay izy!”

Ny hevitry ny ray aman-dreny

Vassilios sy Marianna.

“Mahatonga ny ankizy hazoto hamaky teny ny ray aman-dreny rehefa ry zareo mihitsy aloha no tia mamaky, sady mitantara an’izay novakiny amin’ny zanany. Tadidiko hoe matetika ny zanakay vavy no niresaka taminay momba ny tantara novakin-dry zareo, dia tena zava-dehibe taminay ny nihaino tsara an-dry zareo. Lasa hitan-dry zareo hoe zava-dehibe ny mamaky teny.”​—Vassilios sy Marianna vadiny.

Debi sy Joel.

“Nanana talantalana vitsivitsy fitoeram-boky izahay teo an-dalantsara, dia nasianay boky isan-karazany mety ho an’ny tsirairay ilay izy rehefa nihalehibe ny zanakay. Imbetsaka izahay no nahita an-dry zareo namaky boky teo. Nety be ilay hoe tonga dia nisy boky maromaro azon-dry zareo novakina teo.”​—Debi sy Joel vadiny.

Famerenana: Ahoana no hataoko mba hampirisihana ny zanako hamaky teny?

  • Atombohy aloha be. Raha mbola kely ny zanakao dia efa amakianao teny, dia hanampy azy ireo hahita izany hoe mahafinaritra ny mamaky teny fa tsy mandreraka.

  • Ataovy mampahazoto mamaky teny ny ao an-tranonareo. Asio boky be dia be azon’ny zanakao vakina ao an-trano.

  • Asio fetrany ny fampiasana Internet. Manokàna fotoana hamakiana teny, dia aza asiana zavatra manelingelina anareo.

  • Asehoy hoe tia mamaky teny ianao. Azo inoana kokoa hoe ho tia mamaky teny ny zanakao rehefa mahita ny modelinao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara