FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 15/5 p. 32
  • Aiza no Ahazoan’izy Ireo ny Heriny?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aiza no Ahazoan’izy Ireo ny Heriny?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 15/5 p. 32

Aiza no Ahazoan’izy Ireo ny Heriny?

RAHA mandinika akaiky ilay lolo eto amin’itỳ sary itỳ ianao, dia ho hitanao fa ny iray amin’ireo elany efatra dia tsy azo ampiasaina intsony. Kanefa manohy mamelon-tena sy manidina ilay lolo. Tsy toe-javatra maningana akory izany. Voamarika fa nisy lolo nanomboka nanao ny asany isan’andro, tsy nanana ny 70 isan-jaton’ny velaran’elany.

Tahaka izany koa, olona maro no mampiseho toe-tsaina feno fahatapahan-kevitra. Na dia miaritra zava-manahirana henjana ara-batana na ara-pihetseham-po aza izy ireny, dia tsy ketraka. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 4:16.

Niaritra manokana fijaliana lehibe ny apostoly Paoly nandritra ireo diany misionera. Nokaravasina, nokapohina, notoraham-bato, sy natao an-tranomaizina izy. Fanampin’izany, dia nisy karazana kilema nahazo azy, angamba zava-nanahirana momba ny masony, izay taminy dia “tsilo tamin’ny nofo” mandrakariva. — 2 Korintiana 12:7-9; Galatiana 4:15.

Ny loholona kristiana iray antsoina hoe David, izay niady tamin’ny fihetsehana mafin’ny fahaketrahana nandritra ny taona maromaro, dia nino fa ny hery omen’i Jehovah dia tena zava-dehibe tamin’ny nahasitranany. “Imbetsaka no toa nanjavona ny fihatsarana efa nampananosarotra”, hoy izy nanazava. “Teo anoloan’ny fahakiviana toy izany, dia niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah aho, ary tena nanohana ahy marina izy. Teo ireo fotoana izay nanaovako vavaka nandritra ny ora maro isaky ny manao. Rehefa niresaka tamin’i Jehovah aho, dia nanjavona ny fahatsiarovako tena ho manirery sy ho tsy ilaina. Niady mafy aho nandritra ireo fotoam-pahalemena lehibe manontolo, nefa noho i Jehovah, dia avy amin’izany fahalemena izany no nisian’ny hery — hery mba hanampiana ny hafa mihitsy aza.”

Nanatanjaka an’i Paoly i Jehovah Andriamanitra. Noho izany, dia afaka nilaza toy izao izy: “Fa rehefa malemy iny indrindra aho no mahery.” (2 Kôrintianina 12:10, DIEM ). Eny, ny fahalemen’i Paoly dia nampianatra azy hiantehitra tamin’ny hery omen’Andriamanitra. “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy”, hoy ilay apostoly. (Filipiana 4:13). Azo antoka fa manome hery ny mpanompony tokoa i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara